Tsipika iray vaovaon'ny fifandonana mikisaka avy any Donbass any Okraina mankany Sahel ao Mali

 

Fanamiana miaramila maliàna. Sary novokarina tao amin'ny Canva

Naverina noraisina ato amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity ho ampahany amin'ny fiarahamiasa amin'ny Bénin Intelligent.  Arnauld Kassouin sy Moucharaf Soumanou no nanoratra ny lahatsoratra niandohàna, ary afaka jerena ao amin'ny tranonkala www.beninintelligent.com.

Ny fitsofohana voaporofo ataon'i Okraina, miara-dàlana amin'ireo vondrona touaregs mpitaky fisintahana, tamin'ny fanafihana iray tao Mali tamin'ny 25 sy 27 Jolay nanoherana ny Africa Corps, vondrona rosiàna iray ivelan'ny tafika (Wagner taloha) miaraka miasa amin'ny Forces Armées Maliennes (FAMa) no manamarika fotoana iray izay, ny niafaràny, nifamotoanan'ireo ady roa mifanalavitra ho ao amin'ny faritra Sahel

Ilay fanafihana izay nitranga tao Tinzawaten, ao anatin'ny faritr'i Kidal any avaratra-andrefan'ny firenena, sisintany iraisany amin'i Alzeria, dia namoizana aina miaramila maliàna 47 ary rosiàna 84, araka ny fampitam-baovao nalefa ho an'ny daholobe tamin'ny 1 Aogositra, avy amin'ny Cadre Stratégique Pour la Défense du Peuple de l'Azawad (CSP-DPA), fivondronan'ireo hetsika pôlitika sy miaramila touaregs ao avaratr'i Mali, izay manao ady manohitra ny Fitondràna maliàna hatramin'ny 2013 mba hampahaleo tena ny faritr'i Azawad.

Vakio ny lahatsoratry ny GV momba izay: Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel [mg]

Fa io fanafihana io dia fibatàna ihany koa ireo vokatry ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina tamin'ny Febroary 2022 handeha lavitra ny sisintany eorôpeàna. Eny tokoa, ny tombondahiny azon'ny CSP-DPA tamin'ny Jolay dia mifandray amin'ny firotsahan'i Okraina. Ny 29 Jolay, Andriy Yusov, mpitondratenin'ny sampam-pitsikilovana okrainiàna (GUR), dia manamafy fa mety « hiditra hifandray amin'ireo mpihoko mpitaky fizakantena ao avaratr'i Mali » ny miaramilany.

Momba io, nitondra fanazavana tsy niolankolaka i Mohamed Elmaouloud Ramadane, mpitondratenin'ny CSP-DPA, teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio France Internationale (RFI):

Mazava ho azy fa manana fifandraisana amin'i Okraina izahay, ary indrindra fa amin'ireo izay mizaka ny fampihorohoroana ataon'i Wagner.

Araka ny gazety frantsay mpiseho isanandro Libération, Andriy Yusov manamafy ao anaty fandaharana iray an'ny fahitalavitra okrainiàna fa:

Nahazo fampahalalàna tena nilainy ireo mpiadin'ny CSP-DPA, izay nahafahan-dry zareo nanao hetsika ara-tafika nahomby nanoherana ireo rosiàna mpanao heloka bevava an'ady.

Araka ny nambaran'i Oleg Nesterenko, rosiàna manampahaizana manokana voatanisa ao anaty lahatsoratry ny Maliweb :

Io dia hetsika iray tafiditra ao anatin'ny tetikasa tsiambaratelo ataon'ny Sampana fitsikilovana ao Okraina.

Yurii Pyvovarov, masoivohon'i Okraina ao Senegaly, maneho hevitra momba ilay lahatsarin'i Yusov amin'izao teny izao:

Hitohy  ny asa. Azo antoka fa hisy ny vokatra hafa. Tsy azo ihodivirana ny famaizana ny heloka an'ady sy ny asa fampihorohoroana. Hevitra iray izany.

Mikisaka any Sahel ny adin'ny Rosiàna sy Okraniàna

Io fanohanana misokatra ataon'i Okraina amin'ireo mpihokon'ny CSP-DPA io ve azo heverina ho fiantombohan'ny ady iray isoloana tena hampifandray ny atsinanan'i Okraina, Donbass amin'i Sahel ?

