Saydnaya ao Syria : vakoka nizaka hirifiry mitady izay hanadiovana ny lazany

Dier Saidnaya (Tranon-relijiozin'i Saydnaya). Photo avy amin'i Hend-s23 via Wikipedia Commons (CC BY-SA 4.0).

Ao anaty aloky ny fionganan'i Bashar al-Assad, mijoro eo amin'ny hantsan'ny toko(n-tantara) vaovao i Syria. Folo taona mahery izao, nialoalo ny tsiarom-bahoaka syriana ny tandindon'ny famoretan'ny fitondrana. Amin'ireo tandindona ireo, tsy misy mampangirifiry sy mitoetra ho mariky ny herisetran'i Assad tahaka ny fonjan'i Saydnaya. Fantatra eto amin'izao tontolo izao amin'ny anarana hoe “trano famonoana olombelona”, nanjary mitovy dika amin'ny hoe ampijaliana daholo, amonoana olona maro ary amongorana ain'olona tsy tambo isaina ny anarany.

Amin'ny maha olona manana anaram-pianakaviana Alhames [mg] niorim-paka lalina tao Saydnaya, enta-mavesatra izany fifandrohizana matroka izany. Tsy toerana fandotoana anaran'olona fotsiny i Saydnaya; Tanàna manankarem-bakoka sy lovam-pirindràna eo amin’ny mponina ao aminy koa izy.

Noheverina ho midika ihany koa hoe “Tompovavinay” i Saydnaya (avy amin'ny teny Syriaka: ܣܝܕܢܝܐ), anaran'ny toerana, ary tanàna iray any an-tendrombohitra, manana haabo 1.500 metatra ambonin'ny ranomasina, 27 km 27 km avaratry ny tanànan’i Damaskosy any Syria. Ao no iorenan'ny monasitera ôrthôdôksa grika izay ninoana fa naorin'ny emperora Byzantine Justinien I, ary misy ny sary masina malaza an'i Maria Virjiny izay hajain'ny Kristianina sy ny Silamo mandraka androany.

Ho anay mankamamy ny hakantony sy ny tantarany, tasy maharary amin'ny sahy isehoana ny lazan'ny fonja. Ankehitriny anefa, manomboka sitrana i Syria,  mitodika amin'ny famadihana ny toko(n-tantara) maizin'i Saydnaya ho lasa tantara fahatsiarovana sy fanavaozana izahay.

Ny horohoron'ny fonjan'i Saydnaya

Nandritra ny fitondran'i Assad, lasa toeran'habibiana tsy hay eritreretina ny fonjan'i Saydnaya. Naneho zava-misy mampalahelo ny fijoroana vavolombelon'ireo sisam-paty sy ny fanadihadiana nataon'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona : niharan'ny fampijaliana, ny hanoanana ary ny famonoana ho famotehana ny mpanohitra ireo voafonja. Manafina ny horohorony ny tsiankitenitenin'ny fonja, namela ny fianakavian'ireo nanjavona ao anaty fanjavozavoana mampahory momba ny nanjo ny olon-tiany.

Tamin'ny taona 2017, nampitaha ny fonja tamin'ny “trano famonoana olona” ny tatitry ny Amnesty International sy ireo vondrona hafa, an'arivony no novonoina tamin'ny fanantonana mahazatra. Matetika no nalevina am-pasana iraisana ireo lasibatra, nofafana ny mombamomba azy, nampanginina ny tantarany. Nandritra ny taona maro, niteraka tahotra sy alahelo ny anaran'i Saydnaya, lasa fampahatsiahivana mivaingana amin'ny fahafahan'ny fitondrana maneho habibiana.

Vahoakan'i Saydnaya mizaka enta-mavesatra mahamenatra

Ho an'ireo mponin'i Saydnaya, anisan'izany ireo fianakaviana toa ny ahy, lasa henatra iombonana ny nandotoan'ny fonja ny anarana. Tanàna manana tantara miavaka i Saydnaya, itoeran'ireo monasitera tranainy sy ireo vakoka ara-kolontsaina velona. Toerana niaraha-monina tanaty firindrana nandritra ny taonjato maro. Mahavaky fo ny mahita ny anarany voarakotry ny habibian’ny fitondrana tsy nofidinay.

Niaritra hatrany ny vahoakan'i Saydnaya na dia teo aza izany. Takatr'izy ireo fa tsy taratry ny fizian'ny tanànan-dry zareo ny horohoron'ny fonja fa avy amin'ny didy jadona izay nampitondra tahotra sy herisetra. Amin'izao fionganan'i Assad izao, vonona ny hamerina ny fitantaran'ny tanànany ny vahoakan'i Saydnaya, mamadika ny pejy amin'ny tantara maharary.

Ho an'ny fianakaviana maro, anisan'izany ny fianakaviako, nizakàna sanda manokana ny tolona ho amin'ny fahamarinana. Maro tamin'ny fianakaviana Alhames no niatrika fanenjehana noho ny fanehoany hevitra ara-politika sy ny fanakianana mibaribary ny fitondrana. Voatery nanao sesitany ny sasany, nitady fialofana tany La Haye, Holandy, nandao ny tranony sy ny fivelomany ary ny fahazaran'ny tanindrazany.

Tena mafy ny fanaintainan'ny fandroahana — nesorina tao Saydnaya, toerana maminay, ary natsipy any amin'ny tontolo tsy mahazatra vokatry ny fijoroana ho amin'ny rariny. Na dia teo aza ny fahasarotana, nanamafy ny fijoroanay hiady ho an’i Syria izay tsy hisy olona hiaritra fahafoizan-tena toy izany amin’ny filazana ny marina koa ny sesitany.

Ankehitriny, rehefa nirodana ny fitondrana, dia voamarina ireny sorona ireny, ary lasa azo tsapain-tanana ny nofinofy hiverina amin'ny Syria afaka.

Vinam-panovana

Iray amin'ireo fomba lalina indrindra hanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny Fonjan'i Saydnaya ny fanovana ny toerana ho tranombakoka natokana ho fahatsiarovana azy ireo, amin'ny fiheverana an'io fiovana io ho porofon'ny faharetan'ny vahoaka Syriana sy fampahatsiahivana mahery vaika amin'ny vokatry ny tsirefesimandidy.

Saidnaya, nopihana tamin'ny 3 Marsa 1936. Saripika : Army of the Levant, Lisansa malalaka, via Wikimedia Commons.

Hitahiry ny Marina, hanabe ny taranaka hoavy, hampiroborobo ny fampihavanana, ary indrindra indrindra, hamerina ny fizian'i Saydnaya ny tranombakoka iray ao Saydnaya amin'ny alalan'ny famadihana toerana mampihoron-koditra ho toerana fianarana sy fahatsiarovana. Hanarina ny lazan'i Saydnaya ho tanàna manan-tantara sy tanànan'ny  kolontsaina ny tranombakoka.

Amin'ny maha Syriana anay, sahy miseho amin'ny tanànanay sy ny fiziany tsy manampaharoa izahay. Tokony haneho ny lanjany ara-tantara, ny fandraisany anjara amin'ny kolontsaina syriana, ary ny faharetan'ny vahoakany ny lazan'i Saydnaya. Afaka mandroso mihoatra ny aloky ny lasa izahay amin'ny famerenana sy fankalazana ity vakoka ity.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.