Ny fiovaovan-toerana amin'ny krizin'ny fifindra-monina ao Afrika

Nyibol Mathiang Deng, 27 taona, sy ny zanany nahazo biscuit feno angovo avy amin'ny mpiasan'ny fanampiana rehefa tonga teo amin'ny sisin-tanin'i Sodàna Atsimo ao Majok Yinthiou. Sary avy amin'i Peter Caton avy amin'ny  Action Against Hunger, nahazoana alalana.

Avy amin'i Dr. Charles E. Owubah

Bevohoka enim-bolana i Nyibol Mathiang Deng raha nanafika an'i Muglad, tanàna Sodaney nonenany ny andian-dehilahy mitam-piadiana. Noho ny tahotra ny amin'ny hahafatesan'ny sisa amin’ny fianakaviany, niafina niaraka tamin’ny zanany vavy izy. Tsy ela taorian'izay fa nanao dia naharitra efatra andro nandeha fiara sy môtô ary an-tongotra ry zareo, misedra kianja mikisilasila sy mizaka hafanana manevokevoka. Rehefa tonga tany Majok, any Sodàna Atsimo izy ireo nony farany, dia nisento tafahaona indray tamin’ny fianakaviany. Saingy niatrika hoavy manjavozavo tanteraka ry zareo.

Tsy irery i Nyibol amin'ny fahoriany. Raha ny marina, anisan'ny fahita kokoa ny niainany – izay miantraika lalina amin'ny kaontinanta Afrikana.

Varavarana mihodin'i Afrika

Noho ny fifandonana, ny fikorontanan'ny toetr'andro ary ny fahantrana, olona an-tapitrisany manerana an'i Afrika afovoany no voasinton'ny ranomodin'ny fifindra-monina. Ohatra, mitatitra ny Global Voices fa manosika ireo mpitsoa-ponenana an'arivony noho ny toetr'andro ho ao any amin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana ao Dadaab, Kenya ny hain-tany any Somalia. Na an-terisetra ny fifindra-monina na an-tsitrapo, dia miampita sisintany ny olona hitady fiarovana sy hirika, saingy sedra toe-javatra mahatsiravina — na ratsy kokoa — noho ny toerana nandosirany. Lasa varavarana mihodinkodina hatrany ho an'ny fifindra-monina sy ny fahoriana ny faritra.

Raha tsorina tanteraka ilay toe-javatra sarotra, hevero fa olona maherin'ny 100.000 no tombanana nandao an'i Tchad ho any Sodàna nandritra ny taona maromaro. Maro no sahirana nitady asa. Avy eo, nampitombo krizy maha-olona sy izay mety ho vonjy taitra amin'ny hanoanana ratsy indrindra eran-tany ny ady mitam-piadiana tao Sodàna. Raha manao izay hahamaivamaivana ny hirifiry ireo fikambanana misahana ny maha-olona, ​​dia manify loatra ny ampela-tanana. Noho izany, angamba tsy mahagaga raha hatramin'ny nanombohan'ny ady amin'izao fotoana izao nanomboka volana avrily 2023, olona maherin'ny 821.300 avy any Sodàna no nitady fialofana tany Sodàna Atsimo.

Na izany aza, manana ny fanambiny manokana i Sodàna Atsimo, anisan'izany ny fifandonana, ny tondra-drano mahery vaika ary ny tsy fanjarian-tsakafo izay namindra toerana olona an-tapitrisany. Hatramin'ny faran'ny taona 2023, olona 2 tapitrisa no nifindra toerana tsy mivoaka firenena ary mpitsoa-ponenana 2,3 tapitrisa hafa any amin'ireo firenena manodidina noho ny toe-piainana tany Sodàna Atsimo. Ny sasany nandao an'i Sodana Atsimo kosa nankany amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo (RDC).

