
Mpivady vao nandritra ilay hetsika Pride to Be natao ny 25 Jona 2024. Sary : Kyle Lam/HKFP.
Tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) no nivoaka voalohany ity tatitra nataon'i Hillary Leung ity ny 6 Jolay 2024. Ity ambany ity kosa dia dika nasiam-panovàna navoaka noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Maro tsy tambo ho isaina ireo lanonam-panambadiana natao tao amin'ny efitra fanasan'ny Hotel Eaton ao Hong Kong, saingy tsy mbola nisy toy ity : tsy mpivady vao iray monja no tao, fa 10 ; ary tsy nanoloana azy ireo ny mpanamasina ny fanambadiana, fa natao tamin'ny Zoom ny raharaha, satria taraiky 14 ora amin'ny ora tao an-toerana misy an-dry zareo any Utah, Etazonia.
Nitsangana ambaninà andohalambo voaravaka voninkazo sy soratra mivaky hoe “Pride to Wed” (Mirehareha fa mpivady) ireo mpivady vao ary nifandimby nifanakalo voady sy nilaza izay tao am-pony tamin'ny olon-tiany. Nisy ireo sady niteny no namafa ranomaso. Metatra maromaro miala ny sehatra kosa, mitazona ny findainy hitahiry izato fotoana mamy ireo havana sy namana.
“Folo taona lasa izay no nihaonanay tanatinà fiangonana iray tsy manilika ny mpifankatia mitovy fananahana… tsara fitontona ny fihaonanay. Maro ireo zavatra tsara sy adaladala niarahanay nanao. Nitondra fifaliana be sy fahatsiarovana mamy tanatin'ny fiainako izy,” hoy ny lehilahy iray raha niresaka momba ny olon-tiany.
Fankalazana ny fitiavana sy ny fahasamihafana anatinà tanàna iray tsy ankasitrahana ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana io lanonana io. Volana vitsivitsy lasa izay, nanao antso avo ny Next Chapter mpikarakara fanambadiana ho an'ireo mpifankatia LGBTQ maniry ny hivady anatinà hetsika iray entina hanamarihana ny Volan'ny Fireharehàna, ka ny fikarakarana sy ny fandaniana rehetra amin'izany dia iantohan'ilay orinasa avokoa.

Ireo mpivady vao nandritra ilay hetsika Pride to Be ny 25 Jona 2024. Sary : Kyle Lam/HKFP.
Iray amin'ireo tolotra omen'ilay orinasa ny “fanambadiana tsy manalavi-tany” toy itony, safidy iray hafa ankoatra ny fandehanana any amin'ny firenena iray mankasitraka ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana. Mpanamasina fanambadiana avy ao Utah no manatanteraka ny fanamasinana, satria any tsy ilàna fanamarinam-ponenana na fanamarinana ny maha-olompirenena ny fahazoan-dàlana hivady.
“Tanatin'ny telo herinandro, maherin'ny 35 ireo nisoratra anarana tamin'ilay hetsika”, hoy i Kurt Tung, izay niara-nanangana io orinasa io tamin'ny vadiny, tanatin'ny fanazavany tamin'ny teny Kantôney. “Isan-karazany ireo olona anatin'izany. Tianay ny mampahafantatra fa tsy ny mpifankatia mitovy fananahana ihany no ao. Misy ihany koa ireo niova fananahana, sy ireo pansexuels.”
‘Mafonja noho ny singan-taratasy iray’
Efa ela ireo LGBTQ mpikatroka ao Hong Kong no niady hampiharana bebe kokoa ny zon'ny vondrompiarahamonina vitsy an'isa ao aminy, izay matetika miafara eny amin'ny fitsarana. Nahitàna fandresena goavana izany ady izany. Tamin'ny 2019, ohatra, niandany tamin'ny mpiasam-panjakana gay iray izay nangataka hisitraka ny zon'ny mpivady sy ny fanombanana hetra ny fitsarana. Nisy iray hafa ihany koa tamin'ny 2021 rehefa nanome zo mitovy ireo mpifankatia mitovy fananahana manoloana ny zanany ny fitsarana.
Ny tamin'ny Septambra lasa teo kosa no akaiky indrindra, rehefa navoakan'ny fitsaràna tampony ao an-tanàna ny didy iray manan-tantara izay manome roa taona ny governemanta mba hametrahany rafitra ara-dalàna ho fankatoavana ny fiarahan'olona mitovy fananahana. Na izany aza, niombon-kevitra ny fitsarana fa tsy voarakitra anatin'ny lalàm-panorenana ny zo hanambady ny mitovy fananahana aminy ao Hong Kong, noho izany dia afaka manome rafitra fisoratana misaraka ho an'ireo mpifankatia fotsiny ny fitondrana fa tsy hanova ny lalànan'ny fanambadiana mba hamadihana ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ho ara-dalàna. Na izany na tsy izany dia ahafahan'ireo mpifankatia mitovy fananahana misitraka ireo tombontsoa azon'ireo mpifankatia tsy mitovy fananahana io fanekena ny fiarahan'olona mitovy fananahana io, isan'izany ny tombontsoa mikasika ny trano fonenana, ny hetra ary ny fifindramonina.
Hatramin'ny namoahana ilay didy tamin'ny Septambra,noho ny tsy fisian'ny rafitra mitsangana sy fivoarana azo tsapain-tànana dia nilaza ny sasany tamin'ireo mpifankatia nivady tao amin'ny Hotely Eaton fa tsy nampoizin'izy ireo ho tanteraka mihitsy ny fanambadiany, raha tsy afaka natao tamin'ny fomba virtoaly izany.

