Velona sy mihazakazaka ny fankamasinan'olona ao Azerbaijan

Notselarina avy amin'ny video nozarain'ny kaonty X ofisialin'ny Biraon'ny Ben'ny Tanànan'i Istanbul. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 11 Desambra, nitsidika ny toeram-pahatsiarovana an'i Heydar Aliyev, ilay filoha nodimandry sady rain'ny filoha ankehitriny Ilham Aliyev, i Lionel Messi, kintan'ny baolina kitra Arzantina. Tany Azerbaijan i Messi hilalao baolina fandaka hanaovam-piantrana niaraka tamin'ireo namany avy ao amin'ny Inter Miami. Niteraka fanakianana avy amin'ireo Azerbaijani mpisera media sosialy ny fitsidihan'ilay mpilalao fandaka tao amin'ny tsangambato fahatsiarovana sy ny fitetezana ny tao an-tanàna, anisan'izany ny fakana sary niaraka tamin'ny zafikelin'i Heydar Aliyev. Nifanojo tamin'ny datinandro — 12 Desambra 2003 — nahafatesan'i Heydar Aliyev ny fitsidihan'i Messi.

Tsy vaovao amin'ny fisedrana tsikera ny mpilalao baolina fandaka. Nasongadina ho masoivohon'ny marika ofisialin'ny Fahefana ara-pizahantany Saodiana izy ary nifanerasera tamin'i Ali Bongo Ondimba, mpitarika taloha tao Gabon, raha tsy hanonona anarana hafa tsy ireo. Na dia tsy nambara tamin'ny fomba ofisialy aza hoe ohatrinona no nandoavana an'i Messi tamin'ity fitsidihana ity, fotoana fohy monja dia navezivezin'ireo mpisera tao amin'ny sehatra media sosialy fa nandoa vola 8 tapitrisa dolara ho an'i Messi i Azerbaijan mba handraisana ny fitsidihan'ilay kintana. Tsy mampahatsiahy fotsiny ny efa niainan'i Messi miaraka amin'ireo fitondrana ratsy laharana eo amin'ny tondron'ny zon'olombelona maneran-tany ihany ny fitsidihan'i Messi. Natao ihany koa ho fampahatsiahivana fa mbola manosika ho amin'ny fankamasinana an'i Heydar Aliyev i Baku.

Natao hahatsiarovana sa zavatra hafa?

Tamin'ny taona 2022, mba hankalazana ny zava-bitan'ny rainy nandritra ny androm-piainany sy ny fahazato taona nahaterahany, nanambara ny taona 2023 ho taonan'i Heydar Aliyev ao Azerbaijan i Ilham Aliyev.”Efa nisongadina tao amin'ny firenena ihany tamin'ny andron'ny filoha teo aloha ny fankamamiana olona. Fa mbola ho lehibe kokoa izany ankehitriny”, hoy ny lohatenin'ny lahatsoratra navoakan'ny sehatra mediam-paritra Eurasianet tamin'izany fotoana izany. Fonosam-pandaharam-potoana ahitana lanonana, loa-bary an-dasy, fihaonambe, ary sarimihetsika fanadihadiana, raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy.

Any Azerbaijan, matetika no aseho ho rain'ny firenena ilay filoha farany. Hita na aiza na aiza ny sariny sy ny sarintavany ary ny tsangambatony. Omena ny anarany ny lalambe sy tranobe ary zaridaina. Natokana ho an'ny fahendreny ny hira sy tononkalo. Maro manerana ny firenena ihany koa ny Foibe Heydar Aliyev, manasongadina votoaty fanabeazana momba ny fiainan'ny filoha farany sy ny zava-bitany ary ny tantaran'i Azerbaijan. Nipongatra ireny foibe ireny noho ny didim-panjakana nosoniavin‘ny zanany lahy Ilham Aliyev tamin'ny taona 2006, “mba hampaharitra ny fahatsiarovana ny Mpitarika Nasionalin'ny vahoaka Azerbaijani, Heydar Aliyev, ho fampiroboroboana sy fandalinana ny lovany ara-tsosialy sy ara-politika.”

Tsy ao Azerbaijan ihany ny trangan-javatra toy izany fa manerana izao tontolo izao ihany koa.

Hatrany Mexico City ka hatrany amin'ny renivohitra hafa manerana izao tontolo izao, misy ireo zaridaina sy sarivongana amin'ny anarany. Tamin'ny taona 2007, nampiseho sarivongan'ny filoha teo aloha ny tranombakoka Madame Tussauds ao Londres noho ny fisantaran'andraikitra niarahan'ilay tranombakoka sy ny fianakaviana mitondra miaraka amin'ny Heydar Aliyev Foundation. Ity farany dia tarihin'ny Vadin'ny Filoham-pirenena sy ny Filoha Lefitra Voalohany Mehriban Aliyeva.
Ao Baku, matetika no tsidihin'ireo vahiny manan-kaja ny fasan'i Aliyev rainy. Vao haingana izay no nanome voninahitra azy ny filoha Rosiana Vladimir Potinina. Tamin'ny Marsa 2024, nitsidika ny toeram-pahatsiarovana ny praiminisitr'i Georgia. Tamin'ny volana mey 2024, nandritra ny fitsidihany ofisialy tany Baku, nitsidika ny toeram-pahatsiarovana ihany koa ny filoha Bolgara Rumen Radev. Saingy na dia tsy mahagaga aza ny mahita ireo olona toa an'i Potinina, Radev na ireo atleta toa an'i Messi mitsidika ny toeram-pahatsiarovana, tena mahavariana kosa ny fahitana manampahefana tiorka‚ ben'ny tanànan'i Istanbul Ekrem İmamoğlu nitsidika ny ftoeram-pahatsiarovana ny filoha teo aloha nandritra ny COP29. Nilaza ny ben’ny tanàna fa eo ankilan’ny vovonana maneran-tany momba ny toetr’andro ny fitsidihana. Na dia mety ho nanana fikasana tsara aza ny ben'ny tanàna, dia voamarika ihany ny fitsidihany, indrindra rehefa voatsikera matetika ny fianakaviana mitondra sy ny filoha noho ny tsy fisian'ny fahalalahana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Azerbaijan. Nasongadina tamin'ny fanadihadiana momba ny kolikoly maneran-tany ihany koa ny fianakaviana, izay nampibaribary ny tetika famotsiam-bola sy ny haremben'ny fianakaviana mitondra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
Ao anatin'ilay tetika lehibe amin'ny trangam-pankamamiana olona ao Azerbaijan, manamafy ny ezaka ataon'ny fianakaviana eo amin'ny fitondrana izany amin'ny fitazonana ny fahatsiarovana an'i Heydar Aliyev ho velona tsara sy mandeha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.