Anarana mitovy any Gaza: Mitondra ireo maritiora miaraka aminay any am-pielezana

‘Fahatsiarovana tsy voasoratra: Tokony ho izaho izany/mety ho izaho izany.’ Tatreez Palestiniana nozairina tanana sy sary nakambana tao amin'ny canva, 2024, nataon'ny mpanoratra. Sary avy amin'ny mpanoratra, nahazoana alalana.

Rehefa navoaka tao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Gaza ny lisitr'ireo olona namoy ny ainy, dia lasa aho nitady ny anarako. Firy amiko no hitako? Voamariko tamin'ny voalohany, tamin'ny volana Novambra 2023, izaho 19 no maty — taty aoriana, nitombo ho 50 mahery ireo Safas fantatra fa maty, manomboka amin'ny 1 ka hatramin'ny 82 taona.

Ahoana no nifandraisanay? Ary inona no hampianarin'izy ireo ahy tsy misy fihaonanay?

Fifandroritana Palestiniana

Matetika aho nahatsiaro voasariky ny fitodika roa — fifandroritana tsapako amin'ny maha-Palestiniana am-pielezana: faniriana sy tebiteby. Ankilany, faniriana hanana tsiarom-pahazazana any Palestina — maninona raha izaho? Ankilany, tebiteby noho ny fieritreretana izay mety ho nitranga raha nandositra nankany Gaza ny fianakavianay ary tany aho amin'izao fotoana izao — ahoana raha izaho?

Maninona moa raha izaho?

Matetika aho no misary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny fiainako raha nanana tsiarom-pahazazana tany Palestina aho … indrindra tamin'ny nofinofiko an'i Palestina afaka. Mety ho nitsidika ny Ranomasina Mediteranea izahay tamin'ny dianay mianakavy.

Ahoana moa raha izaho?

Noeritreretiko matetika koa ny mety ho anjarako hafa amin'ny zava-misiko an-tsesitany. Nandray fanapahan-kevitra hafa ve tamin’ny raibe sy renibeko tamin’ny taona 1948 ka nankany atsimo, dia mety ho tany Gaza koa aho izao.

Amin'ny maha-zanakavavy sy zafikely Palestiniana mpitsoa-ponenana ahy, matetika aho no nieritreritra ny mety ho fiainako raha nandositra nianatsimo nandritra ny Nakba ry zareo.

Izahay Palestiniana am-pielezana moa efa niatrika izany heloka fa niangana izany, ​​indrindra nandritra ny fandripahana tao Gaza. Nanoratra i Diana Safieh: “Manafotra loatra ireo vaovao mampahory tsy tapaka avy any Palestina — sarim-pahapotehina, tantaram-pamoizana sy fitantaram-panitsakitsahana zon'olombelona. Ary mahatsiaro tena ho meloka aho milaza tsy fahampian-torimaso satria tsy misy dikany izany raha oharina amin'izay iainan'ny olona any an-tanindrazana amin'ny fotoana rehetra. “

Anarana itovitovianay

Mampionona ahy ny mino fa manana fifandraisana iombonana ry Safas. Na dia mety ho kisendrasendra fotsiny aza ny fitovianay anarana, dia nihalehibe nandinika ny dikan'ny anarako matetika aho.

Misy fomba samy hafa handikana ny Safa (tononina amin'ny teny arabo: صفاء). Mety hadika hoe “fangaraharàna”, “fahatoniana”, na “filaminana” izy io, arakaraka ny olona iresahanao. Iray amin'ireo toerana masina malaza indrindra ho an'ny Silamo amin'ny fivahiniana masina izy: Al-Safa sy Al-Marwa. Safa dia miseho amin'ny toerana maro, toy ny tanànan'i Umm Safa any Palestina. Ahitana tendrombohitra volkano mitondra ny anaranay any amin’ny faritra atsimon’i Syria.

Nanontany tena aho matetika raha nitombo raha namaritra ahy ny fangaraharàna, ny fahatoniana ary ny filaminana na hoe nirìna fatratra — zavatra tsy ho tratrako mihitsy fa iezahako hatrany. Matetika aho no nahatsiaro tena nikorontana, nivembena ary misaritaka.

