Lira tiorka zato ho an'ny angondrakitrao: ny nahavery fanantenana tanteraka ireo olompirenena tiorka manoloana ny fiarovana ny angondrakitra sy fiainana manokan'ny tena

Sary avy amin'i Giovana Fleck, fampiasàna nahazoana alàlana

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Data Narratives, tetikasa iray an'ny Civic Media Observatory izay mikendry ny hamantatra sy hahatakatra ireo lahateny momba ny fampiasàna ny angondrakitra ho an'ny fitantanana, ny fifehezana ary ny pôlitika ao El Salvador, Brezila, Tiorkia, Sodàna ary India. Vakio bebe kokoa eto ny momba ilay tetikasa, ary jereo ny angondrakitra natao ho an'ny daholobe omenay hamakafakàna feno resahan'ny lahatsoratra eto ambany. 

Hatramin'ny taona 2018, niainan'i Tiorkia ny krizy iray ata-toekarena nahery vaika, niaraka tamin'ny sondrom-bidim-piainana, ny fitontonganana be tamin'ny sandan'ny vola, ary ny fiakaran'ny vidin'entana. Taona vitsy lasa izay dia nahavita andro vitsy tao Tiorkia ny 100 TRY (teo amin'ny 17 dôlara amerikàna, talohan'ny krizy),  saingy ankehitriny, tsy mahazo zavatra firy intsony izany, indrindra fa any amin'ireo tanandehibe.

Ao amin'ny tanàna lehibe ao İstanbul, ny singana “balık ekmek,” trondro nasaly sy mofo voasesika salady izay sakafo mora vidy nahazatra ireo mpiasa, dia mitentina 120 hatramin'ny 150 TRY (manodidina ny 3,50 hatramin'ny 4,50 dôlara amerikàna)  amin'izao androntsika izao. Na mankany Eminönü aza, distrika iray any amin'ny morontsiraka ihaonan'ny Golden Horn sy ilay tanàna tranainy ara-tantara ao İstanbul, izay malaza amin'ny balık ekmek ao aminy, dia andoavana 105 TRY amin'ny tambajotran'ny fitateram-bahoaka ao an-tanàna, eritreretina hoe mila miova fiara in-dray mandeha ianao. Raha misafidy ny tsy hivoaka ny trano ianao ka manafatra Big Mac amin'ny McDolalds tsy lavitra eo, na izay fotsiny aza dia efa mety handoavanao 170 TRY izao.

Eo am-pipetrahana ao an-tranonao ao İstanbul, tsy andrinao ny handaniana ny 100 TRY -nao sy hanandrana hanadino hoe tsy maintsy dinganinao ny sakafo antoandro, inona no mba azonao vidiana hialàna voly? Ireo izay efa mahafantatra an'i Tiorkia dia tsy ho gaga hahalàla fa misy safidy iray, dia ny fividianana ny angondrakitra rehetra mifandraika amin'ny maripamantarana ny olompirenena tsirairay na izay mipetraka ao Tiorkia, isan'izany ny laharam-piantohana, ny laharan'ny telefaona, ny adiresy, ny torohay momba ny asa, ny torohay momba ny fiahiana ara-pitsaboana, ny fizakàm-panànana sy izay rehetra fifandraisana ara-pianakaviana. Amin'ilay 100 TRY kely, azon'ny olona atao ny mividy ireny torohay rehetra ireny, ary mbola mihoatra lavitra noho izany aza, momba ny olona tsirairay efa nipetraka tao Tiorkia tsy ela akory. (Mety hisy fahasamihafàna kely ny vidiny amin'izao fotoana izao. Vetivety dia miova ny vidin-javatra ao Tiorkia; ny fihenan'ny sandambola dia misy fiantraikany ihany koa amin'ny heloka an'habaka. Kanefa, mbola mijanona hatrany ho mora vidy.)

Angamba ianao hanontany hoe ahoana no mahamora vidy ny torohay saropady tahaka izany? Ka izao, rehefa ambony be ny fifaninanana ao anatin'ny sehatra iray izay ambany sanda eny an-jorony, manana fironana hidina ny vidin-javatra. Amin'ny teny hafa, mora ilay izy satria manana izany ny tsirairay. Araka izany, ny tena fanontaniana dia hoe, “Fa nahoana no samy manana izany daholo ny rehetra?”