Na izany aza, miteraka tsy fandriampahalemana, hanoanana ary krizim-pahasalamana ara-tsaina ny fifandonana eo amin'ny tafika sy ny mpikomy ao RDC. Vokatr'izany, olona an'aliny no nandao an'i RDC ho any an-toeran-kafa, anisan'izany ny Repoblikan'i Afrika Afovoany. Indrisy anefa, misy toe-javatra tahaka izany koa nahatonga ny olona an-tapitrisany ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany hifindra toerana, ary maro no tsy mahazo ireo zavatra fototra ilaina toy ny sakafo, rano ary fialofana. Vokany, maro no nandao ny Repoblikan’i Afrika Afovoany nankany Tchad. Ary dia samy mihodikodina eo daholo.

Tranonkalam-pifindramonina mifaningotsingotra

Mba hampazava azy, tsy indray mihodina tsy akory ny varavarana mihodinkodina. Toy ny tranonkala mifaningotsingotra samy mandeha amin'izay alehany. Samy manana isan'olona ny fifindrana ary tsy amin'ny fotoana iray no itrangàny. Ohatra, niverin-dalana tanteraka ny fifindrana avy any Tchad mankany Sodàna rehefa nivadika ho voina mahaolona ny ady tany Sodàna. Ankehitriny, tombanana ho iray tapitrisa ny mpitsoa-ponenana avy any Sodàna mankao Tchad — mitovy amin'ny hoe olona iray amin'ny olona 17 ao amin'ny firenena.

Mitana anjara toerana koa ny fampodiana an-tanindrazana. Ohatra, nandritra ny ady tany Sodàna Atsimo, fianakaviana maro no nifindra tany Sodana, izay azo niainana kokoa noho ny hararaotra ara-toekarena sasany, indrindra amin'ny fambolena sy ny asa tanana. Avy eo, rehefa nipoaka ny ady tany Sodana, dia efa ho 600 000 ny Sodaney Atsimo nody an-tanindrazany. Anisan'izany ireo ankizy izay tsy mbola nahalala an'i Sodàna Atsimo mihitsy  ary matetika tsy manana fifamatorana ara-pianakaviana eo an-toerana mba hiaro sy hanohana azy ireo.

Na dia an'arivony aza no mandao ny firenena iray, dia an'arivony maro no mety hirohotra ao. Mbola betsaka kokoa aza ireo nifindra toerana fa tsy miala ny firenena, ao anaty sisin-taniny nefa tsy afaka mody. Mifindrafindra hatrany ny olona sasany, na anaty sisintany izany na miampita sisintany ho mpifindra monina na ho mpitsoa-ponenana. Mety hanjavozavo ny tsipika.

Ranomody iray mahatonga iray hafa

Tarihin-dranomody hafa mifandraika aminy io varavarana mihodinkodin-tena io. Krizin-kanoanana ny krizin-toetr'andro. Any an-Tandrok’i Afrika fotsiny, olona maherin’ny 36 tapitrisa no tratran’ny hain-tany izay nampihena ny vokatra sy niteraka mosary. Miharatsy ny fikorontanan-toetr'andro, miharatsy koa ny fifandonana — izay vao mainka manampy trotraka amin'ny toe-draharaha. Araka ny nomarihin'ny Fanapahan-kevitry ny Filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana 2417, matetika loatra no ampiasaina ho fitaovam-piadiana ny hanoanana. Na eo aza ny Fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana, mahita ranomodin'ny ady mitondra hanoanana, sy hanoanana mitondra ady isika.

Manampy fahasahiranana ireo serivisy fototra efa difotra ireo olona niverina, miaraka amin'ireo Sodaney mpitsoa-ponenana ka mety hiteraka fifandirana bebe kokoa. Tena tsy ampy mihitsy ny setriny avy amin'ny vondrom-piarahamonina maneran-tany. Maharanga fatratra ny halehiben'ity krizy ity: miantraika amin'ny olona 45 tapitrisa eo ho eo izany ary nisondrotra 14 isanjato.

