Nizerià sy Kenya: Sakana araka ny lalàna mibahana ny ady amin'ny famonoana vehivavy

Fanaingoana avy amin'ny Minority Africa, Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity dia tantara nosoratan'i Wambui Mwaura, ary navoaka voalohany tao amin'ny Minority Africa tamin'ny 10 Septambra 2024. Dika nohafohezina no averina avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Manerana an'i Afrika, maty vonoina amina taha manaitra ireo vehivavy, matetika dia ataon'ireo olona miaraka aminy ihany, na lehilahy ao anivon'ny fianakaviana. Tamin'ny 2022, mampalahelo fa tao amin'ilay tanibe no tarehimarika ambony be tamin'ny famonoana vehivavy  nataon'ireo olona akaiky azy indrindra na mpikambana ao anivon'ny fianakaviana,  vehivavy sy ankizivavy 20.000 teo ho eo no voavinavina ho namoy ny ainy.

Any Kenya, ohatra, ireo tatitry ny media dia milaza fa mitombo be ny isan'ny trangam-pamonoana vehivavy nataon'ireo olona akaiky indrindra azy. Mampalahelo fa ilay mpihazakazaka ôlaimpika Rebecca Cheptegei no iray tamin'ireo niharam-bono vao haingana tamin'ny famonoana vehivavy. Kanefa, tsy misy rafitra ôfisialy natao hanjohiana ireo vehivavy rehetra niharan'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, indrindra fa ny famonoana vehivavy.

Araka ireo antontanisa navoakan'ny Africa Data Hub, izay mitsirika ireo tranga famonoana vehivavy voatatitra an-gazety, vehivavy sy ankizivavy 546 no maty vono tao Kenya teo anelanelan'ny 2016 sy 2023. Ireo trangana herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy sy ny famonoana vehivavy, izay endrika faratampon'ny herisetra noho ny maha-lahy na maha-vavy, no nibahan-toerana teny anaty vaovao tany am-piandohan'ny taona 2024.

Nihoatra ny folo ireo vehivavy namoy ny ainy noho ny herisetran-dehilahy tamin'ny Janoary 2024 fotsiny. Tranga roa niavaka tamin'ny famonoana vehivavy, izay nisongadina tanaty vaovao tamin'io volana io, ny an'i Scarlet Wahu, izay maty novonoina tamin'ny 3 Janoary, ary ny an'i Rita Waeni, maty novonoina tamin'ny 14 Janoary. Ny fahafatesan'izy ireo dia niteraka ireo fihetsiketsehana goavana indrindra voarakitra tao Kenya hanoherana ny famonoana vehivavy, izay nitranga tany amin'ireo tanàna maro sy ireo distrika samihafa tamin'ny 27 Janoary, nahitàna ireo mpikatroka nitaky tamin'ny governemanta mba hanambara ny famonoana vehivavy ho krizy nasiônaly. Ilay hetsipanoherana tao Nairobi dia nomena anarana hoe #TotalShutDownKe.

Ny zavamisy hoe tsy voasazy ireo trangana famonoana vehivavy, na ahemotra ny fitsaràna, dia tsy ho an'i Kenya irery ihany fa miparitaka manerana an'ireo firenena afrikàna hafa, isan'izany i Nizerià. Vinavinaina ho 401 ny tranga famonoana vehivavy tao Nizerià fotsiny ho an'ny taona 2022 samirery.

Olana ara-drafitra

Ny 14 Desambra 2023, Naftali Kinuthia dia voaheloka 40 taona an-tranomaizina noho ny famonoana an'i Ivy Wangechi. Wangechi dia mpianatra ho mpitsabo tao amin'ny taona fahadimy, Oniversiten'i Moi ao Kenya, izay maty novonoina teo am-bavahadin'ny toeram-pianarany taorian'ny nandavany ny fandrobohan'i Kinuthia. Taorian'ny fitsaràna naharitra efatra taona tao amin'ny Fitsarana Ambony ao Eldoret dia voaheloka i Kinuthia. Kiroko Ndegwa no mpisolovava ny mpitory tamin'ilay tranga, izay lasa raharaha  nasiônaly sy iraisampirenena.

