Toherin'ny antoko mpanohitra voalohany ao Torkia ny fanagadràna ny ben'ny tanàna voafidy

Notselarina avy amin'ny reportage video an'i Anka News Agency. Fampiasana ara-drariny.

Efa mahazatra hatramin'ny taona 2016 ny fahitana fisamborana sy fanesorana ireo manampahefana monisipaly voafidy tamin'ny fomba demokratika ao Torkia. Taorian'ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'io taona io ihany, dia nampidirin'i Torkia ny fanitsiana ny lalàna misy momba ny kaominina izay mamela ny governemanta mitondra hanaisotra ireo ben'ny tanàna voafidy, ben'ny tanàna lefitra ary filankevitry ny ben'ny tanàna noho ny resaka fampihorohoroana.

Araka ny antontan-taratasin’ny fiarahamonim-pirenena ao an-toerana, nanomboka tamin'ny taona 2016, dia ben’ny tanàna maherin’ny 140 no nesorin’ny fitondram-panjakana, ka nosoloina mpiandraiki-draharaha [mpiadidy] notendren’ny governemanta. Nisy fiantraikany tamin’ny mpiasan’ny kaominina ihany koa ny fanovana ara-dalàna nampidirina sy nolaniana tamin’ny taona 2016. Hatramin’ny taona 2016, maherin’ny 9.000 ny mpiasa raikitra sy avy any ivelany ary mpiasam-panjakana voaroaka, araka ny tahirin-kevitr’ireo vondrona any an-toerana. Ny fanesorana vao haingana nihatra tamin'ny Ben'ny tanànan'i Esenyurt, ny Prof. Dr. Ahmet Özer ao amin'ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao amin'ny Antokom-Bahoaka Repoblikana (CHP) sady ben'ny tanàna mpanohana ny Kiorda. Matetika miteraka fisamborana noho ny fiampangana “fampihorohoroana” ny fanesorana.

Niteraka fihetsiketsehana notarihan'ny antokony, ny CHP, ny fitazonana ny Pr. Dr. Ahmet Özer nampangaina ho “mpikambana ao amin'ny fikambanana mpampihorohoro” tamin'ny 30 Oktobra 2024. Nivory teo anoloan'ny lapan'ny kaominina ao Esenyurt, nanambara ny fanoloran-tenany hijoro eo anilan'ny ben'ny tanàna sy hiaro ny safidim-bahoaka ny mpitarika ny CHP, ny solombavambahoaka ary ny mpanohana.

Notanana ho anisan'ny anaovan'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Istanbul famotorana ny ben'ny tanàna Özer  ary nosamborina tamin'ny fomba ofisialy rehefa nohenoina adiny roa tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana ao Istanbul. Nivory teo ivelan'ny Kaominina Esenyurt ireo mpanohana ny CHP taorian'ny fisamborana azy, nihiaka teny filamatra toy ny hoe “Mialà ny governemanta” sy “Handresy amin'ny fifaharana [fanoherana] izahay.”

Nanantitrantitra ny finoan'ny antoko amin'ny tsy fananan'ny Ben'ny tanàna Özer tsiny i Özgür Çelik, filohan'ny CHP Faritanin'Istanbul, sy i Özgür Özel, filoha ankapobeny, ary nanamarika ny fisamborana ho ambadika politika hamelezana ny foto-kevitra demôkratika. Nanakoako amin'ireo mpomba azy izany fihetseham-po izany, ka niantsoany ny fanagadrana ho tsy firaharahiana ny safidim-bahoaka.

Tsara tohana ao Esenyurt ny CHP araka ny tantara, ka nahazoan'ny ben'ny tanàna Özer saika ny antsasa-manilan'ny vato tamin'ny fifidianana teo an-toerana tamin'ny 31 Marsa [mg]. Mihoatra lavitra noho ny fitazonana olona iray ity hetsi-panoherana ity, hoy ny nambaran'ireo mpikambana ao amin'ny antoko, ary maneho tolona mivelatra kokoa ho an'ny rariny sy ny demôkrasia. Na dia ratsy aza ny toetr'andro, naneho ny fahavononany hanohitra izay heveriny ho fanafoanana tsy ara-dalàna ny soatoavina demôkratika ireo mpanao fihetsiketsehana.

