
“Olona zato isanandro”, izany no vakin'ny soratra eo amin'ity pikantsary avy amin'ny fanadihadian”ilay [ru] vlogera Yury Doud ity, miresaka ny vlanaretina VIH ao Rosia. Salanisan'ireo lavon'ny SIDA isanandro tamin'ny 2018 tao amiilay firenena io.
Izany no nahatonga ilay lahatsary novokarin'i Dud ho iray amin'ireo lahatsary be mpijery indrindra ao amin'ny Toutube ao Rosia amin'izao fotoana izao. Ary ao anatin'ny fotoana iray maha-faratampony ny hamehana.
Miady amin'ny valanaretina VIH i Rosia. Tamin'ny faran'ny 2019, iray tapitrisa [en] tamin'ny teratany rosiàna lahy sy vavy no voavinavina ho nitondra ny otrikaretina, midika izany hoe iray isanjaton'ireo Rosiàna olondehibe no voan'ilay aretina. Nandritra izny fotoana izany dia tsy niloa-bava ny governemanta rosiàna. Araka ny nosoratan'ilay [ru] sôsiôlôgy, Iskander Yasaveyev, tamin'ny Novambra lasa teo, tao amin'ny gazety tsy miankina Novaya Gazeta :
Из миллиона четырехсот тысяч случаев ВИЧ-инфекции, зарегистрированных в нашей стране с 1987 года, более половины — около 750 тысяч — зарегистрировано с 2012 года, когда начался третий путинский срок.
Tamin'ireo tranga niisa 1 400 000 tratry ny VIH voarakitra teto amintsika, nanomboka tamin'ny 1987, efa ho ny antsasany mahery (izany hoe manodidina ny 750 000) no voarakitra taorian'ny taona 2012, taona niatombohan'ny fepotoam-piasana fahatelon'i Poutine.
Soa ihany fa teo ny tontolo miroborobon'ny Vlogera rosiàna hamoaka izay tsy navoakan tany an-kafa. Manana mpanaraka marobe ireo Vlogera toa an'i Doud, satria manolotra safidy tsy fahita firy ao amin'ny firenena iray izay fehezin'ny governemanta ary sivaniny ny haino-vaky-kery. Ny fahitalavitra no tena fanaraham-baovao fototra ao Rosia, izy midika fa ny ankamaroan'ireo media hafa, ankoatra ny fahitalavitra an-tambajotra Dojd (Дождь), dia gazety sy foiben'onjampeo. Araka izany, ireo fantsona YouTube malazan'ireo Vlogera no hany tena mpifaninana amin'ireo fantsom-pahitalavitry ny fanjakàna.
Doud, mpanao gazety ara-panatanjahanteny fahiny, dia iray amin'ireo mpitarika eo amin'ny tontolon'ny Vlogera rosiàna, manana mpamandrika enina tapitrsa mahery ao amin'ny fantsony YouTube [ru]. Mazàna izy no mitafatafa amin'ireo Rosiàna olomalaza, saingy koa manatontosa fanadihadiana matianina maro momba ireo lohehevitra miteraka resabe eny anivon'ny fiarahamoina rosiàna.
Ny fomba fiasany am-piheverana sy voasaina tsara momba ireo lohahevitra sasantsasany tena saropady no nahatonga ana'i Dud ho tena kintana malaza ao amin'ny RuNet. Nangatahan'ny Global Voices i Zhenya Snezhkina, rosiàna iray mpanao gazety moniana ao Prague ary manampahaizana manokana momba ireo vlogera rosiàna, mba hanazava ny antony mampahalaza ny fanaovana bilaogy an-dahatsary ao Rosia amin'izao fotoana izao, sy ny fahombiazan'i Dud manokana:
Быстрая обратная связь дала создателям контента возможность наиболее точно попадать в свою аудиторию. По мере наступления цензуры в России, все больше людей старались уйти из-под ее влияния и переходили на площадку, которая в силу ее устройства не дает российским властям цензурировать контент. Также как и несколько десятков миллионов пользователей предпочитают неподцензурное медиа.
