
Pikantsarin'ny taxi-clando (jonobotry) iray ao Kamerona ; avy ao amin'ny fantsona YouTube DAM – Fandihadiana Auto / Moto
Tsy voatery hitovy daholo ny dikanteny frantsay ifampiresahana manerana ny lafivalon'izao tontolo izao. Ato anatin'ny fizaràna “An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireo voambolana na fomba fiteny miavaka ho an'ny faritra iray, firenena iray, na vondrom-piarahamonina iray, sy ireo tsy mety adika ka tazonina ho amin'ny fiteny frantsay ihany na adika amin'ny ampahany, ary farany dia ireo voambolana frantsay mitsofoka any anatin'ireo fiteny hafa, tsy nasiana fandikàna sy matetika maka dika vaovao mihitsy.
Hita eto avokoa ireo fizarana rehetra nataonay teo aloha: Les mots ont la parole.
Androany, ireto fomba fiteny telo ireto no nosafidianay:
Baptiser : matoanteny notsoahana avy amin'ny hoe batemy, izay manazava ny zavamisy hoe famadihana ny olona iray ho kristiana, ny matoateny “ baptiser ” (manao batisa) dia manana dika hafa eny amin'ireo mpiteny Camfranglais, fitenin-jatovo kameroney. Mazàna ampiasaina eny an'arabe, ny fomba fiteny hoe “ baptiser” dia midika fotsiny hoe misoloky amin'ny Camfranglais. Mba hampitàna hafatra mifonofono, ireo mpisoloky madinika no mampiasa. Ohatra:
« J’ai baptisé le biblos » hilazana hoe « Voasolokiko ilay rangahy fotsy hoditra ».
Žůžo : Ity voambolana tseky ity, tononina hoe ‘joujo’ dia isan'ny fiteny mahazatra ary manondro toejavatra iray na zavatra iray mitondra fahafinaretana. Izy io dia afaka adika ho ‘génial’ (tsara be), ‘super’ (mahafinaritra be), ‘fabuleux’ (goavana/mahavariana). Angamba mety ho iray amin'izay nipoirany ny fiteny frantsay hoe ‘joujou’ izay ilazana kilalao na zavatra iray mahafatifaty. Saingy lazain'ny sasany amin'ireo mpahay momba ny fiteny koa fa mety hisy ny etimôlôjia iray hafa, avy amin'ny fiteny Romani, izay hita ao anatin'ny fiarahamonina tseky efa nandritra ny taonjato dimy mahery, ka ao anatin'izany ny voambolana “žůžo” dia midika hoe ‘madio’.
Taxi-clando : fanafohezana ny voambolana ‘clandestin” ilazana ny zavatra iray tsy ara-dalàna na tsy manaraka fenitra ary tsy ambany fifehezan'ny fanjakana. Ireo taxi-clandos (jonobotry) dia fiara fitaterana manao ny asa tsy misy hafa amin'ny an'ny taxi rehetra saingy manana ny toetoetrany manokana. Miainga avy amin'ny maotera ka hatramin'ny vatany, mandalo amin'ny seza, ny varavarany – tsy misy mba ara-dalàna ny momba ireo taxi-clondo. Mora foana ny ahitàna azy ireny any amin'ireo firenena sasany ao Afrika, toa an'i Gabôna na Kamerona. Any amin'ireny firenena ireny, ny “taxi-clandos” dia mitàna anjara toerana goavana satria miasa ho toy ny mpampita amin'ny fivezivezen'ireo vahoaka monina any amin'ny faritra ivelan'ireo tanàndehibe.
Ity fanadihadiana ity, mitondra ny lohateny hoe” Ny loza mahatsiravina eny an-dalambe ” no manasongadina ny andavanandrom-piainan'ireo mpamily ireny jonobotry (taxi-clandos) ao Kamerona ireny.
Raha toa ianao manana voambolana na fomba fiteny hozaraina, mba ho entina haseho ao anatin'ny fizarana ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, mifandraisa aminay: filip.noubel@globalvoices.org