Volavolan-dalàna Mufti mahabe resaka amin'ny karazam-pivavahana sy ny tamberin'andraikitra ao Malezia

Melaka Islamic Center in Malaysia

Ivotoerana Islamika Melaka any Malezia. Sary avy amin'i Chongkian. Loharano: Wikipedia / Creative Commons Attribution-Share Alike 4.0 International license..

Niteraka resabe ny volavolan-dalàna naroso manome fahefana bebe kokoa ho an'ny mufti (manam-pahaizana momba ny lalàna Miozolomana) ary nahatonga adihevitra mafonja momba ny mety ho fiantraikany lehibe amin'ny fahamaroan'ny fivavahana sy ny fitantanana laika ao Malezia.

Nilaza ireo mpanohana ny volavolan-dalàna Mufti (Faritany Federaly) 2024 fa natao “hampirindra ny fitantanana Islamika” sy hampiroboroboana ny “fitoviam-bika ao amin'ny lalàna Islamika” izany. Saingy nampitandrina ireo mpitsikera fa raha lany ho lalàna ilay volavolan-dalàna, dia hahatonga ny fatwa (fitsipika ara-pivavahana Islamika) hanankery amin'ny fitsarana na Silamo izy na tsy Silamo. Hanome vahana ny komity fatwa federaly ihany koa izany hanapahan-kevitra amin'ny “tombontsoam-pirenena” na dia tsy misy  faneken'ny parlemanta aza.

Silamo ny 63,5 isanjaton'ny Maleziana, raha Bodista, Haindò, ary Kristiana, ankoatra ny fivavahana hafa kosa ny ambiny. Maro amin'ireo vondrona vitsy an'isa ireo no manohitra ilay volavolan-dalàna noho ny ahiahy sao hanaisotra ny zony sy ny fahalalahany ara-pivavahana.

Namintina ny fanoherana ny volavolan-dalàna ny fanangonan-tsonia anjotra izay efa nahangona sonia efa ho 6.000.

  • Arts, culture, and daily life-related fatwa will become ‘binding’ in ‘any court’;
  • As a multicultural society, fatwa directly and indirectly affect all Malaysians, such as in dress code;
  • Removal of Parliament’s overview, therefore unconstitutional, and negative impact on constitutional rights.
  • Ho lasa ‘voafatotra’ amin'ny ‘fitsarana rehetra ny zavakanto, ny kolontsaina ary ny fatwa mifandraika amin'ny fiainana andavanandro;
  • Amin'ny maha-fiarahamonina maro kolontsaina azy, misy fiantraikany mivantana sy ankolaka amin'ny Maleziana rehetra ny fatwa, toy ny amin'ny fomba fitafy;
  • Fanesorana ny fanarahan'ny Parlemanta maso, noho izany dia tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana, ary misy fiantraikany ratsy amin'ny zo lalàmpanorenana.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nisy ireo mpivavaka hiringiriny nikiry mafy ny fampiharana ny lalàna Islamika ao amin'ny governemanta. Mety manandrana manamafy ny fanohanana avy amin'ireo vondrona Islamika mpandala ny nentin-drazana ny governemantan'i Madani amin'ny alàlan'ny fampidirana ilay volavolan-dalàna.

Saingy nihamafy ny fanoherana ny volavolan-dalàna tato anatin'ny telo volana. Vondrona mpanakanto no naneho ny ahiahiny fa hisy fiantraikany ratsy amin'ny fiainan'ny Maleziana rehetra io fepetra io.

…the Bill is a ‘trojan horse’ that may look simple and attractive to ‘harmonise’ syariah law of the Federal Territories with all states, but it also lets in a whole new range of powers via the proposed new Muzakarah Committee that would undermine Parliament itself and exercise even more control on culture, arts and everyday life of all Malaysians.

As it is now, if a non-Muslim performs any aspect of Malaysian culture that has been banned for Muslims, the non-Muslim may be charged under Section 298/298A for offending religious feelings.

… ‘Soavalim-pandravàna (cheval de Troie) ilay volavolan-dalàna izay mety miendrika tsotra sy mahasarika mba ‘hampirindra’ ny lalàna syariah ao amin'ny manerana ny Faritra Federaly sy ny fanjakana rehetra, saingy mamela ny fidiran'andiam-pahefana vaovao amin'ny alalan'ny Komity Muzakarah vao natolotra izay mety hanimba ny Parlemanta tenany ary hampihatra fifehezana bebe kokoa amin'ny kolontsaina, ny zavakanto ary ny fiainana andavanandron'ny Maleziana rehetra.

