Olana goavana io fiparitahan'ny solika ao Rio Cobre ao Jamaika io, hoy ireo mpikatroka sy fiarahamonim-pirenena

Sary namboarina tao amin'ny Canva Pro.

Lahatsoratra navoakan'i Emma Lewis, mpandray anjara Global Voices, voalohany tao amin'ny blaoginy; nahazoana alalana ny endrika nohavaozina eto ambany.

Tsy afa-po izahay: izany no hafatra avy amin'ny vondrom-piraisamonim-pirenena sy olon-tsotra marobe tao amin'ny Taratasy Misokatra ho an'ny Talen'ny Fampanoavana ao Jamaika (DPP) momba ny fihetsika tsy mahazatra nataon'ny Sampan-draharaham-Pirenena Misahana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrindrana – National Environment and Planning Agency (NEPA), amin'ny fampiharana ny rariny (fitsarana) manoloana ny heloka bevava ara-tontolo iainana.

Tamim-pahatairana sy fanamelohana no nandraisan'ny lafivalon'ny fiaraha-monina ny fanambaràn'ny NEPA tao amin'ny fitsarana tamin'ny 27 Novambra 2024, fa nosintoniny ny fiampangany ny Trade Winds Citrus Limited noho ny fiparitahan'ny solika tamin'ny Desambra 2023 tao Rio Cobre izay namela takaitra ara-pamatsian-drano tamin'ireo vondrom-piarahamonina manodidina. Nanomboka niresakafifanarahana miafina” eo amin'ny NEPA sy ny orinasa ny fampahalalam-baovao; tsy naseho tamin'ny mpitsara ny antsipirian'ny fifanarahana noho ny fifanarahana tsy amoahana izany.

Taorian'izay, nasaina nametra-pialana i Weldon Madden, filohan'ny NEPA, raha namoaka fanambaràna kosa i Matthew Samuda, minisitra miandraikitra ny tontolo iainana, fa “tsy afa-po ny Governemantan'i Jamaika fa novahana teo anivon'ny Biraon'ny filankevi-pitantanana araka ny fenitra takiana amin'ny mangarahara sy ny fisokafana ny olana.” Tao anaty tsindry manery mafy, navoaka tao amin'ny tranokalan'ny NEPA ihany tamin'ny farany ny antsipirihan'ny Fifanarahana nifanelanelanana, izay nahitana ihany koa ny fizotran-javaniseho tamin'ny fiparitahan'ny solika.

Matetika tratran'ny fandotoan'ny indostria ny reniranon'i Jamaika – anisan'izany i Rio Cobre. Tamin'ny taona 2021, niharan'ny fiparitahan'ny taharon-doton'orinasa mpitrandraka bauxite (baokisita) manamorona azy i Rio Cobre – ary tsy vao voalohany ity tranga ity. Mpamerin-keloka ny West Indies Alumina Company (Windalco), mampiodina ny orinasa, efa “imbetsaka nahazo fampandrenesana fandikan-dalàna” tamin'izany fotoana izany, ary “voampanga noho ny fitorian'ny NEPA ho nanary fako tao an-drenirano tamin'ny taona 2019 ka nahatonga fahafatesan-trondro be dia be sy fahararian'olona maro.” Niezaka nameno trondro tao an-drenirano ny Windalco taty aoriana, saingy nampanontany ihany koa ny fangaraharana momba izany.

Amin'ity raharaha farany ity, maromaro ireo olana mitsangana mitaky fanadihadiana fanampiny. Nampiato kely ny sasany tamin'ireo mpiaro ny tontolo iainana ny fanehoan-kevitry ny NEPA, nampitain'ny Minisitra Samuda, nanapahany hevitra fa ara-drariny ny fisintonana ny raharaha noho ny “fetran-traika ara-materialy amin'ny toe-javatra sy ny nanaovana fanadiovana tanteraka”. Na lehibe na tsia ny fahasimbàna vokatry ny fiparitahan’ny solika, ary tsy ijerena ny isan'ny trondro maty na tsia, fa mihoatra noho izany ny raharaha. Nanao heloka bevava ara-tontolo iainana ny Trade Winds Citrus Limited, izay notorîn'ny NEPA niaraka tamin'ny DPP satria tsy amin'ny trondro vitsivitsy maty ihany ilay heloka; fa misy fiantraikany amin'ny fiarahamonina manodidina sy ny rohivoary ankapobeny, izay heverin'ny maro fa zara raha noheverina.

Izany ve no ho fomba fiasa irosoan'ny NEPA? Ary raha “bizina mahazatra” izany, miompana amin'inona moa izany? Nanasongadina ireo olana ireo sy ny hafa tamin'ny DPP ny taratasy misokatra, nosoniavin'olon-tsotra sy vondrona miisa 39, anisan'izany ny Jamaica Environment Trust, Friends of Rio Cobre, Freedom Imaginaries, Jamaicans for Justice, Stand Up For Jamaica, Jamaica Accountability Meter Portal, ary ny Jamaica Climate Change Youth Council (Filankevitry ny Tanora momba ny fiovan'ny toetr'andro Jamaika).

