Milaza zavatra maro amintsika momba ny IA sy ny hoavin'ny fimaroana ara-pitenenana ireo tanàna efatra ao Tibet

Tranombakoka ara-kolontsaina Tibetana an'i Rebgong, naorina teo amin'ny tany azon'ny governemanta avy amin'ny vondrom-piarahamonina miteny Manegacha ao Nyantok. Sary avy amin'i Gerald Roche. Nahazoana alalana.

Mpampianatra mpiara-miasa amin'ny resaka politika ao amin'ny Oniversiten'i La Trobe any Melbourne, Aostralia, i Gerald Roche izay mampifantoka ny asany amin'ny fahefana, ny fanjakana, ny fanjanahantany ary ny fanavakavaham-bolon-koditra. Navoakan'ny Cornell University Press ny singanasany etsy ambany ary naverina navoaka eto indray araka ny alalana azo.

Tsy hamonjy ny fitenin'izao tontolo izao ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA). Zara raha hitondra fiovana ho an'ireo vondrom-piarahamonina an'arivony manerana izao tontolo izao izay iharan'ny fanerena amin'izao fotoana izao izany ka handraisany ireo fiteny manjaka. Fantatro izany noho ny lesona azoko raha nahazo fianarana tamin'ny tanàna efatra tao Tibet aho.

Raha mahazo torohay any an-kafa ianao – raha mihaino ireo mpaminanin'ny Silicon Valley ianao, ohatra – dia mety ho feno fientanentanana amin'ny fahafahan'ny IA hamonjy ireo fiteny ahiana ho lany tamingana eto amin'izao tontolo izao. Toa mandroso (haingana) isika.

Tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity, namoaka lahatsoratra tao amin'ny diary Nature ny mpahay siansa miasa ao amin'ny Meta mampiditra ny tetikasany “Tsy misy fiteny tavela”, izay mikendry ny hanangana “rafitra fandikan-teny manerantany” izay hanohana ireo fiteny tandindonin-doza. Tamin'io volana io ihany, nanambara ny fanampim-piteny vaovao 110, ao amin'ny Google Translate, i Google, anisan'izany ny fiteny Tibetana, ny Kantoney ary ny Afar. Ho setrin'ny fivoarana tahaka ireny, maro ireo mpanao gazety, orinasan'ny teknolojia ary ireo mpampianatra sekoly ambony nipoitra hihira ny fiderana ny IA sy ny fahafahany hamonjy fiteny avy any Amazonia ka hatrany amin'ny Arktika.

Mirakitra tsikaritra maromaro izay tokony hampitony ny fientanentanantsika ny bokiko vaovao mitondra ny lohateny hoe “The Politics of Language Oppression in Tibet“. Soritsoritan'ny boky ny valo taona niainana sy niasana tao amin'ny Lembalemba Tibetana avaratra atsinanan'i Shina, narahin'ny fikarohana nandritra ny taona maro tany amin'ny tanàna efatra izay misy Tibetana manodidina ny 8.000 miteny fiteny miavaka antsoina hoe Manegacha.

Ny zavatra azoko tao amin'ireo tanàna efatra ireo dia ny hoe raha tsy misy fiovana goavana ny fifandraisana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-politika, dia tsy hahatratra ireo vondrom-piarahamonina izay mila azy indrindra ny IA.

Toeram-pianakaviana iray, ahitana tokotany hodidinin'efitrano maromaro, ao Tojya, iray amin’ireo tanàna asongadina ao amin’ilay boky. Sary avy amin'i Gerald Roche. Nahazoana alalana.

Voalohany – ny lafiny ara-toekarena. Matetika simba noho ny fandavan'ny fanjakana hanome azy ireo ny fitaovana ilainy hiroboroboany ny fiteny tandindonin-doza. Ahitana fiteny 300 eo ho eo ao Shina, saingy mankany amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena iray, ny mandarin, ny ankamaroan'ny fitaovana. Tsy mahazo fanohanana ara-pitaovana avy amin'ny fanjakana ny fiteny toy ny Manegacha, noho izany, tsy misy sekoly, tsy misy boky, tsy misy fampahalalam-baovao, tsy misy famantarana eny an-dalambe, tsy misy fandikan-teny ara-pitsaboana na serivisy vonjy taitra. Tsy misy na inona na inona. Tsy hampiasa ny hareny amin'ny paika mandany vola sy mitaky mpiasa amin'ny famolavolana IA ho azy ireny ny fanjakana izay minia manafoana ny fiteny maro. Noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola ho an'ny fitenin'ny vitsy an'isa sy indizeny maneran-tany, azoko heverina fa tsy ho irery i Shina amin'izany.