Ny valin'io dia ny fiporitsahan'ireo angondrakitra. Efa nananan'i Tiorkia ny tantara lavabe amin'ny resaka fiporitsahana angondrakitra, ary ny fetra tratran'ny fandrakofan'ity lahatsoratra ity dia tsy ampy hamaritana ny antsipirihan'ny tsirairay amin'izy ireny. Ny tena farany lehibe indrindra tamin'ny fiporitsahan'ireo angondrakitry ny daholobe dia nitranga herintaona latsaka izay, nanodidina ny Jona 2023, fony 85 tapitrisa tamin'ireo olompirenena no nahita fa nisy nangalatra ny angondrakitra e-devlet mombamomba azy ireo (rafitra iray anaty aterineto manome ho an'ireo teratany Tiorka sy olona mipetraka any Tiorkia ny fahafahana miditra amin'ireo raharaham-panjakana). Raha ny fahitàna azy, tena narefo ireo fepetra napetraky ny fanjakàna ho fiarovana ny angondrakitry ny olompirenena, ka na ireo mpijirika infôrmatika nanaparitaka ny angondrakitra aza dia nitaraina momba izany, no sady niampanga ny fanjakàna ho nivarotra tamin'ireo orinasa tsy miankina ireo angondrakitra manokan'ny olona.

Na ny govenemanta ihany aza, tetsy ankilany, dia nandà ho tsy tomponandraikitra.  Ali Taha Koç, filoha fahiny tao amin'ny Biraon'ny Fiovàna Nomerika (DDO), departemanta iray tomponandraikitra amin'ny famadihana ho nomerika ireo tolotra sy momba ny heloka an'habaka izay mifamatotra mivantana amin'ny filoha tiorka Recep Tayyip Erdoğan, dia nilaza fa ny sehatra tsy miankina no fototr'ireo fiporitsahana, sy hoe niaro ireo rehetra angondrakitra nankinina taminy ny fanjakana. Na tsy nanome anarana aza i Koç, dia azo antoka fa ireo ireo fiporitsahana angondrakitra nifanesy tao amin'ny Yemeksepeti no resahany. Ilay fampiasa fanaterana sakafo, izay azo lazaina ho manjaka tokana ao Tiorkia nandritra ny taona maro, no niporitsahan'ireo torohay momba ireo mpampiasa azy miisa 30 tapitrisa mahery, tsy vao sambany fa efa in-droa tao anatin'ny volana vitsy monja.

Na iza na iza no tena tomponandraikitra (ireo mpijirika mihitsy, tahaka izay voasoratra etsy ambony, dia manondro ny fanjakana), ny vokany dia ny fahaverezana manontolon'ny fanantenana hanana fiainana manokana. Tsy misy teratany tiorka miandrandra fiarovana fiainana manokana eny anaty tambajotra intsony. Isaky ny misy fiporitsahana angondrakitra — tena izay, toa matetika loatra ny iresahana fiporitsahana angondrakitra araka izay ilazàna azy izay saingy tsy lazaina hoe ny tahaka ny inona — dia ny fomba feno vazivazy no raisin'ireo mpampiasa media sôsialy entina hanesoana ireo izay manao fihetsika tafahoatra momba izany.

Ilay fanekena ny anjara sy lahatra ka mamorona io tontolo io dia  azo fintinina amin'ity resadresak'ireo mpampiasa Twitter ity momba ny doxxing (famborahana fiainana manokan'ny hafa): “Anananao ve ny maripamantarana ahy? Manana tahaka izany koa ny olona rehetra izay afaka mandoa 2 dôlara mba hahazoana ireo poritsaka avy amin'ny e-devlet. Tsy miavaka manokana ianao.” Rehefa tsy misy ny fiandrandràna zo, izay zo izay mihitsy koa no azo lazaina ho mirona mankamin'ny tsy fisiana, na misy araka ny lalàna aza ilay izy. Ny lalàna faha #6698 momba ny fiarovana ny fiainana manokan'ny olona no noheverina hiantoka ny zo hanana fiainana manokan'ny tena nomen'ny lalàm-panorenana. Kanefa, amin'ny fampiharana, na iza na iza ka mahafantatra ireo vondrona tsara karohana ao amin'ny Telegram dia afaka ny hanitsakitsaka io lalàna io amin'ny vola zara raha misy roa dôlara amerikàna monja.

Io fahaverezan'ny fanantenana io dia midika hoe marobe ireo olompirenena no namela ihany koa ireo zo fototra hafa tokony sitrahan'ny olompirenena.  Ankolaka saingy hita mibaribary ao an-tsain'ny daholobe izy io. Tamin'ny May 2023, ny minisitra taloha nisahana ny atitany, Süleyman Soylu, nandritra ny fanaporofoana ho an'ilay mpaka am-bavany avy amin'ny tranonkalam-baovao teknôlôjika iray antsoina hoe ShiftDelete, dia nampiseho fampiasa iray antsoina hoe KIM teo amin'ny telefaonany, izay, rehefa avy nakàny sary an'ilay mpaka am-bavany, dia nahazoany ny torohay rehetra momba azy, toy ny anarany, ny fanampin'anarany, ny laharan'ny karapanondro ary sary hafa marobe momba azy. Mazava ho azy, io fampisehoana io, izay lazain'i Soylu, ao anatin'ilay lahatsary, “fa nampiseho ny herin'ny fanjakana,” dia niteraka resabe nivaivay.

