
Ireo Afrikàna manampahaizana momba ny haino-vaky-jery nandray anjara tamin'ny fivoriana iray tao Accra. Sary nahazoana alàlana, Winston Mano.
Vondron'ireo mpampianatra manana ny maha-izy azy amin'ny haino-vaky-jery avy amin'izao tontolo izao no nivory tao Accra, Ghana, tany am-piandohan'ny Desambra mba hamelabelatra fikarohana natao teny amin'ny anjerimanontolo sy hanasongadina ireo fironana mipongatra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ireo mpiasan'ny media manerana an'i Afrika.
Novelabelarin'ireo profesora ireo lahatsoratra fikarohana miresaka fanadihadiana avy any Nizerià, Ogandà, Cote d’Ivoire, Afrika Atsimo ary Zimbaboe, izay matetika mitrandraka ny fifandraisana misy amin'ireo media sy ny rafitra demaokratika mipongatra ao amin'ny firenena iray.
Niaraka niaiky ireo manampahaizana hoe sadasada ny toetry ny fahalalahan'ny media ho an'ireo mpanao gazety sy mpampiasa aterineto manerana an'i Afrika: raha ireo lahatsoratra sasany kosa milaza vanim-potoana vaovaon'ny fahalalahana an-tambajotra ho an'ireo mpikatroka nomerika, marobe ireo fanadihadiana manasongadina sakana goavana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ao Afrika, indrindra fa ny nisamborana ireo mpanao gazety tao Nizerià na ireo fanakatonana ny aterineto nandritra ny ady an-trano tao Borkina Fasô.
Nasongadin'ny lahatsoratra iray avy amin'ny Mpitatitra Tsy Voafetran-tSisintany (RSF) ireo fanafihana feno herisetra isankarazany natao tamin'ireo mpanao gazety nanerana ny faritra Sahel tamin'ny 2023 sy 2024. Mihoatra ny 500 ireo onjampeom-piarahamonina tao amin'ilay faritra no nanao sonia fanangonan-tsonia iray mitaky ny hampitsaharana ny fanafihana mpanao gazety, novelabelarina nandritra ny kaonferansa iray tao Bamakô tamin'ny Septambra 2024.
Nandritra ny atrikasa tamin'ny 5 Desambra, ireo manampahaizana manomana doctorat avy any Pays-Bas, Malawi, Angletera, Afrika Atsimo ary Etazonia dia nihaona tao amin'ny Mahogany Lodge tao afovoan-tanànan'i Accra mba hampitaha ny fikarohana an-taratasy vitan-dry zareo sy hanolotra fanakianana ary tanisa vaovao.
Anatin'ity lahatsary fohy ity, tao Accra ilay Afrikàna profesora mampianatra media dia nizara sary maroloko momba ny fikarohana nataon-dry zareo manokana novelabelariny nandritra ny Atrikasa Fahalalahan'ny Media tany amin'ny oniversiten'i Toronto.
Ilay ho filoha vaovaon'ny Anjerimanontolo Carleton ao Kanadà, Dr. Wisdom Tettey, dia nikarakara ilay atrikasa namoriana olona 12 tao Ghana niainga avy amin'ireo vola famatsiana fikarohana voaangony fony izy nitazona ny toeran'ny talen'ny Oniversiten'i Toronto tao Scarborough. Nanampy nikarakara ilay hetsika ny Media Foundation for West Africa.
Ny iray tamin'ireo famelabelarana lehibe nataon'ny Dr. Winston Mano avy amin'ny Oniversiten'ny Westminster ao Londôna dia nahafahana niditra lalina tamin'ny antsoiny hoe “Afrokology“, fomba famaritana iray amintinana ireo ezaka goavana nikendrena ny hampahaleo-tena ny fikarohana vao mipongatra momba an'i Afrika eo amin'ny sehatry ny media sy ny fifandraisana. Ny tanjona, hoy i Mano nanazava, dia ny hitrandrahana tsaratsara kokoa ireo sehatry ny media atao eny anjorom-bàlan'ny fahalalàna ao Afrika, amin'ny famoronana “taridàlana navaozina ifotony” hahafahana mampisy fikarohana tsara kokoa izay hanome tombony ny fomba fisaina afrikàna.
