Afaka hanavotra ny toekaren'i Hong Kong ve ireo Panda goavana?

Efitranon'ny Panda ao amin'ny Ocean Park. Sary avy ao amin'ny inmediahk.net CC BY-NC-SA 2.0

Ireo mpitsidika ato ho ato an'i Hong Kong dia mety hahita fametrahana panda vitsivitsy manerana ny tanàna sy any amin'ireo toerana natao ho an'ny fizahantany satria katsahan'ny governemanta indray ny hamelona ny fizahantany ao an-tanàna amin'ilay fomba antsoiny hoe “toekarena panda”.

Hatramin'ny nisian'ny valanaretina COVID-19 no nikorontana ny toekaren'ny tanàna, ary taorian'ireo korontana ara-pôlitika misy ifandraisany amin'ny famoretana ataon'ny fanjakana amin'ireo hetsipanoherana mpandàla demaokrasia tamin'ny 2019, sy ny fampidirana tolodalàna marobe niteraka resabe, toy ny Lalàna momba ny Fiarovam-Pirenena, dia tsy tafarina mihitsy ny fizahantany.

Mba hanandramana hamelona indray io toekarena mitontongana io, manodidina ny 2.500 mahery ireo sary sokitra panda ho apetraka manerana ny tanàna satria manakaiky ny vanin-potoana vaovaon'ny fizahantany mifamatotra amin'ny Noely sy ny Taombaovao:

Manomboka amin'ny Alatsinainy ho avy io, hisy fampirantiana iray vaovao “PANGA GO! FEST HK” hanehoana sarivongana Panda miisa 2.500, amin'ny endrika valo miavaka manerana an'i #HongKong. Hisy fampirantiana efatra natao ho an'ny daholobe, kendren'ireo mpikarakara ny haha-“fetim-piravoravoana azy manafangaro ny zavakanto, ny fampirantiana, ary ny fizahantany”
Sary:… pic.twitter.com/fpM5f3zIOn
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) 25 Novambra 2024

Ny filaza hoe “toekarena panda” dia noraisin'ilay media mpomba an'i Beijing ao Hong Kong taorian'ny 1 Jolay 2024 nanambaràn'ny lehiben'ny mpanatanteraka, John Lee, hoe handefa Panda roa lehibe ny governemanta foibe shinoa ho fanomezana entina mankalaza ny tsingerintaonan'ny nanoloran'ny Britanika an'i Hong Kong tamin'ny 1997 hiverina amin'i Shina. Tonga avy eo ireo vaovao maro — panda mivady, goavana, ao amin'ny Ocean Park, Le Le (lahy) ary Ying Ying (vavy), dia niteraka roa tamin'ny fomba voajanahary, tamin'ny Aogositra, rehefa nipetraka tao amin'ilay vala nandritra ny 17 taona — dingana iray lehibe ho an'ireo karazana tandindonin-doza, izay malaza ho ambany ny taham-piterahany.

Taorian'ny nahatongavan'ireo panda mivady avy any Beijing tao Hong Kong tamin'ny Septambra, dia lasa toeram-ponenana ho ana panda miisa enina ilay tanàna.

Tamin'ny Sabotsy, nankalaza ny faha-100 andron-dry zareo ireo Panda kambana roa goavana,  naterak'i Ying Ying, panda goavana iray fanomezana avy amin'ny governemanta foibe ho an'i Hong Kong,

Ny Sabotsy dia nikarakara fankalazana ny tao amin'ny Ocean Park, Hong Kong, ho fanamarihana ilay fotoana. Nahazo atody mena sy lasopya hena kisoa nasiana sakamalaho ireo mpitsidika
pic.twitter.com/6xsLAqipJr
— China Focus (@China__Focus) 25 Novambra 2024

Na izany aza, lafo ny fitaizana panda.  Ny lany isantaona ho an'i Le Le sy Ying Ying dia manodidina ny 2 tapitrisa dôlara amerikana, araka ny tombana tamin'ny 2007. Ankehitriny dia mila manorina fotodrafitrasa vaovao ny Ocean Park mba hampiantranoana panda bebe kokoa ary manafatra volobe (bamboo) hamahànana azy ireny. Kanefa, hatramin'ny 2015, noho ny fihenan'ireo mpitsidika dia niatrika fahasahiranana ara-bola ilay vala, ary tsy maintsy nitondra fanampiana nitentina 2 lavitrisa HKD (dôlara Hong Kong) ny governemanta ao Hong Kong mba hitazonana azy io tsy ho rendrika tamin'ny 2021.

Na nanana ambimbava nanodidina ny 118,5 tapitrsa HKD (nanodidina ny 1,5 tapitrisa dôlara amerikàna) aza ilay vala tamin'ny 2023, tsy ho ampy mihitsy handoavana ireo fandaniana fanampiny. 

