
Notselarina tamin'ny horonan-tsary “MIJERE MIVANTANA: Tonga ao Macau ny Filoha Shinoa Xi Jinping” ao amin'ny fantsona YouTube South China Morning Post. Fampiasana ara-drariny.
Tonga tao Macau ny filoha Shinoa Xi Jinping tamin'ny 18 Desambra 2024, nandritra ny fitsidihana maharitra telo andro ho fankalazana ny tsingerintaona faha-25 niraisan'ny zanatany Portiogey teo aloha tamin'i Shina.
Hanokana ny lehiben'ny mpanatanteraka vaovao ao an-tanàna, Sam Hou Fai, mpitsara ambony teo aloha teraka sy nianatra tany Shina tanibe, izay hanamarolafy ny toekaren'ny tanànan'ny casino amin'ny taona ho avy ihany koa ny filoha Xi.
Natolotr'i Portiogaly an'i Shina tamin'ny 20 Desambra 1999 i Macau, tanàna atsimon'i Shina ahitana mponina 700.000 eo ho eo, teo ambanin'ny rafitra “Firenena Iray, Rafitra Roa” izay miantoka ny fomba fiaina kapitalista sy ny fizakantena ara-pitantanana avo lenta ao anatin'ny 50 taona farafahakeliny. Nampiharina tany Hong Kong io rafitra politika io rehefa naverina tamin'i Shina ilay tanàna zanatany Britanika teo aloha tamin’ny 1 Jolay 1997.
Lasa ivom-besatry ny filokana tampony maneran-tany i Macau tao anatin'ny roapolo taona, nisongona an'i Las Vegas, satria nankatoavin'i Beijing ny toekarena anjakan'ny casino ao an-tanàna tamin'ny alalan'ny famelàna ireo Shinoan'ny tanibe an-tapitrisany isan-taona handeha ho ao an-tanàna mba hiloka sy hisakafo amin'ny fomba mihaja. Amin'izao fotoana izao, fari-piadidiana mitana ny laharana faharoa manankarena indrindra amin'ny harinkarena faobe isaky ny mponina maneran-tany, aorian'i Luxembourg ny tanàna.
Rehefa nigadona tamin'ny fiaramanidina manokana tany Macau ny mpitarika ambony Shinoa Xi Jinping, dia nanoritsoritra ny tanàna ho toy ny “perla eo amin'ny felatana-”n'ny tanindrazana sy fitaratry ny fotokevitra “Firenena Iray, Rafitra Roa”.
President Xi Jinping has urged the Macao Special Administrative Region to fully leverage the institutional advantages of the practice of “one country, two systems”, work hard and be bold in making innovations to create a brighter future for the cherished pearl of the motherland.… pic.twitter.com/e59qpnkiBL
— China Daily (@ChinaDaily) December 19, 2024
Nanentana ny Fari-pitantanana Manokan'i Macao ny filoha Xi Jinping mba hampiasa feno ny tombotsoan'ny andrim-panjakana amin'ny fampiharana ny “firenena iray, rafitra roa”, hiasa mafy sy ho sahy hanao fanavaozana mba hamoronana hoavy mamirapiratra ho an'ny perla ankamamian'ny tanindrazana.…
Hitokana an'i Sam Hou Fai ho lehiben'ny mpanatanteraka fahefatra ao Macau hatramin'ny niverenan'ny tanàna tamin'i Shina ny filoha Xi amin'ny 20 Desambra. Sam no hany kandidà [mg] nomen'i Beijing tso-drano tamin'ny fifidianana mpitarika ny tanàna tamin'ity taona 2024 ity. Tsy tahaka ireo teo alohany, teraka tao Shina tanibe izy ary nanangana ny asany teo amin'ny sehatry ny lalàna sy ny fifandraisana ara-barotra vitsy eo an-toerana.
Fotoana fohy taorian'ny nanambaran'i Sam ny firotsahany hofidiana, dia nanakiana ny sehatry ny filokana izy noho ny fivoarany tamin'ny “fomba tsy voafehy”. Nivoady izy fa hanatanteraka ny tolo-kevitry ny governemanta foibe ho an'i Macau mba hanamarolafy ny toekareny amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny sehatrasa tsy filokàna, manatsara ny andraikitr'i Macao ho toy ny tetezana eo amin'i Shina sy ireo firenena miteny Portiogey ary mampiditra bebe kokoa ny Greater Bay Area [Faritra Hoala Lehibe].
