
Maia Sandu, filoha môldavy, mitafatafa amin'ilay YouTuber sady mpanao gazety miaina an-tsesitany Yurii Dud. Pikantsary avy amin'ny lahatsary tao amin'ny fantsona YouTube Yurii Dud. Fampiasàna ara-drariny.
Tsy ela akory izay ny filoha môldavy, Maia Sandu, dia nitafatafa tamin'i Yurii Dud, Rosiàna mpanao gazety miaina an-tsesitany. Raha sady nampientanentana no nahaliana ilay tafatafa — ankoatra ny zavatra hafa, dia resahan'i Sandu ny momba ny fanohanana tsy misy tomika ataon'i Môldavia an'i Okraina sy ireo fanantenany hampiditra ny fireneny ho any anatin'ireo rafitra eorôpeàna midadasika kokoa — tsy dia mahazatra ny mahita filoha iray manokana fotoana hitafàna amina Vlogger iray.
Fanampin'izay, tamin'ny fiteny rosiàna no nanaovan'i Sandu ilay antsafa. Amin'izao fotoana izao dia misy resabe mandeha ao Môldavia momba ny fampiasàna ny fiteny rosiàna. Tamin'ny 2018 izy io dia nofoanan'ny Fitsaràna araka ny Lalàm-panorenana Môldavy tsy ho fiteny “fifandraisana iraisampirenena”. Ny Romaniàna ankehitriny no hany fiteny ôfisialy ao Môldavia, miaraka amin'ireo fiteny hafa heverina ho “vitsy an'isa”. Na izany aza, raha ny marina dia ny fiteny rosiàna no miparitaka be eny anivon'ny vahoaka ao Môldavia mbola ampiasainy hifandraisana. Rehefa nanontaniana azy raha toa ka noho ireo fifidianana ho avy no antony nisafidianany ilay fiteny (mba handonana bebe kokoa ireo vondrom-piarahamonina miteny rosiàna ao amin'ilay firenena), nolavin'i Sandu io fihevitra io. Nambarany fa marobe ireo media mampiasa ny fiteny rosiàna ao Môldavia, ary mahafaly azy ny iantsafàna na amin'ny fiteny inona na fiteny inona. Voalahatra ho ny Ôktôbra 2024 no hanaovana ny fifidianana izay ho filohampirenena môldavy.
Hamaky misimisy kokoa: Lavin'i Moldavia ny hampiasa fiteny iray narafitry ny pôlitika ara-kolontsaina sôvietika
Ao amin'ny YouTube irery ihany i Dud, Rosiàna iray mpanao gazety malaza, vlogger, ary mpanao fandaharana amin'ny onjampeo sy fahitalavitra, no nampakatra ireo resadresaka nifanaovany nandritra ny taona marobe. Mpanao gazety ara-panatanjahantena no nanombohany ny asany, niasa ho an'ny trano fanontàna PROsport, ary tamin'ireo fantsom-pahitalavitra NTV-Plus sy Russia-2. Ny 2011 hatramin'ny 2018, izy no lehiben'ny mpamoaka lahatsoratry ny Sports.ru.
Ny 7 Febroary 2017, i Dud no nanomboka seho YouTube iray antsoina hoe vDud, ka ao izy no mitafa amin'ireo olomalaza toy ny mpanao gazety, mpandraharaha, kintan'ny kolontsaina, olomalazan'ny aterineto, ary ireo pôlitisiàna. Tamin'ny May 2024, nahitàna mpanaraka niisa 10,3 tapitrisa ilay seho.
Raha tany amin'ny fireneny izy no niasa talohan'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra nataon'ny Rosiàna tany Okraina, lasa nalaza sy fanta-bahoaka i Dud noho izy mametraka fanontaniana tsy miolankolaka ary tsy misy sivana. Izy koa dia mamokatra sarimihetsika fanadihadiana izay mifantoka amin'ny tantara rosiàna, isan'ireny ny “Kolyma, ilay firenen'ny tahotrantsika,” izy mandinika ilay faritra izay malaza ratsy noho ny fisian'ireo golagin'i Staline, nandefasana ireo gadra noho ny pôlitika, sy ilay hoe “Beslan. Tsarovy.”