Moa ve ny Safas ao Gaza, ireo izay nahatratra ny taonako na lehibe kokoa, mba misarita-tsaina toa ahy ihany koa sa nisy tamin'izy ireo no naharaka tsara izany rehetra izany? Maniry mafy hiresaka amin’i Safa, 82 taona aho. Zokiny kely foana noho ny reniko izy ankehitriny. Inona no zava-bitany lehibe indrindra sy fahatsiarovany sarobidy indrindra? Inona no torohevitra nomeny antsika Safa hafa raha mbola velona izy?


Anarana (AR)
Anarana (EN) Lahy Sa Vavy Taona Taona nahaterahana
صفا سليمان سلمان النجار Safa Suleiman Salman al-Najar Vavy 1 2022-04-25
صفا بلال محمد الرملاوى Safaa Bilal Mohammed Al-Ramlawi Vavy 2 2021-10-12
صفاء عيسى ياسين السراج Safaa Issa Yassin Al-Sarraj Lahy 5 2019-01-01
صفاء خالد جهاد ابوجباره Safaa Khaled Jehad Abu-jebara Vavy 5 2018-10-11
صفا مثقال علي ابوسيف Safa Muthqal Ali Abosaif Vavy 8 2015-11-03
صفا اسعد علي عروق Safaa Asaad Ali Arouq Vavy 9 2014-07-09
صفا علاء عمر النمر Safaa Alaa Omar Al-Nimr Vavy 12 2011-05-18
صفاء عدنان عبدالكريم ابومصطفى Safaa Adnan Abd Al-Karim Abu-Mustafa Vavy 14 2009-05-10
صفاء شريف محمد الدلو Safa Sharif Mohammed Al-Dalu Vavy 14 2009-02-13
صفا ياسر عايدي وافي Safa Yasser Aidi Wafi Vavy 16 2008-05-19
صفا ايمن عبدالكريم عماره Safaa Ayman Abd Al-Karim Amara Vavy 18 2005-03-03
صفاء خليل عبدالحافظ البغدادي Safaa Khalil Abd Al-Hafiz Al-Baghdadi Vavy 18 2005-04-17
صفاء محمد كامل جنديه Safaa Mohammed Kamel Jundiyeh Vavy 19 2004-08-19
صفاء محمد يوسف شحيبر Safaa Mohammed Yusuf Shahibir Vavy 19 2004-03-05
صفاء جهاد موسى خليفة Safaa Jihad Mousa Khalifa Vavy 19 2005-03-18
صفا رافت جاسر الكحلوت Safa Raafat Jaser Al-Kahlout Lahy 23 2000-07-23
صفاء عمر حامد البطنيجي Safaa Omar Hamed Al-Batniji Vavy 24 1999-11-05
صفاء منذر عبدالحميد زينو Safaa Munthr Abdalihamaid Zeino Vavy 25 1998-01-06
صفاء جهاد التلباني Safaa Jehad Altlbanei Vavy 25 1999-01-01
صفاء حسن محمد عماره Safaa Hassan Muhammad Ammarah Vavy 25 1998-08-14
صفاء اكرم محمد ابوعيش Safaa Akram Muhammad Abu-aish Vavy 26 1997-06-20
صفاء نزار جميل حسونة Safaa Nizar Jameel Hassouna Vavy 26 1997-01-20
صفاء محمود محمد التترى Safaa Mahmoud Muhammad Alttra Vavy 27 1995-10-28
صفاء يوسف فراج فراج Safaa Youssef Faraj Faraj Vavy 27 1996-07-12
صفاء جميل محمود موسى Safaa Jameel Mahmoud Moussa Vavy 28 1995-03-10
صفاء حسن خليل ابوسيف Safaa Hassan Khalil Abosaif Vavy 30 1993-09-10
صفا محمود محمد الشوربجي Safa Mahmoud Muhammad Alshoarabji Vavy 30 1993-05-15
صفاء صابر محمود الزريعي Safaa Sabr Mahmoud Alzriai Vavy 30 1993-01-11
صفاء فؤاد عبدالكريم كرم Safa Fawad Abd Al-Karim Karam Vavy 30 1993-05-12
