2024, fotoam-pifidianana efa ho roapolo no nanamarika azy tao Afrika

Saripika mampiseho ny andron'ny fifidianana tany amina firenena mampiasa sy miteny frantsay, tamin'ny 2024: Saripika an'i Jean Sovon

Nandritra ny taona 2024, niaina tetiandrom-pifidianana tena tototra i Afrika: nisy fifidianana filoham-pirenena, mpanao lalàna, ary fitsapankevi-bahoaka voaomana hatao tany amina firenena mihoatra ny roapolo ao amin'ilay tanibe, isan'izany ny tany amina firenena ampolony mampiasa sy miteny frantsay. Saingy nofoanana na nahemotra ny sasany tamin'ireny fotoana nifanomezana hanaovana fifidianana ireny.

Fifidianana ho filoham-pirenena feno fanamby goavana

Ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay, ny 14 Janoary 2024 no natao ny fifidianana voalohany izay ho filoham-pirenena tao Kaomôro, filoha hitondra mandritra ny 5 taona, azo havaozina in-dray mandeha. Ny 16 Janoary 2024, izany hoe andro roa taorian'ny fifidianana, ireo vokatra navoakan'ny Commission électorale nationale indépendante (CENI) dia nanamafy an'i Azali Assoumani teo amin'ny toerany hitondra fanindroany indray. Ny 17 Janoary 2024, ny ampitson'ny nanambaràna ny valim-pifidianana, tapaka ny aterineto ary dia tsy afaka nifandray tamin'izao tontolo izao ny vahoaka tao an-toerana. Naneho ny ahiahiny ny fianakaviambe iraisampirenena, raha ny Firaisambe Afrikàna kosa (UA) tsy niloa-bava satria mbola i Azali Assoumani hatrany no filoha amperin'asa tao amin'ny UA hatramin'ny Febroary 2024

Vakio koa: Fiombonamben'i Kaomoro: mankany amin'ny krizy manaraka ny fifidianana ve taorian'ny nahalàny indray ny filoha teo aloha? [mg]

Tao Sénégal, ny 3 Febroary 2024, nanandrana nanisaka ny datim-pifidianana izay ho filoham-pirenena i Macky Sall, filoha vao avy nandao ny toerany, daty izay tany am-boalohany dia voalahatra ho ny 25 Febroary, ary natao tamin'ny 24 Mars 2024 no niafaràny. Nandraman'ny ankolafy Sall ny nibahana ny antoko mpanohitra Les Patriotes africains du Sénégal pour le travail, l'éthique et la fraternité (PASTEF), izay ireo mpitarika roa tao aminy, Bassirou Diomaye Faye sy Ousmane Sonko dia samy voatàna tany am-ponja, iry voalohany dia efa hatramin'ny Aprily, ary ny faharoa dia ny Jolay 2023. Noravàna mihitsy aza moa ny antoko PASTEF. Saingy resin'ny fahatapahan-kevitr'ireo tanora hanisy fanavaozana ny lohan'ny firenena ny sivana ara-pôlitika, araka ny hazavain'ity lahatsoratra ity. Taorian'ny 64 taona nahazoany fahaleovantena, mitoetra ho ohatra iray sy lasitra demaokratika i Senegal ao Afrika Andrefana, faritra iray izay iarahan'ny demaokrasia sy ny jadona monina.

Vakio koa: Sénégal: Les ferments du coup d’État institutionnel [fr]

Tany Tchad, ny fodiamandrin'i Idriss Déby Itno, filoha fahiny tao amin'ilay firenena, tamin'ny 20 Aprily 2021 sy ny famoretana nataon'ny fitondràna jadona an'ireo fihetsiketsehana dia nanery ilay mpanohitra Succès Masra handeha hiaina an-tsesitany tamin'ny Novambra 2022. Kanefa ity farany, tamin'ny 1 Janoary 2023, dia praiministra notendren'i Mahamat Idriss Déby Itno, zanakalahin'ny filoha teo aloha, izay nandimby an-drainy tamin'izany toerana izany. Araka izany dia nananan'ilay mpanohitra taloha ny fahafahana hirotsaka hiatrika ireo fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 6 May 2024. Na izany aza,  ireo vokatry ny fifidianana ho filoham-pirenena dia nanambara an'i Mahamat Idriss Déby Itno ho nandresy tamin'ny fifidianana. Io fifidianana io dia mifandray ihany koa amin'ny fiovàna stratejika iray satria nialàn'ilay firenena ny fifanaraham-piarovana nifanaovany tamin'i Frantsa ary nofidiany ny fanakaikezana an'i Rosia.

Vakio koa : Tchad Mahamat Idriss Déby Itno no filoham-pirenena mandimby ny rainy ho filoham-pirenena, raha ny vokatra voalohan'ny fifidianana [mg]

Tao Maoritania, ny 29 Jona 2024 no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena ary nahalany indray an'i Mohamed Ould Ghazouani izay efa filoha hatramin'ny 2019. Nifantoka be tamin'ny resaka fanandevozana ny fampielezankevitra –  izay nofoanana saingy mbola leferina foana – izay mampizara hevitra ny ao amin'ny firenena, amin'ny ampahany dia noho ilay mpanohitra Biram Ould Dah Ould Abeid ; ary tamin'ny olan'ny kolikoly.

