Ny fahateraham-baovaon'ny rhumba sy ireo mpiangaly mozika mitondra azy ho an'ny andian-taranaka iray vaovao mpitia mozika

Fally Ipupa a Congolese singer-songwriter, dancer, philanthropist, guitarist and producer at a 2015 concert. Image source Lorie Shaull. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Fally Ipupa Kôngôley mpanoratra, mpamoron-kira, mpandihy, mpanao asa soa, mpitendry gitara, tao amin'ny kaonseritra iray tamin'ny 2015. Saripika an'i Lorie Shaull. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Rehefa nanomboka namoaka ireo lahatsarin-kirany sy ny dihiny ilay Keniàna mpanao tiktok @Veroansalt (ny tena anarany: Veronica Otieno) tamin'ny nihiràny ilay gadona rhumba kôngôley malaza tamin'ny 2021, avy hatrany dia lasa zava-nahaliana ilay lahatsary novokarina tao an-trano, izay ahitàna fihogo iray (natao mikrô) naraikitra tamin'ny tahona mikrô.

Nampitolagaga ireo mpankafy azy i Veronica, vehivavy mpankafy rhumba, izay toa eo amin'ny faha-roapolo taonany, noho ny fahaizany ilay karazana mozika rehefa mihira izy, ara-bakiteny, tamin'ireo fahombiazana maoderina sy klasika toy ny Mario sy Mamou an'i Franco, RTC Riva an'i Madilu System, Kamasutra an'i Ferra Gola ary ny Nadina an'i Mbilia Bel, ankoatra ny hafa maro. Ny sasany amin'ireo lahatsariny aza dia ahitàna dikanteny ho amin'ny fiteny anglisy avy amin'ireo hira izay ny ankamaroany dia amin'ny fiteny lingala . Nahatonga azy hahazo ny fon'ireo zokiolona mpankafy ilay karazana mozika izany, izay ny ankamaroany dia nahita tamin'ny alàlan'ireo lahatsariny TikTok ny dikan'ireo hira marobe izay nohirain-dry zareo hatrizay.

Veronica no feo TikTok ho an'ny andian-taranaka Y sy ny andian-taranaka Z — mpankafy izay nahita fomba iray vaovao hihainoana, hizaràna ary hanehoana ny fitiavany karazana mozika iray izay tsy isalasalàna fa ny gadona sy ny filantony dia nanetsika ireo ray aman-dreny sy raibe ary renibe. Karazana mozika iray miavaka amin'ny fifangaroan'ny gadona avy ao Amerika Latina sy Afrika, miaraka amin'ny gitara sy amponga mitàna anjara toerana goavana ao anatin'ny fandrindràna zavamaneno.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, nisy fitomboany indray ny fahalinana amin'ny rhumba, indrindra fa eny anivon'ireo andian-taranaka tanora ao Afrika, manokana amin'izany ny ao Afrika Atsinanana. Ireo mpiangaly mozika ankehitriny ao Kenya, Tanzania & Repoblika Demaokratikan'i Kôngo, dia manafangaro ny feo nentindrazan'ny Rhumba amin'ireo endrika mozika maoderina, mahatonga azy hahasarika ireo mpihaino tanora kokoa. Io Rhumba nampanarahana ny toetrandro io, izay mitazona ny endriny nentindrazana no sady mandray ireo feo vaovao, dia nahasarika ireo mpankafy fahiny sy vaovao an'ilay karazana mozika.

Hatrany Kôngô ka hatrany Kiobà, mandalo amin'ny ambiny sisa ao Afrika

Ny fiavian'ny rhumba dia tany amin'ilay fanjakana Kongo fahiny izay fantatra amin'izao fotoana izao amin'ny anarana Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC) sy Congo-Brazzaville tany amin'ny taona 1940 tany ho any. Ireo Afrikàna nandevozina no nitondra azy ho any Kiobà, ary dia niparitaka tany amin'ireo faritra hafa tao Karaiba sy Amerika Latina ilay gadona afrikàna, toerana nampifandrindràna azy ary nianjadian'ireo endrika mozika tao an-toerana. Hatramin'ny taona 1940, tsy nitsahatra ny nivoatra ilay karazana. Tao Kenya,  Ogandà ary Tanzania, Lingala no anarana nahafantarana azy, satria amin'ny fiteny lingala ny ankamaroan'ny hira.

