Fa inona no tsy ahafahana mamongotra tanteraka ny lefakozatra eto Afrika?

Mpanampy mpitsabo manao vaksiny zaza iray any Accra, Ghana, tamin'ny taona 2020. Sary azon’ny rehetra ampiasaina

Avy amin'i Keletso Thobega

Tamin'ny volana aogositra 2020, nambara ho afaka amin'ny poliovirus (dia) i Afrika, aretina tsy nahafahan'ny ankizy an'arivony manerana ny kaontinanta nanetsi-batana teo aloha. Dingana lehibe izany amin'ny ady amin'ny lefakozatra, izay nanomboka namongoran'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana (OMS) ny Lefakozatra tamin'ny taona 1988. Nampisy fihenana trangan'aretina lefakozatra vaovao hatramin'ny 99 isanjato manerantany ity fasantaran'andraikitra ity.

Nipoitra tany amin'ny faritra atsimon'i Afrika, na izany aza, ny fiofoan'(aretina) vaovao avy tamin'ny vaksiny, izay mifandraika amin'ny fahavitsian'ny fanaovam-baksiny.

Nandritra ny antsafa anjotra nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanasongadina fanamby maromaro manakana ny famongorana tanteraka ny lefakozatra ny manampahaizana ara-pahasalamana sasany miasa ao amin'ny kaontinanta. Nosoritan'izy ireo fa tsy maintsy mihoatra noho ny fanentanam-baksiny ny ezaka famongorana mahomby hampidirana ny fanamafisana ny rafi-pamatsiana, hiantohana fa mahatratra ireo vondrom-piarahamonina lavitra indrindra sy saro-dalana indrindra manerana an'i Afrika ny fanabeazana sy ny vaksiny.

Nizara tsikaritra momba ny antony sy ny fomba nanamafisan'izy ireo ny rafi-pamatsiana ny Village Reach, fikambanana tsy mitady tombombarotra mifantoka amin'ny fanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana sy ny fahafahan'ireo vondron'olona kely karama sy kely fidiram-bola miditra servisy.

Nilaza tamin'ny Global Voices i Luciana Maxim, talen'ny Health Supply Chain and Lab System Strengthening ao amin'ny Village Reach, fa nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Global Polio Eradication Initiative (GPEI) izy ireo tamin'ny faran'ny taona 2021, mba hanaovana tombam-pirenena momba ny rafi-pitaterana ireo santionan-daboratoara amin'ny lefakozatra amin'ny firenena maro manerana an'i Afrika. Araka ny filazan'i Maxim, ratsy fotodrafitrasam-pitaterana ny faritra maro ao Afrika — indrindra ny faritra ambanivohitra — izay manasarotra ny fahatongavana any amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo.

Misy lavadavaka na tsy vita rarivato , ohatra, ny lalana sasany amin’ny faritra sasany, ka sarotra ny fandehanana any amin’ny alalan'ny fiara. Tsy maintsy mitady fomba hafa hizarana vaksiny ny mpiasan'ny fahasalamana amin'ireo toerana ireo, izay mety handany fotoana na vola be, toy ny bisikileta na angidimby.

Mitranga izany fanamby ara-pitaovana izany amin'ny fotoana sy ny kalitaon'ny fitaterana ireo santionan-daboratoara, ao anatin'izany ny santiona an'olombelona sy tontolo ahiana ho voan'ny lefakozatra. Asarotin'ireo fanamby ireo ny hanarahana ny torolalan'ny OMS tokony handefasan'ny mpiasan'ny fahasalamana any amin'ny laboratoara lefakozatra nasionaly na iraisampirenena ao anatin'ny telo andro ireo santiona voan'ny aretina.

Nilaza tamin'ny Global Voices i Tsedeye Girma, mpandrindran'ny UNICEF amin'ny fiatrehana ny fihanaky ny lefakozatra maneran-tany, fa nampiasa fomba fitaterana isan-karazany araka ny zava-misy izy ireo hitondrana vaksiny lefakozatra any amin'ireo tobim-pahasalamana lavitra indrindra. “Tafiditra ao anatin'izany ny kamiao mibaby vata fampangatsiahana, môtô, sambo, biby mpitondra entana, ary an-tongotra ihany koa,” hoy izy. Nampiany fa nampiasa drôna mihitsy aza izy ireo any amin'ny firenena sasany, toa an'i Malawi sy Mozambika, mba hanaterana vaksiny.

Nohazavain'i Girma antsipiriany ny fomba nifehezana haingana ny tranga lefakozatra (niofo) tamin'ny vaksiny tany Atsimon'i Afrika:

Once wild polio was detected again particularly in Malawi and Mozambique in early 2022, everyone went into emergency mode to contain these outbreaks. It was imperative to get samples to the labs as soon as possible, to raise awareness at the community and health worker level, and to catch up all children on their routine immunizations post-COVID19.  We were part of these efforts, and the wild polio outbreaks were contained quickly that same year, she noted. 

Raha vantany vao hita indray indrindra tany Malawi sy Mozambika tamin'ny fiandohan'ny taona 2022 ny lefakozatra -dia-, dia nihotakotaka ny rehetra mba hifehezana ireo valan'aretina ireo. Tena nilaina ny nakana santionany entina amin'ny laboratoara haingana araka izay azo atao, mba hanairana ny sain'ny fiaraha-monina sy ny mpiasan'ny fahasalamana, ary hanatratrarana ny ankizy rehetra hanao ny fahazarana fisorohana post-COVID19. Anisan'ireo ezaka ireo izahay, ary voafehy haingana ny valan'aretina lefakosatra tamin'io taona io ihany, hoy izy nanamarika.