Naneho ny ahiahiny ny mponina any an-toerana amin'ireo fahamaroan'ny polisy tonga ao amin'ny faritra, izay nanakatsakana ny fivezivezena ary niteraka disadisa. Milaza ireo mpitsikera fa maneho ny fikasana lalindalina kokoa hanimba ny fitantanana eo an-toerana sy ny fisoloantena demôkratika ireo fepetra ireo, izay nohamarinina ho fitandroana ny filaminana.

Ny andiam-panoloana vao haingana manao lasibatra ny ben'ny tanàna mpanohitra CHP dia zava-mahazatra ireo Kiorda ben'ny tanàna, izay lasibatry ny fanesorana an-keriny sy ny fisamborana maharitra indrindra. Antoko politika fahatelo lehibe indrindra ao Torkia ny DEM, Antoko Hitsim-bahoaka sy Demôkrasia (HDP taloha, Antoko Kiorda lehibe indrindra ao Tiorkia). Taorian'ny fifidianana ankapobeny farany [mg] indrindra dia nahazo toerana 57 tao amin'ny parlemanta ny antoko. Nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna [mg] tamin’ity taona ity dia nahazo tanàndehibe 10, distrika 58 ary [kaominina] distrika fito ireo kandidàn’ny antoko. Taorian'ny fifidianana isan-toerana [mg] teo aloha, maro tamin'ireo ben'ny tanàna voafidy ara-demôkratika tao amin'ny antoko, 58 raha ny marina, no nesorina noho ny filazana ho fifamatorany amin'ireo Kiorda mpikomy ary nosoloina mpiadidy voatendrin'ny fanjakana. Manondro ilay Antokon'ny Mpiasa Kurdistan na PKK izay voarara izany, izay tondroin‘i Torkia sy ny Tandrefana ho vondrona mpampihorohoro.

Miatrika fanakatonana [mg] ny talohan'ny DEM, ny HDP, lazaina ho mifandray akaiky amin'ny mpitolona mitam-piadiana, ​​izay nolavin'ny antoko ankitsirano. Gagazo ihany koa ny mpiara-manorina ny HDP.

Voatsikera na tao Tiorkia na tany ivelany ny fanoloana ben'ny tanàna Kiorda. Hoy ny Human Rights Watch, “Ny fanapahan-kevitry ny governemanta [Recep Tayyip] Erdoğan tato anatin'ny andro vitsivitsy nanaisotra ben'ny tanàna efatra voafidy tamin'ny fomba demôkratika sy handrava ireo filankevitra monisipaly dia daroka be amin'ny fitokisana demôkratika an'i Türkiye ary manitsakitsaka ny zon'ny mpifidy antsasaka tapitrisa mahery.”

Naneho ny ahiahiny i Marc Cools, filohan'ny Kongresin'ny Manampahefana eo an-toerana sy isam-paritra ao amin'ny Vaomieran'i Eoropa, nandritra ny fanambaràna tamin'ny 4 Novambra 2024, fa “ireo fanesorana ireo no mandrafitra ny fampiharana farany indrindra ilay fomba fanao efa hatry ny ela amin'ny fanendrena mpiadidy, heverin'ny Kongresy sy ny Vaomieran'i Venise fa manimba ny toetoetry ny tena demôkrasia eo an-toerana.”

Nilaza ny ben'ny tanànan'i Istanbul Ekrem İmamoğlu, izay mpikambana ao amin'ny CHP, fa mifanohitra amin'ny lalàna misy ny fanapahan-kevitry ny governemanta. “Raha misy olom-boafidy esorina amin’ny toerany dia olomboafidy hafa, izany hoe ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra no tokony hisolo toerana azy. Ny mpifidy irery no manana fahefana hifidy ary tsy azo afindra izany,” hoy izy nisioka.