Tany amin'ny taona 1970s sy 1980s, nibahan-toerana teo amin'ny sehatry ny mozika keniàna ny rhumba, niaraka tamin'ireo mpanakanto nalaza toa an'i Franco Luambo, Tabu Ley Rochereau sy Madilu System nahasarika olona marobe tamin'ireo fampisehoana nivantana nataon-dry zareo. Ny fiharatsian'ny toedraharaha pôlitika tao Zaira tany amin'ny taona 70 dia nitondra ho amin'ny fifindramonin'ireo Kôngôley mozisiàna ho any Kenya. Nentin-dry zareo nanaraka azy ny fomba tokamiavaka fiangaliny mozika izay niteraka traikefa mozikaly iray vaovao sy nampientam-po. Tany amin'ny tapaky ny taona 70 tany ho any, marobe ireo tarika kôngôley nilalao soukous tany amin'ireo trano fandihizana amin'ny alina tao Kenya. Lasa anarana nahazatra ny an'ireo tarika sy mozisiàna toa an-dry Arlus Mabele, Loketo, Awilo Longomba, Pepe Kale ary Kanda Bongo Man.

Niparitaka nanerana an'i Afrika ny lazan'ny Soukous ary namela dindo goavana tamin'ireo karazana mozika afrikàna maoderina malaza, indrindra fa ny highlife tao Ghana, ny mozika Taarab avy amin'ny morontsiraka atsinànan'i Afrika sy ny Makossa – karazana mozika kameroney an-tanandehibe izay nahita fahombiazana goavana tany amin'ny taona 1980 tany.

Very tany amin'ny taona 90 ary nipoitra indray

Tany amin'ny taona 1990, niaraka tamin'ny firongatry ny gadona  hip-hop, ny reggae jamaikàna sy ireo karazany maoderina hafa, nihena ny dindon'ny rhumba ary very ny fahalinana taminy teny anivon'ny andian-taranaka iray vaovao nisy ireo mpihaino sy ireo fambara izay nahita firindràna misimisy kokoa tany amin'ny Tupac, TLC sy Bob Marley fa tsy ny rafitra Madilun. 

Tao anatin'ny taona dimy farany, ny rhumba dia lasa ampahany iray manandanja tamin'ny sehatry ny mozika tao Afrika Atsinanana sy Afovoany, indrindra fa teny anivon'ny taranaka tanora. Io fihavaozan'ny karazana io dia noho ny singa marobe. Raha maro ireo tanora no miezaka mifandray amin'ny fototra ara-kolontsain-dry zareo, ny rhumba dia manome indray traikefa ara-mozika miavaka sy mampientam-po ho an'ireo tanora mba hifamatorana indray amin'ireo endriky ny kolontsainy izay tsy afaka ho hitany ao anatin'ny mozika pop maoderina.

Ny fipoiran'ny andian-taranak'ireo mpiangaly rhumba izay mampiditra karazana feo vaovao dia mahatonga ity farany ho mahasarika kokoa ireo tanora mpihaino. Ary, toa an'i Veronica, ampiasain-dry zareo ihany koa ireo sehatra media sôsialy toy ny YouTube, TikTok sy Instagram mba hanakaikezana mpihaino midadasika kokoa ivelan'ny sisintanin-dry zareo.

Amin'ireo mozisiàna ankehitriny mpiangaly rhumba nitondra ilay fipoirana indray, dia ahitantsika an'i Ferre Gola, Barbara Kanam, WerraSon sy Fally Ipupa, avy any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Ao Tanzania, Diamond Platnumz, Ali Kiba sy Harmonize no mitondra mozika rhumba misy tsirona Bongo maoderina. Avy ao Kenya, Sauti Sol Wanavokali, Okello Max, Bensol, Nviiri, Ssaru sy Amyloto no mampiditra ny rhumba ho ao anatin'ny endrika afro-pop fiangalin-dry zareo.

Eo amin'ny sehatry ny mozika, ireo klioba sy ireo kaonseritra ao Kenya dia mitovy indray amin'ireo tany amin'ny taona 70. Ary, tahàka ny fomba nitarihan'i Franco Luambo, Tabu Ley Rochereau sy Madilu System  ireo olona marobe ho amin'ny kaonseritra nataon-dry zareo, efa namidy andro maro nialoha ny tapakila ho an'ny fampisehoana nataon'i Sauti Sol, Fally Ipupa sy Diamond Platnumz. Mandrakotra indray ireo klioba malaza ny mozika rhumba, raha tsy mitsahatra ny mitombo toy ny fanirin'ny holatra koa ireo toerana ahafahana mianoka mivantana ny mozika rhumba manerana an'i Kenya. Azon'ireo Kôngôley efa za-draharaha mpiangaly mozika atao indray izao ny milalao mivantana ireo hira malaza mba ho afaka handihy ireo mpakafy an-tambajotra an'i Veronica.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.