Rosia, fanadihadiana iray mampiseho amin'ireo andian-taranaka YouTube ny zava-doza any anatin'ireo Golagy

Fepetra famokarana sarimihetsika tao Kolyma, Avaratra-Atsinanan'i Siberia : -55°C any ivelan'ny trano. Saripika: fantsona YouTube an'i Yuri Dud, pikantsary an'ny RuNet Echo.

[Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka voalohany tamin'ny fiteny anglisy tamin'ny  7 May 2019]

Tsy azo noeritrertina ho endrika iray toy ny an'i Yuri Dud no hamelona indray any anaty fahatsiarovantenan'ny Rosiàna ny fahatsiarovana ireo toko faran'izay nanjombona teo amin'ny tantarany. Amin'izao fotoana izao ilay mpanao gazety ara-panatanjahantena fahiny dia mitantana ny fandaharany manokana ao amin'ny YouTube, ahitàna ireo tafa anadihadiany ireo olomalaza sy olom-panjakàna maro hafa. Mahasarika mpijery an-tapitrisany ny tafatafa tsirairay, ka nahatonga an'i Dud ho toy ny mpifaninana iray goavana ho an'ny fahitalavi-panjakàna mihitsy aza. Na nitafa tamin'ireo mpikatroka sy pôlitisiàna aza i Dud, toa an'i Alexeï Navalny, ilay mpikatroka manohitra ny kolikoly, dia raisina kokoa ho toy ny mpamakafaka ara-tsôsialy izy fa tsy hoe mpanao gazety “matotra”.

Izany no nahatonga ireo 5 tapitrisa mpamandrika azy sy ny vahoaka rosiàna amin'ny ankapobeny ho taitra tamin'ny lohahevitr'ilay fandaharana farany naharitra ora roa nataon'i Dud momba ny faritr'i Kolyma, any amin'ny farany avaratra-atsinanan'i Rosia, efa saika hitovy amin'ny famoretana tamin'ny andron'i Staline.

Io taniefitra mamanàla ao Arktika io, azo ambara ho tsy faleha, no misy ilay toby malaza indrindra tamin'ny Golagy, tambajotra sovietika fampanaovana asa an-terivozona sy toerana nanjavonan'ireo olona an'aliny mpanao heloka bevava madinika sy ireo gadra noho ny pôlitika. Sarotra ny hilaza mazava ny isan'ireo olona matin'ny hatsiaka faratampony tao (ny maripàna rehefa ririnina dia midina hatrany amin'ny 50°C ambanin'ny aotra), na noho ny hanoanana sy ny asa an-terivozona any anaty fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, saingy na ireo tombana ôfisialy tsara refy indrindra aza dia manome tarehimarika 150 000 amin'izay niharam-boina tany amin'ny iray monja tamin'ireo toby lehibe indrindra ao Kolyma teo anelanelan'ny 1932 sy 1957.

Takatr'i Dud ny fahasamihafàn'ny lohahevitra fikirakirany mahazatra azy sy ireo lohahevitra saropady voaresaka ao anatin'ilay fandaharany farany, araka ny hazavainy ao anatin'ilay ampahany fanokafana :

А почему вообще после рэперов, юмористов, музыкантов, актеров и режиссеров мы двинулись к такой сложной и тревожной теме? Причины две. Первая: в октябре 2018 года ВЦИОМ опубликовал социологическое исследование, которое привело нас в ступор. Почти половина молодых людей в возрасте от 18 до 24 лет никогда не слышала о сталинских репрессиях. Мы восприняли это как вызов и ждали момента, чтобы этот вызов принять.

Taorian'ireo mpiangaly Rap, ireo mpanao hatsikana, mozisiàna, ireo mpilalao sy mpamokatra, fa dia nahoana loatra no io lohahevitra sarotra sy manelingelina io no resahana ? Antony roa. Ny voalohany : tamin'ny Ôktôbra 2018, ny VTsIOM [ivontoerana rosiàna fikarohana momba ny hevitry ny besinimaro] no namoaka fanadihadiana iray  nahazendana anay. Saika ny antsasaky ny tanora 18 hatramin'ny 24 taona no tsy mbola nandre velively momba ny famoretana nataon'i Staline. Noraisinay ho toy ny fanamby izany ary nandrasanay ny fotoana maha-mety ny handraisana an-tànana azy.

