Miresaka momba ny Sirkasiana i Murat Temirov, teratany Sirkasiana avy ao Rosia, mpanao gazety sady mpikatroka ho an'ny zon'olombelona

Glade Taulu, fihaonan'ireo renirano Sofia sy Psysh. Arkhyz, Karachay-Cherkessia, Kaokazy Andrefana, Rosia. Sarin'i Vyacheslav Argenberg nalaina tao amin'ny Wikimedia commons. CC BY 4.0.

Hatramin'ny volana Novambra 2024, olona manodidina ny 200 avy ao Kabardino-Balkaria, 150 avy ao Karachay-Cherkessia, 200 hafa avy ao amin'ny Repoblikan'i Adygea, sy Tsetsenina miisa eo amin'ny 250 ary Dagestaney 910 eo no voatatitra fa maty noho ny adin'i Rosia sy Okrainina, raha ny angondrakitra azon'ny daholobe jerena. Avy any amin'ny faritr'i Kaokazy Avaratr‘i Rosia avokoa izy ireo, izay faritra tena “Silamo” indrindra ao amin'ny firenena. Tsy hay ny elanelana misy eo amin'ireo isa azo ireo sy ny tena isa marina.

Toa tafahoatra ny isan'ny olona avy ao Kaokazy Avaratra alefa miady.  Raha ny taham-pahafatesana no resahana — izany hoe ny isan'ny olona maty anatin'ny vatan-dehilahy 16 ka hatramin'ny 61 taona miisa 10 000 — dia 8 ny ao Kabardino-Balkaria, 11 ny ao Karachay-Cherkessia, ary 14 kosa ny ao Adygea. Etsy andaniny, 2 fotsiny io taha io ao Moskoa ary 4 ao Saint Petersburg, na dia enina avo heny noho ny mponina ao amin'ireo repoblika Kaokaziana telo ireo mitambatra aza ny mponina ao Moskoa. Tena mifanipaka amin'ny zavatra niainan'izy ireo ny fandraisan'ny vahoaka Kaokaziana anjara anatin'ity ady ity raha jerena ireo ratra navelan'ny tantara teo aminy — hatrany amin'ny fitaran'ny Ampira Rosiana tamin'ny fomba feno herisetra sy ireo fandefasana sesitany an-keriny nandritra ny vanimpotoana sovietika ka hatramin'izao famoretana ataon'ny Kremlin ankehitriny izao. Na dia toa mankatoa sy manaraka ny fitondrana foibe aza ilay faritra, amin'ny endriny ivelany, dia nila ny fampiasàn'ny Kremlin hery famoretana nandritra ny roanjato taona izany vao tanteraka.

Tamin'ny 1864 no azon'ny ampira i Kaokazy Avaratra, taorian'ny Adin'i Kaokazy izay naharitra zato taona — ady lava indrindra teo amin'ny tantaran'ny Ampira Rosiana. Niafara tamin'ny vono olona marobe sy ny fanaovana sesitany Sirkasiana miisa teo amin'ny iray tapitrisa teo ho any amin'ny Ampira Ottoman izany ady izany. Vokany : miaina ivelan’ny tanindrazany ara-tantara ny ankamaroan'ny vahoaka Sirkasiana, ka vitsy amin'izy ireo sisa no monina ao amin'ny tanindrazany.

Fantatra amin'ny anarana hoe “Circassian Muhajirism” (“Fivahinianana Sirkasiana”) io tranga io anatin'ny fandalinanana ny tantaran'i Rosia. Ho an'ireo Sirkasiana ivelan'i Rosia kosa anefa, indrindra ny ao Torkia sy ny ao Atsinanana Afovoany, dia efa ela no niantsoana azy io hoe “The Tlapserykh” na “Tsitsekun” (Fandripahana ireo Sirkasiana). Amin'izao 2024 izao dia i Zeôrzia irery ihany no manaiky ampahibemaso ilay fandefasana sesitany faobe ireo Sirkasiana ho fandripaham-bahoaka. Mandinika ny hanekena izany koa i Okraina ankehitriny : ny volana Jona 2024, nisy tatitra nivoaka nanambara fa mandinika ny hanaovana fanambarana ofisialy haneken'ny Verkhovna Rada ao Okraina fa nandripaka ireo Sirkasiana tokoa ny Ampira Rosiana nandritra ny Adin'i Kaokazy tamin'ny taona 1763–1864. Na izany aza, sarotra ny fifandraisana misy eo amin'ny tetikasam-pirenena Sirkasiana sy ny tetikasan'ny “irrédentisme Okrainiana” izay mikendry ny hanekena an'i Krimea (voazanak'i Rosia) sy ireo antsoina hoe DPR/LPR, ary ny faritra Kuban ho Okrainiana ara-tantara, satria mitovy ireo tany indizeny hanaovan'izy roa ny fitakiany.