“Araka ny alalana nomen'ny biraonao”, hoy ny voasoratra, “manana adidy ny NEPA, ny sampan-draharaha ara-pitantanan'ny Natural Resources Conservation Authority (NRCA) hiandraikitra ny fanenjehana ny heloka bevava ara-tontolo iainana. Mampanontany tena tanteraka anefa ny fanapahan-kevitry ny NEPA hanohy ny fanelanelanana amin'ity raharaha ity manoloana ny fanoloran-tenany hiaro ny rariny ara-tontolo iainana. Takianay maika ny famotopotoran'ny biraonao ny nataon'ny NRCA/NEPA. Tena ilaina izany mba hamerenana ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny fampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana ary hiantohana fa miasa amin'ny fotoana rehetra ho amin'ny tombontsoam-bahoaka ireo sampan-draharaha ireo miaraka amin'ny fahefana fampanoavan-dalàna.

Anisan’ny olana voamarika ny fisian’ny fanelanelanana tamin’ity raharaha ity. “Nokinasa hanaovana marimaritra iraisana eo amin'ny samy tsy miankina,” hoy ny voalaza, “tsy mety hihazonana ireo mpandika lalàna ara-tontolo iainana ho tompon'andraikitra (ny fomba fiasa), indrindra rehefa lehibe ny fiantraikany eo amin'ny daholobe sy ny tombontsoan'ny besinimaro. Manafina fanakatsakanana izany ary maneho ny fileferana manoloana ny heloka bevava ara-tontolo iainana.” Notsikerain'ny taratasy ihany koa ny fifantohan'ny NEPA amin-javatra kely, izay “nanao ho laharam-pahamehana ny famonoana trondro nefa tsy niraharaha ny fiantraikan'ny fiparitahan'ny solika midadasika kokoa amin'ny tontolon'ny renirano, ny mpampiasa renirano ary ny fiarahamonina manodidina.”

Fanampin'izany, nosintonin'ny NEPA ny raharaha “noho ny fanomezan-toky manjavozavon'ny TWCL, anisan'izany ny fanoloran-tena hanao ny tsara indrindra sy ny fiaraha-miasa, izay tsy ahitana rafitra fampiharana mazava.”  Noraisin'ireo nanao sonia izany ho fanehoana “tsy fahalianana hanenjika heloka bevava ara-tontolo iainana sy ny tsy fisian'ny finiavana hitazona ireo mpandika lalàna ara-tontolo iainana ho tompon'andraikitra rehefa any amin'ny rafi-pitsarana famaizana”, indrindra raha ampifandraisina amin'ny hoe efa nosorohan'ny fifanarahana ny “fitoriana eny amin'ny fitsarana ataon'ny andaniny iray” ka mandrara ny NEPA tsy hanolo-tanana ireo vondrom-piarahamonina mety hitory ny TWCL. Tampenan'io fifanarahana io “ny zon’ny fokonolona sy ny vahoaka hikatsaka ny rariny, (ka) manimba sy mamadika ny fitokisam-bahoaka amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny fitsarana”.

Lazain'ny fanambaràn'ny vondrona ihany koa ny tsi-fisîn'ny mangarahara na fandraisan-kevitra matotra amin'ireo vondrom-piarahamonina voakasika, fanilihana izay “mitsipaka ny zon'ny mpiara miombon'antoka handray anjara amin'ny famahana olana iray miantraika mivantana amin'ny fiainany sy ny tontolo iainany. Tsy azo ekena amin'ny maha-raharaham-bahoaka azy sy ny halehiben'ny fandikan-dalàna ny fampidirana ho tsiambaratelo ny fifanarahana nifanelanelanana, natao hiarovana ny tenim-pifanarahana ho tsy azom-bahoaka sy ny fitsaràna harahimaso.”

Na dia mampiady hevitra aza ny fehin-kevitra ara-pitsarana, mbola tsy voavaha ity raharaha ity eo imason'ireo mpiaro ny tontolo iainana sy ireo mpiaro ny fitantanana: “Mendrika mangarahara feno ny vahoaka ary hampiharina an-karihary, sy hentitra ary amin'ny fanajana ny fenitry ny lalàna, sy amin'ny fanajana ny fitsipika ary amin'ny fomba fanao tsara indrindra ny lalàna ara-tontolo iainana eo amin'ny tamberin'andraikitry ny NEPA imasom-bahoaka amin'ny fizotram-panapahan-kevitra ataony.

“Mitaky hetsika ara-pitsarana matanjaka ny heloka bevava ara-tontolo iainana – fa tsy vahaolana hafa izay tsy mahavita manome rariny na miaro ny harena voajanahary. Manentana ny biraonao izahay hamerina handinika ity raharaha ity, hamotopototra ireo ataon'ny NEPA, ary hanombana mivelatra kokoa indray amin'ny fahombiazan'ny fitorian'ny NEPA ho fanamafisana ny fitantanana ny tontolo iainana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.