Kusturizatsiya: voambolana iray manazava ny ady ataon'i Kyrgyzstan amin'ny heloka bevava ara-toekarena

Kamchybek Tashiyev, filohan'ny vaomieram-piarovam-pirenena ao Kyrgyzstan, niteny nandritra ny resaka iray ho an'ny mpanao gazety momba ny ady amin'ny kolikoly. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Ташиев — о коррупции в Кыргызстане | полное видео” tao amin'ny fantsona  Youtube Akipress news. Fampiasàna ara-drariny.

Niteraka voambolana iray vaovao antsoina hoe “kusturizatsiya,” , izay manondro ny fomba fiasa vaovaon'ny firenena hiadiana amin'ny heloka ara-toekarena ny fahatongavan'i Sadyr Japarov, filoha ankehitriny ao Kyrgyzstan teo amin'ny toerany tamin'ny Ôktôbra 2020.  Ilay fomba fiteny dia fitambarana voambolana Kyrgyz hoe “kusturuu” (manao izay handoavana) sy ny tovana rosiàna hoe “-zatsiya,” izay ampiasaina any am-paran'ny teny mba hamaritana dingana iray. Ny famariparitan'ireo manampahefana ny  “kusturizatsiya” dia milaza ireo olompirenena nanao heloka bevava ara-toekarena ka, mba ho fanonerana ny heloka vitan'izy ireny dia nanao “fanomezana an-tsitrapo” vola sy/na fanànana ho an'ny fanjakàna. Ho tambin'ireny fanomezana ireny dia nahazo fahafahana hivezivezy malalaka ry zareo.

Tany am-boalohany, ireo pôlitisiàna goavana ihany sy ireo olom-panjakana no nampiasàna ny hoe “kusturizatsiya”. Ny filoha lefitry ny fadin-tseranana teo aloha, Raimbek Matraimov, no olona nalaza indrindra tamin'ny famerenana ireo fanànana azo tamin'ny halatra. Fantatra tamin'ny hoe Raim Million noho ireo harena nangoniny tamin'ny alàlan'ny rafitra kolikoly. In-telo i Matraimov no efa voasambotra noho ny vesatra fiampangàna azy ho nanao kolikoly sy famotsiambola. Vokany, namerina vola sy fanànana mihoatra ny 2 lavitrisa KGS  (manakaiky ny 23 tapitrisa dôlàra amerikàna) izy.

Indro ny lahatsary iray YouTube momba ny fisamborana an'i  Matraimov sy ny famerenana ireo 2 lavitrisa KGS tamin'ny fanjakana.

Tato anatin'ny efatra taona farany, nitatra ho amin'ireo orinasa lehibe sy salantsalany ny fampiasàna ny “kusturizatsiya”, maneho ny fitomboan'ny hetahetan'ny fanjakàna hamerina ireo fanànana halatra. Tamin'ny 2022, ny miara-miombona antoka amin'ny orinasa iray mpamokatra ronono Umut&Co dia namerina 800 tapitrisa KGS (9,2 tapitrisa dôlara amerikàna tany ho any), izay tsy vitany ny nanazava tamin'ireo manampahefana ny fiavian'izany. Tamin'ny 2024, ny Kulikovskiy, ilay orinasa goavana amin'ny fanaovana mofo ao Kyrgyzstan, dia nandoa lamandy 20 tapitrisa KGS (230.000 dôlara amerikàna) noho ireo fandikàndalàna tany aloha nataony tamin'ireo fitakiana taminy mba hanary ireo entana lany andro.

Ilay mpiara-mias akaiky amin'i Japarov sady filohan'ny Vaomieram-panjakana misahana ny fiarovam-pirenena (UKMK) Kamchybek Tashiyev no tena tomponandraikitra voalohany ao ambadiky ny kusturizatsiya, tomponandraikitra amin'ny fampiharana azy tato anatin'ny efatra taona farany. Tashiyev sy Japarov dia samy tonga teo amin'ny fitondràna taorian'ilay fanavaozana pôlitika fanintelony tao  Kyrgyzistan tamin'ny Ôktôbra 2020, izay nitranga taorian'ny fifidianana solombavambahoaka feno hosoka. Nanomboka teo, zotra politika vaovao no nizoran'ny firenena, niàla tamin'ny parlemanterisma nankany amin'ny endrika fitondran'ny filoham-pirenena ary naka bebe kokoa ny politika tsy refesi-mandidy sy pôpilista. Angamba ny Kusturizatsiya no pôlitika fantatra betsaka kokoa amin'izany endrika izany, mifamatotra akaiky amin'ny fitondràn'i Japarov sy Tashiyev. Io ihany koa no iray tena mbola tohizana arahan'ireo manampahefana fatratra.

Tamin'ny 17 Desambra, Tashiyev dia nilaza fa nanomboka tamin'ny Ôktôbra 2020 hatramin'ny Desambra 2024, ny kusturizatsiya dia nampiditra 168,3 lavitrisa KGS na 1,9 lavitrisa dôlara ho an'ny fanjakàna. Naborany fa tolo-botsotra 37,8 lavitrisa KGS no azon'ny fanjakana (437,7 tapitrisa dôlara) ary fanànana mitentina 130,5 lavitrisa KGS (1,5 lavitrisa dôlara). Araka ny nambaran'i Tashiyev, ny UKMK dia miomana haka 40,9 lavitrisa KGS fanampiny ( 470 tapitrisa dôlara) hatramin'ny faran'ny 2024. Mba hisian'ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra amin'ny kusturizatsiya izay miteraka resabe sy kiana hatramin'izao, dia nozarainy hoe alefa mankaiza avy ireo vola sy fanànana tafaverina.

Indro ny lahatsary iray YouTube misy ny resaka niarahan'i Tashiyev tamin'ny mpanao gazety momba ny vokatra vonjimaikan'ny kusturizatsiya.

Ny ampahany voalohany amin'ny fanakianana ny kusturizatsiya dia noho izy io mamorona fahatsapàna tsimatimanota, satria ireo izay nahavita heloka bevava dia afaka mividy vola ny sazy famonjàna tokony hefain-dry zareo rehefa ananany ny vola sahaza. Tsy misy ihany koa ny fototra araka ny lalàna momba ny fampiharana azy io. Ny ampahany faharoa dia sady tsy tomponandraikitra no tsy mangarahara ilay fomba fiasa, satria ny UKMK toa mandray fanapahankevitra samirery momba izay haben'ny fahavoazana naterany ho an'ny fanjakàna sy izay antontam-bola tsy maintsy aloan'ireo voarohirohy — tsy misy dingana mangarahara ary tsy misy fandraisana anjaran'ny tribonaly. Misy ihany koa fitakiana ny hanehoana imasom-bahoaka ny fomba nandaniana ireo vola voaangona, ary ilay resaka niarahana tamin'ny mpanao gazety nataon'i Tashiyev tamin'ny 17 Desambra dia dingana iray mankamin'izany.

Tsy misy mihitsy marika milaza fa hitsahatra ny kolikoly ato anatin'ny fotoana fohy ezaka. Tany am-boalohany i Tashiyev dia nampanantena fa ireo olona voarohirohy tamina heloka bevava ara-toekarena dia sady hamerina ny vola nangalarina no hanefa sazy fidirana am-ponja, saingy tsy mbola tonga aloha izay andro izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.