Erantany, misalasala be hampiantrano biby nobaboina ireo valam-biby, noho ny sandany lafo sy ny fitomboan'ny fanentanana momba ny zon'ny biby. Vao haingana kely mihitsy, nanapaka hevitra i Finland ny hamerina panda roa ho any Shina satria tsy vitan'ilay valam-biby intsony ny miantoka ny fiahiana azy ireo:

Amin'ny Novambra, ho averin'i Finland any Shina ireo panda goavana roa, valo taona mahery alohan'ny daty efa voaomana, satria tsy manana izay ho entina mikarakara azy ireo intsony ilay valam-biby misy azy, hoy ny lehiben'ny filankevi-pitantanan'ilay valam-biby tamin'ny Reuters tamin'ny Talata. #China #panda pic.twitter.com/xWrw0GhM7E
— Radio Free Asia (@RadioFreeAsia) 25 Septambra 2024

Ireo pôlitisiàna mpomba ny establishment sy ireo trano mpamoaka vaovao dia nilaza tamin'ireo teratany avy ao Hong Kong fa mety hahasarika mpitsidika bebe kokoa ireo panda ary hanosika ny toekarena tsy misy fandrosoany.

Ohatra, ny China Daily izay gazety miara-dàlana amin'i Beijing, dia mamaritra ireo panda ho toy ny “Fanilom-panantenana ho an'ny Ocean Park mba hamerenana ny voninahiny” tao anaty tantara iray nisongadina tamin'ny 26 Septambra 2024. Ny Ocean Park dia vala manaraka lohahevitra, manana velarana 91,5-hektara, no sady valam-biby hametrahana ireo panda.

Paulo Pong,  filohan'ny Ocean Park, dia voatanisa teny anaty mediam-panjakana izay nilaza fa “fanomezana avy any an-danitra” ireo panda sy  ny fahalinana aterak'izany ireo, ary fikasan'ilay valam-biby ny handrafitra fizakàmanana ara-tsaina miorina amin'ny lohahevitra panda, ny fampitàna mivantana, ny haivarotra anaty media sôsialy ary ireo vokatra manodidina izany ho toy ny fidirambola. 

Ireo sarivongana panda miisa 2.500 dia hovokarin'ny Allrightsreserved, studio iray ao Hong Kong misehatra amin'ny famoronana — iray amin'ireo orinasa izay mikatsaka ny handrafitra zo fizakàmanana ara-tsaina (IP) amin'ilay lohahevitra miompana amin'ireo panda. Ilay orinasa mpampiranty no hanome ho an'ny governemanta ao Hong Kong sy ny Ocean Park ireo zo IP hampiasàna ny tefiendrika panda avy amin-dry zareo, no sady nanome toky fa hanolotra ireo tamby azon-dry zareo avy amin'ireo mpampiasa hafa mba ho fanampiana ho an'ny Ocean Park, mba hitazonany ny asa fiompiany ireo panda goavana.

Ankoatry ny iraka ara-toekarena dia antenain'ireo pôlitisiàna mpomba an'i Beijing ihany koa handray anjara amin'ny fanabeazam-pirenena ao an-tanàna ireo panda goavana ireo. Ny biraon'ny fanabeazana dia nanoritsoritra ireo panda goavana ireo ho toy ny “vatosoan'ny fifankatiavan'i Hong Kong sy ny tanibe Shina” tao anatin'ny taratasy iray nalefa ho an'ireo sekoly rehetra tamin'ny Aogositra mikasika ny fankalazana ny Androm-pirenen'i Shina. Nandritra izany fotoana izany,  tao anatin'ny lahatsoratra iray an'ny China Daily ny sekreteran'ny fanabeazana ao Hong Kong dia namelabelatra ilay hevitra:

Ny tombontsoa iray azo avy amin'ireo panda natao fanomezana dia ny hiasàny handrary fifamatorana am-po mafy eo amin'ny tanibe Shina sy ny SAR ireo tahiry sarobidin'ny firenena. Noho ny sata maha-harem-pirenena sy ny laza ambony be ananany, dia ho apetraka amin'ny toerana faran'izay mety indrindra ireo panda vaovao mba hamoronana fahatsapana matanjaka kokoa  ny maha-firenena sy ny fifankatiavana eo amin'ireo andian-taranaka tanora kokoa sy ny tanibe. Lasa tanjona iray tena nilaina ihany koa io tao anatin'ny fanabeazana anay tan-tsekoly.

Na nahasarika mpankafy marobe aza ireo panda roa mahafatifaty vao teraka, dia kely finoana ihany ny vahoaka momba ny hahafahana mamadika ho vola ny toekaren'ny fahalinana amin'ireo panda. Inty ny iray tena vazivazy niparitaka be tao amin'ny Facebook:

熊貓經濟係掂嘅,成都一早做咗金融中心啦。

Raha mety ny toekarena panda, dia ho lasa ivontoerana fandraharahana ara-bola i Chengdu.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.