Ao Azerbaijan, lasibatry ny manampahefana indray ny mpanao gazety, nosamborina

Ireo mpanao gazetin'ny Meydan TV nosamborina. Sary nampindramin'ny Meydan TV.

Tamin'ny 6 Desambra, nisambotra mpanao gazety enina hafa ny polisy tao Baku renivohitr'i Azerbaijan, ao anatin'izay heverina ho andiam-pisamborana nanaraka ny COP29. Avy amin'ny sehatra fampahalalam-baovao tsy miankina fanta-daza Meydan TV efa sesitany avokoa ireo mpanao gazety enina ary voampanga tamin'ny fomba ofisialy ho nanao fanondranana an-tsokosoko sy nampidirina am-ponja vonjimaika efa-bolana tamin'ny 8 Desambra.

Efa nampiasaina namelezana ireo mpanao gazety avy amin'ny Abzas Media, Toplum TV ary Kanal 13 nanomboka tamin'ny Novambra 2023 ihany koa ireo fiampangana ireo. Nosamborin'ny polisy ihany koa ilay mpiaro ny zon'olombelona malaza Rufat Safarov sy ilay mpanao politika mpanohitra Azer Gasimli. Voaheloka higadra efa-bolana am-ponja alohan'ny fitsarana ihany koa izy ireo — voampanga ho nanao hosoka sy fihetsi-jiolahimboto i Safarov ary noho ny fakana vola an-kafetsena an'i Gasimli.

Fisamborana indray miaraka

Niara-nohazonina tamin'ny 6 desambra ry zareo. Notanana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Haydar Aliyev i Ramin Jabrayilzade (Deko). Nosamborina tao an-tranony ny mpanao gazety roa, Aytaj Ahmadova sy Khayala Aghayeva. Notazonina teo ivelan'ny biraony raha handeha hisakafo antoandro iny i Natig Javadli, ary avy ao amin'ny hotely ivelan'i Baku izay nanaovany fialan-tsasatra i Aysel Umudova. Tsy afa-nifandray tamin'ireo mpanao gazety rehetra ny Meydan TV tamin'ny 6 Desambra tokony ho tamin'ny 4 ora folakandro ora ao Baku. Nosamborin'ny polisy ihany koa i Ulvi Tahirov, tale lefitry ny Sekolin'ny Asa Fanaovan-gazetyao Baku. Niara-niasa tamin'ny Meydan TV ity farany tamin'ny fanofanana sy fanabeazana isan-karazany ho an'ny tanora sy izay maniry ho mpanao gazety.

Nitohy ny fitanana an-tranomaizina tamin'ny 7 desambra. Anisan'ireo notanana sy nohadihadiana i Kamran Mammadli, mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby, sy Ahmad Mukhtar sy Rashad Ergun samy mpanao gazety, ary ny roa amin'ireo havan'ny voatana: Elnur Jabbarzade sy Yunis Rzayev.

Raha navotsotra taorian'ny famotorana i Mammadli, Jabbarzade ary Rzayev, dia voaheloka higadra ara-panjakana 20 andro noho ny hetsi-jiolahimboto sy ny fanoherana ny fiampangan'ny polisy ilay mpanao gazety Ahmed Mukhtar.

Nanamafy ny mpisolovavan'i Kamran Mammadli fa nampijaliana nandritra ny fihazonana azy ilay mpiaro ny zon'ny biby.

Nilaza tamin'ny mpanangom-baovao ireo mpisolovava nisolo tena ny mpanao gazety fa natao famotorana tsy misy mpisolovava avokoa izy rehetra. Nohamafisin'ny Meydan TV tamin'ny Global Voices fa nisy famotorana fihodinana faharoa natrehi-mpisolovava.

Ankoatra ny mpanao gazety, nosamborin'ny polisy tamin'ny 8 Desambra ihany koa ny mpanao politika mpanohitra Azer Gasimli. Teny an-dalana haka ny zanany nanao fanazaran-tena baolina kitra i Gasimli no nosamborin'ny polisy ary nentina tany amin'ny departemantan'ny polisy ao an-tanànan'i Baku, izay nilazana taminy ny fiampangana azy ho maka vola ankafetsena.

