
An-tsary, ilay artista Fally Ipupa eo afovoan'ireo mpandihiny ; pikantsarin'ny lahatsarin'ilay hira “Eloko Oyo” tao amin'ny fantsona YouTube an'i Fally Ipupa
Amin'ny ampahany dia ny mozika, fitaratry ny fahasamihafana ara-kolontsainy, no nampahalaza ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC).
Eny tokoa, mihoatra lavitra ny sisintaniny ny mozikan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô: ny 14 Desambra 2021 ny rumba kôngôley no tafiditra ho isan'ireo lova ara-kolontsaina tsy hita maso ho an'ny zanak'olombelona teo anivon'ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Io fankatoavana io dia vokatry ny dindo erantany nentin'io mozika ankafizina fatratra io.
Raha te-hahafantatra misimisy kokoa, vakio: La renaissance de la rumba et les musiciens qui la font découvrir à une nouvelle génération de mélomanes [fr]
Ny lazan'ny RDC teo amin'ny sehatry ny mozika dia azony tamin'ny ampahany avy amin'ireo vahoakany izay tombanana ho mihoatra ny 110 tapitrisa izay miparitaka anatin'ireo foko mihoatra ny 400. Io hareny io no fototry ny fahasamihafàna ara-kolontsaina nositrahan'ny mozika nandritra ireo andian-taranaka nifandimby. Manana fiteny maro ihany koa ilay firenena: ny frantsay no fiteny ôfisialy ao amin'ny firenena ary fiteny efatra avy ao an-toerana no manana ny sata maha tenim-pirenena azy: ny lingala, ny swahili, ny kikongo ya leta ary ny tshiluba. Raha resahana ara-mozika, ny lingala no fiteny mibahan-toerana ao amin'ny firenena.
Fombandrazana velona mahay mifandrindra amin'ny vaninandro maoderina
Ny mozika ao RDC dia avy amin'ireo fombandrazana sy fomba fanao nahazatra izay mampiseho ny fiaviana ara-pokon'ny vondrona tsirairay avy. Zavamaneno miavaka no entin'ireo vahoaka Nande, Mongo, Luba, sy Kongo manao ny mozikan-dry zareo: ny Inanga, Ingoma, Kundi, Lokole (tambour), Mbira, Ngombi, Seto (harpe), na koa ny Pluriarc.
Eto, ity lahatsary ity no manome ny ohatra iray: hira iray mitondra lohateny hoe “Mbomboliye“, hira iray an'ny vahoaka Mongo izay antso ho amin'ny firavoravoana noho ny vaovao tsara iray.
Fa manefy ny tenany ihany koa ny mozika nentindrazana ao RDC ary mivady amin'ireo fironana ara-mozikan'ny vaninandro ankehitriny, afrikàna sy ny hafa. Hita io fanafangaroana io amin'ny alàlan'ny fampivadiana ireo zavamanenon'ny mozika maoderina sy ny nentindrazana: ny gitara “électriques”, ny vata maroafitsoka, ny amponga, ny cajons, ny claviers, ny lokole (amponga misy tataka) ary ny likembe (kazarana piano) izay ahafahan'ny mozika maneho endrika iray mambabo fo no sady mitahiry ireo fiaviany ara-kolontsaina.
Rumba, saingy tsy izay ihany
Tena maro karazana sy mavitrika ny sehatry ny mozika ao RDC izay ahitàna karazana fomba sy karazana mozika maro. Ny rumba no karazana mozika voalohany naneho ny maripamantarana an'i RDC. Izy io dia mozika avy any amin'ny fanjakàna Kongo (i RDC ankehitriny), avy eo nomena aina vao tamin'ny 1930 noho ny firongatry ny rumba kiobàna, mozikan'ireo andevo niaina nandritra ny taonjato maro tao amin'ny Karaiba.
Taorian'ny rumba, lasa nalaza tamin'ny soukous ny RDC tany amin'ny taona 1960. Io karazana io, teraka avy amin'ny rumba, saingy voamariky ny gadona mozikaly hafa, dia nambabo ihany koa ny tanibe afrikàna sy ny tany ivelany. Ny ndombolo, fifangaroan'ny rumba sy soukous, dia tany amin'ny taona 1990 tany no nipoitra, ary manaporofo ny fahaiza-mamorona tsy mitsahatr'ireo Kôngôley mozisiàna.
Raha jerena ireo fitovitoviana misy amin'ireo karazana mozika ireo, marobe ireo artista no mitondra ny fanevan'ireo endrika mozika telo ireo. Saingy ny andian-taranaka tsirairay dia mitondra ny anjara birikiny amin'ny fananganana ny maripamantarana mozikalin'i RDC.