Ampian'i Dud hoe nampitandrina azy mandrakariva ireo ray sy reniny: « Aza dia misarika fahatany ny saina ho aminao. Aza misehoseho. Olona tsotra isika, tsy manana hery na amin'inona na inona », eny fa na dia amina trangan-javatra tsy rariny efa hita mibaribary aza. Milaza izy fa nanontany tena foana momba ny niandohan'ny tahotra eny amin'ireo Rosiàna efa zokinjokiny ary namintina hoe :« Teraka, nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taonjato faha-20 izy ary tafita aty amintsika rehefa nitety andian-taranaka maro. Ny Kolyma, hoy i Dud, no toerana iray nahaterahan'ny tahotra teo aminay. »

Tena niantefa tokoa tany amin'ireo mpanaraka nokinendriny ny tenin'i Dud : ireo Rosiàna tanora tsy tonga saina na zara fa tonga saina amin'ny tantara vao haingana tao amin'ny fireneny.

Teo am-pijerena ny ampahany #dud momba ny famoretana, dia “ratsy tamin'izany”, hoy ny raiko sy ny raibeko tamiko, saingy tsy tsapako hoe ratsy hatraiza.

Narafitra ho toy ny diarim-pitsangantsanganana ilay sarimihetsika: nandeha roa arivo kilaometatra i Dud sy ny tariny nanaraka ilay lalambe migodàna ao Kolyma, làlana iray azo ambara ho tsy rakotra tara manontolo mampitohy an'ireo renivohi-paritra roa, Magadan sy Iakoutsk. Marobe ireo mpifonja maty nandritra ny fanorenana azy tany amin'ny taona 1930 ka nahatonga ny fiantso mahazatra an'ilay lalambe migodana ho “làlan'ny taolana”.

Eny an-dàlana eny, nitsidika ny toerana na ny teny akaikin'ny sasantsasany tamin'ireo toby tena nahafatesana marobe i Dud, isan'ireny i Butugychag izay toerana nanerena ireo mpifonja hitrandraka uranium kanefa tsy nisy fitaovam-piarovana akory. Nihaona tamina mpikatroka marobe avy ao an-toerana izy, izay mitolona hitahiry ny fahatsiarovana ireo niharam-boina noho ny herin'ny tsy firaharahian'ny rehetra sy ny natiora tsy namela mahazo.

Nitafàn'i Dud ihany koa ny taranak'ireo mpifonja, toa an'i Natalia Koroleva, zanakavavin'i Sergei Korolev, rain'ilay fandaharanasa sovietika momba ny habakabaka. Nosamborina i Korolev tamin'ny 1938, nandany taona maro tany amina toby iray fiasàna tao Kolyma ary, saika maty noho ny hanoanana sy ny harerahana, dia nafindra ho any amina karazana fonja iray ho an'ireo mpikaroka tao Maosko mandra-pamotsotra azy tamin'ny 1944. Tafavoaka velona i Korolev, saingy tsy afa-keloka tanteraka raha tsy tamin'ny 1957.

Miady mafy mitazona ny ranomasony ilay zanakavain'i Korolev  eo am-panoritsoritana ireo fampijaliana niaretany teny an-tànan'ireo mpaka am-bavany azy. Gaga anefa i Dud tamin'ny fomba fahitàn'i Koroleva an'i Staline. Ireo valintenin'ity farany dia manome topimaso ny maha-sarotra ny resaka famoretana teo ambany fitondran'i Staline ao anatin'i Rosia maoderina, eny fa na dia ho an'ireo olona tonga saina tsara momba ireo habibiana nampizakaina olona an-tapitrisa aza. Sady niaky ny vokadratsy mahatsiravin'ny rafitra Goulag izy, isan'izany ny nahazo ny fianakaviany, dia milaza i Koroleva hoe :

Но многое было сделано, конечно, и хорошего. Например, при Сталине была дисциплина более стойкая. Потом, то, что Сталин не уехал из Москвы, когда враги, фашисты, стояли буквально у стен Москвы. Парад на Красной площади состоялся. Трудно судить, конечно.