Iray amin'ireo olana lehibe sedrain'ny rafi-pitsarana ao Kenya, raha vao resaka fanenjehana noho ny famonoana vehivavy, ny hoe matetika ilay izy no miafara amina dingam-pitsaràna ela be. Amin'ny tranga sasany, tena lava be izany ka mahatonga ny fianakavian'ireo niharam-bono ho very fanantenana amin'ny fitadiavana ny rariny ho an'ny havan-dry zareo.

Nandritra ny antsafa iray tao amin'ny biraony, nilaza i Ndegwa fa ilay fotoana mihitatra lava be tamin'ny “raharaha Ivy Wangechi” dia noho ny famindràna ny filohan'ny tribonaly teny antsefantsefan'ilay dingam-pitsaràna.

“Niteraka fahasarotana teknika sy ara-pitsaràna marobe io, indrindra fa fahafahana manomboka hatrany am-boalohany ny fotoam-pitsarana,” hoy i Ndegwa mahatsiaro. “Marina indrindra izany satria i Winfred Waithera King’ori renin'ilay maty, dia nitaraina tamin'ny fampahalalam-baovao momba ny fihisaran'ny dingana ary nanambara ny ahiahiny hoe mety tsy hahazo rariny ho an'ilay zanany vavy maty novonoina.”

Nanazava misimisy kokoa i Ndegwa: “Ny fanamby amin'io dia, raha toa ianao misafidy ny hanohy amin'ny teboka nijanonanao, avy eo ilay mpitsara vaovao tsy mahavita ny mifanerasera amin'ireo vavolombelona, na mandinika ny fitondrantenan-dry zareo. Etsy ankilany, raha toa hanomboka hatrany amin'ny voalohany ianao,   (“de novo”) misy (ny) finoana fa toa hihena ny hafanampon'ny sasany amin'ireo vavolombelona, ary hiafara amin'ny hoe vavolombelona kivy no hita(-nao).’’

Ny olana iray ara-drafitra mikiky ny fitsaràna ao Kenya amin'ny resaka fanenjehana ny famonoana vehivavy dia ny fameran'ny fitsarana ny fandraisana anjaran'ny fianakavian'ny niharam-bono mandritra ireo dingana. Ny rafi-pitsaràna ao Kenya, araka ny nohazavain'i Ndegwa, dia tsy miraharaha ny fianakavian'ireo niharam-bono, na eo aza ny voalazan'ny andininy faha-50, andalana faha-7 ao amin'ny lalàm-panorenana, izay milaza “fa manana zo hohenoina ihany koa ny fianakavian'ireo niharam-bono.”

“Feran'ireo manampahefana ara-pitsaràna ny fandraisan'izy ireny anjara, na misy andininy milaza izany aza ny lalàna. Matetika no omena mpisolovava avy amin'ny fanjakàna ilay voampanga raha toa ka tsy manana vola hakàna izany, saingy raha ny mahazatra dia tsy omena izany haja izany ireo fianakavian'ny niharam-bono,” hoy ny nomarihan'i Ndegwa.

“Fanampin'izay, amin'ireo tranga famonoana vehivavy ao Kenya, mazàna ireo vavolombelona no matahotra ny ho faty rehefa omen'ny fitsaràna fahafahana vonjimaika takalozam-bola ny voampanga”, hoy i Ndegwa. Nambarany fa nisy ny tranga nahazo fahafahana vonjimaika ireo nahavanon-doza rehefa nandoa vola ka mitarika ireo vavolombelona hisalasala hijoro ho vavolombelona na tena hihemotra mihitsy. Indraindray, tsy henoina akory ireo tena vavolombelona fototra.

