
Pikantsarin'ny foiben'ny fanovàna CNG ao Abuja avy amin'ny horonan-tsary Youtube, ‘Nizeria mamoaka kitapo fanovàna ho etona voajanahary nafintina (CNG) manerana ny firenena’ avy amin'ny CGTN Africa. Fampiasana ara-drariny.
Avy amin'i Oluwajomiloju Tooki, Afiyinfoluwa Akinmade ary Oluwatosin Lawrence
Fonenan’olona 230 tapitrisa i Nizeria, firenena be solika sy harena voajanahary, mametraka azy ho firenena be mponina mainty hoditra indrindra maneran-tany. Na dia ankalazaina noho ny fahasamihafàny, ny kolontsainy mavitrika ary ny halonaky ny tany aza, Nizeriana maro no miatrika fanamby isan'andro noho ny fitotonganan'ny firenena haingana dia haingana — toe-karena ahitana fiakaram-bidim-piainana, fahamaroan'ny tsy an'asa ary fahakelezan'ny fitomboana ara-toekarena — fiakaran'ny vidim-piainana mahatratra 33,88 isanjato tamin'ny volana Oktobra 2024.
Anisan’ny mampirongatra ny fidangan’ny vidim-piainana ao amin’ity firenena Afrikanina tandrefana ity ny fanesorana ny famatsiam-bola amin'ny solika tato anatin’ny taona vitsivitsy izay nitarika ny fiakaran’ny vidin-tsolika, niteraka fiantraikany maharitra izay nampiakatra be ny saran-dalana sy ny vidin’ny entana ilaina andavanandro. Nanosika ny maro hikaroka solika hafa ho an'ny fiara izany fanovàna izany, satria safidy mbola manjaka ao amin'ny firenena ny lasantsy.
Nipoitra ho safidy malaza ho an'ny Nizeriana maro ny etona voajanahary nafintina (CNG) noho ny fahamoràny sy ny famokarana azy ao an-toerana, izay mampihena ny fiankinan'ny firenena amin'ny fanafarana solika. Ny famokarana CNG dia tsotra sy ahazoana tombony, ahitana ny famintinana ny etona voajanahary ho latsaky ny 1 isanjaton'ny hadiriny amin'ny tsindry atmosferika mahazatra.
Manome tombony maro ny CNG raha oharina amin'ny solika mahazatra. Ankoatra ny vidiny ambany kokoa, dia manampy amin'ny fampihenana ny fahalotoan'ny rivotra izy, mamaha olana amin'ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra izay, manolotra vahaolana mahomby ho an'i Nizeria ny CNG, tsy noho ny tombontsoa ara-tontolo iainana ihany fa noho ny fanalefahana ny fiantraikan'ny fisidisidinan'ny tsenan'ny angovo eran-tany miaka-midina.
Lasa safidin'ny Nizeriana maro noho ny vidiny takatry ny maro ny etona voajanahary nafintina (CNG).
Topimason'ny fotodrafitrasa CNG ao Nizeria
Na dia mitombo aza ny fampiasana ny Etona Voajanahary Nafintina (CNG), dia mbola tsy tsara trandraka amin'ny ankapobeny ny zava-tsoa maro entiny. Iray amin'ireo mpamokatra etona voajanahary lehibe indrindra eto Afrika i Nizeria, ary manana tahirin'etona voaporofo ho 62,79 arivo miliara metatra toratelo tamin'ny taona 2021. Na izany aza, mbola voafetra ihany ny fotodrafitrasan'ny CNG, ary vitsy monja ny tobin-dasantsy hita any amin'ireo tanàndehibe toa an'i Lagos, Abuja, sy Port Harcourt.

Famoahana ny tobin'ny CNG ao Abuja sy Lagos. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube, “ Nanokanan'ny NNPCL ny toby CNG miisa 12 tao Abuja, Lagos” avy amin'ny TVC News Nigeria. Fampiasana ara-drariny.
Tsy mitovy ny fitsinjarana ara-jeografika ny fotodrafitrasa CNG any Nizeria, ka mora kokoa ny fidirana amin'ny tobin'ny CNG any amin'ny faritra atsimo sy andrefan'ny firenena noho izy ireo akaiky kokoa ireo orinasa lehibe misahana ny solika sy etona. Ohatra, manana tobim-pamenoana CNG betsaka kokoa ny Fanjakan'i Lagos, izay heverina ho foibe ara-toekarenan'i Nizeria. Ny orinasa toa ny Nigerian Independent Petroleum Company Plc (NIPCO Plc) sy ny Nigerian National Petroleum Company Limited (NNPC) no lohalaharana amin'ny fampivoarana ireo toby CNG any amin'ireo faritra ireo.
Politika sy fanohanan'ny governemanta
Manaiky ny governemantan'i Nizeria fa mety azo ampiasaina ho fandrehitra hafa ny etona voajanahary ka nampidirana politika sy programa maro hanohanana ny fananganana izany. Anisan’ireny hetsika ireny ny National Gas Expansion Programme (NGEP), izay mikendry hampiroborobo ny fampiasana ny etona voajanahary ho solon’ny lasantsy sy gazoala. Kinendrin'ny fandaharan'asa ny hampitombo ny fanjifana etona voajanahary ao an-toerana amin'ny endrika isan-karazany, ao anatin'izany ny etona voajanahary nafintina (Compressed Natural Gas – CNG), eton-tsolika Natsiranoka (Liquefied Petroleum Gas – LPG), ary ny etona voajanahary natsiranoka (Liquefied Natural Gas – LNG), hampiasan'ny firenena fangaron'angovo.