Araka ny nambaran'i Bakary Sambe, talem-paritry ny Timbuktu Institute, ivontoerana afrikàna fikarohana momba ny fandriam-pahalemana, tamin'ny BBC raha azo an-telefaona izy:

Araka ireo zava-nitranga farany tao Mali, tsy ady isoloana tena intsony io, fa kosa tena ady mangatsiaka iray izay any amin'ny faritr'i Sahel no kianja ilalaovana.

Toy ny manamafy izay voalazan'i Bakary Sambe ny teny nambaran'ny mpitondratenin'ny ministera rosiàna misahana ny raharaha ivelany, Maria Zakharova. Herinandro taorian'ny zava-nitranga tamin'ny 27 Jolay, nampangain'i Zakharova i Okraina ho manokatra vava-ady iray vaovao any Afrika. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny Radio Télévision Suisse (RTS), hoy izy:

Tsy mahavita mandresy an'i Rosia eny an-tanin'ady, ka nanapaka hevitra ny hanokatra vava-ady iray faharoa ao Afrika ny fitondrana mpanao heloka bevava tarihan'i  Zelensky. Any amin'ireo fanjakàna mankasitraka an'i Maosko, manohana vondrona mpanao asa fampihorohoroana ny governemanta okrainiàna.

Tanaty lahatsoratra iray navoaka tao amin'ny Wathi, tranon-kevitra iray tantanin'olontsotra ao Dakar, Bah Traoré Legrand, mpikaroka momba ny fandisoana vaovao, manazava hoe:

Lasa sehatry ny fifandonana tsy mivantana ifanaovan'i Rosia sy Okraina i Mali, ary io, dia noho ny fihetsiketsehan'ny jeôpôlitika erantany amin'izao fotoana izao.

Ho an'i Irina Filatova, Rosiàna mpahay tantara mipetraka ao Afrika Atsimo, ny firotsahan'ny Okrainiàna dia manaraka làlan-kevitra mazava be, araka izay hazavainy ao amin'ilay fantsona alemàna Deutsche Welle:

Tsy maintsy mampiseho amin'ireo firenena afrikàna ry zareo (Okrainiàna) hoe tsy matanjaka i Rosia, fa mety ho resy ihany koa.

Paul Melly, mpndalina sady mpikaroka ao amin'ny Chatham House, ivontoerana iray fandinihana, miorina ao Lôndôna, voatanisa ao anaty lahatsoratra iray an'ny BBC Afrique miteny hoe:

Ireo sarinteny ataon'i Kiev amin'ny firotsahany mivantana dia manamafy hoe vonona handeha hatraiza izy mba handefasana valin-kafatra ho an'ny filoha rosiàna.

Izay mihitsy, tanjon’ny paikady aroson'i Kiev ao Afrika ny hanala ity farany amin'ny « vahoho rosiàna ». Ao amin'ny Africanews, manazava i Dmytro Kouleba, minisitra okrainiàna misahana ny raharaha ivelany:

Tsy te-ho Rosia iray hafa izahay. Ny paikadinay dia tsy ny hisolo an'i Rosia, fa ny hanafaka an'i Afrika amin'ny vahoho rosiàna.

Fidiran'ny resaka jeôpôlitika

Tsy hoe tsy misy fiantraikany ny fitsabahan'i Okraina miaraka amin'ireo mpikomin'ny CSP-DPA: fahatapahan'ny fifandraisana ara-diplaomatikan'i Okraina amin'i Mali, Borkina Fasô ary Nizera. Vonona tanteraka hanao izay handrenesana ny feon-dry zareo, nandray fanapahankevitra ireo firenena telo ireo ny hitondra ny raharaha eo anoloan'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana.

Anatin'ilay naoty laharana 24-003-AES, ireo firenena telo dia « miampanga sy manameloka tanteraka ilay fanohanana misokatra noraisin'ny governemantan'ny Repoblikan'i Okraina ny asa fampihorohoroana erantany, indrindra fa ny ao Sahel ».