Nosavain’ny polisy ny tranon’ireo voasambotra ka nogiazana avokoa ny fitaovany.

Tao anaty fanambaràna iray navoakan'ny Meydan TV, nolavin'ny seha-baovao ireo fiampangana: “Izahay, amin'ny maha-mpitantana ny Meydan TV anay, dia manambara amin'ny fomba hentitra fa tsy ara-dalàna ny fanagadrana sy ny fakana am-bavany ireo mpanao gazety, ary lavinay ny fiampangana rehetra.”

Tohizan'i #Azerbaijan ny manao ireo mpanao gazety mahaleotena ho lasibatra. Ny famoretana farany dia ny fitazonana mpanao gazety dimy ao @MeydanTV noho ny antony mazava ara-politika. Miantso ny hamotsorana azy ireo tsy misy hatak'andro izahay ary hatsahatra ity antsojay ity.

Tsy vao sambany ny Meydan TV no lasibatry ny manampahefana ao Baku. Nandritra ny 10 taona mahery nisiany, niatrika fiampangana hosoka ireo mpanao gazety ao amin'ny efitrano famoaham-baovao, voarara tsy handranto dia, ary nosakanana ao Azerbaijan ny tranonkalan'ny sehatra. Niatrika andiam-panafihana ankihy ihany koa izy ireo, anisan'izany ny fijirihana sy ny fanafihana DDoS tao amin'ny tranokalan-dry zareo.

Tamin'ny taona 2014, taorian'ny andiam-pisamborana, nanapa-kevitra ny hanakatona ny biraony hita vatana tao an-drenivohitra ny efitrano famoaham-baovao noho ny tahotra fanenjehana sy valifaty. Nanomboka teo, nivadika tanteraka hanao asa an-tsesitany ny efi-pamoaham-baovao sady miantehitra amin'ny ekipa mpanao gazety mazoto eny an-kianja.

Nahazo fankatoavana iraisampirenena ny tatitry ny efi-panoratam-baovao. Tamin'ny taona 2017, nahazo ny Loka Free Media an'ny Fritt Ord Foundation ny Meydan TV, ary tamin'ity taona 2024 ity izy ireo no mpifaninana famaranana amin'ny World Justice Challenge.

Fanalam-baraka faobe

Mirotsaka tsara amin'ny ezaka fanimbana lazan'olona sy fikambanana ireo media miara-milahatra amin'ny governemanta Azerbaijani. Talohan'ny fisamborana ireo mpanao gazetin'ny Abzas Media sy Toplum TV, nataon'ny tranokalam-baovao anjotra mpomba ny governemanta lasibatra izy ireo, milaza fa novatsian'ny governemanta tandrefana, indrindra fa i Etazonia, mba hampiely fitantarana tsy ho tia an'i Azerbaijan ny Toplum TV, Abzas, ary ireo hafa.

Araka izany, tsy mahagaga raha nisy “andiam-pamotorana” navoaka hatramin'ny nisamborana ireo mpanao gazetin'ny Meydan TV mamerimberina ilay fitantarana ofisialy — milaza fa tafiditra amin'ny raharaha “famotsiam-bola” sy “hetsika maizina” ireo mpanao gazetin'ny Meydan TV. 

Hita ara-tantara ary ikirizan‘ny manampahefana ao Azerbaijan ny fampanginana ny fampitam-baovao tsy miankina. Nanery tsikelikely ireo mpanao gazety avy amin'ny fampitam-baovao mahaleotena sy mpanohitra ho anjorom-bala ireo andiam-pameperana nampidirina hatramin'ny fahaleovantena, ary ho sesitany kosa raha ny an'ny Meydan TV.

Ankoatra ny fisamborana sy ireo endrika fampitahorana sy fanaratsiana isan-karazany, nampiditra fanitsian-dalàna maromaro hamerana bebe kokoa ny fahalalahan'ny media ny governemanta. Ohatra farany indrindra amin'ny fepetra toy izany ny lalàna momba ny Media, izay nanan-kery tamin'ny Febroary 2022, sy ny Rejistry ny Media, izay nanomboka niasa tamin'ny Oktobra 2022.

