Azo jerena maimaimpoana ao amin'ny YouTube ireo arisivan'ny sarimihetsika tranainy Tshekôslôvaky

Pikantsary avy amin'ny sarimihetsika “Děvčata, nedejte se!” (“Ry zavavy, aza kivy!”) notontosain'i Hugo Haas (aseho eto ankavia) avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Arisivan'ny Filma Tsheky. Fampiasana ara-drariny.

Firenena iray mpamokatra sarimihetsika i Tsekôslôvakia nandritra ny taompolo 1930 — mariky ny nivoarany avy amin'ny faritany voazanaka ho firenena vaovao namaritra indray ny mari-panondroany marolafy. Azo jerena maimaimpoana amin'ny fantsona YouTube iray vaovao ny ampahany amin'ny sarimihetsika tsara indrindra tao aminy.

Rehefa natsangana tamin'ny taona 1918 i Tsekôslôvakia taorian'ny nandravana ny Ampira Aôtrô-Hongroà, dia tsy maintsy namaritra fehezan-dalàna vaovao mba hamolavolana ny mari-panondroany natambatambatra avy amin'ny foko sy fiteny samihafa. Tiany aseho ihany koa fa fanjakana maoderina sy mahaleotena izy. Eo ny mametraka ny sinema ho fitaratry ny fiovana haingana nampiofo ny fiaraha-monina, manomboka amin'ny andraikitry ny lahy sy ny vavy ka hatramin'ny fomba fialamboly, ny fomba fiainana an-tanàndehibe ka hatramin'ny hira, indrindra rehefa nasiana feo ny sarimihetsika tany am-piandohan'ny taompolo 1930.

Nandritra ny vanim-potoana 1918 – 1940, izay nanombohan'ny Nazi nibodo ny firenena, dia namokatra sarimihetsika an-jatony ny studio Tsekôslôvaky izay nahatraran'ny mpiantsehatra ny satan'ny iondrehana sady nampiseho ny zava-bitan'ny iray amin'ireo fiarahamonina kapitalista miroborobo indrindra tao Eoropa Afovoany.

Nanohy ny famokarana sarimihetsika i Alemaina Nazi, anisan'izany ny tao amin'ny studio Barrandov nanana ny lazany, natsangan'ny raiben'ny filoha Tseky taloha Václav Havel, saingy, tamin'ny taona 1948, nanonganam-panjakana ny Komonista ary nametraka ny foto-pisainany, namokatra sarimihetsika realista sosialista, ary nandrara ny fijerena ampahibemaso ireo sarimihetsiky ny taona 30s — noheverina ho “borizano sady mpanohariana (reactionaire)” — asy amin'ny sinema sy fahitalavitra nandritra ny 41 taona.

Nipoitra indray ny sarimihetsiky ny taona 30 tany am-piandohan'ireo taona 1990s rehefa nofaranan'ny Revolisiona Volorin'ny taona 1989 ny vanim-potoana Komonista, ary niseho fahitalavi-pirenena isan-kerinandro nandritra ny fotoana naharitra kely.

Ankehitriny, afaka mankafy ireo angona kilasika tsy mitsaha-mitombo tamin'io vanim-potoana ireo mpankafy sarimihetsika tranainy noho ny fananganan'ny Arisivam-Pirenena Filma Tsheky (Národní filmový archiv) fantsona YouTube iray. Azo idirana maimaim-poana ireo sarimihetsika ary manome dikantsoratra Tsheky ihany koa, ary ahitana klasika tsy avy amin'ny taona 30s ihany, fa hatramin'ny taona 50s, 60s, eny hatramin'ny taona 90s aza.

Iray amin'ireo sarimihetsika nasongadina ny fanatontosan'i Hugo Haas tamin'ny taona 1937 ny “Děvčata, nedejte se!” (“Ry zavavy, aza kivy!”) ary ohatra anehoana ny hatsikan'ny tsy fifankahazoan-kevitra, ahitana ilay kintana tena malaza Adina Mandlová sy Hugo Haas tenany, satria mpiantsehatra ihany koa izy, mandray anjara toerana fototra.

Adina Mandlová, kintan'ny sarimihetsika, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube ny arisivan'ny filma Tsheky. Fampiasana ara-drariny.

Ny anaty trano, ny lamaody, ny hira dia samy tandindon'ny vanim-potoana fantatra amin'ny teny Tsheky hoe “První Republika” (Repoblika voalohany tamin'ny taona 1918 ka hatramin'ny taona 1940), mifanohitra amin'ny Repoblika Sosialista taty aoriana nanomboka tamin'ny taona 1948 ka hatramin'ny taona 1989, ary anatin'ny hetsika famelomana indray amin'izao fotoana ireo kolontsaina tranainy eo amin'ny sehatra samihafa amin'ny fandravahana (hairavaka) sy ny mozika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.