Saingy marobe ny zavatra tsara nataony. Ohatra, teo ambany fitondran'i Staline, henjana kokoa ny fitsipika. Tsy niala an'i Maosko i Staline rehefa tonga teo ambanin'ny mandan'i Maosko ireo fahavalo, ny fasista. Mbola nikarakara matso teo amin'ny kianja Mena aza izy. Tena sarotra tsaraina, mazava ho azy.

Nahazo veroka mialoha ireo ho fanakianana nanaraka ny fandefasana ilay fanadihadiana nataony, nofaranan'i Dud tamin'ny fanipihana ny zavamisy hoe mbola misy fiantraikany amin'ny fiarahamonina amin'izao fotoana izao ireo habibiana fahiny:

Некоторые из тех, кто досмотрел наше видео до конца, скажут: «Дудь, ну что тебе этот Сталин? Что ты так часто о нем говоришь? Тебе же недавно сказали, в чем одна из главных проблем в России: в том, что она живет прошлым, что до сих пор постоянно обсуждает, был Сталин прав, не был Сталин прав?» Мы проехали трассу «Колыма» не чтобы обсуждать, прав Сталин или нет. Дать правильный ответ на этот вопрос совсем не сложно и без нашего участия. Мы проехали трассу «Колыма», потому что это […] про наше настоящее. Страх — главный враг свободы. […] Не бойтесь. Уважайте себя. И, возможно, тогда периодов, когда к людям относятся хуже, чем к животным, в нашей стране больше никогда не случится. Всем мир.

Ny sasany tamin'ireo izay nijery ilay sarimihetsika dia hiteny any am-parany hoe : « Dud, inona no olanao amin'i Staline ? Maninona no miverina miresaka azy foana ? Tsy efa nisy olona niteny taminao ve tato ho ato hoe iray amin'ireo olana goavana ho an'i Rosia ilay izy miaina ny fiainana taloha ? Hoe mbola variana foana izy miady hevitra hoe diso sa tsia i Staline ? » Tsy nizotra tamin'ny lalamben'i Kolyma izahay mba hiady hevitra hoe diso sa tsia i Staline. Tena tsy ilaina mihitsy ny hitondranay izay valinteny mendrika an'io fanontaniana tsotra io. Nandia ny lalamben'i Kolyma izahay satria misy idiran'ny […] ankehitrinintsika izany. […] Ny tahotra no tena fahavalo goavana indrindra ho an'ny fahafahana. […] Aza matahotra. Hajao ny tenanao. Araka izany, ny firenentsika dia tsy hahafantatra intsony ny vanim-potoana nanaovana ny olona ho ambany noho ny biby ve?

Fahombiazana tsy nampino no azon'ilay fanadihadiana, eny fa na dia noho ny fenitra ambony napetrak'i Dud aza : nandritra ny herinandro nanaraka ilay fandefasana azy, in-12 tapitrisa nisy nijery ilay izy. Fa miaraka amina lohahevitra iray sarotra sy maha-be adihevitra, efa azo an-tsaina mialoha fa hisintona kiana ilay sarimihetsika fanadihadiana. Tao anaty fandraisam-pitenenana malalaka, ilay mpanoratra efa nahazo loka, Zakhar Prilepine, dia niampanga an'i Dud ho mpitsikilo mandray vola avy amin'ny Tandrefana mba hanatontosa iraka handotoana ny tantara be voninahitra ao Rosia, sy hanimba ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Notoherin'ny sasany ireo tarehimarika navoaka nandritra ilay fandaharana, tamin'ny fanamafisana fa mbola kely noho izany ny tena isan'ireo niharam-boina tany amin'ny golagy.

Mameno ny aterineto ireo mena adaladala, milaza hoe nodisoin'i Dud ireo tarehimarika. Lazain-dry zareo fa roa tapitrisa eto, dia nabontsina nampiany 25% eroa. Eny ary! Koa satria misy ireo tsy fetezan-javatra, ary satria latsaka 25% amin'izay voalaza no isan'ireo fatina Rosiàna nivangongo, tsy misy iraharahiana an'izany rehetra izany; ndeha isika hamela ireo mena! Isaorana ry zareo noho ny toetra tia olombelona ananany !