С самого начала своей карьеры на Youtube Дудь говорил о себе как о человеке, который задает неудобные вопросы и старается докопаться до реального положения дел. Без осуждения, но с пониманием. Фактически он переоткрыл жанр интервью, отменив “приличия” поведения героев. По мере развития канала количество вопросов росло, как и количество тем, о которых Дудь рисковал говорить. Рекордами прошлого года стали фильмы “Колыма” и “Беслан” (у обоих по 19 миллионов просмотров). Оба фильма вызвали ярость российских пропагандистов. Логично, что одной из тем для следующих фильмов должна была стать ситуация с ВИЧ в России, потому что положение дел тут трагическое.
Ny fenohoankevitra nalaky [avy amin'ny mpijery] dia nahafahan'ireo mpamokatra lahatsary nanombana tsara ny filàna sy ny zavatra andrasan'ny olona amin-dry zareo. Raha mihamafy ny sivana ao Rosia, nihamarobe ireo olona niezaka nitady fomba hafa hialàna amin'izany, nikisaka nakany amin'ireo sehatra tsy ahafahan'ireo Rosiàna manampahefana hanivana mora foana an-dry zareo. Araka izany, ankehitriny dia an-tapitrisa ireo mpampiasa no misafidy ireo haino-vaky-jery tsy tratry ny sivana.
Hatrany am-piandohan'ny asany tao amin'ny YouTube, Dud dia nanolotra ny tenany ho toy ny olona iray afaka ny hametraka ireo fanontaniana maha-sanganehana ary hikaroka ny zavamisy amin'ireo toejavatra isankarazany. Tsy mitsara, saingy miaraka amin'ny fahatakarana. Naveriny narafitra fotsiny ny endriky ny fanaovana tafatafa, niàla lavitra ny filàna mpiantsehatra “mahay mitondra tena”. Arakaraky ny nivoaran'ny fantsony, nitatra ny sehatra niasàny ka tonga ahatrany amin'ireo lohahevitra tena mampahatahotra. Tamin'ny 2019, nahazo ny isa ambony indrindra tamin'ny isan'ny mpijery azo ireo sarimihetsika novokariny momba ny Kolyma [ampahany amin'ny golagy rosiàna] sy Beslan [fanafihana mpampihorohoro tao amin'ny sekoly iray tany amin'ny faritra Kaokazy rosiàna]. Samy nahazo mpijery nihoatra ny 19 tapitrisa tsirairay avy. Samy nahatezitra ireo mpanao fampielezankevitra mpanaradia an'i Kremlin. Lojika raha toa tokony ho iray amin'ireo lohahevitra manaraka mila resahana ny toe-javatra momba ny VIH ao Rosia, satria toe-javatra mamoa-doza.
Raha adika ny lohatenin'ilay fanadihadiana farany nataon'i Dud, maharitra ora roa eo ho eo, dia hoe Ny VIH ao Rosia : ilay valanaretina tsy misy mpiresaka (ВИЧ в России — эпидемия, про которую не говорят). Fitanisàna antontanisa fototra no anombohan'ilay sarimihetsika, dia ny zavanisy tamin'ny 2018 hoe olona efa ho 100 any ho any no matin'ilay viriosy isanandro. Ahitàna fijoroana vavolombelona an-jatony ao anatiny, nataon'ireo olona mitondra ny otrikaretina sy izay miara-miaina aminy, iresahana lohahevitra isankarazany : olon-droa miaraka ka ny iray mitondra otrikaretina ary ny iray kosa tsia, ankzy mitondra ny otrikaretina, ny VIH sy ny fidorohana zava-mahadomelina, ireo anganongano momba ny fifindràn'ny viriosy, ny fikatrohana manodidina ny resaka VIH, ny filàna fanabeazana ara-pananahana any an-tsekoly, ary ny fahanginan'ireo manampahefana. Mihodidina amina tantaram-piainana tena nisy ilay sarimihetsika ary, toy ireo lahatsary maro hafa novokarin'i Dud, natao tamina fomba filaza tena miavaka tanteraka amin'ny an'ireo mediam-panjakana ao Rosia.