Takin'ny fisoratana anarana tsy maintsy atao ny amenoan'ny mpanao gazety andiam-pepetra manomboka amin'ny fahavitana fianarana ambony ka hatramin'ny fananana firaketan-keloka madio (izay tsy ho ananan'ny mpanao gazety mahaleo tena na mpanohitra na oviana na oviana satria matetika izy ireo no hadihadiana na enjehin'ny polisy, ary amin'ny toe-javatra sasany, miditra amponja mihitsy); manana fifanarahana arak'asa amin'ny mpamoaka lahatsoratra, izay olana ho an'ny mpanao gazety tsy miankina sy ny freelancers, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Mandritra izany fotoana izany anefa ny seha-baovao tsy maintsy mamokatra tantara 20 isan'andro farafahakeliny; tsy maintsy avy ao Azerbaijan ny mpanorina ary mipetraka ao amin'ny firenena — fanamby ihany koa satria maromaro ny fampahalalam-baovao miorina any ivelany ny mpanorina ary nandao ny firenena noho ny fitomboan'ny teritery.

Tamin’ny Jona 2022, nilaza tao amin’ny hevitra niarahana tamin’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Zon’olombelona sy ny Fampanjakana ny Lalàna ao amin’ny Vaomieran'i Eorôpa ny Vaomieran’i Venise, rehefa avy nandinika ny volavolan-dalàna momba ny fampitam-baovao tamin’izany fotoana izany, fa “kinendrin'ny Lalàna ny mifehy ny zava-drehetra mifandray amin'ny sehatry ny fampitam-baovao ao Azerbaijan, anisan'izany ny media anjotra,” ary manana “olam-pifantohana amin'ny famerana ny asa ataon'ny fampitam-baovao fa tsy manangana fepetra ilaina ahafahan'ny fampitam-baovao manatanteraka ny andraikitra maha ‘kiadim-bahoaka azy.”
Eo amin'ny tombana ara-pitsarana amin'ny Lalàna momba ny Media sy ny fiantraikany amin'ny sehatra media anjotra, nanoratra toa izao ny Azerbaijan Internet Watch, sehatra iray manara-maso ny fifehezam-baovao ao Azerbaijan, nanoratra hoe: “maneho ny famakafakana manontolo ny lalàna fa tanjony voalohany dia ny handrindrany ny media sy ny fanaovan-gazety anjotra tahaka ny ny fomba fandrindràna gazety atonta printy, tsy miraharaha izay toetra mampiavaka sy ny filan'ny media anjotra mifototra amin'ny TIC. Manome fahefana ny lalàna vaovao hampiato sy/na hampitsahatra ny asan'ny fampitam-baovao anjotra ary hampihatra sazy henjana.”
Nanomboka tamin'ny taona 2017, niatrika sivana ireo seha-baovao anjotra tsy miankina sy an'ny mpanohitra mpanohitra amin'ny alàlan'ny fanakanana noho ny antony sandoka, manomboka amin'ny famoahana na filazana ho miantso fanovàna an-keriny ny lamin'ny lalàmpanorenana, fanomanana korontam-bahoaka, ary ireo hetsika tsy ara-dalàna hafa. Tsy nisy mihitsy porofo navoaka hanohanana ny fitakiana.

Nikorisa nijotso ny rakitra fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Azerbaijan. Taratra eo amin'ny filaharan'ny firenena amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ireo fitantarana manokan'ny mpanao gazety ireo fanenjehana sy fandrahonana izany. Tamin'ity taona ity ny laharan'ny firenena dia faha-164 amin'ireo firenena 180 araka ny tondron'ny Reporters Sans Frontières amin'ny  fampahalalam-baovao. Ampilaharin'ny Freedom House ho “tsy malalaka” i Azerbaijan araka ny tondro Global Freedom and Internet Freedom.

Manizingizina ny manam-pahefana ao Baku fa tsy misy marina ireo fanakianana ireo, fa ampangainy ireo mpitsikera ny fitondrana ho manao mizàna tsindrian'ila, mitongilana ary mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.