
Naborak'ilay Taioaney rapper, Chen Po-yuan, tao anaty lahatsary iray niparitaka be, ny fomba nahalasa azy ho mpitaon-kevitra miasa ho an'i Beijing. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny FunTV .
Efa am-polon-taona maro izao no tsiambaratelo tsy miafina amin'ny rehetra ny fitaoman-kevitr'i Shina ao anatin'ny pôlitikan'i Taiwan. Na izany aza, lasa zavatra hain'ny daholobe ny sasany amin'ireo tetikadim-panjakana, rehefa nisy mpisintona lakolosy iray avy amin'ny tambajotran'ireo mpitaon-kevitra miasa ho an'i Shina namboraka ho fantatry ny rehetra ny fiasan'ireo masoivohom-panjakana avy amin'ny tanibe shinoa ao anatin'ilay faritra mizaka tena.
Chen Po-yuan no ilay mpisintona lakolosy, Taioaney iray mpihira Rap fantatra amin'ny famokarany hira rap malaza izay manako miaraka amin'ilay hetsika mpandala fampitambarana ny tanibe shinoa.
Teraka tamin'ny 1999, nandeha tany amin'ny tempolin'i Shaolin ao amin'ny faritanin'i Henan ilay rapper mba hianatra ireo haiady shinoa, fony izy vao 13 taona ary taorian'izay dia nianatra tao amin'ny oniversiten'i Huaqiao, ivontoerana iray miaraka miasa amin'ny Departemantan'ny asa ao amin'ny Mandatehezana mitambatry ny antoko kaominista shinoa (CCP) ao amin'ny faritanin'i Fujian.
Ny 6 Desambra 2024, tao anaty lahatsary iray maharitra 40 min, novokarin'ilay YouTuber mpanohitra ny CCP, Pa Chiung, dia niteny i Chen ary nanazava ny fomba nahatonga azy ho mpitaon-kevitra mpomba ny CCP. Nandritra ny valanaretina COVID-19 dia nofaritana ho toy ny tanora taioaney iray tia tanindrazana tao Shina izy taorian'ny namokarany hira rap iray nandrisihana ny olona hanaraka ireo fepetra natao hifehezana ilay valanaretina.
Kanefa, tafalatsaka tao anatin'ny fisolokiana ara-barotra noketrehan'ilay zanakalahin'ny tomponandraikitry ny CCP tao Fujian izy, ary rehefa nanandrana nanenjika ilay mpiara-miasa ara-barotra taminy izy, dia nosokajiana ho mpanakanto tsy miankina mpomba an'i Taiwan, ary namely azy daholo ireo tia tanindrazana tanaty tambajotra avy ao amin'ny tanibe shinoa. Avy eo dia tsapany fa tsy misy ny fitoviana ao anatin'ilay rafitra pôlitika tsy misy afa-tsy antoko tokana. Nampitandrina izy:
若繼繼續和中共合作,我們絕對不是像香港那樣子…我們會變成下一個新疆。
Raha tohizantsika ny fiarahana miasa amin'ny antoko kaominista shinoa, azo antoka tsy hitovy amin'i Hong Kong mihitsy isika…. isika no ho lasa Xinjiang manaraka.
Nokianin'ny fianakaviambe iraisampirenena i Shina noho ireo fepetra famoretana nataony an'ireo Uygurs tao amin'ny faritaniny ao Xinjiang rehefa mody nolazainy hoe famaizana ny asa fampihorohoroana.
Araka izany dia niverina nankany Taiwan i Chen ary niaraka niasa tamin'i Pa Chiung mba hamaky bantsilana ny fomba ataon'ireo masoivohom-panjakan'ny tanibe shinoa hamatsiana vola ireo Taioaney mpitaon-kevitra mba hanembantsembanana ny fomba fijerin'ny daholobe ny fifandrasain'ny roa tonta.
Taorian'ny nandosiran'ny antoko nitondra teo aloha, Kuomingtang (KMT) tao amin'ny Repoblikan'i Shina (ROC), niala ny tanibe Shina rehefa resin'ny CCP tamin'ilay Ady an-tranon'ny Shinoa, dia lasa fanjakana mizaka tena ‘de facto’ i Taiwan. Araka ilay fotokevitra Shina Tokana, nohitrikitrihan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (PRC) ny fiandrianam-pireneny amin'i Taiwan ary, tato anatin'ny taona vitsy, nanaovany tsindry ny fampitambarana amin'i Taiwan mifanaraka amin'ilay paikadiny “Firenena Tokana Rafitra Roa” na amin'ny fampiasàn-kery.
Araka ny tatitra 2022 an'ny Freedon House, iarahany amin'ny fanjakana amerikàna, momba ny dindo manerantanin'ny media ao Beijing, ambony be ny laharan'i Taiwan (55/85), ary tafiditra ao anatin'ny paikadiny ny fifanomezan-tànana amin'ireo media ao an-toerana, ny famatsiana vola ny fivahinianan'ireo mpanao gazety mankany Shina, fanohanana ireo mpitaon-kevitra anaty tambajotra, fananganana fifamatorana ara-barotra, ny fanaovana fampielezakevitra sy fanelezana vaovao tsy marina, sns.
