
Mpikamban'ny Sendikan'ny Mpiasa (Mpanao) Sakafo Mongoliana naneho ny tsy fankasitrahany ny fifanarahana ara-barotra vonjimaika malalaka ifanaovana amin'ny Vondrona ara-toekarena Eoraziatika. Notselarina avy amin'ny lahatsary Facebook an'ny Trends.mn Fampiasana ara-drariny.
Nifandiran-kevitra ny volana Desambra tao Mongolia noho ny fifanarahana ara-barotra vonjimaika malalaka kasain'ny firenena hosoniavina amin'ny Vondrona Ara-toekarena Eoraziatika (EEU), ahitana an'i Rosia, Belarosia, Kazakhstan, Armenia ary Kyrgyzstan. Mikasa ny hanao soniam-pifanarahana ara-barotra malalaka 3 taona miaraka amin'ny vondrona ny governemanta Mongoliana, hanaisotra ny sara rehetra sy ny fetr'isa amin'ny karazan'entana miisa 375 ary manokatra lalana ho an'ny orinasa eo an-toerana hiditra amin'ny tsena vahiny midadasika ahitana mponina maherin'ny 200 tapitrisa.
Nanomboka tamin'ny taona 2019 ny fifampiraharahana saingy niditra tamin'ny dingana mavitrika tamin'ity taona 2024 ity, ka samy liana hamita ny fifanarahana ny roa tonta amin'ny faran'ny taona 2024. Tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra, nizara lisitr'ireo vokatra izay ho tafiditra ao anatin'ny fifanarahana ara-barotra ny governemanta. Manantena ny avy amin'ny Mongoliana fa ahafahany hampitombo ny toekareny io amin'ny fanondranana vokatra avy amin'ny hena, volon'ondry ary hoditra mitentina 15,5 miliara dolaran'i Etazonia.
Hentitra ny governemanta fa tena mahasoa indrindra an'i Mongolia ny fanaovana sonia ny fifanarahana. Ny tohan-kevitra voalohany dia ny hoe tsy afaka misonga ny toekaren'i Mongolia raha ny filàn'ny tsena kely ao an-toerana misy olona 3,5 tapitrisa ihany no karakaraina. Antenaina hisarika fampiasam-bola avy any ivelany io fitomboana io, hanamarolafy ny toe-karena ary hampihena ny fiankinan-doha amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany.
Na izany aza, toa hevitra mifanohitra amin'izany tanteraka no ao antsain'ireo mpandray anjara ara-pihariana rehetra ao amin’ny firenena. Samy nilaza fanoherana izany ary niantso ny hanafoana na farafaharatsiny hanemotra ny fanaovan-tsonia avokoa ny solontenam-pihary Mongoliana, izay miantraika aminy mivantana ny fifanarahana.
Ity misy ranty Facebook anehoan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fanaovan-tSakafo Mongoliana ny tsy fankasitrahany ny fifanarahana vonjimaika ara-barotra malalaka miaraka amin'ny Vondrona ara-toekarena Eoraziatika.
Naneho ny ahiahiny ny Antenimiera Nasionalin'ny Varotra sy ny Indostria Mongoliana fa hanimba ny filaminam-pirenena ny fifanarahana amin'ny alalan'ny famonoana ny famokaran-tsakafo ao an-toerana ary miteraka fiankinan-doha ara-pamatsiana sakafo amin'ny firenen-kafa. Nanao toy izany koa ny fivondronamben’ny fikambanana matihanina ahitana ny ONG Food Evolution, ny Sendikan’ny Mpamokatra Sakafo, ny Fikambanana Nasionalin’ny Veterinera sy ny Mpiompy, ary ny Sendikan’ny Tantsaha.
Nanampy ny Antenimieran'ny Varotra fa mety hampidi-doza ara-daza sy ara-bola ka hampatahotra ny mpampiasa vola ary hiteraka sazy ankolaka ny varotra ifanaovana amin'i Rosia sy Belarosia, fanjakana roa samy iharan'ny sazy tsy mbola nisy toy izany.
Naminavina i T. Monkhtor, talen'ny Food Evolution, fa hitobaka amin'ny tsena mongoliana ny vokatra ara-tsakafo rosiana, toy ny ronono, varimbazaha ary lafarinina, izay mora kokoa sady tsara kokoa, ka ho bankirompitra ny orinasa eo an-toerana. Notombanany fa herintaona monja ity zava-mampalahelo ity dia hitranga. Loza amin'antambo ny vokatr'izany, ka an'hetsiny no very asa sy loharanom-bola.
Notsiahiviny ihany koa ny tsy fahombiazan’ny fifanarahana ara-barotra malalaka nifanaovan’i Mongolia tamin’i Japana tamin’ny taona 2017. Japana ihany no nahazo tombony tamin’io fifanarahana io satria nitombo avy amin’ny 300 tapitrisa dolara US ny fanondranana tany Mongolia tamin’ny taona 2017 ary lasa hatramin’ny 600 tapitrisa dolara US tamin’ny taona 2023. Telo tapitrisa dolara US monja, niainga tamin'ny 15 nankany amin'ny 18 tapitrisa dolara US ny fitomboam-panondranan'i Mongolia nankany Japana. Atahorana fa hitovy amin'izany ny vokatry ny fifanarahana amin'ny EEU fa tena handravarava ny fiantraikany.
Nanakiana ny fifanarahana i L. Erkhembayar, Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny LLC Tumen Shuvuut, nandritra ny fihaonana tamin'ny manampahefana.
Nilefitra ampahany nanoloana ireo fitakiana ireo ny governemanta tamin'ny 18 Desambra ary nanaiky ny hanemotra ny fifampiraharahana. Nanambara ny praiminisitra lefitra S. Amarsaikhan fa tsy aato ny fifanarahana. Hiroso hifampidinika amin’ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ny fitondram-panjakana, mitady ny domberina avy amin-dry zareo sy ny mety hanamboarana ny fifanarahana. Ny toa fandresena vetivety ho an'ny mpamokatra sakafo eo an-toerana anefa dia fatiantoka ho an'ny mpanjifa, izay tratra farany amin'ny ezaka ataon'ny fireneny hanohanana ny sehatrasa fanaovan-sakafo.