Nasongadin'i Maxim fa firenena 13 amin'ny 15 niasany hatramin'izay no tratran'ny valan'aretina lefakozatra azo avy amin'ny vaksiny. Ny poliovirus azo avy amin'ny vaksiny (VDPV) dia karazana otrikaretina lefakozatra tsy fahita firy izay mivoatra avy amin'ny viriosy velona malemy ampiasaina ho vaksiny polio alefa am-bava (OPV). Natao hanentana ny hery fiarovana sy hanorina aro amin'ny polio ity viriosy velona ity. Na izany aza, raha mivezivezy any amin'ny vahoaka tsy nahazo na tsy ampy hery fiarovana  elaela izy io na mitombo sy misosoka hatrany ao amin'ny olona iray tsy ampy hery fiarovana, dia mety hiova ary hahazo hery indray ny hiteraka aretina.

Nanampy i Maxim:

We quickly realized that, in order to help suppress outbreaks, we need an integrated approach that ensures samples for all outbreak-prone diseases reach labs within days. We took every opportunity to integrate resources, staff and data across diseases and across health system functions.

Tsapanay haingana fa, entina hanafoana ny fiparitahana, dia ilaina ny fomba fiasa ahafahana mitondra haingana ireo santionan'aretina miely any amin'ny laboratoara ao anatin'ny andro vitsivitsy. Araraotinay avokoa ny fotoana rehetra mba hiasa avokoa ireo fitaovana, olona ary angondrakitra amin'ny aretina sy amin'ny fiasan'ny rafi-pahasalamana.

Nilaza i Girma fa ilaina ny fitsinjaram-pahefana sy fifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina.

Nanazava izy hoe:

We take a community-centric approach in engaging local communities as active partners in the fight to end polio. We recruited and trained thousands of local community members including traditional leaders, religious leaders, polio survivors, women groups, youth, and other community influential people to work as polio outreach workers and mobilizers.

Ny fiarahamonina eo an-toerana no tena iasanay ho mpiara-miombon'antoka mavitrika amin'ny ady amin'ny lefakozatra. Nandray sy nampiofana olona an'arivony teo an-toerana izahay, anisan'izany ny mpitarika nentim-paharazana, ny mpitondra fivavahana, ireo sisa navelan'ny lefakozatra, ny fikambanam-behivavy, ny tanora, ary ireo olona manana ny maha-izy azy eo amin'ny fiaraha-monina mba hiasa amin'ny maha-mpitsabo sy mpanentana momba ny lefakozatra.

Vehivavy mamelotena ny ankabeazan'ny tokantrano eto Afrika, ​​ary vehivavy ny ankamaroan'ny mpanentana fiarahamonina momba ny lefakozatra, izay tena ilaina any amin'ny faritra tsy ahafahan'ny lehilahy mpiasan'ny fahasalamana miditra tokantrano.

This approach makes all the difference in getting the message across and ensuring children get vaccinated, Girma added. 

Hafa mihitsy io fomba fiasa io amin'ny fampitan-kafatra sy hahatonga ny zaza ho vita vaksiny, hoy i Girma nanampy.

Mba hahalasa lavitra ny fanentanana vaksiny, niezaka ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka hafa handrafitra hafatra amin'ny fiteny maro eo an-toerana, saingy mbola mitohy ny sakana amin'ny fiteny eo amin'ny fanentanana momba ny vaksiny polio. Matetika amin'ny megaphone itenenan'ny mpanentana ao an-tanàna sy amin'ny fiara mpanao filazana mamakivaky ny vondrom-piarahamonina iray mankany amin'ny iray hafa ireo hafatra ireo.

Mbola sakana lehibe amin'ny fanatratrarana ny ankizy ihany koa ny fampahalalana diso momba ny vaksiny. Nilaza i Girma fa manana anjara toerana lehibe ny mpanentana vondrom-piarahamonina, mamaly ny olan'ny ray aman-dreny sy ny olan'ny mpikarakara momba ny vaksiny mandritra ny fitsidihana.

“Mampiasa fitaovana fihainoana ara-tsosialy ihany koa izahay hanaraha-maso sy hanoherana ireo vaovao diso momba ny vaksiny na anjotra na ivelanjotra. Manentana mpilatsaka an-tsitrapo anjotra maherin'ny 70.000 maneran-tany ny fandaharan'asam-pirobohan'ny fiaraha-monina nomerika an'ny UNICEF hanoherana fandisoam-baovao ary hanome ny vaovao marina sy ara-potoana momba ny vaksiny.” Lainga mahazatra sasany ren-dry zareo ny filazana fa maharary sy miteraka aretina ny vaksiny, mampihena ny hery fiarovana, natao hanaovan-dratsy ny tanora, na tsy azo ekena ara-kolontsaina na ara-pivavahana.

Tamin'ny hafatra iray hanamarihana ny andro iraisampirenena momba ny lefakozatra 2024, nitatitra ny talem-paritry ny OMS ho an'i Afrika, Matshidiso Moeti, fa nahitana tranga lefakozatra karazany  faha-2 miisa 134 tamin'ny taona 2024 fotsiny tamin'ny 5 septambra. Voamarika no mivezivezy ao Burkina Faso, Kamerona, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Tchad, Mali, Niger, ary Nizeria ny karazany mivezivezy any.

Satria mitohy ny ezaka famongorana ny lefakozatra, dia naneho fanantenana i Maxim sy i Girma fa hiara-hiasa ny governemanta, ny sehatrasa tsy miankina, ary ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana mba hiadiana amin'ny vaovao diso momba ny vaksiny. Nantintranterin-dry zareo ihany koa ny fanaovana ny famatsiam-bola ho laharam-pahamehana hanamafisana ny rafi-pamatsiana, mba ho ara-drariny manerana ny kaontinanta ny fahazoana vaksiny sy serivisy fitsaboana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.