
Sainan'ny fiombonambe eorôpeàna (EU) sy ny an'ny Repoblikan'i Serbia. Sary an'ny Global Voices (CC BY 3.0).
Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Emily Wright, mpiaramiasa amin'ny Fulbright Research Fellow miaraka amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Partners for Democratic Change Serbia, ary navoaka voalohany tao amin'ny Tech Policy Press. Dika nasiam-panovàna no averin'ny Global Voices avoaka miaraka amin'ny fanomezandàlana.
Hisy fiantraikany lehibe amin'ny tontolo nomerika, na eo anivon'ny Fiombonambe Eoropeàna na any an-kafa, ilay lalàna eorôpeàna momba ny tolotra nomerika (DSA). Raha mibaribary ny fiantraikany ho an'ireo firenena mpikambana ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, dia mitombina tsara kosa ny ahiahin'ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena (OSCs) momba ny fiantraikan'ilay lalàna any ivelan'ny sisintany. Tsy dia mbola misongadina tsara ny fiantraikan'ilay lalàna amin'ireo firenena maniry hirotsaka ao anivon'ny Fiombonambe Eorôpeàna, izay tsy maintsy manaraka ireo fepetran'ny EU, nefa tsy dia nahazo taridàlana loatra. Miankina amin'ny fahaleovantenan'ny andrim-panjakana eny anivon'ny fanjakàna ny fampiharana mahomby an'ilay lalàna, indrindra fa ireo voatendry handrindra ny tolotra nomerika, izay tomponandraikitra amin'ny fampiharana ny DSA hifanaraka amin'ny lalànan-dry zareo manokana. Na azo atao aza izany any anatin'ireo firenena maro mpikambana ao anatin'ny EU, tsy ho hita any amin'ireo firenena hafa mampihatra an'ilay lalàna io zavamisy io.
Ohatra iray tsara amin'izany i Serbia. Amin'ny maha-firenena kandidà azy ho isan'ny Fiombonambe Eorôpeàna, takiana amin'i Serbia ny hampiharany ny DSA mba hamenoany ny fanolorantenany hiditra ao amin'ireo fepetra sy lalànan'ny EU. Na izany aza, ireo olana mitambesatra amin'ny rafitra ara-politika ao Serbia, izay voasokajy ho toy ny fanjakana iray tsy refesimandidy, dia nitondra ho amin'ny tsy fahaleovantenan'ireo rafitra mpandrindra ny media serba. Ny ho fiantraikan'ny DSA ao Serbia dia miankina amin'ny andraikitry ny mpandrindra ny tolotra nomerika ao anatin'ny fampiharana sy ny fanarahamaso ilay fepetra sy ny fahefana ananany amin'ny fifantenana izay mpanamarika azo itokiana. Noho ny mety hisian'ny tsy fahaleovantenany, azo heverina tsy amin-tahotra hoe ny DSC dia hampilahatra ny hetsika ataony amin'ireo tanjon'ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny antoko liam-pivoarana serba (SNS). Ny fandresen-dahatra sy ny fihetsik'ireo media tantanin'ny fanjakana, ireo raboto amin'ny media sôsialy, ireo fanambaràna ôfisialy na tsia, ary ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'ny antoko ho an'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena (OSCs) ary ireo mpanao gazety mpanadihady dia maneho ny fomba fijerin'ny antoko an'ireo feon'ny mpanakiana ao Serbia. Zavatra mahazatra eny anatin'ireo habaka hanjakan'ny dindon'ny fanjakàna ny fahitàna ireo fehezanteny toy ny hoe “olon'ny avy any ivelany” sy “mpamadika” sy ireo ezaka atao mba handresena lahatra ny olompirenena hoe ireny fikambanana sy mpanao gazety ireny dia miezaka ny “manozongozona an'i Serbia”. Na sarotra aza ny toejavatra amin'izao fotoana izao, vitan'ireo OSCs sy ireo mpanao gazety mpanadihady ny mampiroborobo sy mampahafantatra ny asa sy ny hafatr'izy ireo eny anatin'ireo sehatry ny tambajotra sôsialy.
