
Notselarina tao amin'ny tranonkalan'ny Russia Post. Fampiasana ara-drariny.
Anna Kuleshova, sôsiôlôgy, no nanoratra ho an'ny Russia Post, anehoana ireo Rosiana artista an-tsesitany, izay, raha niatrika ny fanamby atrehin'ny mpifindramonina rehetra, dia niezaka ihany koa nampiray ny maro tamin'ireo mpiray tanindrazana aminy monina any ivelany ary nanova ny fijerin'ny olona ny firenena niaviany. Navoakan'ny Global Voices indray ny dikan-teny nasiam-panitsiana nahazoana alalana avy amin'ny Russia Post.
Tamin'ireo antsafa nataoko tamin'ireo Rosiana nandao ny fireneny taorian'ny nanombohan'ny ady tany Okraina, ny iray amin'ireo tantara matetika sy maharary dia ny fahaverezana na fiovana asa rehefa nifindra-monina.
Iza no mila zavakanto amin'ny teny Rosiana ivelan'i Rosia? Ahoana no azo atao raha toa ka “najanona” (nofoanana) ny firenena?
An-tapitrisany maro ny Rosiana monina ivelan'i Rosia, anisan'izany ireo mpifindramonina tamin'ny vanim-potoana ara-tantara samihafa sy ireo taranany. Efa olona an-tapitrisany maro mety ho mpanjifan'ny vokatra ara-kolontsain'ny teny rosiana izany, tsy lazaina ireo niala taorian'ny fanombohan'ny ady sy ilay antsoina hoe “fanetsehana ampahany”, sy vahiny liana amin'ny zavakanto Rosiana, na dia tsy fitenin-drazany aza izany.
Tsy miavaka ho diaspôrà mazava ny Rosiana ivelan'ny fireneny ary indraindray aza tsy mifampiresaka mihitsy. Tany Frantsa, nisy mpaneho hevitra iray nilaza tamiko ny olana sendra azy tamin'ny mariazy iray; hita fa tsy afaka mampiray latabatra ireo Rosiana nifindra-monina tamin'ny vanim-potoana samihafa ianao, fandrao misy tantara ratsy hipoaka.
Matetika virtoaly ny vondrom-piarahamonina Rosiana any amin'ny firenen-kafa, manangana karajia Telegram, sy maha-matihanina (“mpiasa IT”) ary tolo-tanana an-tsitrapo. Amin'ny toe-javatra hafa, ireo mampiray azy ireo dia ny sehatra, ny zavakanto ary ny tetikasa famoronana.
Satria tsy mihosina amin'ny toerana tokana ny Rosiana, voatery mandao izay nofinofiny ireo tarika mpanakanto an-tsesitany hanana toerana misy azy manokana hanaovany fampisehoana an-tsehatra lehibe ary “Uberize” ny fifandraisany amin'ny mpanatrika. “Mila teatra ianao? Ho avy aminao izahay.”
Ampitahaina amin'ny fifindra-monina Fotsy taorian'ny Revolisiona Bolshevika ny onjam-pifindra-monina Rosiana farany indraindray, ary antenaina fa hitondra tombony tsy latsa-danja ho an'ireo firenena mpampiantrano noho ireo nandao tamin'ny taonjato lasa.
Tamin’izany, ohatra, dia i Serbia ho nahazo tombontsoa voalohany, ka nirohotra tao ny mpanao mari-trano, ny dokotera ary ny manam-pahaizana hafa avy any Rosia. Ankehitriny, i Montenegro sy Armenia no nahazo tombony ara-toekarena lehibe avy amin'ny sehatry ny teknôlôjia (IT) Rosiana. Namoaka visa talenta ho an'ny Rosiana i Frantsa sy UK, mbola mahatsiaro ny fitaomana ara-kolontsainan'ireo toa an'i Mikhail (“Michael”) Chekhov sy Nikita Balieff, ankoatra ny maro hafa.
Voamarina ampahany ny fanantenana ambony: mandray anjara asa fikarohana siantifika any amin'ireo firenena mpampiantrano azy ny Rosiana mpifindramonina, sy amin'ny sehatra toy ny fitsaboana mifototra amin'ny porofo, ny sehatry ny IT (teknôlôjia) ary ny indostrian'ny famoronana. Nipoitra tany ivelany ny teatra vaovao, toy ny The Chaika, izay nanao fampisehoana 38 tany Lisbonne, Paris ary Luxembourg tamin'ny vanim-potoana voalohany (nanampy tamin'ny fikarakarana ny fitetezam-paritra tany Luxembourg ity mpanoratra ity).
Miaro ny kolontsaina Rosiana ity tarika ity, tahaka ireo teo alohany zato taona lasa izay — mikolokolo ny kolontsaina Rosiana ilay ampahany voalohany izay nandraman'ny governemanta sovietika noraràna ary ezahin'i Rosia mahaleo tena amin'izao fotoana “hofoanana.”[GV: Midika hoe olona manohitra ny governemanta nefa manana zavatra maro andraisana anjara]
Tsy ireo mpifindramonina nifandimby tany aloha tany, ireo mpiaro ny zava-kanto, ireo fikambanana mpanao asa soa ary ireo governemanta eo an-toerana ihany no manohana ireo vondrom-piarahamonina ara-kolontsaina miteny Rosiana fa ireo manam-pahaizana nahita fianarana ambony izay nandao vao haingana an'i Rosia ihany koa.