Ireo pôlitisiàna avy amin'ny fanoherana sy ireo olomalaza dia nanakiana mafy ny fampiasàna fampiasa tahaka izany. Merve Kara-Kaşka avy ao amin'ny BBC Tiorkia dia niresadresaka tamin'ny maro tamin'ireny manampahaizana manokana ireny, izay nanakiana ny fampiasàn'ilay minisitry ny atitany io fampiasa io, tamin'ny fanontaniana hoe iza marina no tena manana fahafahana miditra amin'io ary iza no nomena alàlana ho afaka mampiasa azy — kiana mitombina tsara daholo izany. Fa misy ihany koa tsipika iray tsy hita nametrahana fanontaniana teto, ankoatra ny an'i Veysel Ok miavaka manokana, ilay tale mpiara-mitantana ny Media and Law Studies Association Turkey (MLSA Turkey). Fa nahoana ny fanjakana no voalohany indrindra manangona sy mitazona ny angondrakitra rehetra momba ireo olompireneny? Tena simba ny fiandrandràna hanana tsiambaratelo momba ny angondrakitra, hany ka marobe ireo manampahaizana manokana sy ny ankamaroan'ny olompirenena no tsy nisaina hipetraka amin'ny toerana voalohany mba hametraka izany fanontaniana izany. Fikambanana ara-panjakana sy tsy miankina, ara-dalàna na tsia, no manana fahafahana mora foana miditra amin'ny angondrakitra manokana momba ireo teratany Tiorka hany ka toy ny lasa zavatra voajanahary eto amin'izao tontolo izao ny hoe ny minisitry ny atitany no mitazona izany.

Taorian'ireo fifidianana tamin'ny 2023, izay nahalany an'ilay governeora taloha tao Istanbul, Ali Yerlikaya, ho eo amin'ny toerana maha-minisitry ny atitany, nolavin'ilay minisitra vaovao fa tsy mampiasa velively an'ilay fampiasa KIM ny ministerany, tamin'ny filazàna fa raharahan'olontsotra izany fa tsy misy idiran'ny andrim-panjakana ny hoe nananan'ilay minisitra teo aloha ny fahafahana miditra amin'ilay fampiasa voalaza. Araka izany, dia alàna ny andraikitry ny andrim-panjakana, araka ny lalàna na hafa, amin'ny fampiasàna ilay fampiasa ary nakisaka ho amin'ny maha-olontsotra an'ingahy minisitra taloha, Soylu. Toy ny hoe “nivaha” ilay olan'ny fampiasàna angondrakitra. Tsy misy mihitsy antony tokony hinoana fa tsy mitahiry angondrakitra mitovy amin'izany ny minisitera, nefa tsy misy na iza na iza miresaka momba azy io.

Mora ny manome tsiny ireo teratany tiorka, amin'ny fiampangàna an-dry zareo ho tsy ampy loatra fahatsiarovantena momba ny zony sy ny famelàn-dry zareo mora foana ny fiainany manokana hiparitaka an-tambajotra. Na izany aza, tokony ho takatra fa mampitombina tsara mihitsy ilay fihetsika tsy firaharahiana asehon'ny vahoaka. Momba ny angondrakitra manokan'ny tena no resahako eto, saingy raha toa misy olona manana olana amin'ny lahatsoratro ary manapaka hevitra ny hamboraka ety anaty tambajotra ny torohay momba ahy manokana, dia tena tsy ho taitra mihitsy aho. Efa lasa fenitra tafahoatra ilay izy, ary ireo angondrakitra momba ny olompirenena, toy ny zavatra rehetra manana ny lanjany ampiakarina ao amin'ny aterineto, dia hijanona ao amin'ny aterineto, mora ny hidirana aminy mandrakizay. Fanontaniana sarotra ho an'ny pôlitika momba ny tsiambaratelon'ny angondrakitra manokan'ny tena ny fomba handraisana io zavamisy io. Raha resaka ambony latabatra, ny pôlitika dia namboarina avy amin'ny hoe afaka tazonina ho an'ny tena manokana ny angondrakitra momba ny tena. Saingy mikorontana ambony ambany ny tena zavamisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.