Mitady Talem-pitantanana ny Global Voices

Mitady Talempitantanana mavitrika ho an'ny fikambananay tsy manam-paharoa sady mpamakilay ny Global Voices. Ny Talem-pitantanana no tompon'andraikitra amin'ny fitantanana andavanandro ny fikambanana, miara-miasa akaiky amin'ny Tale Mpanatanteraka Malka Older hitarika ny fikambanana sady hanomana ny toko manaraka amin'ny asanay hidirana amin'ny faha-21 taonanay. Ny kandidà no handimby an'i Georgia Popplewell, izay miala amin'ny asany amin'ny maha tale mpanatanteraka mpanorina azy 16 taona mahery taty aoriana.

Ny Global Voices dia vondrom-piarahamonina iraisampirenena ahitana mpanoratra, mpandika teny, mpikatroka nomerika ary mpikaroka manerana izao tontolo izao, ary miara-miombon'antoka amin'ny tambajotram-pampitam-baovao, mpiaro ny zo nomerika sy fahafaha-miditra torohay. Miasa izahay mba hanamafisana ny feo matetika voahilika amin'ny habaka anjotra, hampiroborobo ny zo ankihy (nomerika), ary hanorina fifandraisana iraisam-pirenena, marofiteny, ary manavatsava kolontsaina.

Tokony ho mpankamamy ireo vina voalaza ao amin'ny fanambaràna ny iraka tanterahanay ireo mpifaninana ho amin'io andraikitra io: manangana fifankahazoana eo amin'ny samy fiaraha-monina, samy kolontsaina ary samy fiteny; manangana torohay azo itokisana anaty tontolo ifandroritana sy mifaningotsingotra; ary manohana ireo sehatra ho an'ny olona hisolo ny tenany sy hanamafy ny fahefana amin'ny tontolom-pampitam-baovao. Ny kandidà mahomby dia hanolo-tena hizaka maharitra tontolom-pifanohanana, hatsaram-panahy ary fahavononana hijery ny olona saro-takarina, maro fiziana, (manana) tantara tsy manam-paharoa, ary fifandraisana isankarazany.

Idealy amin'ny tale mpitantana manaraka ny:

  • Fananana fahazaran-draharaha 5 taona farafahakeliny amin'ny andraiki-mpitantanana ambony
  • Mpitarika manainga fanahy mampita resaka mazava, mihaino tsara ary miombom-pihetseham-po sy mahay mamaly ireo  vondrom-piarahamonina isan-karazany ato amin'ny Global Voices, ao anatin'izany ny fitantanana ny fifandraisana eo amin'ny samy olona sy ny famahana olana.
  • Mahomby amin'ny fampiroboroboana sy fanamafisana ny asan'ny fikambanana, ary misolotena ny fikambanana amin'ny lanonam-bahoaka sy amin'ny resaka ifanaovana amin'ny fiarahamonina.
  • Za-draharaha amin'ny fanaraha-maso ny tetibola sy ny fitantanam-bola tsy mitady tombontsoa ary ny fitantanana ny tao-bola, ny filàna ara-teknika ary ny fitantanana ny mpiasa.
  • Mahafehy ny teknolojia, miompana amin'ny dingana, mahay mandamina tsara ary mahazo aina amin'ny karazan'asa.
  • Mpanoratra sy tonian-dahatsoratra matanjaka, manana fahaizana an-tsoratra sy am-bava amin'ny teny anglisy ary farafaharatsiny fiteny iray hafa.
  • Zatra tsara farafahakeliny ny sasany amin'ny asan'ny atidohan'ny (core) Global Voices, anisan'izany ny asa fanaovan-gazetim-piarahamonina, ny fanentanana sy fikarohana momba ny zon'olombelona ankihy sy anjotra, ny fikatrohana, ny fomba fikarohana an'aterineto sy anjotra, ary ny fanetsiketsehana ny tambajotra sy ny vondrom-piarahamonina ho an'ireo vondrom-piarahamonina tsy dia misy solontena. Tombony ny fahazarana amin'ny fitarihana an'efitrano famoaham-baovao, saingy tsy voatery hananana.
  • Mpandinika fandraharahana, mpifikitra amin'ny fanatanterahana programa sy fisantaran'andraikitra.
  • Mientana sy mahomby amin'ny fanohanana, fandrisihana ary fitarihan-dalana ny ekipa sy ny vondrom-piarahamonina Global Voices  handray andraikitra sy hanolo-tena bebe kokoa.
  • Manatalenta sy zatra fandrafetam-pikambanana sy fitomboana, fitantanana ekipa, fanoritan-dingana, ary famolavolana fitaovana-sy-akora hanohanana ekipa sy vondrom-piarahamonina salama sy matanjaka.
  • Zatra iraisampirenena tsara ary tsy manavia miasa sehatra mitsinjarazara, manerantany, marofiteny samy manana ny soatoaviny.
  • Afaka manao fitsidihana iraisam-pirenena.
  • Afa-miasa anaty fandaharam-potoana miroritra (miovaova) ahafaha-manatontosa fivoriana miaraka amin'ny ekipa sy volantera anaty hasin'ora samihafa, ao anatin'izany ny hariva, ny maraina ary ny faran'ny herinandro.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'io toerana io; Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Ny mpifaninana dia tsy maintsy manana fidirana aterineto haingam-pisosa milamina sy azo itokisana, tsy manavia azy ny miasa amin'ny tontolo virtoaly feno, ary afaka manao fitsidihana iraisam-pirenena raha ilaina. Hanao tatitra any amin'ny Tale Mpanatanteraka ny Tale Mpitantana.

Sitrakay raha kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika olona mpandray anjara amin'ny Global Voices ankehitriny izahay mba hifaninana.

Tambiny: Raisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina ny asa. Hofaritana amin'ny politikan'ny fanonerana miaraka amin'ny talenta sy ny traikefan'ny kandidà ny sandan'ny toerana. Satria virtoaly feno ny Global Voices, tsy miankina amin'ny toerana (onenana) ny sanda.

Ekena arakaraka ny fahatongavany ny fangatahana. Alefaso amin'ny alàlan'ny famenoana etsy ambany ny fangatahanao azafady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.