Vakio koa: 29 Jona 2024, fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ao Maoritania

Fifidianana mpanao lalàna sy fitsapankevi-bahoaka

Nisy ihany koa ireo fifidiana tsy ho filoham-pirenena tao Togo (le 29 Aprily) ary Madagasikara ( 29 May). Ny tao Madagasikara dia fanavaozana ny solombavambahoaka tonga tamin'ny fahateperan'ny fepotoana fiasàny. Manantena ny hahazo ny maro an'isa ao amin'ny antenimieram-pirenena i Andry Rajoelina, filohan'ilay firenena, taorian'ny fahalaniany fanindroany indray niteraka fanakianana maro tamin'ny Novambra 2023. Taorian'ny fivoahan'ny vokatra, ny antokon'i Andry Rajoelina no nahazo toerana 84 amin'ireo 163 solombavambahoaka hiasa ao amin'ny antenimieram-pirenena, manome azy ny maro an'isa tsy iadian-kevitra.

Vakio koa: Andry Rajoelina voafidy indray ho filoha ao Madagasikara, sangy toherin'ny mpanohitra ny maha-ara-dalàna ny zotram-pifidianana [mg]

Ho an'ny taona 2024 dia mikarakara fifidianana solombavambahoaka ihany koa i Togo. Ny Desambra 2023, tonga tamin'ny faran'ny fe-potoana fiasàny ireo parlemantera voafidy tamin'ny 2018, saingy mbola voatazona amin'ny toerany satria miasa amin'ny fandaniana tolodalàna iray momba ny fanovàna ny lalàm-panorenana. Ny fanamafisana sy ny fampahafantarana io lalàm-panorenana vaovao io tsy asiana fitsapankevi-bahoaka dia mampiditra ny firenena ho anaty fomba fitondràna parlemantera izay tsy ny vahoaka intsony no hifidy izay ho filoham-pirenena fa ireo solombavam-bahoaka. Io fironana vaovao terena hapetraka amin'ny vahoaka tôgôley io dia miteraka fanehoankevitra mivaivay eny anivon'ny fanoherana sy ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena. Ny ampitson'ny fifidianana solombavam-bahoaka, ny antoko Union pour la République (UNIR) an'i Faure Gnassingbé, filoha efa teo amin'ny toerany hatramin'ny 2005, no nahazo ny toerana 108 amin'ireo 113 ary noho izany, mifehy amin'ny ampahany betsaka ny parlemanta vaovao.

Vakio koa: Premières élections régionales dans l'histoire du Togo : entretien avec l'expert Paul Amegakpo [fr]

Gabôna, tao anaty vanim-potoana tetezamita teo ambany fitarihan'ny tafika hatramin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 30 Aogositra 2023, dia milaza te-hampandany lalàm-panorenana vaovao sy hanome aina vao koa ireo andrim-panjakana rehetra ao amin'ny Repoblika, izay efa noravàna teny anelanelany teny. Ny fanamafisana ho ataon'ny vahoaka amin'io volavolan-dalàna vaovao io dia tamin'ny alàlan'ny fitsapankevi-bahoaka ny 16 Novambra  2024 ka nandritra izany ry zareo Gabôney no nirohotra nifidy ny “eny”. Ao anatin'io lalàm-panorenana vaovao io, tsy afaka ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo manana zom-pirenena roa ary ho an'ny olompirenena gabôney tsirairay dia tsy maintsy lalovana ny fanaovana raharaha miaramila, na lahy na vavy.

Vakio koa: Gabôna: lalàm-panorenana vaovao hamadihana ny pejin'ny tantaran-dry Bongo |mg]

Fanemorana fifidianana tany amina firenena roa

Firenena roa ao Sahel i Mali sy Borkina-Fasô, samy mpikambana ao anatin'ilay vovonana vaovao Alliance des États du Sahel (AES) izay nisintaka tamin'ny CEDEAO tamin'ny Janoary 2024. Tokony ho ny 2024 no natao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tany amin'ireo firenena roa ireo, saingy ny toejavatra manokana misy any amin'ireo firenena ambany fitondràna miaramila mpanongam-panjakana ireo dia tsy ahafahana manao fifidianana. Voamarik'ireo mpanaramaso fotsiny fa ireny fifidianana ireny dia ahemotra ho amin'ny fotoana manaraka.

Vakio: L'homme fort du Burkina Faso, Ibrahim Traoré, s'accorde un chèque en blanc pour rester au pouvoir pour cinq ans voire plus [fr]

Vakio koa: Au Mali, les partis politiques réclament des élections présidentielles pour en finir avec la transition des militaires [fr]

Raha feno ny taona 2024, misy fifidianana hafa maro mbola ho tanterahana amin'ny 2025: ao Côte d'Ivoire dia efa mihetsiketsika sahady ireo kilasy pôlitika manoloana ny firotsahana faninefan'ny filoha Alassane Ouattarra, efa teo amin'ny toerany hatramin'ny 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.