Nitafatafa tamin'i Murat Temirov, izay mpanao gazety sady mpikatroka ho an'ny zon'olombelona no teratany Sirkasiana avy ao Rosia ny Global Voices, mikasika indrindra ny fomba ifandraisan'ireo Sirkasiana izay miparitadritaka manerana an'izao tontolo izao, sy ny mety hisian'ny hetsi-pirenena iraisan'ireo Sirkasiana ary ny mety ho tanjon'izany hetsika izany. Nandray anjara tanatin'ny fandrafetana ity tafatafa ity ny mpanao gazety Alexandra Sharopina.

Global Voices (GV): Miray hina amin'ny mpiray tanindrazana aminy ihany ve ny samy Sirkasiana na dia miparitaka manerana izao tontolo izao aza ?

Murat Temirov (MT): Eny misy ihany ny fifandraisana, na dia tsy voatery ho firaisana aza. Voatana io fifandraisana eo amin'ny samy Sirkasiana io, tsy amin'ny alalan'ny teny sy ny fomba fitondrantena ary ny fomba fiakanjo nentim-paharazana ihany, fa ihany koa amin'ny alalan'ny loza niaraha-nizaka.

Isan'ireo mamaritra betsaka ny maha-izy azy ny Sirkasiana ny fandefasana sesitany marobe, izay tena fandripahana foko, nataon'ny Ampira Rosiana tamin'ny vahoaka Sirkasiana tany amin'ny taonjato faha-18 sy faha-19 — rehefa noroahana hiala ny tanindrazany ireo Sirkasiana ary nosoloina vahoaka mankatoa sy manaiky.

Samy hitantara izany daholo ny Sirkasiana manerana ny tany, na any Aostralia izy na any Kanadà, fa ny antsipiriany no mety tsy hitovy.

Amin'ny ampahany dia io loza io no mahatonga ny maha-izy azy iraisan'ny Sirkasiana hitoetra. Nefa kosa, amiko, tsy dia tsara loatra ny fisarihan'io loza io ny sain'izy rehetra hifantoka any amin'ny lasa. Ny vondrompiarahamonina tsara iainana dia tokony hikatsaka zavatra tsara, lehibe kokoa, hikatsaka fandresena.

GV: Misy hetsika iraisana ataon'ny Sirkasiana ve anivon'ny diaspora ? Mifantoka amin'ny fampodiana an-tany sy ny fitakiana ny hamerenana ny maha-indizeny ve ny tanjony ?

MT: Tsia, tsy misy ny hetsika iraisana. Fikambanana mizarazara no misy, matetika fikambanana isam-paritra na isan-toerana. Ao Tiorka, ohatra, maro ireo fikambanana matanjaka toy ny Kafkas Vakfı sy ny Çerkes Vakfı. Matanjaka izy ireo saingy misintaka lavitra ny raharaha politika miseho amin'izao fotoana izao.

Efa nisy ny fikasàna hanangana hetsika iraisana sy hampiraisana ny Adyghe rehetra. Telo taona lasa izay, nanolo-kevitra ny hanaovana Kongresy Iraisan'ny Sirkasiana ao Belgrade ny tenako. Efa nanomboka ny fanomanana saingy tsy tontosa hatramin'ny farany izany.