Manondro ny tsy fahombiazana lalina kokoa ara-drafitra ity tsingerina (ranomody) tsy manam-pahataperana ity izay mahatonga ny olona voahilikilika indrindra eran'izao tontolo izao ho marefo kokoa.

Manoka-baravarana mankany amin'ny soa fanararaotra

Asehon'ny fikarohana hatrany fa mety hitondra soa ho an'ireo vondrom-piarahamonina mpampiantrano ireo vao tonga, anisan'izany ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana, ao anatin'izany ireo mety ho tombony ara-toekarena any amin'ny firenena antonony sy kely fidiram-bola. Saingy, mety hanakely akora sy fitaovana anaty fotoana fohy ny fifindramonina raha tsy tsara tantana. Soa ihany fa misy maodely mahomby hamahana ireo fanamby ireo, ary misongadina ho fitaratra mety ho an'izao tontolo izao i Ogandà.

Mampiantrano mpitsoa-ponenana manodidina ny 1,7 tapitrisa avy amin'ny firenena folo mahery i Ogandà. Mifantoka amin'ny fanamorana fidirana amin'ny serivisy ho an'ny daholobe ny lasitrasa antsoina hoe Drafi-Piatrehan'ny Firenena Ogandà ny Fialokalofana (UCRRP), manatsara ny fizakan-tena sy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miaina amin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano. Mitaky fanohanana bebe kokoa avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana koa ity rafitra ity hanamafisana ny rafi-panjakana. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa toa ny Action Against HungerNanampy fianakaviana tsy hita isa mitady fialokalofana any Ogandà, ohatra, ny Action Against Hunger mba hametraka faka ao amin'ny vondrom-piarahamoniny vaovao. Mety tafiditra ao anatin'izany ny fanomezana fiofanana ara-pambolena ho an'ny fianakaviana hamboleny ny sakafony manokana, fiofanana arak'asa sy fiofanana ho an'ny tanora, ary atrikasa fanabeazana ara-pitantanam-bola, ankoatra ny fandaharan'asa hafa. Na izany aza, voafetra ny loharanon-karena.

Mila mampitombo haingana ny vatsy fanampiana maha-olona ny vondrom-piarahamonina maneran-tany sy mampiasa vola amin'ny fandaharan'asa voaporofo, toy ny fambolena mety tsara amin'ny toetrandro, izay afaka isorohana ny fifindra-monina. Na izany aza, tamin'ny taona 2023, tsy nahazo afa-tsy 35 isanjaton'ny vatsy nangatahany ho an'ny programa mifandraika amin'ny hanoanana ireo firenena miatrika krizin'ny hanoanana. Raha lazaina amin'ny teny hafa, manodidina ny 65 isanjato ny fahabangana ara-bola manoloana ny hanoanana. Tokony hahakasika izay rehetra te hiaina ao anatin’ny tontolo milamina sy mirindra izany toe-javatra izany.

Nyibol Mathiang Deng, 27, sy ny zanany nandray biscuits mitondra hery avy amin'ny mpiasan'ny fanampiana rehefa tonga tao an-tsisitany Sodàna Atsimo ao Majok Yinthiou. Saripika avy amin'i Peter Caton avy amin'ny Action Against Hunger, nahazoana alalana.

Soa ihany fa nitondra azy ho any amin'ny toerana iray ahafahany manomboka indray ny dian'i Nyibol. Nifindra tany Kuajok, Sodana Atsimo izy sy ny fianakaviany, noho ny fanampian'ny fikambanana mpanao fanampiana, ary manantena ny hiverina amin'ny fambolena any izy raha vao miverina ny orana. Na dia eo aza ny fanamby atrehany amin'ny fanarenana ny fiainany, dia mbola tapa-kevitra sy be herim-po i Nyibol. Na izany aza, raha tsy misy ny fanovana rafitra ary ampy ny famatsiam-bola, olona an-tapitrisany toa an'i Nyibol no ho tafahitsoka ao anatin'ny varavaran'ny fifindra-monina mihodinkodina. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.