Tahaka ny amin'izao fotoana izao, raha misy tsy-Silamo manao zavatra ara-kolontsaina Maleziana izay voarara ho an'ny Miozolomana, dia azo ampangaina araka ny Fizarana 298/298A noho ny fanafintohinana ara-pivavahana ny tsy Silamo.

Manahy ny Sisters in Islam, vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy Silamo ao Malezia fa fanampenam-bava ny adihevitra ara-pivavahana ny fiantraikany maharitra amin'ny famoahana ilay volavolan-dalàna.

Policies shaped by restrictive fatwas could marginalize non-Muslims and discourage intellectual and religious discourse.

(It) could push Malaysia away from its identity as a moderate, multicultural democracy toward an authoritarian state dominated by unelected officials wielding unchecked religious authority.

The government must uphold constitutional principles, safeguard the rich diversity of Islamic practices, and protect the nation’s democratic foundation.

Ny politika novolavolain'ny fatwa maneritery dia mety hanilikilika ny tsy Silamo sy hanakivy ny resaka ara-pahaizana sy ara-pivavahana.

(Izany) dia mety hanosika an'i Malezia hiala amin'ny maha maha demokrasia tony sy kolontsaina marolafy azy mankany amin'ny fanjakana tsy refesi-mandidy izay anjakan'ny manampahefana tsy voafidy izay mampiasa fahefana ara-pivavahana tsy azo fehezina.

Tsy maintsy manohana ny foto-kevitry ny lalàm-panorenana, miaro ny harenan'ny fahasamihafan'ny fomba amam-panao Islamika, ary miaro ny fototra demôkratikan'ny firenena ny governemanta.

Azrul Mohd Khalib, mpandray anjara amin'ny tranokalam-baovao Aliran, nanamafy fa tokony hanohitra ny volavolan-dalàna ny Silamo.

It is also important to realise that just because a person is Muslim, it does not mean she or he supports this bill. I do not support this bill.

Instead of insulating religious officials and bodies from oversight, we should be moving in the opposite direction: enhancing the credibility and integrity of religious institutions through mechanisms that promote trust and confidence.

Ensuring that their edicts can be reviewed and challenged, if necessary, safeguards not only the public but also the institution itself. This bill arguably is heading in the opposite direction.

Zava-dehibe ihany koa ny mahatsapa fa satria silamo ny olona iray dia tsy midika izany fa manohana io volavolan-dalàna io izy. Tsy manohana io volavolan-dalàna io aho.

Raha tokony hanakana ireo manam-pahefana sy fikambanana ara-pivavahana amin'ny fanaraha-maso, dia tokony hizotra amin'ny lalana mifanohitra amin'izany isika: manatsara ny fahatokisana sy ny fahamendrehan'ny andrim-pivavahana amin'ny alàlan'ny rafitra izay mampiroborobo ny fitokisana sy ny fahatokiana.

Miantoka fa azo dinihina sy toherina ny didy navoakan’izy ireo, raha ilaina, miaro ny vahoaka sady miaro ny andrim-panjakana ihany koa. Azo lazaina fa mitodika any amin'ny fiverenan-dalana ity volavolan-dalàna ity.

Ny Vaomiera Filan-kevitra Maleziana momba ny Bodisma, ny Kristianisma, ny Hindoisma, ny Sikhisma, ary ny Taoisma dia nanentana ny “fanombanana indray ny volavolan-dalàna, ary nanantitrantitra fa mety hanimba ny rafitry ny lalàmpanorenan'i Malezia sy ny zon'ny olom-pirenena rehetra ny fepetra ao aminy.” Nampiany ihany koa fa tokony hampiroborobo ny “fitantanana iraisan’ny rehetra izay manaja ny maha-izy ara-pivavahana sy kolontsaina marolafy azy ao Malezia” ireo mpanao lalàna .

Vondrona fiarahamonim-pirenena maromaro no nanolotra memorandum tany amin'ny parlemanta mba hiezaka handresy lahatra ireo mpanao lalàna hanohy ny fakan-kevitra ampahibemaso manan-danja alohan'ny handrafetana ilay volavolan-dalàna.

Manoloana ny fanakianana mikasika io volavolan-dalàna io, nanamarika ny praiminisitra fa hanao fanazavana momba izany ny minisitry ny Raharaha ara-pivavahana. Nanizingizina ihany koa ny manam-pahefana fa ho an'ny Silamo ihany io volavolan-dalàna io ary ny tena votoatin'ny fepetra dia ny famantarana ny fahefan'ny fanjakana mifandraika amin'ny asan'ny mufti.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.