
Ireo mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Filipina mitaky ny famotsorana ilay mpanao gazety voatazona Frenchie Mae Cumpio nandritra ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Departemantan'ny Fitsarana. Sary avy amin'i Lito Ocampo, nahazoana alalana.
Nomarihan'ny media sy ny mpiaro ny zon'olombelona manerana ny faritra Azia Atsimo Atsinanana tamin'ny alalan'ny famoahana fanambaràna sy fikarakarana hetsika manasongadina ny fanamby sy ny fandrahonana atrehin'ny mpanao gazety mandritra ny fanatanterahana ny asany ny Andron'ny Firenena Mikambana hamaranana ny tsimatimanota mihatra amin'ny mpanao gazety tamin'ny 2 Novambra.
Kambodza
Tany Kambodza, namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona fiarahamonim-pirenena maneho ny ahiahiny amin'ny fiharatsian'ny toe-javatra mihatra amin'ny fampitam-baovao na dia taorian'ny nandraisan'ny governemanta vaovao fahefana tamin'ny taona 2023 aza. Notanisain-dry zareo ny tatitra iray nampiseho trangam-panorisorenana 28 tamin'ireo mpanao gazety 46 tao anatin'ny sivy volana voalohany tamin'ny taona 2024.
Targeting journalists — particularly those reporting on human rights issues — undermines freedoms of expression and the press, thereby threatening the public’s access to information. This environment complicates efforts to hold those in power accountable for their wrongdoing. When authorities fail to investigate and punish perpetrators of crimes against journalists, it conveys the message that such offences are permissible.
Manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny asa fanaovan-gazety ny fanaovana ny mpanao gazety ho lasibatra — indrindra ireo miresaka zon'olombelona — ka mandrahona ny fahafahan'ny vahoaka hahazo vaovao. Manasarotra ny ezaka hihazonana ireo eo amin'ny fitondrana ho tompon'andraikitra amin'ny fahadisoany ity tontolo ity . Rehefa tsy manadihady sy manasazy ireo mpanao heloka bevava amin'ny mpanao gazety ny manam-pahefana, dia mampita ny hafatra fa azo ekena ny fandikan-dalàna toy izany.
Ohatra antsojay iray vao haingana ny fisamborana sy fihazonana an'i Mech Dara [mg] mpanao gazety, nahazo loka amin'izany, mpamaky bantsilana nampibaribary ny fihanaky ny fisolokiana anjotra ao amin'ny firenena. Nahazo fahafahana vonjimaika izy saingy tsy ela dia nanambara ny fisotroan-drononony amin'ny asa fanaovan-gazety taorian'ny fitsapana mafy nahazo azy.
Matetika ny Kambodziana mpanao gazety no tratran'ny antsojay na migadra noho ny famoahana asa mitsikera ny governemanta. Tena tandindomin-doza ny mpanao gazety ara-tontolo iainana sy ireo izay miresaka ny famindran-toerana an-terisetra ataon'ny governemanta [mg] amin'ireo vondrona teratany.
Malayzia
Firenena iray hafa tsy nahatanteraka [mg] ny fanavaozana ilaina amin'ny fampitam-baovao na efa nitsangana aza ny governemanta vaovao i Malayzia, izay mbola miantehitra amin'ny lalàna famoretana, tamin'ny andron'ny fanjanahantany ho fampanginana ireo tsy mitovy hevitra sy hampitahorana mpanao gazety. Namerimberina ny fitakiana hananganana vaomieram-pampitam-baovao hanampy amin'ny fanamafisana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena ny vondrona fiarahamonim-pirenena.
We urge that the Malaysian Media Council as an independent, multistakeholder self-regulatory body for the industry be established, without further delay, and be given the mandate to have the powers to protect journalists — legally, physically, economically, and socially — and the integrity of our media landscape.
Mandrisika ny Vaomieran'ny Media Maleziana izahay, amin'ny maha-rafitra mpandrindra-tena mahaleotena ary maro mpandray anjara ao anatiny azy eo amin'ny sehatrasa, ny hametrahana azy tsy misy hatak'andro, ary homena fahefana amin'ny fiarovana ny mpanao gazety — ara-pitsarana, ara-batana, ara-toekarena ary ara-tsosialy — sy ny tsi-fivakisan'ny tontolon'ny fampitam-baovaontsika.
Nisarika ny fifantohana ihany koa izy ireo amin'ny teritery ara-bola manimba ny asan'ny seha-baovao:
A growing concern that threatens Malaysia’s media landscape recently has been economic violence in the form of low wages, unsafe working conditions, and job insecurity.
Ahiahy vao mandrahona ny tontolon'ny media eto Malezia ny herisetra ara-toekarena amin'ny endrika karama ambany, ny toetr'asa tsy azo antoka ary ny tsi-fahamarinan-toerana arakasa.
Filipina
Nanentana ny manampahefana Filipiana ireo vondrona media mba hitozo amin'ny fikatsahana ny rariny tamin'ny famonoana an'i Gerry Ortega, mpanao gazety fampielezam-peo, tamin'ny taona 2011 izay nanjary nitoetra ho raharaha “mariky ny tsimatimanotan'ny famonoana mpanao gazety” ao amin'ny firenena.