Nilaza tamiko ny iray tamin'ireo nantsafaiko tany Armenia fa nanangana fitambara-mpanakanto manana ny hevitra momba ny fihariana momba ny piano, ny feo ary ny lesona fandokoana izy sy ny mpiara-miasa aminy. Raha nanontaniana momba ireo mpihaino kinendriny izy dia nilaza fa miantehitra amin'ireo manam-pahaizana momba ny IT sy ny fianakaviany ry zareo, izay, rehefa nandao ny tontolom-panabeazana sy kolontsaina mahazatra any amin'ireo tanàn-dehibe Rosiana (“millioniki”), ary mitady toerana hasolo azy ireo.
Ahafahan'ireo artista an-tsesintany tsy ho irery, tsy hitebiteby na hatahotra ireo namana vaovao mitovy saina aminy ao amin'ny tontolo vaovao iainan'ny artista an-tsesitany. Tsy izay mamaritra ny tenany ho Rosiana ihany no sintoniny fa ireo “olona mitovy lahatra iraisana.”
Manampy ireo mpiray tanindrazana aminy manohitra ny ady sy manohitra ny fitondrana ao amin'ny firenena mba ho tafavoaka velona amin'izao fotoan-tsarotra izao ireo artista izay, na dia mandà ny foto-pisainana ofisialin'i Rosia maoderina aza, dia nanapa-kevitra ny tsy hifindra monina : mivondrona manodidina ireo mpitendry mozika sy mpanakantony ry zareo any amin'ny toerana takona ary miantsa vakiteny, sady manaraka ihany koa ireo tetikasam-pamoronana nataon'ireo Rosiana nandao.
Tsy voatery ho afa-manaisotra ny tahotra sy mahatsiaro malalaka ireo artista mahita ny tenany ho ivelan'i Rosia. Matetika ny gazety ofisialy Rosiana no manoratra momba azy ireo amin'ny fiteny manafintohina sy mandrahona.
Tsy manana afa-tsy ny antontan-taratasiny Rosiana “anatiny” ny ankamaroan'ireo andiana Rosiana nifindra-monina farany — tsy manana pasipaoron'ny firenen-kafa, tsy manana fitadiavam-bola na hevitra hoe aiza no hiasana (afa-tsy ireo manampahaizana manokana momba ny IT, izay maro amin'izy ireo no nafindran'ny mpampiasa azy tany ivelany). Anisan’izany ny mpiasan’ny zavakanto.
Amin'ny ankapobeny, manana havana sy fananana any Rosia ireo mpifindramonina, izay mahatonga azy ireo marefo eo anatrehan'ny manampahefana.
Fanampin'izany, mety hiova tampoka ny politikan'ny firenena mpampiantrano, manery ny Rosiana hivoaka (ohatra, nakaton'i Torkia ny fifindra-monina). Amin'ny ankapobeny firenena telo na efatra no efa nonenan'ireo nantsafaiko tao anatin'ny roa taona sy tapany.
Tsy azo heverina ny mahazo antoka fa tsy hahita ny tenanao tsy misy fahazoan-dàlana manan-kery tampoka na mahazo vola (ohatra, lavin'ny banky vahiny ny serivisy mpanjifa avy any Rosia noho ny tahotra sazy sokajy faharoa). Raha tsy mahita asa maharitra any ivelany ianao, dia tsy maintsy miverina any Rosia. Toy izany koa raha lany daty ny pasipaoro “anatiny”, satria any Rosia ihany no mahazo pasipaoro vaovao — pasipaoro “vahiny” ihany no avoakan'ny masoivoho Rosiana.
Ary ny safidy sarotra indrindra amin'ny rehetra: misy havana na namana marary, ary mila mody ianao, nefa efa nanoratra be tamin'ny aterineto manameloka ny fitondrana sy ny ady.
Manoloana izany toe-javatra izany, mahita ny tenany ho mitsingilahila ny mpanakanto, indrindra fa hoe tsy star (kintana) izy ireo na ao anaty tarika malaza, tahaka an'ireo mpihira Zemfira sy Monetochka, tale Kirill Serebryannikov na mpiantsehatra mampihomehy Viktor Shenderovich.
Antenain'ireo firenena mpampiantrano azy ny Rosiana mpifindramonina amin'ny ankapobeny fa handray fijoroana sahisahy sy ampahibemaso hanohitra ny ady ireo artista, saingy voatemitra tsi-fandriampahalemana kosa ireo mpanakanto tsy dia fanta-daza sy ireo vondro-mpanakanto vaovao: Tsy vitan'ny hoe mahatratra ny fahaiza-manaony ara-javakanto fotsiny izy ireo, fa mba afa-mivelona isan'andro, izay midika hoe mahazo sata ara-dalàna ao amin'ny firenena mpampiantrano azy. Mandritra izany fotoana izany, dimy taona farafahakeliny matetika vao mahazo zom-pirenena any amin'ny firenen-kafa, aorian'izay vao mahatsapa ho voaro sy afaka amin'ny fiankinan-doha amin'i Rosia ireo Rosiana an-tsesitany.
Na dia eo aza ireo fanamby rehetra ireo, ny zavakanto Rosiana an-tsesitany amin'izao fotoana izao no lasa tava amantaram-bahoaka an'i Rosia izay voarara ao an-tanindrazany, enjehin'ny manampahefana Rosiana ary tevatevain'ireo propagandista an'i Kremlin. Asehon'ireo zavakanto an-tsesitany amin'izao tontolo izao fa — tahaka ireo firenena hafa — maro tava i Rosia, ary na dia amin'ny toe-javatra sarotra indrindra aza dia misy ireo olona izay mbola azo tanterahana hatrany ny fifampiresahina.