Raha ny fijeriko, tsy ho tanteraka ny fananganana hetsika iraisan'ny Sirkasiana raha ny toedraharaha misy amin'izao. Indray mandeha aho efa nieritreritra ny hanangana Ivontoerana Famakafakana Sirkasiana mba hanomezana tsy tapaka ho an'ireo fikambanana mizarazara ireo fitaovana sy sosokevitra momba ireo olana goavana mahakasika ireo mpandray anjara toa an'i Okraina, Etazonia, sy ny Fanjakana Mitambatra. Raha tanteraka io ivontoerana famakafakana io dia izy no dingana voalohany nizorana nankany amin'ny hetsika Sirkasiana satria alohan'ny hanaovana hetsika dia mila mamakafaka, saingy tsy mbola nahazo fanohanana io hevitra io ary tsy mbola tanteraka.

Tsy ho tanteraka ny zon'ny Sirkasiana hody an-tanindrazany raha tsy ekena ny maha-fanjakana azy. Misy tokoa ireo hevitra hamerenana io fanjakana io, saingy tsy ho tanteraka izany raha tsy misy ady maneran-tany ka ilàna ny herin'ny miaramila — izay tsy misy amin'izao fotoana hiresahantsika izao.

GV: Marina ve fa sady mifanolana amin'ny fanirian'i Rosia hiverina ho ampira io tetikasam-pirenena Sirkasiana io no mifanolana ihany koa amin'ny tetikasa nasionalista radikaly Okrainiana, izay mitaky ny hanekena an'i Kuban ho tany Okrainiana ranoray ka manilika ireo Sirkasiana ?

MT: Eny, marina tokoa. Eo amin'ireo tany Sirkasiana, ireo izay antsointsika ankehitriny hoe Okrainiana ireo dia taty afara vao nipoitra, teo amin'ny roanjato taona lasa teo fotsiny izay. Voarakitra tsara amin'ny antsipirihany anatin'ireo loharanom-baovao ara-tantara Rosiana sy ankoatra ny Rosiana izany zavanisy izany.

Mpifaninana voajanahary aminay ireo antsoina hoe Okrainiana Kuban ireo. Nalainy ny taninay ary lazainy fa azy, i Zelenskyy izay saika manambara mihitsy fa Okrainiana ranoray izy ireo. Ho ahy manokana, mitovy laharana amin'ny Rosiana izy ireo, samy mpifandrafy mampidi-doza.

Eny, fizaran-tany vaovao izao miseho izao, ady lehibe ; tsy azo ihodivirana, ary tsy hay raha mbola hisy hafa ho avy koa hitaky ny taninay. Na izany aza, manome zo anay hitaky ny tany ny fandroahana anay satria ny heloka bevava toy izany tsy voafafan'ny taona mivalona, ary na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hizaka ny valin'ny natao. Rehefa tsy ireo nanao izany, dia ny taranany.

GV: Ahoana ny hevitrao manoloana ny tolokevitry ny Rada Okrainiana hanekena ny fisian'ny fandripahana ireo Sirkasiana, raha jerena ireo olana novelabelarintsika teo ?

MT: Eny, henoko izay vaovao izay. Tsy mbola hay mazava ny endrika hisehoan'io fanekena io — lalàna ve ? Tsy azoko antoka fa vonona hanao dingana goavana tahaka izany i Okraina, ka raha ny eritreritra dia mety ho fanambarana mitovy amin'ny nataon'ny Parlemanta Zeôrziana ihany izany, izay tsy misy lanjany eo amin'ny lalàna.

Mazava ho azy fa midera ity ezaka nataon'ny manampahefana Okrainiana ity aho, saingy tsy manantena azy io hitondra fivoarana goavana ho an'ireo Sirkasiana amin'ny ezaka ataony hiverenan'ny mponiny an-tanindrazana.

Ny mifanohitra amin'izay aza no ahiako, mety hiteraka fanavakavahana ireo Sirkasiana ao Rosia io hetsika io, noho ny fieritreretana azy ireo ho mpiray tsikombakomba amin'ny fahavalo. Na i Zeôrzia na i Rosia dia mazàna samy mahatsiaro ireo Sirkasiana rehefa sendra toejavatra manahirana. Ho an'i Zeôrzia, nitranga izany rehefa resin'i Rosia izy nandritra ny ady tamin'ny 2008.
Matetika misy ambadika politika foana ny fanambarana toy izao ary zara raha misy ifandraisany firy amin'ireo Sirkasiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.