Ireo anarana goavan'ny mozika kôngôley
Tena marobe ireo mpanakanto sy vondrona, avy amin'ny zom-pirenena isankarazany miampitampita sisintany eo anelanelan'i RDC sy Kôngô, no mandray anjara amin'ny fampamirapiratana erantany ny mozikan'ilay firenena. Isan'ireo mpisava làlana ry Grand Kallé, izay ny hirany malaza dia nanamarika ny fanahin'ireo fahaleovantena afrikàna niaraka tamin'ilay hira malaza hoe “indépendance Cha Cha“.
Tabu Ley, anarana iray hafa goavana, na Franco izay olomalazan'ny mozika ihany koa tao RDC niaraka tamin'ilay hirany mahazatra hoe “Mario“:
Abeti Masikini sy Tshala Muana dia mipetraka eo amin'ny fihaonan-dàlan'ireo andian-taranaka voalohany sy faharoa, izay taty aoriana dia tonga nanjohy an-dry zareo teo ny tarika Zaïko Langa Langa, King Kester Emeneya, Jean-Serge Essous, Madilu System, Édouard Nganga, Théo Blaise Kounkou, Mbilia Bel, Simaro Lutumba, Koffi Olomidé, sy ilay tena malaza be Papa Wemba nomena anaram-bosotra ho “Mpanjakan'ny Sape“.
Indro ny lahatsarin'ny hiran'i Papa Wemba hoe “Yolele” :
Misy andian-taranaka fahatelo ivondronan'ireo mpanakanto toa an'i JB Mpiana, Werrason, Ferre Gola, Fally Ipupa. Ankehitriny ity farany dia heverina ho ny mozisiàna mahomby indrindra ao RDC satria milalao anaty rejisitra mozika marobe ankoatry ny rumba izay anànany anaram-boninahitra maro ihany koa.
Indro ny lahatsarin'ny hiran'i Fally Ipupa hoe “Alliance” :
Any ambadiky ny sisintanin'i Congo Brazzaville, Youlou Mabiala, Aurlus Mabélé, isan'ireo mpisava làlana goavan'ny karazana soukous, ry Doudou Copa, Roga-Roga koa dia nanoratra pejy nahafinaritra tamin'io mozika ifampizaràna amin'i RDC io.
Marina fa manana ny endrika maha-izy ny mozikan'i RDC, saingy azo lazaina ho mitàna anjara toerana pôlitika ihany koa izy. Ny fipetrahan'ilay mpanakanto Grand Kallé voatanisa ery ambony miaraka amin'ilay hirany “Indépendance Cha Cha”, lasa hira fampivondronana ireo mpanohitra fanjanahantany tao RDC sy nanerana an'i Afrika, no ohatra tsara indrindra amin'izany. Ao amin'ny firenena, ny mozika ihany koa dia fitaovam-panoherana , indrindra fa teo ambanin'ny fitondràn'i Mobotu Sese Seko (filoha teo anelanelan'ny 1965 sy 1997) izay nanakianan'ireo mpanakanto sy niampangàny ny kolikoly ary ny famoretana. Nivoy hafatra sôsialy marobe ihany koa ny mozika, momba ny fifanampiana sy ny fahaizana miara-miaina anaty fiarahamonina.
Tohizan'i RDC hatrany ny mihavao amin'ny lafiny mozika tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, tamin'ny fampidirana ireo karazany roa amin'ny mozika afrikàna: ny amapiano avy any Afrika Atsimo, sy ny afrobeat na afro-pop avy any Nizerià. Anisan'ny ao anatin'ny fironana manao ny amapiano ilay mpanakanto RJ Kanierra , miaraka amin'ilay hirany hoe “Tia“, nivoaka tamin'ny Septambra 2023, ary efa nahavory mpijery 51 tapitrisa mahery ao amin'ny YouTube.
Indro ny lahatsarin'ny “Tia“:
Ny afrobeat ao RDC dia ireo mpanakanto toa an'i Gaz Mawete na koa i Innoss'B no mivoy azy.
Indro, ny lahatsarin'ny iray amin'ireo hiran'i Innoss'B mitondra lohateny hoe “Olandi” izay efa nahavory mpijery mihoatra ny 53 tapitrisa ao amin'ny YouTube.
Ireo feom-behivavy hafa: M’bilia Bel, Nathalie Makoma miaraka amin'ny tarika misy azy ; ary ny feon-dehilahy: Lokua Kanza, Ray Lema, Jean Goubald dia isan'ireo masoivohon'ny RDC eo amin'ny sehatry ny mozika, izay manaporofo ny fahaiza-mamorona sy ny fihavaozana tsy mitsahatra.