Tanjon’ny fanjakana amin’ny alalan’ity fandaharanasa ity ny hahatonga ny CNG ho isan’ny solika ankafizina indrindra, indrindra ho an’ny seha-pitaterana. Anisan’ny fandrisihana azo aroso ao anatin’ity Fandaharanasam-pirenena Fampiroboroboana ity ny fanampiana amin’ny fiovàna hampiasa CNG sy ny fametrahana tobim-pamenoana azy. Toy izany koa, nanomboka niara-niasa tamin'ny orinasa tsy miankina ny governemanta Nizeriana mba hanolotra ny fivadihana hampiasan'ny Nizeraina ny CNG amin'ny taha vatsiany vola. Vao haingana ihany koa ny Filoha Bola Tinubu no nanangana tobim-pamokarana etona vaovao miisa telo hampiroboroboana ny famokarana etona ao amin'ny firenena no sady mametraka fototra hanitarana ny fotodrafitrasa CNG.
Nofoanan'ny governemanta ihany koa ny haba-tseranana amin'ny fanafarana ireo kojakoja sy fitaovana hivadihana hampiasa CNG, izay midika fa azo atao tsy ho an'ny orinasa ihany ny dingana rehetra amin'ny fiovàna fa ho an'ny olon-tsotra ihany koa. Nanomboka tetikasa fitaratra ihany koa fanjakana sasany izay namadika ny fiara fitateram-bahoaka handeha amin'ny CNG. Ny zava-misy ankehitriny dia na dia eo aza ny ezaka, ilaina ny politikam-pirenena amin'ity sehatra ity, handrisihana tsara kokoa hanafainganana ny fampiasana manerana ny firenena ny CNG.
Fanamby makakana ny maro hivadika fandrehitra
Na dia mibaribary aza ny fahalianana amin'ny CNG noho ny tombontsoa maro azo avy aminy, dia misy sakana maromaro tsy ahafahana mampiasa azy kokoa any Nizeria.
Ny sakana lehibe indrindra dia ny fahavitsian'ny isan'ny tobim-pamatsiana CNG: ankoatra ny tanàndehibe toa an'i Lagos, Abuja, ary Port Harcourt, dia vitsy dia vitsy ny tobim-pamenoana CNG ao amin'ny firenena, ary mampatahotra ny mety ho mpampiasa azy izany zava-misy voafetra izany.
Ny antony lehibe hafa indrindra dia ny saran'ny fiovana ho CNG: Ny fitaovana ilaina amin'ny fiovana dia eo anelanelan'ny NGN 700.000 (452 USD) ka hatramin'ny NGN 1,8 tapitrisa (1.162 USD tamin'ny fotoana nanoratana) ao amin'ny tranokala E-varotra malaza, jiji.ng , izay tsy takatry ny ankamaroan'ny tompona fiara any Nizeria. Ny saram-panombohana lafo be toy izany dia mety tsy ho takatry ny mpamily tsirairay na mpandraharaha madinika izay tsy hahazo renivola toy izany.
Ny antony fahatelo manan-danja indrindra dia ny tsy fahampian'ny fahafantarana sy ny tsy fahampian'ny fanabeazana: Tsy mahafantatra ny CNG sy ny tombontsoa marobe aterany ny ankamaroan'ny Nizeriana raha oharina amin'ny arina sy ny solika nentim-paharazana. Misy ny hevi-diso malaza fa tena mampidi-doza ny CNG, nefa azo antoka kokoa noho ny solika mahazatra ny CNG. Mila ampahafantarina amin’ny alalan'ny fanabeazana ny vahoaka momba ny CNG mba hialana amin'ny ankamaroan’ireo olana ireo.
Na dia eo aza ny fandrosoan'i Nizeria, afaka maka lesona sarobidy avy amin'ireo firenena nahomby tamin'ny fampiasana ny CNG ny firenena.
Ohatra, midera tena India ho be fiara indrindra mandeha amin'ny CNG, manana fiara 1,8 tapitrisa eo ho eo mandeha amin'ilay fandrehitra. Nametraka politika mahomby ihany koa ny governemanta Indiana, toy ny tsy maintsy ampiasana CNG ho an'ny fitateram-bahoaka, mba hiantohana ny fitsinjarana bebe kokoa. Torak'izany koa, nahomby tamin'ny famadihana ampahany betsaka amin'ny fiarany handeha amin'ny etona voajanahary i Brezila tamin'ny alàlan'ny fandrisihana sy fampivelarana ny fotodrafitrasa CNG efa mandroso tsara.
Ao amin'ireo firenena roa ireo, nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanaovana ny CNG ho enti-manamory ny fampiasam-bolam-panjakana amin'ny fotodrafitrasa CNG sy ny fandrisihana ara-bola hiova fandrehitra. Nahafahana nihoatra ireo sakana tany am-boalohany ny fizakàna matanjaka avy amin'ny governemanta, sy ny fanentanana fampahafantarana. Afaka maka tahaka ireo paikady ireo i Nizeria amin'ny alàlan'ny fanafainganana ny fivelaram-potodrafitrasa, manolotra fandrisihana ara-bola manintona kokoa, manao fanentanana hanabeazana ny vahoaka momba ny tombontsoa azo avy amin'ny CNG.
Raha mbola mitopatopa ao anatin'ny olany ara-bola i Nizeria, dia mety ho dingana lehibe mankany amin'ny fanamaivanana ny trosa ny fandraisana ny CNG ho loharanon'angovo voalohany ary manorina ihany koa hoavy mamiratra sy lovainjafy kokoa.