Nitohy ny famonoana mpanao gazety, ka mbola tsy voavaha hatramin'izao ny ankamaroan-draharaha. Mampitandrina ny amin'ny voka-dratsin'ny tsi-fisaziana ny Sendikà Nasionalin'ny Mpanao Gazety ao Filipina.
Each year that passes risks relegating these murders further into the past and sends the message that attacks against journalists are to be expected and can be expected to be done with impunity. Already, many of our colleagues see these attacks as just part of the territory. While there is inherent risk in journalism and media work, attacks against journalists cannot be normalized.
Ahiana handevina ireo vono olona ho any amin'ny lasa (tsy hotsaroana) ny taona tsirairay mandalo ary mandefa hafatra fa azo antenaina tsy hisy sazy ny fanafihana mpanao gazety. Fa efa maro amin'ireo mpiara-miasa aminay no mahita ireo fanafihana ireo ho efa fiainana andavanandro. Tsy ho lasa mahazatra ny famelezana mpanao gazety na dia tsy afa-misaraka amin'ny fanaovan-gazety sy ny asam-pampitam-baovao aza izay mitatao eo andohany.
Mivoady izy ireo fa hanohy ny tolona ho amin’ny fahamarinana.
Keeping their stories alive, reporting on the progress — or lack of it — in their cases, and seeking accountability for these crimes are some of the ways we can make sure they are not forgotten.
Anisan'ny fomba azontsika antoka tsy hanadinoana azy ireo ny famelomana ny tantaran-dry zareo, ny tatitra ireo fivoarana — na ny tsy fisian'izany — amin'ny raharaha, ary ny fikatsahana tamberin'andraikitra amin'ireo heloka bevava ireo.
Nitaky ny famotsorana ilay mpanao gazety Frenchie Mae Cumpio ihany koa ny vondrona media, izay mitaratra ny fampiasana ny fitsarana sy ny lalàna hihazonana tsy an-kiato ireo mpanao gazety mitsikera ny famoronana dosie hamelezana azy.
#Philippines: CPJ urges authorities to drop vindictive charges against journalist Frenchie Mae Cumpio ahead of her November 11 trial.
Read more about the case: https://t.co/g9Q3eEj0R3@bongbongmarcos pic.twitter.com/SCfwVoUePe
— CPJ Asia (@CPJAsia) November 7, 2024
#Philippines: Manentana ny manampahefana ny CPJ mba hanafoana ny fiampangana valifaty mihatra amin'ilay mpanao gazety Frenchie Mae Cumpio mialoha ny fitsarana azy ny 11 Novambra.
Vakio bebe kokoa momba ilay raharaha: …
Myanmar
Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Febroary 2021, nametraka sivana feno ny media ny fitondrana miaramila ary namoritra amin'habibiana ny herin'ny mpanohitra hatramin'ny mpikambana ao amin'ny gazety. Farafahakeliny mpanao gazety valo no maty nisy namono tao anatin'ny telo taona. Araka ny fikambanan'ny mpanao gazety tsy miankina ao Myanmar, mpanao gazety miisa 177 no voahazona, ary 53 no voatazona an-tranomaizina miandry fitsarana. Nofintinin'ny Komitin'ny Mpiaro ny Mpanao Gazety ny toe-draharaha mahatsiravina ao Myanmar:
The Myanmar junta has crushed the independent media by banning outlets, raiding media offices, and targeting journalists with arrests and killings over the past four years. The country is also the world’s second-worst jailer of journalists after China.
Nopotehin'ny fitondrana jadona Myanmar ny fampahalalam-baovao tsy miankina tamin'ny fandraràna ny fampahalalam-baovao, tamin'ny fanafihana ny biraon'ny fampitam-baovao, ary ny fisamborana sy famonoana ireo mpanao gazety nandritra ny efa-taona. Faharoa manerantany mpanagadra mpanao gazety aorian'i Shina koa ny firenena.
Namoaka fanambaràna manameloka ny famelezan'ny junta amin'ny fahalalahana maneho hevitra ihany koa ny Governemantan'ny Firaisampirenena sivily, izay misolo tena ny fanoherana.
The military's systematic campaign of violence, harassment, and intimidation has turned journalism into an occupation fraught with peril. Today, we call attention not only to these crimes but also to the wider impact of the military's assault on freedom of expression. By silencing journalist, the terrorist military council seeks to suppress the truth, restrict the people's awareness, and stifle calls for accountability.
Nahatonga ny asa fanaovan-gazety ho mampidi-doza ny fanentanana omban-kerisetra miaramila, ny antsojay sy ny fampitahorana. Ankehitriny, misarika ny fifantohana tsy amin'ireo heloka bevava ireo ihany izahay fa amin'ny fiantraikan'ny fanafihan'ny miaramila amin'ny fahalalahana maneho hevitra ankapobeny. Tian'ny vaomiera miaramila mpampihorohoro hofoanana amin'ny fampanginana mpanao gazety ny marina, hamerana ny fahatsiarovan-tenam-bahoaka, ary hanampenana ny antso ho amin'ny fandraisana andraikitra.