Ny sarimihetsika tsara indrindra tamin'ny 2024 tao Kazakhstan, mitrandraka ilay fombandrazana efa fanao nandritra ny taonjato maro momba ny fananganan-jaza

Ilay mpilalao fototra ao anatin'ny sarimihetsika, Yersultan (havanana) mitaingina bisikilety miaraka amin'ny nàmany. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Бауырына салу | Трейлер | В кино с 18 июля” tao amin'ny fantsona Youtube  Sulpak Cinema. Fampiasàna ara-drariny.

Tamin'ny 15 Novambra, nekena hifaninana hahazo ny Academy Awards ilay sarimihetsika Kazakh “Bauryna Salu”, ao anatin'ny sokajy Songadina Tsara Indrindra Erantany. Tantarain'ilay sarimihesika ny tantaran'ny zazalahy iray, 12 taona antsoina hoe  Yersultan, izay nafoin'ny ray sy reniny ho an'ny renibeny fony tamin'ny fahazazàny.

Araka ny fombandrazana Kazakh no nanaovana izany, ilay fomba antsoina hoe “bauryna salu” (fanomezana ho an-kavana). Efa mahazatra, ho an'ireo mpivady tanora ny manatitra ny zanany voalohany na ny kely indrindra any amin'ny ray aman-dreny, na havana efa nahazo taona. Rehefa tonga eo amin'ny fetran-taona iray voafaritra ry zareo, dia azon'ilay zaza ny misafidy ny hijanona any amin'ilay fianakaviana nanangana azy, na hiverina amin'ireo ray sy reny niteraka.

Indro ny ampahan'ny fampahafantarana ilay sarimihetsika.

Rehefa nodimandry ny renibeny, izay niarahany niaina nandritra ny folo taona, tsy maintsy niverina niaraka niaina tamin'ireo ray sy reniny i Yersultan. Ny tena ifantohan'ny tantara dia ny tolona atrehany hanefy fifandraisana sy hanorina fifamatoram-pitiavana amin'ireo ray sy reniny, taorian'ireo fotoana elabe nisarahana, izay namadika an-dry zareo ho toy ny olona tsy nifankahalàka mihitsy. Raha izay fomba fijery izay, trandrahan'ilay sarimihetsika ny lafy maizina amin'ilay fombandrazana efa nampiharina an-jato taona maro, izay mbola fanao ao Kazakhstan, miantraika amina fianakaviana marobe, fa indrindra ny ankizy.

Raha ny marina, ny talen'ilay sarimihetsika, Askhat Kuchinchirekov, dia niaina izany nivantana — ny renibeny no naha-lehibe azy, taorian'ny nanapahan'ny ray sy reniny hanolotra azy. Amin'ny maha-olona nizaka ratram-po avy amin'io traikefa io, nozarain'i Kuchinchirekov fa tena zavadehibe ho azy ny nitantara ilay tantara avy amin'ny fomba fijerin'i Yersultan sy nampita ny fihetsempony ary ny zavatra niainany. Ankoatry ny fitarihana, i Kuchinchirekov ihany koa no nanoratra ny tantara. Tamin'ny 2023 no nivoaka ilay sarimihetsika, saingy tamin'ny Jolay 2024 no navoaka ho an'ireo efitrano fijerena sarimihetsika tao an-toerana.

Ity ny resadresaka niarahana tamin'ny tale Askhat Kuchinchirekov momba ilay sarimihetsika sy ny zavatra niainany tamin'ny naha-taizan-drenibe azy.

Niteraka adihevitra nivaivay teny anivon'ny vahoaka momba ny fombandrazana bauryna salu ilay sarimihetsika, tafiditra tamin'izany ny niandohàny, ny mbola maha-mitombina azy ao anatin'ny vaninandro maoderina, ary ny tena zavadehibe indrindra, ny fiantraikany amin'ireo olondehibe sy ny ankizy. Tany am-piandohany, ilay fombandrazana dia nipoitra ho toy ny fitaovana nanamafisana ny fifamatoram-pihavanana teo amin'ny fianakavian'ireo mpifindrafindra monina. Nampiasaina ihany koa izy io ho toy ny fomba iray hizaràna ny asa fitaizàna ireo zaza tsy ampy taona fony tsy nisy ny akanin-jaza. Ny sasany manazava ny fisiany ho toy ny fomba iray hanamaivanana ireo zokiolona mipetra-drery sy ireo fianakaviana tsy niteraka, ka mba hahafahan-dry zareo koa miaina izany maha-ray sy reny ary manana mpanàla fahanginana.

Ireo mpanohana an'io medaly sôsialy io dia milaza fa mbola manana ny toerany io fombandrazana io ao anatin'ny tontolo maoderina, satria ahafahan'ireo ankizy mandeha mitombo eny anivon'ireo havana akaiky azy ka manana traikefa bebe kokoa amin'izany sy manana fahalalàna amin'ny fitaizàna ankizy. Io fotokevitra io dia mifototra amin'ny hoe tsy mbola ampy traikefa amin'ny fitizana ankizy ireo mpivady vao (ray amandreny vao). Lazain-dry zareo ihany koa fa ilay fomba fanao dia miaro ireo ankizy amin'ny mety ho fampahoriana ataon'ireo niteraka ary manome an-dry zareo fahafahana hitombo anatina tontolo iray feno fitiavana tsy misy fepetra avy amin'ireo raibe sy renibe.

Indro ny lahatsary Youtube iray misy ny fanehoankevitr'ireo Kazakh efa nahita ilay sarimihetsika.

Etsy ankilany kosa ireo mpanohitra dia milaza fa miteraka ratra ara-pihetseham-po ho an'ireo ankizy ilay fomba fanao, miteraka famoizana anaty fotoana maharitra sy olana maro hafa. Milaza ry zareo fa tsara indrindra ho an'ireo ankizy ny mitombo eo akaikin'ireo niteraka azy satria, vantany vao sarahana, ho sarotra amin-dry zareo ny hiverina hifandray am-po amin'izy ireny ary mety hahatsapa ho manirery izy vantany vao maty ireo raibe sy renibeny.

Ankoatry ny hoe miteraka ireny adihevitra ireny, ilay sarimihetsika dia nandray anjara sy nahazo loka maro tamina fetibe iraisampirenena natao ho an'ny sarimihetsika. Ny tena nanaitra indrindra tamin'ireny dia ny Loka Nasiônaly Tulpar ho an'ny sokajy sarimihetsika tsara indrindra ary ny Asia Pacific Screen Award tamin'ny sokajy sarimihetsika tanora tsara indrindra. Na tsy tafiditra ho isan'ireo voafantina mialoha, na hahazo ny loka Academy Award aza izy, dia efa manomboka sahady ho iray amin'ireo sarimihetsika tena manamarika indrindra ho an'ny andian-taranaka misy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.