
Saina Revolisionan'i Syria. Sary noforonin'i Rami Alhames tao amin'ny Canva Pro.
Andro iray izay hanakoako mandrakizay ao am-pon'ny Syriana ho toy ny jiroben'ny fanantenana sy fahaterahana indray ny andron'ny 8 Desambra 2024. Androany izahay mankalaza ilay fotoana efa nandrasana hatry ny ela dia ny firodanan'i Bashar al-Assad, ilay mpanao jadona izay nitàna an'i Syria tamin'ny tehim-by nandritra ny 13 taona mahery hatramin'ny fitroarana tamin'ny taona 2011 sy taorian'ny nitondran'ny fianakaviany ny firenena nandritra ny 54 taona. Midika fiposahan'ny vanim-potoana vaovao ho an'ny firenena maniry fahafahana sy rariny ity fotoana ity, izay nandinganan-drà sy hatsembohana ary ranomason'ireo Syriana be herim-po tsy hita isa.
Niparitaka toy ny afo ny vaovao fandosiran'i Assad tany Rosia, nandrehitra fifaliana manerana an'i Syria sy ireo Syriana an-tsesitany. Izany no andro nofinofisinay sy nivavahanay ary nitolomana ho tratrarina. Vavolombelona nandritra ny fotoana ela loatra ny faharavan’ny tanindrazanay, ny fahafatesan’ireo havana malalanay ary ny fijaliana tsy takatry ny saina nihatra tamin’ireo sivily tsy manan-tsiny izahay. Amin'izao fotoana izao, niova ho sento iraisana sy firongatry ny fanantenana ireny taona feno fahoriana ireny.
Mieritreritra ny 13 taona nitolomana
Tena sarotra ny lalana nahatongavana tamin'ity fotoana manan-tantara ity. Tamin'ny volana Martsa 2011, rehefa nidina an-dalambe voalohany nitaky ny fahamendrehana, ny fahafahana ary ny fanavaozana ny vahoaka Syriana, dia niatrika fitondrana izay namaly tamin'ny bala sy ny baomba. Nisedra hery bontolon'ny jadona mifikitra mafy amin'ny fitondrana ny fihetsiketsehana am-pilaminana tamin'ny Lohataona Arabo. Nandritra ny taona maro, nivadika ho ady an-trano nandravarava izay namoizana ain’olona an’hetsiny sy namindrana toerana olona an-tapitrisany ny ady.
Nandritra ny 54 taona, naneho ny famoretana, ny tahotra ary ny fandringanana ny fitondran'i Assad. Lasa korontam-bato avokoa ny tanàna rehetra, ary rava nandritra ny 13 taona farany ny fianakaviana noho ny baomba amin'ny barika sy ny fanafihana simika ary ny fanagadrana faobe. Na izany aza, tao anatin'ny haizina, namirapiratra ny faharetan'ny vahoaka Syriana. Nanao vivery ny ainy ireo mpikatroka, mpanao gazety ary olom-pirenena tsotra mba handraketana ny habibian'ny fitondrana [mg], ho fitazomana ny fanahin'ny fanoherana ho velona, ary hampahatsiahy izao tontolo izao ny fahorian'i Syria.
This our revolution
This #daraya the town of 1000 under torture martyrs pic.twitter.com/12c9JSDGRA— Afraa.hashem (@3fra2_hashem) July 27, 2018
Revolisionantsika ity
#daraya, tanàna misy martiora 1000 niharan'ny fampijaliana
Matetika niovaova teo anelanelan'ny tsy firaharahiana sy ny tsy fahombiazana ny setriny avy amin'ny fianakaviambe iraisampirenena [mg]. Nanamafy ny fifikirany ny fahefana, nanalava ny fijalian'ny vahoaka Syriana ny fiarahan'ny fitondran'i Assad tamin'i Rosia sy Iran, ny Hezbollah, ary/na ny fahanginan'ny Arabo aza. Saingy tsy nilavo lefona ny Syriana. Avy any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana any amin'ny firenena mifanila hatrany amin'ny araben'ny tanàna afaka, mbola mitoetra ny nofinofin'ny Syria afaka.
Ny firodanan'ny mpanao jadona

‘Hamza Al-Khateeb misambotra an'i Assad.’ Zavakanto avy amin'ilay Breziliana mpanao sariitatra ara-politika Carlos Latuff, sary azon'ny rehetra ampiasaina, avy amin'ny Wikimedia Commons. Zazalahy Syriana 13 taona i Al-Khateeb izay novonoina teo am-pelatanan'ny governemanta Syriana tao Daraa tamin'ny volana Aprily 2011. Niteraka fihetsiketsehana faobe nanohitra ny fitondrana ny fahafatesany.