Sarotra ny hanipika izay tena fiantraikan'io sarimihetsika io ao Rosia, ary mitombo isanandro ny isan'ny fijerena azy. Nefa tsy resaka tarehimarika fotsiny no andrefesana an'izany. Eo ambanin'ilay lahatsary YouTube, nanoratra fanehoankevitra toy izao ny mpisera iray :
Miasa amina toeram-moitsaboana iray aho ary ny marariko voalohany androany dia tovolahytonga hanao fitiliana VIH. Nolazainy tamiko fa noho izy nijery ilay lahatsary no antopny nanaovany izay fihetsika izay. Tsy mampino.
— Anastasiya Botushan, YouTube, 13 Febroary 2020
А у нас в Госдуме такой вот немного неожиданный выбор для Дня Святого Валентина. Показывают Юрия Дудя. pic.twitter.com/R8kkjeamur
— Валерий Рашкин (@RashkinV) February 14, 2020
Ary ho an'ny Andron'ny Mpifankatia (St Valentin), nanao safidy tsy mahazatra izahay ato amin'ny Douma-mpanjakana. Hanatrika ny fijerena ilay sarimihetsik'i Yuri Dud.
Ny 16 Febroary, ny Fitsarana Ara-bola ao Rosia [en] (Счётная палата Российской Федерации), izay manara-maso ny fitantanambolam-panjakana, dia nanambara[ru] fa nampanao fitsirihana momba ny maha-mahomby ireo fepetra napetraka handraisana an-tànana ana'ireo Rosiàna mitondra ny otrikaretina VIH. Tao amin'ny Twitter, noderain'ny taleny, Alexey Kudrin, ilay sarimihetsika novokarin'i Dud :
Юрий Дудь снял нужный фильм об эпидемии ВИЧ в России. Уже инфицировано более 1 млн. В 2018 году от СПИДа умерло 37 тыс человек. В среднем по 100 человек в день. Сравните с коронавирусом. #ВИЧ пока в нашей стране – гораздо более реальная угроза https://t.co/5UkqKEnZV3 @yurydud
— Алексей Кудрин (@Aleksei_Kudrin) February 16, 2020
Namokatra sarimihetsika tena ilaina be mihitsy momba ny VIH eto Rosia i Yuri Dud. Mihoatra ny iray tapitrisa ireo olona tratr'io viriosy io. Tamin'ny 2018, matin'ny SIDA ny 37 000 tamin'izy ireo, izany hoe olona 100 isanandro eo ho eo. Ataovy ny fampitahàna amin'ny coronavirus. Mbola mitoetra ho loza tena manambana ny firenentsika ny #VIH.
Snezhkina, mpanao gzety mipetraka any Prague, tsy mino hoe ny ampitso dieny ampitso dia hanova zavatra raha ny fomba fiasan'ny manampahefana. Na izany aza, velom-bolo izy manoloana ireo vina hanaovana fanentanana midadasikamomba ny resaka VIH ho an'ny vahoaka ao Rosia:
Условно говоря “власти” услышали слова Дудя и его героев – фильм был показан в Госдуме и Министерстве здравоохранения России. Я не думаю, что сам фильм приведет к каким-то радикальным результатам. А вот то, что гораздо больше людей открыли для себя, что доступное тестирование на ВИЧ и доступные лекарства, это может иметь гораздо более широкие последствия.
Amin'ny ankapobeny, rebn'ireo manampahefana ny antson'i Dud sy ireo maherifony, satria nalefa tao amin'ny Douma sy tao amin'ny ministeran'ny fahasalamàna ilay sarimihetsika novokarin'i Dud. Tsy mino aho hoe hitondra fiovàna goavana ilay sarimihetsika. Nefa kosa ny zavamisy hoe olona marobe no tonga saina amin'ny fisian'ny fitiliana sy fitsaboana VIH dia hisy fiantraikany tsara bebe kokoa.
Iray amin'ireo fotoana mampihetsi-po indrindra ao anatin'ilay sarimihetsika novokarin'i Dud ny tafatafa nifanaovany tamin'i Katya, olona izay nampiasa zava-mahadomelina tany aloha ary maty nandritra ny famokarana ny sarimihetsika. Nandritra ilay resadresaka, im-betsaka nanizingizina i Katya hoe:
Мы не прокаженные. Я надеюсь, что пойдет поток информаций
Tsy olona boka izahay. Antenaiko fa mba hisy fampahalalàna malalaka hiparitaka [momba anay].