Mba hahatakarana tsara ny fanamby atrehan-dry zareo dia nitafa tamin'ireny fikambanana sy mpanao gazety ireny aho. Rehefa avy nitafa tamina fikambanana OSCs niisa sivy miorina manerana an'i Serbia, dia nanao tsoakevitra aho hoe miantehitra daholo amin'ny media sôsialy ny rehetra mba hampiroboroboana ny asany sy hampitomboana ny mpanaraka azy. Marobe ny tsoakevitra fanampiny azo raisina avy amin'ireo antsafa no tena mifanaraka amin'ny fanontaniana manodidina ny fampiharana ny DSA sy ny ahiahy momba ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny ankapobeny.
Voalohany, ireo vondrona roa ireo dia samy nanana traikefa faran'izay ratsy indrindra tamin'ny governemanta serba, ny antoko mitondra, sy ireo mpanohana azy, miainga avy amin'ny fandrahonana nivantana ha hatramin'ny fanimbàna fanànana sy filàm-baniny. Sady soritraretina io no tondro maneho ny dingan'ny fitondrana jadona tia mifaninana amin'izao fotoana izao misy ao amin'ilay firenena. Tsy hoe fotsiny miantso mivantana an'ireo OSCs sy mpanao gazety ireo manampahefana, fa koa mitohy ny fandresen-dahatra ataon'ny governemanta mihantsy herisetra sy fandrahonana avy amin'ny vahoaka hatao amin'ireo olona misehatra eny amin'ireo habaka manakiana. Io dia mitondra fahasarotana fanampiny amin'ny asa izay efa sarotra atao ao anaty firenena iray izay voafetra ny fahalalahan'ireo media ary mihamangatsiatsiaka hatrany ny endriky ny demaokrasia. Tsy vitan'ny hoe tsy maintsy miasa ambany tsindry tsy miato avy amin'ny governemanta ireo olona miasa amin'ireny sehatra ireny, fa koa tsy maintsy manome toky an'ireo mpisitraka azy hoe tsy ny hanimba ny hoavin'i Serbia no tanjon-dry zareo.
Faharoa, anatina fikambanana maro, efa ireo sehatra no mifehy tafahoatra loatra ny votoaty. Ny sasany mitolona amin'ny fanamarinana sata; ohatra, gazety iray mpanao fahadihadiana no nilaza fa niatrika fahasahiranana vao nahazo izany, OSC iray no very sy tsy afaka niverina naka ny azy, ary iray hafa mpanao gazety fanadihadiana no tsy afaka nahazo fanamarinana sata taorian'ny nifandraisany tamina fikambanana iray iraisampirenena mpanamarina zava-nitranga. Io fahaverezan'ny sata io dia manakana ireny fikambanana ireny tsy ho afaka hanao dokambarotra mifono hevitra pôlitika mba hanatratrarany izay azony takarina.
Farany, araka ireo vaovao voaangoko nandritra ireo resadresaka nataoko, saika ireo fikambanana rehetra no mikendry ny andian-taranaka Z, izay amin'ny ankapobeny dia eo anelanelan'ny 25 sy 35 taona, amin'ny alàlan'ny Instagram sy TikTok indrindra indrindra. Raha tokony hiantehitra amin'ireo fampahalalam-baovao nahazatra mba hanaparitaka ny asan-dry zareo, noho ny tsy fisian'ireo media mahaleotena sy ny fetran'ny azony tratrarina, nomen-dry zareo laharam-pahamehana ireo sehatry ny media sôsialy mba hanamafisana ny fanolorantena ao anatin'io andiana taona io. Ho fahombiazan'ireny fikambanana ireny dia tena zavadehibe ny firotsahana an-tsehatra miaraka amin'ny tanora, nefa ho voatohintohina io fahombiazana io raha toa ka ho voasivana tokoa ny votoatin-dry zareo. Maro tamin'ireo fikambanana nitafàna no mbola velom-panantenana hoe mirona kokoa amin'ny fandraisana anjara mavitrika ireo andian-taranaka tanora ary tsy dia voasarik'ireo tabloid mpampihetsi-po sy ny fitantaràna avy amin'ny governemanta. Na izany aza, raha tsy misy ny media sôsialy tsy andairan'ny dindon'ny governemanta, dia lasa tsy ho azo anoharana ny asa hanatratrarana io andian-taranaka io.