Araka ny tatitra iray avy amin'ny African Data Hub, mila eo amin'ny 1.900 andro eo ny fitsaràna raharaha iray mahakasika famonoana vehivavy ao Kenya, taorian'ny nisamborana ny nahavanon-doza. Tamina tranga marobe, mangataka fanemorana tsy misy dikany ny mpisolovva ny voampanga, miteraka fahataràna goavana amin'ny fahazoana ny rariny ho an'ireo fianakavian'ny niharam-bono. Matetika io tetikady io no miasa manimba ny raharaha, noho izy manakivy ireo vavolombelona izay leo mivesatra ny saram-pitaterana sy ny fotoana takian'izany.

Matetika io no mitarika ho amin'ny fanemorana ny fitsaràna ary, amin'ny raharaha sasany, ho amin'ny fahadisoana ara-pitsaràna. Amin'ny fotoana maro, raha vao avy amina fianakaviana  matanjaka na manankarena ny voampanga, dia zavatra mahazatra ny fahitàna fandrahonana vavolombelona avy amina fianakaviana antonontonony. Ny tsy fahavitàn'i Kenya mametraka amin'ny toerany sampandraharaha iray mahomby ho fiarovana ny vavolombelona dia singa lehibe iray koa manazava ny antony mahatonga ireo vavolombelona tsy hipoitra. Hatramin'ny 2016, nisy mihoatra ny 500 ireo tragana famonoana vehivavy tao Kenya; didy 13 monja no nivoaka.

Toy io koa no manjo ireo hafa any Nizerià, izay voatery mandao ny fikatsahan-dry zareo ny rariny noho ny fahabangàn'ny rafitra.

Misy sakana goavana apetraky ny lalàna nizeriàna tsy hahazoana rariny ho an'ireo niharan'ny famonoana vehivavy. Mifanohitra amin'ny mahakasika famonoana olona, tsy misy ao Nizerià ny lalàna manokana mandray an-tànana ny famonoana vehivavy.

“Tsy ao anatin'ny rakibolantsika momba ny lalàna (ny Famonoana Vehivavy). Mila apetraka araka ny lalàna ny famonoana vehivavy satria rehefa tsy faritana mazava tsara ny heloka bevava iray, dia tsy afaka hanjaka ny rariny,” hoy i Ololade Ajayi, mpanorina ny Orina DOHS Cares, fikambanana iray izay mpanao adisisika ho an'ny zon'ny vehivavy sy ny ankizy.

“Araka izany, ny fampanoavana dia voatery mampilahatra azy io amin'ireo vesatra natao ho an'ny vono olona, izay mety tsy hahalaza tanteraka ny antony mifototra amin'ny mahalahy na maha-vavy,” hoy izy manampy.

Ny 4 Aprily 2024, nivoaka nanao rodobe ny Orina DOHS Cares sy ireo mpiara-dia aminy hitaky ny rariny tamin'ny nahafaty ireo ankizivavy sy vehivavy an'aliny maro vokatry ny famonoana vehivavy. Nandrafitra tolodalàna ilay fikambanana ary napetrany teny amin'ny antenimieram-panjakàna ao Lagos. Tanjon'ilay tolodalàna ny hameno ny banga ao anatin'ny lalàna nizeriàna izay manakana ny rariny tsy hanjaka, ary ny hanao izay hankatoavana ny famonoana vehivavy ho toy ny heloka bevava ao Nizerià.

Raha mbola mitohy ireo ezaka fandresena lahatra sy hetsipanoherana, mbola mitoetra kosa ireo fanontaniana hahafantarana raha toa ny governemantan'ireo firenena ireo ka hametraka izay fanavaozana ilaina, hiantohana fa hahazo ihany ny rariny ho an'ny havany ireo fianakavian'ny niharam-bono tao Kenya sy Nizerià.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.