Ny voivoin-jotra GV telovolana fahatelo sy fahefatra 2024

Lohahevitra lehibe iray nandritra ny Vovonana GV 2024 ny “mpamaky”, ary nisy ny fanirian'ny fikambanana handray anjara bebe kokoa. Ho amin'izany no niezahako nanampy antontanisa “sehatra niavian-jotra” bebe kokoa amin'ny antontanisa isan-telovolana izay angoniko mifandraika amin'ny zotrantsika, ary mba hahafahantsika miara-miasa amin'izany, hiezaka aho hizara azy ireo isan-telovolana manomboka izao.

Ara-tantara isika nanara-maso ny zotra ankapobeny (tsidika sy jeripejy), fa tsy nijery manokana izay niaingàn'ny zotra, toy ny fikarohana sy sosialy. Nohasarotin'ny Google Analytics hatrany ny manome fintin'ny niavian'ny zotra satria korontana ny lisitra omeny, satria tsinjarainy anaty singa maro izay ilaina diovina isaky ny mijery ny lisitra ianao ny “Facebook”.

Ny antontanisa etsy ambany dia maneho ny telovolana fahatelo 2024 (Jol/Aog/Sep) sy fahefatra (Okt/Nov/Des). Nalaina tao amin'ny kaontintsika Plausible Analytics ireo, izay ny tranokalan'ny GV anglisy irery ihany no sahaniny. Mora ampiasaina kokoa noho ny an'ny Google Analytics ny lisitr'ireo (sehatra) niavian-jotra omen'ny Plausible. Miala tsiny raha ny GV anglisy ihany no noraisina, saingy izy ihany koa no be mpifamoivoy indrindra, ka tena mahasolo tena.

Raha te-hiatrika mivantana ireo isa ireo ianao dia azonao atao ny mitsidika ireo kopian'ny angona apetrako ao Google Drive: Q3 2024 Referrers spreadsheet, Q4 2024 referrers spreadsheet.

screenshots of the referrer reports for Q3 and Q4, use the links above to see the reports in Google Sheets

Q3 and Q4 referrers as listed by Plausible Analytics.

Famakafakàn'i Jer

  • Google: Miharihary fa ny Google no sehatra  niavian'ny ankamaroan'ny zotram-pifamezivezena. Ho an'ireo telovolana roa ireo, manjaka ry zareo satria mihoatra ny im-balo avo heny (8x) noho ny sehatra manaraka azy ny zotra avy aminy. Tsy maintsy heverintsika mandrakariva ny Google sy ireo fikarohan-jotra hafa raha te hitazona sy hampitombo ny isan'ny mpamaky isika. Samy azo atao na amin'ny sehatra ara-teknika (asako Jer) na amin'ny sehatra ara-panoratana, amin'ny fanoratana lohateny, farangoteny, ary tsonga misarika ny mpamaky mahita ny lahatsoratsika ao amin'ny Google sy ireo milim-pitadiavana hafa.
  • Mivantana / Tsisy: Mety hampisavoritaka kely ity zanakevitra ity, satria samy ato na ireo olona manoratra mivantana ny adiresintsika, sy ireo loharano maro izay mety ho “media sosialy” nefa tsy voamarika ho izany. Ohatra, fantatro fa nanindry rohy tsirairay amin'ny lahatsoratra GV tao amin'ny Mastodon aho mba hisehoany amin'ity lisitra ity (any ambany lavitra noho ny asehon'ny pikantsary), saingy tsy niseho ny mpanjifako Mastodon. Siniben'ny “zavatra hafa rehetra” ny Mivantana / Tsisy, na ireo mpamaky mahatoky, na ireo olona rehetra mampiasa ny zavatra hafa rehetra tsy mahazatra, fampiharana voalohany fampiasa ijerena antsika.
  • Bing: Mety ho tsy malaza amintsika, saingy io Bing io anie ka iavian-jotra maro kokoa mankaty amintsika noho ny fitambaran'i Facebook, X, Linkedin, ary Bluesky. Mpandefa zotra betsaka ny fitadiavana amin'ny endriny rehetra. Betsaka zotra noho izay servisy media sosialy hafa ihany koa ny Yandex sy Yahoo.
  • Facebook/X/Reddit: Kely kokoa noho izay eritreretintsika raha oharina amin'ny fitambarany ny zotra avy amin'ireo rehetra ireo. Mbola tena ilaina anefa ireo satria manana ny hajany kokoa noho ny avy amin'izay nitady anjotra ny mpamaky entin-dry zareo, mpamaky tena miroboka lalina ireo, saingy amin'ny fomba fijery hentitra, tsy misy amin'izy ireo na dia iray aza nampiakatra ny tondrom-panjaitra amin'ny zotra. Nahitàna fikorosofahana tokoa tamin'ireo servisy rehetra ireo nandritra ny taona maro.
  • Bluesky: Tsy mampiaiky volana ny isa eto, saingy mila marihana fa miatrika fitomboana be ny Bluesky amin'izao anoratako izao. Ho an'ny enimbolana faharoa 2024 ny angon-drakitra ao amin'ny pikantsary etsy ambony, fa niroborobo fatratra ny Bluesky tamin'ny volana Desambra. Nohamariniko haingana nampitaha azy tamin'ny herinandro voalohan'ny volana novambra 2024 ka hatramin'ny herinandro voalohany tamin'ny Janoary 2025, fa nisonga avo dimy heny niainga avy amin'ny 19 tamin'ny novambra ka tonga hatramin'ny 100 tamin'ny Janoary ny zotra Bluesky. Kely ireo isa ireo amin'ny ankapobeny, saingy mbola mahavariana ny fitomboana ary mendrika hotopaza-maso ny Bluesky.
  • ChatGPT/Perplexity: Fitaovana IA ireo, fa mandefa voivoin-jotra ho antsika. Tsy tena azoko antoka hoe ahoana marina, fa azoko an-tsaina fa manonona antsika ho loharanon'izay avokany izy ireo, na mampifandray antsika amin'ny fitaovany fitadiavana vaovao. Sisintany vaovao izany, ary tsy mpankafy IA loatra izaho manokana, saingy mahatohintohina ihany fa toa mila mandray azy ireo ho matotra isika, satria tamin'ny tolovolana fahefatra, efa niavian-jotra bebe kokoa noho ny Facebook na ny X ny ChatGPT.

Inona no hitanao amin'ireo valiny ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.