Ny fanakàrana ny fifandraisana eo amin'ireo OSCs sy ny mpanao gazety fanadihadiana, ary ny governemanta serba, ary hatramin'ny mety hisiana mpandrindra tolotra nomerika miasa ambany tombontsoa pôlitikan'ny governemanta dia mahatonga hihevitra fa ny fampidirana ny DSA ao Serbia dia mety hisy fiantraikany ratsy be amin'ireo OSCs sy ireo mpanao gazety fanadihadiana. Na ohatra aza ny DSA ka mametraka rafitra hahafahan'ireo mpampiasa azy hitsabo ireo famafàna tsy ara-drariny ny votoaty, mbola mety hila fotoana ela ihany ireo sehatra mba handinihana hoe ara-dalàna na mifanaraka amin'ireo taridàlan'ny vondrom-piarahamonina ireo votoaty nampangain'ny mpampiasa. Mbola mety hiharatsy ny fahataràna misy amin'izao fotoana izao amin'ny resaka fangatahana amin'ireo sehatra, izay mety hametraka fanamby miavaka noho ny endrika saropadin'ilay votoaty nozarain'ireny fikambanana ireny.
Tena manimba manokana ny toejavatra ao Serbia noho ny tsy fisian'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao amin'ilay firenena. Amin'izao fotoana izao, ankoatra ireo fampahalalam-baovao vitsivitsy mahaleotena, zara raha manana, na tsy manana mihitsy fitaovam-pifandraisana mahazatra hatrizay ireo feo mpanakiana. Ireo sehatra media sôsialy, tsy ambany fifehezan'ny governemanta amin'izao fotoana izao, no manome habaka ho an'ireny feo ireny, indrindra fa ho an'ireo andian-taranaka tanora. Miaraka amin'ilay lalàna DSA, ireo sehatra media sôsialy — tany aloha noheverina ho toy ny fialofana iray ho an'ireo feo mpanakiana — dia hizaka ny dindon'ny governemanta, izay hisy fiantraikany, tsy hoe fotsiny amin'ireo mpanao gazety fanadihadiana sy ireo OSCs, fa koa amin'ny olompirenena, indrindra fa any amin'ireo faritra ao Serbia izay tsy misy mihitsy media mahaleotena.
Ireo vaovao voaangona avy amin'ireny resadresaka ireny dia afaka hitarafana hoavy matroka ho an'ireo feo mpanakiana ao Serbia. Kanefa, ny fiarahamonim-pirenena serba dia nahavita nanaporofo ny traikefany tamin'ny fanoherana tamim-pahombiazana ireo lalàna nisy fiantraikany ratsy be tamin'ny zon'olombelona. Ohatra iray niavaka tamin'izany ny fanoheran'ny tao anatin'ny sehatra sy ny fanehoankevitry ny vahoaka momba ilay volavolan-dalàna momba ny Raharaha Anatiny tamin'ny 2021, izay niafara tamin'ny fisintonan'ny governemanta azy noho ny ezaky ny fiarahamonim-pirenena.
Tena zavadehibe ny hoe mahara-baovao momba ilay lalàna DSA sy ny fiantraikany goavana ny vahoaka sy ny fiarahamonim-pirenena. Na ilaina aza ny fametrahana ny lalàna DSA mba hahafahan'i Serbia manohy ny làlany hidirana ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, ny fanentanana ny vahoaka sy ny fikatrohana ataon'ny fiarahamonim-pirenena dia hahafahana miatrika ireo fiantrakany goavana sy hisorohana azy ireny, indrindra fa ny fampiasàna ny lalàna DSA hanamoràna ny fanivànana ireo feo mpanakiana ny governemanta. Ny fiarahamonim-pirenena serba, mavitrika sy midadasika, dia mitàna anjara toerana goavana amin'ny fampanajàna ireo zo fototra sy ireo ezaka tsy maintsy arovana fatratra.








