
Sary an'i Giovana Fleck ho an'ny Global Voices
Nosoratan'i Alexa Zamora
Ny fahafaha-mifandray anaty tontolo nomerika dia ahafahan'ireo mpiaro zon'olombelona sy mpanao gazety miatrika fanenjehana henjana manohy ny asan-dry zareo avy any amin'ireo firenena hafa ankoatry ny tanindrazany. Kanefa, ilay Fifanarahana 2023 nataon'ny Firenena Mikambana momba ny Heloka an-Tambajotra dia mety ho fanamby vaovao ho an'ireo mpisehatra ireo, satria, raha tsy ampy ny fiarovana, dia mety hanamora ny fanenjehana iraisampirenena izany no sady hanafoana ireo hany toeram-pialofana sisa tavela. Ny fivelaran'io fifanarahana io dia miteraka loza mananontanona ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, sy fanarahamaso hatrany ivelan'ny sisintany ary famoretana iraisampirenena, indrindra fa ho an'ireo miasa any an-tsesitany.
Tamin'ny 2017 no naroson'i Rosia ilay fifanarahana, ka nambara ho antony nanaovana azy ny hiadiana amin'ireo “olana sy fandrahonana ateraky ny heloka bevava eo amin'ny sehatry ny teknôlojian'ny fampahalalam-baovao sy fifandraisan-davitra.” Hatramin'ny nandrafetana azy, niteraka ahiahy teny anivon'ireo firenena maro sy fikambanana mpiaro zon'olombelona izy io. Tamin'ny 2019, neken'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny handrafitra fifanarahana iray miainga avy amin'ilay Fanapahankevitra 74/247, na nisy aza ny fanoherana avy amina firenena niisa 60 sy tsy fanehoana hevitra niisa 33.
Ireo firenena nahitana firaketana avo be tamin'ny fanitsakitsahana zon'olombelona no nanohana ilay fanapahankevitra, isan'ireny i Rosia, Shina, Myanmar, Nikaragoà, Iràna, ary Venezoelà. Ireo fikambanana tahaka ny Association for Progressive Communications (APC) ary ny Electronic Frontier Foundation (EFF) dia nampitandrina hoe ilay fifanarahana dia “mety hanimba ny fampiasàna ny aterineto mba hampiharana ny zon'olombelona sy hanamoràna ny fampandrosoana ara-tsôsialy ary ara-toekarena.”
Ny mety ho fandrahonana hahazo ireo mpiaro zon'olombelona sy mpanao gazety miaina an-tsesitany
Ireo fitondràna tsy refesimandidy dia nampiroborobo famaritana midadasika be sy manjavozavo ny atao hoe heloka an-tambajotra, izay mety hahafaoka ireo hetsika ara-drariny ety an-tambajotra, toy ny fanakianana governemanta sy ny fiarovana ny zon'olombelona. Midika io fa ny famoahana lahatsoratra, fikarakaràna hetsipanoherana ety anaty tambajotra, na fitorohana fanararaotana dia heverina ho heloka an-tambajotra daholo, toy ny tranga nisy tao Nikaragoà izay nisy TikTokers, mpanao gazety ary mpikatroka nohenjehina sy naiditra am-ponja noho ireo voalaza ireo.
Ilay fifanarahana dia tsy ahitàna fiantohana mazava ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo zo fototra hafa. Midika izany fa ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpanao gazety miaina an-tsesitany dia mety ho voampanga ho nanao heloka an-tambajotra any amin'ny firenena niavian-dry zareo noho ny hetsika ara-drariny nataony an-tambajotra avy tany ivelany. Asongadintsika indray ny tranga ao Nikaragoà, izay ny fanavaozana ny lalàna momba ny heloka an-tambajotra dia manasazy an-tranomaizina sy mampandoa lamandy ireo izay, avy ao anatiny na avy any ivelany, mizara na mamoaka lahatsoratra amin'ny tambajotra sôsialy ka miteraka “fahatairana, tahotra, saritaka, na tsy fahazoana aina” eny anivon'ny vahoaka, araka ny voalazan'ny fampitambaovaon'ny parlemanta ambany fifehezan'ny fanjakàna.
Manamora ny fanaharamaso sy ny fanenjehana ivelan'ny firenena
Ilay fifanarahana dia manolotra rafitra manamora ny fanarahamason'ny fanjakana sy ny fiarahamiasa iraisampirenena amin'ny fanangonana sy ny fifanakalozana angondrakitra manokana. Raha tsy misy fanamarinana sy fifandanjana matanjaka, mety ho ampiasaina ireny rafitra ireny ho entina hitsongoana dia, hamantarana ary hanenjehana ireo mpikatroka sy mpanao gazety any amin'ny firenena hafa.
Ny fanamarinana iray tsy ampy ao anatin'ilay fifanarahana dia ny hoe safidy ilay fiampangàna avo roa heny — izay itakiana ny tsy maha-ara-dalàna ilay lazaina ho heloka bevava any amin'ireo firenena roa miara-miasa. Io fotokevitra io, tsy hoe fotsiny miaro ny fahalalahana maneho hevitra sy ny tsy fitoviana hevitra, fa koa manakana ireo firenena tsy hametraka ny lalànan-dry zareo amin'ny ankapobeny. Ny fahafahan'ny fanjakana mitaky angondrakitra sy fanampiana avy amin'ny firenena hafa kanefa tsy misy fepetra hentitra ho an'ny resaka heloka bevava avo roa heny an-tambajotra, na fiarovana hafa ho an'ny zon'olombelona, dia mety hiafara amin'ny fitànana am-ponja na fampodiana ireo olona nitady fialokalofana tany ivelany.