صفاء سهيل مراد الغندور Safaa Suhail Marad Alghnadoar Vavy 31 1991-12-14
صفاء طلال محمد البياع Safaa Talal Muhammad Albiaa Vavy 32 1991-06-10
صفاء عبدالرحيم خليل أبوشقرة Safaa Abdalrahaiam Khalil Aboshqurah Vavy 33 1990-05-11
صفاء كمال محمد علي ابوكميل Safaa Kamal Muhammad Ali Abukamil Vavy 34 1989-05-15
صفاء جمال احمد مشتهى Safaa Jamal Ahmed Moshtaha Vavy 34 1989-03-15
صفاء جودت مجدي منصور Safaa Jodt Mjadi Munasoar Vavy 36 1988-04-22
صفاء حرب سالم صباح Safaa Harab Salem Sabah Vavy 37 1986-09-12
صفاء عبدالسميع يونس الكفارنه Safaa Abdul-sami Yunus al-Kafarna Vavy 37 1986-11-28
صفا منصور عبد صبح Safa Munasoar Abd Sbh Vavy 38 1985-08-27
صفاء عادل عياده العجله Safaa Adel Aiadah al-Ajlah Vavy 38 1986-01-04
صفاء ابراهيم محمد جراده Safaa Ibrahem Muhammad Jradah Vavy 39 1984-03-19
صفاء علي محمد ابووردة Safaa Ali Muhammad Abu-warda Vavy 39 1984-02-26
صفاء هاني ابراهيم المدهون Safaa Hani Ibrahem al-Madhoun Vavy 39 1983-12-09
صفا صهيب حسام الفرا Safa Suhib Husam al-Farra Vavy 40 1984-07-04
صفاء محمد أحمد السراج Safaa Mohammed Ahmed Al-Sarraj Vavy 41 1982-07-28
صفاء الدين محمد سلمان التلباني Safaa Addeen Muhammad Salman Altlbanei Lahy 41 1982-05-24
صفاء نزهات صالح جحا Safaa Nazuhat Saleh Jha Vavy 44 1979-10-29
صفاء سالم صبح ابوقايدة Safaa Salem Sbh Aboqaidah Vavy 45 1979-03-12
صفاء عبدالرزاق خليل عياش Safaa Abdalrzaq Khalil Aiish Vavy 46 1977-02-27
صفاء عبدالجواد محمد ابوراس Safaa Abdul-jawad Muhammad Aburas Vavy 48 1975-07-26
صفاء احمد خليل اسماعيل Safaa Ahmed Khalil Ismail Vavy 49 1974-08-19
صفا عبد الرؤوف عايش اللحام Safa Abd Arraouf Ayesh Allham Vavy 49 1974-06-20
صفاء صبحى سلمان سويدان Safaa Sbha Salman Suwaidan Vavy 51 1972-03-15
صفا حسن محمد ابوسخيل Safa Hassan Muhammad Aboskhil Vavy 59 1964-04-12
صفاء مصطفي حسن الدن Safaa Mustfi Hassan Aldn Vavy 70 1953-04-24
صفا محمد عبدالله درغام Safa Muhammad Abdullah Drgham Vavy 73 1950-01-01
صفاء واكد وهدان أبو عقلين Safaa Wakd Whadan Abu Aqlain Vavy 82 1941-08-10

Nalaza ho nilaza i Maya Angelou hoe: “Iray aho tonga (eto), fa mijoro ho 10.000.” Nieritreritra aho taloha fa nidika izany hoe entiko na aiza na aiza ny raibe sy renibeko, ny nenitoako, ny dadatoako ary ireo razambeko, ary ireo olon-tiako izay mbola velona saingy tsy eto akaikiko. Saingy nanomboka tamin'ny taona 2023, nitondra an'i Safas tany Gaza aho na aiza na aiza, nitarika ny fanapahan-kevitra lehibe noraisiko ary nahatsapa ny vesatry ny andraikitra hiainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.