
Tantelimby manidina. Navoakan'i Ryan Beirne tao amin'ny Pexels. Azo ampiasaina malalaka.
Nosoratan'i Hans Tse ity tatitra ity ary -——————_ç tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 12 Desambra 2024. Navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana fiarahamiasa ara-botoaty ity dikan-teny nasiam-panovana manaraka ity.
Mikasa hampiasa drôna (tantelimby) hanao fisafoana mahazatra sy hamakafaka ny sary entiny amin'ny alalan'ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA) ny polisin'i Hong Kong, hoy ny lehiben'ny filaminana ao an-tanàna. Fanampin'ny drafitry ny governemanta hanalefaka ny famerana ny fiara an'habakabaka izany.
Nilaza ny sekreteran'ny filaminana Chris Tang tamin'ny 11 Desambra fa nodinihana ny drafitra ahafahan'ny drôna manara-maso ireo lalana voatondro satria vonona hampitsahatra ny lalàna mandrara ireo “hetsika sidina mihoatra ny fetran'ny hitamaso” araka ny Didy momba ny Voromby Tsy misy Mpanamory ao an-tanàna ny manampahefana.
Amin'izao fotoana izao, tsy maintsy afa-mahita ny drôna amin'ny fotoana rehetra mandritra ny sidina ny mpikirakira drôna . Hoy i Tang tamin'ireo mpanao lalàna:
To further enhance the regulation of the application of drones, the Transport and Logistics Bureau and the [Civil Aviation Department] have commenced reviewing the existing civil aviation… legislation.
Ho fanatsarana ny fitsipika fampiasana tantelimby, nanomboka nandinika ny lalànan'ny sidina sivily…ny Biraon'ny Fitaterana sy ny Fampitaovana ary ny [Departemantan'ny Sidina Sivily]
Nilaza izy fa efa nampiasaina hikarohana sy hamotopotorana heloka bevava ny tantelimby, ary efa nanao fisafoan'ny polisy, vonjy voina ary famonoana afo.
Nalefa hijery “faritra anjakan-jiolahy” toy ny any amin'ireo toerana lavitra na saro-dalana ny drôna misy fakan-tsary avo lenta mba hanangonana porofo sy hahitana ireo hetsika mampiahiahy.
Nanampy tamin'ny famonoana afo izy ireo tamin'ny fanarahamaso ny fiovan'ny maripana avy any ambony ary nanampy tamin'ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka tamin'ny toerana mikitoantoana, hoy ihany izy.
Nilaza i Tang fa manana mpikirakira drôna matihanina 800 mahafeno fepetran'ny Departemantan'ny Sidina Sivily (CAD) ny sampan-draharaha. Nanangana efajoron-tantelimby ny polisy tamin'ny Oktobra, sy ekipan-tantelimby natokana hisahana izany hatramin'ny taona 2017 ny Departemantan'ny Vonjy Voina.
Afaka mampanidina voromby milanja fito ka hatramin'ny 25 kilao, fetran-danja any Hong Kong amin'izao fotoana, ireo mpikirakira tantelimby efa mahay.
Handalina fitsipika sy fenitra any amin'ny faritra hafa, toa an'i Shina Tanibe, Aostralia ary Canada ny manam-pahefana, hoy i Tang, raha hanomboka hampitsahatra ny fameperana efa misy ny CAD.
Hovàna ny Didy momba ny Voromby Tsy misy Mpanamory mba hahasahana tantelimby milanja 25 ka hatramin'ny 150 kilao, hoy izy, ary nampiany fa mandinika lalàna vaovao momba ny drôna milanja mihoatra ny 150 kg ny governemanta .
‘Toekarena miondrika’
Nandritra ny fivorian'ny mpanao lalàna ny Alarobia 11 Desambra lasa teo, nanontany an'i Tang ny depiote Tang Fei hanazava ny fomba ahafahan'ny manampahefana misoroka ny olana ara-teknika izay nahazo ny seho drôna tao an-tanàna, tao anatin'ny volana vitsivitsy. Tamin'ny volana oktobra, nofoanana ny seho iray toy izany noho ny “fitsabahana ionosferika manan-danja”, tranga ara-toetr'andro izay mety miantraika amin'ny fahamarinan'ny famantarana drôna.
Nilaza i Tang fa milina vitsivitsy ihany izay kirakiraina an-tanana no ilaina handefasan'ny servisy manaraka fitsipika ireo drôna, fa tsy toy ny seho goavanamiankina amin'ny fandrindrana manara-tsipika.
Nilaza ny lehiben'ny filaminana fa hiantohan'ny manampahefana ny hampanarahana ny fiasan'ny tantelimby araka ny fitsipiky ny fiainana an-takonan'ny tanàna.
Mampiroborobo ny fampiasana drôna i Hong Kong amin'ny antsoin'ny manam-pahefana hoe “toe-karena miondrika”, teny iray manondro ny hetsika ara-toekarena eny an'habakabaka ambanin'ny 1000 metatra.
Nanambara i John Lee, Lehiben'ny mpanatanteraka, fa hanangana vondronasa amin'ny fampivoarana ny toekarena miondrika ny governemanta.
Andrasana ny handinihana sy hanitsiana ny lalàna mifehy ny drôna, sy ny fametrahana zotram-piaramanidina iva ifanaovana amin'i Shina tanibe, izay ampiasana betsaka ny drôna ho toy ny fialamboly sy fanaterana entana.