Mpivady vao nandritra ny hetsika Pride to Wed ny 25 Jona 2024. Sary : Kyle Lam/HKFP.
Nilaza i Dark Chan, 45 taona, fa nieritreritra ny hanambady tany Kanadà, izay manaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana, izy tamin'ny voalohany. Saingy fandaniana be ho an'ireo voaasa ny hankany – na ara-potoana na ara-bola. Nanazava izy fa “Raha manambady an-tambajotra aty Hong Kong aho dia mahazo tsodrano avy amin'ny fianakaviako sy afaka mifety miaraka amin'ny namako”.
Nilaza kosa i Lucas Peng, Singapaorianina mpandraharaha 66 taona mipetraka ao Hong Kong, fa misy antony ny hanambadiany ary mifono hevitra lalina fa tsy vitan'ny hoe “singan-taratasy na taratasy fanamarinana” fotsiny ihany. Vokatr'io fankatoavana io, ho maivana kokoa ny vadiny na izy raha sanatria ka hindaosin'ny fahafatesana ny iray amin'izy roa : “Endrikà antoka iray hafa io fanamarinam-panambadiana io, izay manome lanja bebe kokoa ny didim-panananay.”
Mitombo ny fanekena
Nahatonga ny endrika fikatrohana rehetra ao Hong Kong ho sarotra kokoa ny tontolony miodina manodidina ny politika, anisan'izany ny fanohanana ny zon'ny LGBTQ. Ny Hong Kong Pride Parade, ohatra, izay ONG iray mazàna no nikarakara diabe miloko tao amin'ny tanàna, dia tsy nanao afa-tsy tsena anaty rindrina efatra intsony hatramin'ny 2021, izay ahitàna vondrona mankasitraka ny LGBTQ.
Roa amin'ireo antoko politika lehibe indrindra ao Hong Kong, ny Democratic Alliance for the Betterment and Progress of Hong Kong (DAB) sy The Hong Kong Federation of Trade Unions (HKFTU), no nilaza fa loza mandrahona ireo soatoavin'ny ankohonana “mahazatra” ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana.

Mpifankatia mandroso ho eny amin'ny alitara nandritra ny hetsika Pride to Wed natao ny 25 Jona 2024. Sary : Kyle Lam/HKFP.
Talohan'ny naha-tanàna voalohany tao Azia an'i Hong Kong ho niara-nampiantrano ny Gay Games tamin'ny herintaona, nilaza ilay mpanao lalàna, Junius Ho, fa tokony hanakana ny tanàna tsy hanao io hetsika io ny “sampam-piarovana nasionaly”, ary niantso ireo hetsika manohana ny fanekena ara-dalàna ny fanambadian'ny mitovy fananahana ho “fironana manimba” tohanan'ny Tandrefana.
Saingy niteny kosa i Tung, mpiara-manorina ny Next Chapter, fa efa manaiky tsikelikely ny fiarahan'olona mitovy fananahana ny fiarahamonina, anisan'ny mahatonga izany ny fitateran'ny media ireo hetsika – tahaka ity fanamasinana fanambadiana ity – mikendry ny hampahafantatra bebe kokoa ny vondrompiarahamonina vitsy an'isa.
Nanonona fanadihadiana iray nataonà anjerimanontolo telo izay mampiseho ny fitomboan'ny fankatoavana ireo zon'ny mpifankatia mitovy fananahana i Joseph Che, talen'ny kolontsaina ao amin'ny Eaton Hotel.
“Tamin'ny 2013, 38 isan-jato fotsiny [ireo olona nanohana ny fanambadian'olona mitovy fananahana],” hoy i Chen. “10 taona taty aoriana, niakatra maherin'ny 60 isan-jato izany. Manantena izahay fa [hamela] ireo manohitra hahatakatra ity hetsika ity fa malalaka ny rehetra hitia, hanambady, ary hisitraka ireo tombontsoa rehetra omena ireo [mpifankatia] tsy mitovy fananahana.”