Misy ohatra iray amin'ny fanararaotana ireo rafitra iraisampirenena fiarahamiasan'ny pôlisy, toy ilay Taratasy Menan'ny INTERPOL, hanenjehana noho ny antony ara-pôlitika ireo mpanohitra sy mpanakiana any ivelany. Ireo firenena toa an'i Shina sy Bahrain dia nampiasa ireny rafitra ireny, noho ny antony pôlitika, mba hitadiavana sy hanagadràna ireo mpanohitra am-pilaminana. Ny EFF dia mampitandrina hoe “misy ny ambana mety hahatonga ilay fifanarahana ho lasa fitaovana iray hanaovana famoretana ivelan'ny firenena.
Fanafoanana ireo fialofana azo antoka
Miaraka amin'ny fampiharana ilay fifanarahana dia azo lazaina ho tsy hisy intsony firenena hijanona ho fialofana azo antoka. Ny fiarahamiasa iraisampirenena midadasika momba ny heloka an-tambajotra dia mety hanery ireo firenena, izay hatrizay nanome fialokalofana, mba hankatò ireo fangatahana avy amin'ny fanjakana, na dia mifanohitra amin'ireo fotokevitry ny zon'olombelona aza izany.
Ankoatra izay, ny tsy fisian'ny fehezandalàna tsy maintsy arahana momba ny heloka bevava avo roa heny dia mahatonga ireo any an-tsesitany izay miasa ara-dalàna ao amin'ny firenena ipetrahan-dry zareo ho tandindonin'ny fanenjehana araka ireo lalàna famoretana avy any amin'ny firenena niaviany.
Endrika manokana ananan'ilay fifanarahana ka mahakasika ireo any an-tsesitany
Ny andininy faha-23 dia mamela ny hampiharana ireo dingana ara-pitsaràna fanao amin'ny heloka bevava, tsy ho amin'ny heloka an-tambajotra voafaritra manokana fotsiny, fa koa amin'izay rehetra heloka ananana porofo nomerika. Misy heloka tsy voafaritra mazava tsara ao, izay ampiasaina mba hampanginana ny tsy mitovy hevitra, toy ny hoe “fihokoana,” “fanalàna baràka ny fanjakana,” “ny famadihana,” sns.
Ny fahafahana mipaingotra eo noho eo ireo fifandraisana, tsy misy fameperana mazava, dia ahafahan'ny fanjakana hanara-maso ireo hetsika ataon'olontsotra any ivelan'ny fireneny. Ireo orinasa mpanome tolotra dia mety ho voatery hiara-hiasa, na manitsakitsaka ny lalàna momba ny fiainana manokana sy ny fahalalahana maneho hevitra any amin'ireo firenena iasan-dry zareo aza ny fihetsika tahaka izany.
Tsy ilàna fanajàna ireo fenitra iraisampirenena momba ny zon'olombelona, ilay fifanarahana dia manamora ny fiarahana miasa eo amin'ireo firenena. Midika izany fa ny firenena iray dia afaka mangataka fanampiana amin'ny iray hafa mba hanenjika olona iray an-tsesitany, ary ilay firenena mpampialokaloka dia ho voatery hiara-hiasa, na dia antony ara-pôlitika aza no manosika ilay fangatahana.
Ny fampiharana ilay fifanarahana, tsy arahana fiantohana sahaza, dia hampidi-doza ny fiarovana ara-batana sy nomerika an'ireo mpiaro zon'olombelona sy mpanao gazety any an-tsesitany. Mety hiatrika fampidirana am-ponja na fampodiana any amin'ny firenena niaviany ry zareo, ary any ry zareo dia mety hiatrika fanenjehana, fanarahamaso ary filàmbaniny avy amin'ireo manampahefana avy amin'ireo firenena hafa mpiara-miasa amina fanjakana mpanao didy jadona. Mety haneritery ny hetsika ataon-dry zareo izany noho ny tahotra ny fitsongoana dia, na ho henjehana, ary misy fiantraikanty amin'ny fahalalahan-dry zareo haneho hevitra sy ny fahafahany miasa.
Loza mitatao ho an'ireo mpiaro zon'olombelona
Ilay Fifanarahana 2023 nataon'ny Firenena Mikambana momba ny Heloka an-Tambajotra, amin'izao endriny ankehitriny izao, dia mametraka fanamby goavana ho an'ireo mpiaro zon'olombelona sy ireo mpanao gazety tsy miankian miasa any an-tsesitany. Raha tsy misy fiarovana matanjaka, ilay fifanarahana dia afaka hanamora ny fanarahamaso sy ny fanenjehana hatrany ivelan'ny firenena, fanafoanana ireo hany toeram-pialokalofana sisa tavela. Tena ilaina ny hiverenan'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena mandinika sy manova ilay fifanarahana mba hiarovana ireo zo fototra sy hanakana azy io tsy ho lasa fitaovana iray famoretana manerantany.
Tokony ho hita ao anatin'ilay fifanarahana ireo fehezandalàna tsy maintsy arahana amin'ilay resaka heloka bevava avo roa heny, ny fanajàna zon'olombelona, ny fiarovana ny zon'olombelona, ny fametrahana fa tsy hisy fiarahamiasa afaka atao amina tranga iray mety hiteraka fanitsakitsahana ireo zo fototra. Farany, tena ilaina ny fanarahamason'ny tsy miankina sy ny mangarahara mba hisorohana ny fanararaotana ary hiantohana fa ho ampiasaina fotsiny hiadiana amin'ny heloka an-tambajotra ireny fepetra ireny.
Raha tsy ampy ny fiarovana, ilay fifanarahana dia hampanjary ho ara-drariny sy hanamora ny fanenjehana ireo mpiaro zon'olombelona sy ireo mpanao gazety hatrany ivelan'ny sisintany, hahatonga azy ireo ho tandindonin-doza be