Ny sasany, mitovy hevitra amin'i Natalia Koroleva, dia niaiky fa marobe ireo tsy nanan-tsiny maty tany amin'ireo toby fiasàna, saingy nanamafy fa aleo kokoa aza ny toejavatra tamin'izany fotoana izany raha ampitahaina amin'ny fanjakan'i Baroa (hita) amin'izao fotoana izao:

Nanomboka nijery ilay fandaharan'i Dud aho ary dia nopihako afaka 30 min, rakotra fankahalàna an'i Staline sy ny Firaisana Sôvietika ao anatin'ilay fizaràna, tsy dia ho gaga loatra aho raha toa i Dud hanao famintinana hoe : « Indrisy, nampalahelo fa tsy nandresy i Hitler ». Raha ny momba ireo toby indray : eny, marobe no nandalo tany noho ny antony samihafa, tena nahery setra, ekena… Saingy matin-tahotra ny rehetra ka tsy sahy nangalatra na inona na inona (izany no tsy ampy amintsika ankehitriny). Fa tsy dia misy hafa amin'izany kosa ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny eee! Ny vokany fotsiny no somary maivamaivana : mahazo mangalatra 30 lavitrisa ianao dia migadra 5 taona, tsy misy “laharam-pitifitra” (firing squad).

Fahita matetika avy amin'ireo mpiaro ny pôltikan'i Staline amin'izao fotoana izao ny fanehoankevitra tahàka izany. 51% amin'ny Rosiàna – tarehimarika ambony indrindra – hoy ny Centre Levada, masoivoho tsy miankina mpanao fitsapankevitra, no niteny tamin-dry zareo fa manana fijery miabo an'i Staline. « Raisina ho toy ny olomalaza iray niantoka ny rariny ara-tsôsialy i Staline, zavatra izay katsahan'ireo Rosiàna mandrakariva ao anatin'ny tsy fahafahampo noho ny fitontonganan'ny faripiainana sy ny fanavaozan'ny governemanta ny fisotroan-dronono», hoy i Karina Pipia, mpandalina avy amin'ny Levada nitafa tamin'ny Bloomberg.

Na misy aza ireo ezaka tsara indrindra vitan'i Yuri Dud sy ireo hafa marobe mpikatroka tsy tambo ho isaina ho an'ny zo sivily miaraka aminy, dia tsy isalasalàna fa, ato anatin'ny taona marobe, mbola ho voazarazara be i Rosia momba ny lova navelan'i Staline. Ny firaketampon'ireo Rosiana amin'i Staline sy ny fahatsiarovana ny vanim-potoana nitondràny dia tsy azo lazaina fotsiny ho noho ny asa ataon'ny fanjakàna ho “fanafotsiana” ny lasa. Raha ny marina, ny ankamaroan'ireo hetsika amin'izao fotoana izao natao mba hahatsiarovana an'i Staline dia avy amina tsy miankina daholo, ary maro amin'ireo manampahefana ambony ao anivon'ny governemanta, toa an'i Maria Zakharova, mpitondratenin'ny minisitra rosiàna misahana ny raharaha ivelany, no manameloka tsy mihambahamba an'i Staline sy ny famoretana nataony. Tamin'ny 2017, i Vladimir Poutine izy tenany mihitsy no nitokana sarivongana iray ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tany amin'ny Golagy, tamin'ny filazana fa « tsy tokony hifàfa ao anatin'ny fahatsiarovam-pirenentsika io lasa mahatsiravina io no sady tsy azo hamarinina. »

Iray amin'ireo teboka vitsy iraisan'i Poutine sy ny mpitsikera azy ny fomba fijery miiba ny lova navelan'i Staline, mpitsikera izay hita tao anatin'ilay fandaharan'i Yuri Dud ny sasany.

Hita ao amin'ny YouTube ny farany amin'ireo fizaràna novokarin'i Yuri Dud, misy dikanteny anglisy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.