Mba hiantohana fa azo antoka tsara ny fitetezana fitsirihan'ny filoha Shinoa amin'ny ivom-besatry ny filokana, dia nohamafisin’ ny manampahefana ao Macau ny fepetra fiarovana: napetraka tao amin'ireo vavahadin'ny seranana ny toeram-pisavana, ary voaràra tsy hiditra ao an-tanàna ny fiara mavesatra nanomboka ny 16 Desambra.
Ankoatra ny fanakanana ireo olona saropady ara-politika tsy hitsidika ny tanàna, dia voadona vonjimaika ihany koa ireo diplaomaty, araka ny fampandrenesana napetraky ny Kaonsilàn'i Etazonia ao Hong Kong sy Macau:
This incident occurs ahead of Xi Jinping's visit to #Macau . While HK activists are familiar with the practice of the city's tight entry restriction during “sensitive times”, pushing the policy further to foreign diplomats is seemingly the first time. https://t.co/VxeVkdQVQY
— Michael Mo (@michaelmohk) December 18, 2024
Nitranga alohan'ny fitsidihan'i Xi Jinping tao #Macau ity tranga ity. Raha mahazatra ny mpikatroka ao HK ny fampiharana ny famerana mafy ny fidirana ao an-tanàna mandritra ny “fotoana saro-pady”, toa sambany ny fanosehana ny politika ho any amin'ireo diplaomaty vahiny.
Naato vetivety ihany koa ny tolotra fitaterana, anisan'izany ny lalamby maivana sy ny sambo. Naneso ny fepetra ny mpisera X (Twitter taloha) @FY4Chan:
This is presumably because of Xi Jinping's to Macau… and a paranoid fear that someone will travel over by ferry from Hong Kong to try to assassinate — or just protest in front of — him?! https://t.co/jkP6b7s5NU
— YTSL (@FY4Chan) December 18, 2024
Azo inoana izany noho i Xi Jinping ho any Macau… sy ny tahotra mafy sao misy olona hivezivezy amin'ny sambo avy any Hong Kong hiezaka hamono — na hanao fihetsiketseham-panoherana fotsiny eo anoloany?!
Fanampin'izany, nilazana ireo mpikatroka ara-politika, anisan'izany ireo mipetraka ivelan'i Macau, mba tsy haneho hevitra amin'ny media sosialy momba ny fitsidihan'i Xi. Ohatra, Jason Chao, mpikatroka nifindra monina tany Angletera, nahazo hafatra an-tsoratra avy amin'ny tompon'andraikitry ny filaminana avy any Shina Tanibe andro vitsivitsy mialoha ny tsingerintaona faha-25, mandrisika azy tsy hanao tabataba izay manelingelina ny rivo-piainana mirindra mandritra ny fotoan-dehibe.
As Xi Jinping arrives in Macau for the 25th anniversary of the handover, Macau activist Jason Chao, now exiled in the UK & a UK citizen, was warned against making “inharmonious” statements on social media or to the media. #TransnationalRepressionhttps://t.co/LpN2uI8Mqe
— Hong Kong Democracy Council (@hkdc_us) December 18, 2024
Rehefa tonga tao Macau i Xi Jinping tamin'ny faha-25 taonan'ny famindram-pahefana, dia nampitandremana ilay mpikatrok'i Macau Jason Chao, an-tsesitany any Angletera amin'izao fotoana sady olom-pirenena anglisy, mba tsy hanao fanambaràna “tsy mampirindra” amin'ny media sosialy na amin'ny media.
Nesorina an-keriny ny fandrakofana vaovao lafiny ratsy. Nampahafantatra ny mpamaky azy tao amin'ny Facebook ny famoaham-baovao tsy miankina amin'ny aterineto All About Macau fa noterena hamafa ny tatitra momba ny fepetra ara-piarovana ao Macau izy ireo. Hoy ny lohatenin'ny tatitra hoe: “Fantatra fa hitsidika an'i Macau rahampitso i Xi Jinping, nohamafisina ny fepetra ara-piarovana amin'ny toerana maro, nakatona ny fitoeram-piantsonan'ny milina sy ny môtô. Naneso ny mpiserasera hoe: natao toy ny tafika ny ahitra sy ny hazo”(習近平明來澳 多處疑加強戒備 售賣機、電單車位等被封 網民嘲:草木皆兵).