Tamin'ny 30 Novambra, nosoloina mpitantan-draharaha ny ben'ny tanànan'ny antoko DEM iray hafa, Ayvaz Hazir, ary nosamborina. Nosamborina tamin'io andro io ihany koa noho ny “fanitsakitsahana ny lalàna momba ny fivoriambe” i Birsen Orhan, ben'ny tanàna mpiara-miasa ao amin'ny faritanin'i Dersim ao atsinanana, araka ny tatitry ny fampitam-baovao Tiorka tsy miankina DuvarEnglish.

Henjana ihany koa ny setriny avy amin'ny manampahefana manoloana ny hetsika fanoherana ny fanoloana sy fanendrena mpiadidy vao haingana. Ankoatra ny sakana nataon’ny polisy izay nanakantsakana ny fahalalahan’ny mponina hivory sy hivezivezy, dia maro ireo voasambotra, araka ny tati-baovao avy any an-toerana.

Tao Esenyurt, nisarika ny fifantohan'ny besinimaro ny fanehoan-kevitry ny vahoaka manoloana ny fanendrena mpiadidy sy ny zotram-pifidianana tsy ara-drariny. Nohamafisin'ny olom-pirenena fa tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny fanendrena mpiadidy, manoritra izany ho famotehana ny demôkrasia. Hita fa manimba ny foto-kevitry ny demokrasia ity fomba fanao ity, arahin'antso hanajana ny safidim-bahoaka sy ny fanakianana ny fitondrana tsirefesimandidy ho manitsakitsaka ny zon'olombelona.

Manasongadina ny hafatry ny fiombonana sy ny firaisankina i Esenyurt, fonenan'ny olona samy hafa fiaviana. Manantitrantitra ny filana hampitsaharana ny fanavakavahana ny olom-pirenena Kiorda ary misolovava ny ezaka iombonana hitandroana ny maha-iray an'i Torkia. Heverin’ny mponina ho tsy ara-drariny ny fanendrena olona eo amin’ny toeran'ny olona nolaniana tamin’ny fifidianana. Mihevitra ihany koa ry zareo fa natao hanodinana ny saina amin'ny fahasahiranana ara-toekarena ny politika toy izany. Lazaina fa mampitombo ny fahadisoam-panantenam-bahoaka ireo fomba fanendrena ireo sy manery ny olona hifantoka amin'ny resaka politika fa tsy hamaha ny olana ara-toekarena .

Naneho hevitra momba ny zava-misy ny mponina iray, nanao hoe: “Tsy mitombina izany; kilalaon'i Tayyip izao, fantatrao? Lazaiko hoe tsy misy izay tsy mahita izany. Mahafantatra avokoa ny rehetra; manontania zaza, mahafantatra ireo; manontania olon-dehibe, mahafantatra ireo. Saingy raha manontany ny mpanohana ny Antokon'ny Rariny sy Fampandrosoana (AKP) ianao, dia hanova ny fitantarana ry zareo. Efa 13 taona aho no teto; Hitako ny vanim-potoanan'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana. Tsy misy na inona na inona mitranga eto afa-tsy ny tombontsoa; resaka vola daholo izany, hitanareo? Tsy nahavita ny tetikasany ny sasany tamin’ireo mpiantoka izay mikambana amin’ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana, ka manakorontana sy mandaboka ilay lehilahy. Izany no zava-misy.”

Mitaratra ny fanahiana ankapobeny momba ny demôkrasia, ny zon'olombelona ary ny tolona ara-toekarena ao Tiorkia ny hetsi-panoherana ao Esenyurt, sy any amin'ny faritany hafa, saingy raha miova ny fomba fitantanana amin'izao fotoana izao, dia mbola ho hita eo ny fijerena ny fitarainan'ny olona ampahibemaso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.