
Pikantsary: lahatsarin'ny ABC New. YouTube tamin'ny 9 Janoary 2025. Ireo mpihenjy an-tongotra nahita an'i Hadi Nazari no nizara ity tantara miezinezina ity!
Tamin'ny fiandohan'ny taona 2025, ravo ry zareo Aostraliàna noho ny vaovao iray tsy fandre firy. Raha ry zareo Kalifôrniàna mbola miady mafy amina afo mandravaravan'ny ririnina, dia fahamaivamaivànana tsara, na ho any tao an-toerana, na ho an'ny tany ivelany, ny namonjena ilay mpivenjy an-tongotra tsy hita.
Tao amin'ny tranonkalan'ny media sôsialy Bleusky, ilay mpanao sariitatra ho an'ny Guardian, Fiona Katauskas, dia nankafy ilay vaovao farany:
Cannot get enough Hadi Nazari rescue content. Shoot that sweet sweet good news right into my fkn veins
— Fiona Katauskas (@fionakatauskas.bsky.social) January 8, 2025 at 6:07 PM
Tsy vitako handalovana fotsiny ireo vaovaon'ny fanavotana an'i Hadi Nazari. Sary mamy tena mamy tonga dia alefa any anatin'ny lalandràko.
— Fiona Katauskas (@fionakatauskas.bsky.social) 8 Janoary 2025 t@ 6:07 hariva
Hadi Nazari, 23 taona, mpianatra ho mpitsabo avy ao Melbourne, no avotra soa aman-tsara taorian'ny 13 andro tsy nahitàna azy tany amin'ny faritra lavitra tao amin'ny valan-javaboary nasiônaly Kosciuszko ao Aostralia. Nandeha an-tongotra niaraka tamin'ny namany 2 izy teny amin'ny lalankely mikintaontaonan'ny Hannels Spur.
Nibaribary ny hafalian'ireo mpamaky nandre ny fanambaràna ilay vaovao. Tsy vitan'i Joe O’Brien, mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Australian Broadcasting Commission, ny tsy hitsiky. Im-betsaka nialàny ny vakiteny: “Oayyy” “Tena mahafinaritra ny mitondra ity vaovao ity ho anareo”,”Mitsangana ny volon-koditro”.
Tena faly i Tim Richards tao amin'ny Mastodon:
Soa ihany fa hita ity bandy ity, efa ratsy be ny saiko.
“Mpivenjy an-tongotra iray avy ao Melbourne no avotra taorian'ny efa ho roa herinandro nanjavonany tao amin'ny valan-javaboary nasiônaly Kosciuzko, velona tamin'ny fihinanana voaroy notazana sy tapaka muesli roa hitany tanaty trano bongo tany an-tendrombohitra”
Ny Hussaini Society of Victoria, ONG iray mifantoka amin'ny resaka fanabeazana, dia nandefa ny fientanentanany tao amin'ny Instagram:
[…] Faly izahay mizara an'ity, araka ny fanamafisana avy amin'ny fianakaviany, hita soa aman-tsara i Hadi Nazir, izay tsy hita 13 andro lasa izay raha nandray anjara tamina dia an-tongotra tao amin'ny havoanan'i Kosciuszko, ao New South Wales.
Ny faharetana sy ny tanjaka tsy mampino nananan'i Hadi mba hahatafavoaka velona nandritra io vanim-potoana sarotra io dia tena manainga fanahy tokoa, ary fisaorana lehibe no atolotra ny vondrom-piarahamonina noho ireo vavaka, fanohanana ary firariantsoa nandritra izany.Tena fotoana iray mahamaivamaivana sy fifaliana ho an'ny rehetra, ary mirary fahasalamana tsara ho an'i Hadi izahay amin'izao fiverenany anivon'ny fianakaviana izao
Nanao dia an-tongotra niaraka tamin'ny namany roa i Hadi saingy tafasaraka tamin'izy ireo ny ampitson'ny andro Krismasy, 26 Desambra 2024. Riandrano no nivelomany, voaroy dia, sy fihaonana tsy nampoiziny nahitàny tapaka muesli roa. Raha ny hita, talohan'ny tsy nahitàna an'i Hadi, nisy mpivenjy iray namela tapaka muesli tao anaty trano bongo iray teny akaikin'ny nizoran'i Hadi.
Na nisy aza ny fikarohana fatratra azy nataon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy mpamonjy voina an-jatony, nahita mpilasy tany amin'ny 10km (6.2 miles) niala ny nahitàna azy farany i Hadi. Tany aloha tany, tao amin'ny kamerà-ny dia namela hafatra an-dahatsary izy ho an'ireo sampandraharaha misahana ny vonjy-aina, izay hitan'ireo mpikaroka.
Amit Sarwal, mpiara-manorina ny The Australia Today, famoahambaovao an-tambajotra, dia nandefa tao amin'ny TikTok hoe “hita soa aman-tsara ilay tovolahy 23 taona, mpandeha an-tongotra tsy hita tao Kosciuszko nandritra ny 13 andro” :
Tsy azo ihodivirana ny fisian'ireo mpaneho hevitra sasantsasany nanamavo (=nihomehy, naneso) ilay tantara :
Ds : Niafina foana izy nandritra izay fotoana izay… sarotra be ny hoe ho very ianao na tsy ho hita ao anatin'io ampahany amin'ilay valan-javaboary io
Barry Bushcha: Miantso ny Bs aho, indro misy TV sy boky iray mitondra lohateny hoe… Tsy dia marani-tsaina loatra aho.
Tsy voatery ho faly aminao ny rehetra.
Azafady, potsiro ilay sary mba hivoahan'ilay lahatsoratra sy ireo fanehoankevitra.
Tao amin'ny Reddit, Purpington67 dia iray tamin'ireo olona marobe izay nametra-panontaniana momba ny fahafahan'i Hadi nivoaka velona:
Vaovao tsara aloha hoe tafavoaka velona lery saingy nanaotao foana ihany izy tamin'ny zavatra sisa rehetra. Azo antoka ary ahitàna fahafinaretana ny Bushwalking (fitetezana faritra ala voajanahary midadasika) Raha toa ianao ka niomana tsara sy manana ny fitaovana sahaza ary tsy manao kitoatoa….
Niresadresahan'ny SBS News ny vitsivitsy tamin'ireo manampahaizana momba ny vonjy-aina sy ny doroala, momba izay lesona azo tsoahana amin'ny zava-tsarotra nolalovan'i Hadi. Noarahabain'i Rick J Petersen, mpampiofana momba ny Bushcraft sy izay hahatafita velona, ny fahatapahankevitr'i Hadi:
Mety hoe nitondra ireo fitaovana fiarovan'aina faran'izay raitra azonao noeritreretina ianao, saingy ny toetranao manaiky resy na miala vehana dieny vao ny alina voalohany tsy nahitàna izay hialofana… Araka izany raha tsy mahafantatra ny toejavatra rehetra, dia vita ny aminy. Fa mety nananany ilay toetsaina tsy manaiky resy. Mety nisy hadisoana hafa nataony, saingy ny toetsainy no nanakana azy tsy hilavo lefona nony farany.
Vokatra iray lafatra nandritra ny fotoanan'ny firehetana ala tao Aostralia ity tantara miabo ity, afo izay efa nandoro sahady ampahany betsaka tamin'ilay valan-javaboary nasiônaly malaza ao Grampians.