Nohalalinin'ny fikarohana iray faharoa ny tenifototra #ZimbabweanLivesMatter nanoherana ny filoha zimbaboeiàna, Emmerson Mnangagwa, izay lasa niparitaka be tamin'ny 2020, novelabelarin'ilay Afrikàna profesora malaza mampianatra momba ny media no sady mpanonta boky, Dr. Bruce Mutsvairo, avy amin'ny Oniversiten'i Utrecht. Ny zavatra hitany, niarahany tamin'i Tenford Chitanana, mpianatra manomana doctorat, dia naneho fa ny tenifototry ny hetsika tao Zimbaboe dia nahafahan'ireo mpikatroka nandrava sy nihoatra ny anjara toeran'ny media nasiônaly zimbaboeàna. Ny fihetsehana mahery vaika tao ambadik'ilay tenifototra dia nahafahan'ireo mpampiasa aterineto nisongona sy namoaka lahatsoratra vaovao alohan'ireo media nasiônaly, no sady ihany koa mamaritra ny fandaharam-potoana ho an'ny tontolo andro. Hitan'ireo mpanoratra fa ilay tenifototra dia fitaovana iray matanjaka azo atao safidy ho an'ny fikatrohana nomerika hanoherana ny filoha zimbaboeàna.
Ireo manampahaizana manokana momba ny media dia samy nanolotra fikarohana tsy nodiambiasin-tànana avokoa, ho an'ilay atrikasa nampitondraina lohateny hoe “Fivoaran'ny Demaokrasia, ny Media, ny Maripamantarana ary ny Maha-Olompirenena ao Afrika: Kiana sy Fanoherana.” Nanam-bintana ireo mpandray anjara hanaovany sosokevitra momba izany sy hanisy fanovàna amin'ny fikarohan'ny tsirairay, izay havoaka anaty gazetiboky malazan'ny oniversite amin'ny 2025 (tsy mbola tena tapaka akory ny amin'ilay gazetiboky nefa efa vitan'ireo mpandray anjara ny fanovàna nataon-dry zareo).
Tanaty resadresaka taorian'izay dia nilaza i Tettey hoe:
Heveriko, fa ho an'ireo olona miasa amin'ity sehatra ity, ny lafin-javatra tokony horaisina, manomboka amin'ireo mpanao gazety ka hatramin'ireo pôlitisiàna sy ny fiarahamonina sivily momba izany olana izany, dia ny fahatakarana fa tsy azo tsinontsinoavina ireo fahalalàna ireo, ary marefo izy ireny fa tsy maintsy tohizantsika hatrany ny manosika izay hahamafy azy ireny.
Antenain'i Tettey fa rehefa voatonta amin'ny endrika fandalinana nampanarahana ny toetrandro an'ireo fanadihadiana tranga-na media anatin'ireo hetsika pôlitika goavana, ny fitambaran'ireo literatiora novokarina dia ho afaka hitondra fahazavana amin'ny politikan'ny governemanta sy ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily manerana an'i Afrika.
Ao anatin'ity resadresaka lavabe ity i profesora Tettey no mizara ny tombany tamin'ilay atrikasa tao Accra, amin'ny fanasongadinana ny fomba hahafahan'io fitambarana literatiora io hitondra fahazavana amin'ny pôlitika momba ny media ho an'ireo governemant afrikàna manerana ny tanibe.
Ho famintinana ireo tafatafa, nambaran'ireo manampahaizana, Cohen sy Mutsvairo, fa nampientanentana an-dry zareo ilay sambany nihaona nifanatri-tava tamin'ireo mpanoratra mpikaroka marobe taorian'ny namakiany ny asa fikarohan'izy ireny nandritra ny taona maro. Miandrandra lavidavitra kokoa, marobe ireo manampahaizana no nilaza fa ireo hirika vaovao ho fametrahana tambajotra hita teny anivon'ireo andiany tao Accra dia mety hitondra mankany amina fiarahamiasa vaovao momba ireo famatsiambola goavana sy ireo fanontàna boky amin'ny hoavy.

Ireo Afrikàna manampahaizna momba ny media miresaka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety tao Accra,Ghana. Sary: Jimmy Kainja.
Jeslyn Lemke, mpanoratra ato amin'ny Global Voices, dia iray tamin'ireo mpikaroka nanatrika ny atrikasa.