Paul Melly manampy hoe:

Tranga iray vaovao io, izay itrandrahan'ireo hery avy any ivelany an'ilay tanibe ho toy ny kianja filalaovana feno rà mandrika ho an'ny fifandrafian-dry zareo  manokana.

Tetsy andaniny, i Yassine Fall, minisitra misahana ny fampiatiana afrikàna sy ny raharaha ivelany ao Senegal, dia tsy nisalasala nampahatsiahy an'i Yurii Pyvarovov, ny ampitson'ilay famoahana nataony. Fampitam-baovao iray naverin'ny tranonkala Anadolu noraisina no milaza hoe:

Momba ny masoivoho okrainiàna ao Dakar, izay nampanantsoina, nampahatsiahivina azy ny adidiny amin'ny tsy fanelingelenana, ny fahaiza-mifehy tena sy ny tsy fitsabahana; izay tsy maintsy miaraka amin'ny fahasarotana sy ny fanajàna ny iraka tontosainy.

Toy izany koa, ny Communauté Economique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) dia naneho « ny fandàvany mafy sy ny fanamelohany tanteraka izay rehetra fitsabahana vahiny ao amin'ny faritra » tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray nalefa ho an'ny daholobe tamin'ny 5 Aogositra 2024.

Fiverenan'ny toedraharaha libiàna ve ny ao Mali?

Niaina toajavatra nitovitovy tamin'izao i Libia tamin'ny 2011 rehefa nitarika firotsahana ara-tafika iraisampirenena nahitàna firenena efa ho roapolo ilay ady an-trano nifanandrinan'ny tafika tsy nivadi-pitokisana tamin'ny kôlônely Mouammar Kadhafi tamin'ireo mpihoko avy amin'ny revôlisiôna libiàna ny Martsa hatramin'ny Ôktôbra 2011.

Ny toedraharaha amin'izao fotoana ao Mali, indrindra fa ao Kidal, dia mampahatsiahy io toejavatra io, araka ny filazan'i Amidou Tidjani, Maliàna mpampianatra-mpikaroka ao amin'ny Oniversite Paris-13:

Ao anatin'ny fifandirana fanjakàna samy fanjakàna isika izao amin'ny alàlan'ireo mpisehatra tsy mivantana izay tsy iza fa ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana.

Tsara kokoa, heverin'i Fakoro Traoré mpanoratra ilay lahatsoratra “Tinzawaten na ilay ady isoloan-tena”, navoakan'ilay media maliàna Bamada:

Ady famerenana ny fanjanahantany no nitranga tao Tizawaten. Io dia fitohizana lojikan'ny ady natao tamin'i  Kadhafi.

Ambana tena izy araka izany ilay famadihana ho toa an'i Libia, voamariky ny firodanan'ny fahefam-panjakana sy ny fianahan'ireo vondrona mitam-piadiana. Ny fitsabahana vao haingana nataon'i Okraina, manohana ireo Maliàna mpihoko, dia mety vao mainka hanaratsy io tsy filaminana io amin'ny fanetsehana mpisehatra hafa ao amin'ny faritra na iraisam-pirenena mba hiditra an-tsehatra ao amin'ny faritr'i Sahel, hampitombo araka izany ny fisamantsamahana anatin'ny ankamaroan'ireo firenena ao Sahel.

Wassim Nasr, mpanao gazety ary manampahaizana manokana momba ireo hetsika dhijadista niteny tao amin'ny media Le Grand Continent hoe:

Ny faritr'i Sahle dia tafiditra tsara ao anatin'ny paikady okrainiàna amin'ny famadihana ho iraisampirenena ny ady atao hanoherana an'i Rosia, toa an'i Sodàna ihany koa.

Tao anaty lahatsoratra iray “Okraina : ny fanofànana ireo vondrona mpanao asa fampihorohoroana ao Sahel, ireo mpikarama an'ady ary ny fitsabahan'i Rosia“, Oleg Nesterenko mitatitra fa « tsy hisy ny fidiran'i Okraina tahàka ireny raha tsy nisy ny fanohanana nivantana avy amin'ireo firenena ao anatin'ny OTAN ».

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.