Amin'ny maha Syriana anay, fantatray fa tsy tonga mora izany fandresena izany. Vokatry ny fahafoizan-tena an-taonany maro nataon'ireo maritiora, ny ezaka tsy nitsahatra nataon'ireo mpiady ho amin'ny fahafahana, ary ny feo tsy nilefitra nataon'ireo mpikatroka tsy nety notampenam-bava izany. Fandresena nateraky ny firaisana sy ny firaisankina ary ny finoana tsy azo hozongozonina amin’ny foto-kevitry ny fahafahana sy ny hasin’olombelona izany.
Lasa i Assad, mijoro eo amin'ny tokonam-baravaran'ny fiandohana vaovao i Syria. Tsy tapaka olana ny lalana anoloana. Mitaky fotoana sy ireo loharanon-karena ary indrindra indrindra fampihavanana ny fanarenana ny firenena rava noho ny ady. Saingy sambany tao anatin'ny folo taona mahery, afaka mibanjina ny hoavy ahafahan'ny Syriana miaina am-pilaminana, tsy misy tahotra sy fampahoriana [mg] izahay.
Fotoana iray izao hanasitranana ny ratran'ny lasa sy hanorenana lalana mankany amin'ny fiarahamonina demokratika sy iraisan'ny rehetra. Fotoana iray hananganana indray ireo andrim-panjakana, hamerina ny tany tan-dalàna, ary hiantoka fa heno sy hajaina ny feon'ny Syriana rehetra — na inona na inona foko, fivavahana, na firehana ara-politika ananany.
Ho mariky ny fanavaozan'i Syria ny fiverenan'ireo mpitsoa-ponenana [mg] any an-tanindrazany. Ho afaka hihaona indray ireo fianakaviana voatery nandositra, hamerina ny tranony ary handray anjara amin’ny fanarenana ny tanindrazany. Hanana fahafahana hivoatra ao anatin'i Syria afaka sy milamina ireo ankizy lehibe tany amin'ny toby na tany an-tsesitany.
Mandroso
Eo am-pankalazantsika ity fotoana manan-danja ity dia aoka hotsarovantsika fa manomboka izao ny asa fanarenana an'i Syria. Asa izay mitaky ny fandraisan'ny Syriana rehetra anjara, na eto an-toerana na any ivelany. Miaraka isika mba ahafahana mametraka ny fototra ho an'ny firenena miorim-paka amin'ny rariny, ny fitoviana ary ny fahafahana.
Andeha isika hanolo-tena amin'ny ho avy izay tsy hiverenan'ny horohoro taloha intsony. Andeha isika hiantoka fa ny zanatsika dia lehibe ao amin'ny Syria izay ahafahan'izy ireo manonofy an-kalalahana sy manatratra ny otrikeriny feno. Andeha isika hamadika ny fanaintainantsika ho lasa tanjona ary ny fanantenantsika ho hetsika [mg] ao “Syria, tanindrazan'ny olona afaka sy fahafahana,” hoy i Malek Jandali, Syriana-Amerikana mpamoron-kira sy mpitendry piano, tao amin'ny hiram-pahatsiarovana ny 8 Desambra.
ســـــــوريـا ســــــــــوريـا وطن الأحرار والحرّية pic.twitter.com/2ggxK6t4V3
— Malek Jandali | مالك جندلي (@MalekJandali) December 8, 2024
Syria! Tanindrazan’ olona afaka sy tanin'ny fahafahana.
Syria, Syria! Tany misy voam-bolamena.
Ry tanindrazana, fon'ny sivilizasiona, Ny lovany dia nanentana ny mpanora-dalàna.
Tanindrazana manankaja, toeram-pialan'ny maritiora.
Mamirapiratra ny masoandrontsika, manidina eny amin'ny habakabaka avo ny voromahery.
Ry tanindrazako, reniranon'ny hatsaran-toetra. Voasokitra amin'ny takela-bato sy vato ny voninahiny. Tanindrazan'ny mpaminany, ny abidy sy ny mozika.
Mivavaka amin’Andriamanitra izahay, mba tsy hisaraka amin’ny taniko, ny fianakaviako, ny sahan’olivan’ny raibeko, ary ny tanan’ny ankizy.
Tanin'olona afaka sy fonenan'ny fahafahana.
Syria Syria! Tanindrazan'olona afaka sy tanin'ny fahafahana.