Beslan dia anaran-tanàna iray ao Severnaya Osetiya, repoblikan'i Kaokazy Avaratra ao Rosia, toerana izay nanaovan'ny mpampihorohoro ho takalonaina ireo mpianatra, ray aman-dreny ary mpampianatra, tamin'ny 1-4 Septambra 2004. Lasa fantatra tamin'ny hoe Fanaovana Fahirano Sekoly tao Beslan ilay fanafihan'ny mpampihorohoro, ka tamin'izany dia olona 334 — ankizy ny 186 ary 31 tamin'ireo mpanafika — no maty tao anatin'izay noheverina ho fitifirana an-tsekoly namoizana aina be indrindra teo amin'ny tantara.
Nitohy ny fanakianana momba ny fitantanan'ny governemanta rosiàna ny krizy, miaraka amin'ny fiampangàna fanaparitahana tafika tafahoatra, sy ny filazàna fandefasana vaovao diso sy fanaovana sivana any amin'ny media.
Ny Febroary 2020, namoaka fanadihadiana iray hafa i Dud, tamin'ity in-dray mitoraka ity dia momba ny toejava-misy ny VIH ao Rosia, izay nantsoiny hoe “valanaretina iray tsy asiana resaka ny momba azy.”
Raha te-hahafantatra misimisy kokoa, vakio: Groundbreaking film on Russia's HIV epidemic goes viral (amin'ny fiteny anglisy)
Tamin'ny Febroary 2022, rehefa nanomboka ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina i Rosia, nanameloka ampahibemaso ilay fihetsika i Dud ary nandao ny fireneny. Tamin'ny 10 Martsa tamin'io taona io, fizarana telo tao amin'ny fantsony YouTube no nolazaina fa fanaovana an-tendrony tany Belarosia: “Komissarenko – fiainana vaovao taorian'ireo hetsipanoherana tao Belarosia,” momba ilay Belarosiàna mpanao hatsikana malaza sady YouTuber Slava Komissarenko,” “NEXTA – ilay media fototra ho an'ny hetsipanoherana belarosiàna,” ary ilay “Fomba ahoana no hanohizana miaina rehefa angalarin-dry zareo ny firenenao,” izay niresahany ny momba ireo Belorosiàna miaina an-tsesitany.
Ny 15 Aprily 2022, ny minisitra rosiàna miadidy ny fitsaràna dia nanondro azy ho “mpitsikilon'ny vahiny.” Toy ireo olomalaza marobe avy amin'ny mpanohitra sy ireo mpampahalàla vaovao voatery nandositra ny firenena taorian'ilay fananiham-bohitra — ary ny fanamafisana ny famoretana sy ny sivana izay miara-dàlana amin'izany — ankehitriny i Dud dia manohy ny asany any an-tsesitany, lavitra an'i Rosian'i Poutine. Nanomboka tamin'izany izy dia namokatra antsafa marobe sy fanadihadiana, izay samy niteraka fahalinana sy resabe avokoa — tany Rosia sy tany ivelany.
Iray amin'ireo antsafa farany indrindra nataon'i Dud, vita herintaona talohan'ilay fananiham-bohitra, ilay niarahany tamin'i Alexey sy Yulia Navalny nialoha ny niaingan-dry zareo tany Alemaina (tany i Navalny no notsaboina taorian'ny andrana iray natao hamonoana azy) ho any Rosia. Voasambotra ilay mpitarika ny fanoherana sady gadra noho ny pôlitika ary tamin'ny Febroary 2024 no maty nisy namono, tany amin'ny fonja rosiàna. Ny resaka farany nifanaovany tamin'i Dud no antsafa farany fantatra fa nataon'i Navalny.
Ireo asa mafonja tamin'ny asa fanaovan-gazety vitan'i Dud no angamba isan'ny nandray anjara tamin'ny fanapahakevitry ny filoha Sandu hanaiky io tafatafa io, ny voalohany indrindra niresahany tamina filoham-panjakàna.