Tany aloha, ny Jona 2024, nisy Taioaney iray hafa, YouTuber, Potter King, namboraka hoe nanatona azy ireo masoivoho avy any amin'ny tanibe Shina, niampy ireo mpitaon-kevitra hafa, mba hanangana antoko pôlitika iray ary hamatsy ny fandehanan-dry zareo mankany Shina. Kanefa, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny besinimaro ilay tranga satria i Potter King dia fantatra amin'ny maha-mpanohana DDP azy.
Tamin'ity in-dray mitoraka ity, zendana ireo vahoaka taioaney satria avy ao anatiny ihany ilay ampamoaka, satria i Chen dia mpitaon-kevitra fantadaza mpomba an'i Shina izay manana mpankafy an-tapitrisa any amin'ny tanibe Shina.
Ao anatin'ilay lahatsary niely be, nanao antso an-telefaona maro nankany amin'ireo masoivoho any amin'ny tanibe Shinoa i Chen, isan'izany ilay Taioaney taloha, Li Dongxian, tonian-dahatsoratry ny Strait Herald ary mpifandray avy amin'ny departemantan'ny mandatehezana mitambatra ao Wuyishan, izay nanasa an'i Chen hamokatra hira rap maromaro kokoa ho fankalazàna an'i Shina sy hanakianana ny antoko DDP mitondra an'i Taiwan ary hitondra mpitaon-kevitra hafa ho any Shina.
Nandritra ny resaka an-telefaona, nitanisa Taioaney maro mpitaon-kevitra ireo masoivoho any amin'ny tanibe, narahana sarinteny milaza fa mpiara-miasa amin-dry zareo izy ireny. Nanome toky i Chen fa hitondra porofo bebe kokoa, anaty lahatsary iray hafa vao hovokariny, momba ny fiahian'i Beijing an'ilay tambajotrana mpitaon-kevitra mpomba ny shinoa ao Taiwan.
Satria lasa niely be ilay lahatsary fijoroana vavolombelona avy amin'i Chen Po-yuan, nofafàn'ireo manampahefana ao amin'ny tanibe avokoa izay rehetra votoaty an-tambajotra ahitàna ny anaran'i Chen mba tsy ho hita eny anatin'ireo sehatra media sôsialy shinoa.
Tamin'ny 8 Desambra, ny filankevitry ny fandraharahàna ao Taiwan dia namoaka fanambaràna iray nanipihany fa:
Araka ny voalazan'ny Lalàna miady amin'ny fitsikilovana, tsy misy na iza na iza ekena ho azo omena alàlana hanaiky taridàlana, baiko na vola avy amina hery fahavalo avy any ivelany mba hanaovana hetsika hanakorontana ny filaminana sôsialy, hanelezana vaovao diso na hanembantsembanana ny fifidianana.
Satria ny ankamaroan'ireo mpitaon-kevitra mpomba an'i Shina ao Taiwan dia manaparitaka fijery tsara an'i Shina amin'ny alàlan'ny fandaharanasa lahatsarin-dry zareo momba ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin'ny tany roa tonta sy ireo fitsidihana fizahantany, ny hetsika ataon-dry zareo dia mipetraka anaty rafi-dalàna manjavozavo, toy ny notsipihan'i Salome Wang tao amin'ny Voice Tank, tambajotra sôsialy/pôlitika mifàka ao amin'ny Facebook.
Anatin'ny toejavatra tahaka izany, i Puma Shen, mpanao lalàna, dia nanosoka hevitra hoe ireo mpampihatra lalàna ao Taiwan dia hifantoka amin'ny fanadihadiana an'ireo mpanelanelana, indrindra fa ireo mpisera dia, ireo fikambanan-jiolahy, ireo eny amin'ny anjerimanontolo, ireo mpandraharaha ary na ireo mpanao lalàna aza, izay manampy ny governemanta ao amin'ny tanibe Shina amin'ny asa fampielezankevitra ataony sy ny fametrahana rafitra ahafahan'ny vahoaka mitoroka ny hetsik'ireo mpitaon-kevitra avy ao amin'ny “mandatehezana mitambatra”.
Kanefa, satria ny fahalalahana maneho hevitra dia vato fehizoron'i Taiwan demaokratika, tsy tokony ho lany andro handemy ireo mpitaon-kevitra mpomba an'i Shina, fa nanosoka hevitra hevitra ny sasany hoe ireo Taioaney mpampiasa media sôsialy fa tokony hamaly bontana ny fampielezankavitry ny tanibe shinoa amin'ny alàlan'ny fandefasana sary miabo momba ny kolontsaina sy ny pôlitikan'i Taiwan eny anaty tambajotra sôsialy. Raha dinihana, avo dia avo (74/88) koa ny fahaiza-miatrika avy ao anatiny asehon'i Taiwan amin'ny fitaoman-kevitra ataon'i Beijing, araka ny tatitra 2022 navoakan'ny Freedom House.