Manaraka izany ny lafiny ara-piarahamonina. Olona matetika atao anjorom-bala, tsy nahazo fanajana ary avakavahana ireo mampiasa fiteny atahorana ho fongana. Mety mandray anjara mivantana amin’izany ny fanjakana, na mety tsy hanasazy fotsiny izao ireo mpanitsakitsaka. Any Shina, napetraka ho vahoaka tratra aoriana ara-kolontsaina ny Tibetana ary mety ho mpisintaka amin'ny Han maro an'isa. Nefa miatrika fanavakavahana avy amin'ny Tibetana hafa ho vitsy an'isa ara-pitenenana ireo mpiteny Manegacha manoloana ny vondrom-piarahamonina Tibetana ankapobeny. Na aiza na aiza onenan-dry zareo, miatrika endrika fanamboniana sivilizasiona, famoretana manavakava-bolonkoditra na fanavakavahana ara-kolontsaina ireo olona mampiasa fiteny atahorana ho fongana. Tsy hanao na inona na inona ny Ilontsaina Arafitrolombelona hanaisotra ny tombontsoa sy ny zava-poana izay mahatonga ny fiteny ho tandindonin-doza.

Ny tanànan'i Rongwo. Miitatra mianavaratra ilay tanàna (ilany havanana amin'ny sary), miròna mankany
amin'ireo tanàna miteny Ngandeghua sy Manegacha. Ny tendrony avaratry ny tanàna dia efa naorina teo amin'ny tany azo avy amin'ny Nyantok, vondrom-piarahamonina miteny Manegacha. Sary avy amin'i Gerald Roche. Nahazoana alalana.

Farany, misy ny lafiny politika. Matetika ny vondrom-piarahamonina mampiasa fiteny tandindonin-doza tsy afaka manatsara ny toe-javatra iainany ara-pitaovana na ara-piarahamonina satria voabahan'ny andrim-panjakana sy ny dingana ara-politika. Lavina ny zony hizaka tena ary voahitsakitsaka ny zony ara-politika sy sivily. Voafetra tanteraka ny fiarahamonim-pirenena ao Shina, ary tsy afaka mihetsika hiaro ny zony izay lavina hatrany ireo vondrom-piarahamonina madinika sy marefo toa an'ireo mpiteny Manegacha. Tsy hanova izany toe-draharaha ao Shina izany ny Ilontsaina Arafitrolombelona, ary tsy hitondra anjara biriky amin'ny fiarovana ny demôkrasia ao anatin'ny tontolo iray miha-voarahona hatrany. Mitranga izany satria fikambanana tsy demokratika amin'ny ankapobeny ireo orinasa mifehy ny teknolojia IA ary fitadiavan-tombom-barotra ny antom-pijoroany fototra, fa tsy ny fanafahan-tena ara-politika.

Raha mijery izao tontolo izao avy amin'ny fomba ijerena ireo tanàna efatra ao Tibet ireo, dia mazava fa tsy afaka mamaha ny olana ara-pitaovana, ara-tsosialy ary ara-politika izay mahatonga ny fiteny manerantany ho tandindonin-doza ny Ilontsaina Arafitrolombelona. Ao amin'ny famehezana ny bokiko no nanoroana hevitra amin'ny fomba ahafahantsika manomboka mandroso mankany amin'ny vahaolana mahomby kokoa amin'ny alàlan'ny fananganana firaisankina iraisampirenena mikatsaka fanovan-drafitra misy lanjany. Mbola lavitra anefa ny lalantsika, be ny tokony hatao ao anaty fotoana kely loatra ka ho sondriana amin'ny fampanantenana poakaty ataon'ireo orinasan'ny teknolojia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.