Resadresaka nifanaovana tamin'ilay Keniàna poeta sy mpiventy tantara, Njeri Wangari

Njeri Wangari at Mozfest Kenya 2023

Njeri Wnagari nandray fitenenana tao amin'ny Mozfest Kenya 2023 momba ny fanarahamaso atao amin'ny daholobe – Saripika nahazoana alàlana taminy

Manoratra sy miantsa tononkalo no sady mpanoratra sy mpitantara an-tambajotra ary anaty taratasy ihany koa i Njeri Wangari, Keniàna poeta. Hatramin'ny 2008 izy no mpanoratra tato amin'ny Global Voices. Sambany izy niresaka mivantana momba ny fiainany sy ny vaninandrony teo am-pipetrahana ambony bozaky ny Vovonamben'ny Global Voices 2012 tao Nairobi.

Naverinay notsidihana ireo lohahevitra sasany vao haingana nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Global Voices:

Mizara ny fahalinany sy ny eritreriny miovaova momba ireo olana isankarazany i Njeri Wangari. Isan'izany i Kenya amin'izao androntsika izao, ny hoavin'ny media sôsialy ary ny fanaovangazetin'olontsotra. Navoitran'i Njeri ihany koa ny fahalinany amin'ny fifaninanana hazakazaka an-tongotra, ny hetsika atao ivelan'ny efitrano, ny fitness, miampy ny firotsahany an-tsehatra amin'ny fampiroboroboana ny fahasambarana.

Azonao atao ny mahita misimisy kokoa mombamomba an'i Njeri ao amin'ny kenyanpoet.com Manana boky natao ho an'ny ankizy izy, izay hivoaka amin'ny faramparan'ity taona ity.

Afaka jerenao eto ny niandohana avy amin'ilay antsafa tamin'ny 2012 “When Change Comes” (Rehefa tonga ny fiovàna):

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.