Amerika Latina: Iza no nahazo tombony, iza no maty antoka taorian'ny fandresen'i Trump

Sary natambatry ny Global Voices, manasongadina ny filoha amerikàna voafidy, Trump (saripika tao amin'ny Flickr, nampiasàna CC BY-SA 2.0) sy sarintanin'i Amerika Latina

Amin'ny 20 Janoary 2025 ny filoha amerikàna Donald Trump no handray ny toerany indray sy hiatrika ireo fanamby mahazatra saingy mivoatra ao Amerika Latina. Roa amin'ireny fanamby ireny no misongadina.

Voalohany, ny fihenàn'ny dindon'io Etazonia manerana izao tontolo izao. Voamarina io fironana io ao Amerika Latina, toerana izay anamafisan'i Shina s y Rosia ny toeran-dry zareo. Mitombo manerana ny faritra ireo fampiasambolan'i Shina amin'ireo fotodrafitrasa, teknôlôjia ary ny angovo, mahatonga azy ho ny faharoa goavana indrindra amin'ireo mpiara-miombona antoka ara-barotra any amina firenena marobe ao Amerika Latina. Mandritra izany fotoana izany, nitarin'i Rosia ny fifandraisany ara-tafika sy diplaomatika amina firenena maro, no sady tohizany ny fidirana amina fampielezana vaovao diso, ikendrena ny hanodinana ny sain'ny olona sy ny vokatra ara-pôlitika.

Faharoa, hatramin'ny nipoiran'ny valanaretina COVID-19, niainan'ireo firenena ao Amerika Latina ny fihisaran'ny fiarenana ara-toekarena, ny fitomboan'ny krizy pôlitika, ny firongatry ny herisetra misy ifandraisany amin'ireo ‘cartel’ mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina, ary ny fiharatsian'ny tsy fitoviana ara-tsôsialy. Niteraka firongatry ny fifindramonina ireny fanamby ireny. An-tapitrisa maro ireo mpifindramonina nitodi-doha nankany amin'ny sisintany iraisan'i Etazonia sy Meksika mba hitady hoavy tsaratsara kokoa. Ny angondrakitra dia maneho fa nandritra ny fitantanan'ny filoha Biden, notombanana ho olona 8 tapitrisa tany ho any, no tratra teny amin'ny sisintanin'i Etazonia, avy amin'ireo firenena ao Amerika Latina ny ankamaroany.

Ireny no olana fototra nandritry ny fampielezankevitr'i Trump. Toy ny fotoam-pitondràny tany aloha, nifantohan'ny kabariny ny fanaovana ho laharam-pahamehana ireo tombontsoa amerikana any ivelany, ny fijoroana hanohitra mafy ny fifindramonina, ary fampanantenana hanomboka ny hetsika fampodiana goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia. Raha tany aloha dia niampanga an'i Meksika izy ho mandefa ireo “mpanolana” sy “mpanao heloka bevava” ho any Etazonia, ankehitriny dia fiampangàna mitovitovy amin'izany no ataony amin'i El Salvador, tamin'ny fanehoany ny ahiahiny momba ny fidiran'ireo andian-jiolahy any Etazonia. Voamariky ny zava-nisafotofoto marobe ny fifandraisan'i Trump sy i Amerika Latina; noho io antony io, tsy nitovy mihitsy ny fanehoankevitr'ireo governemanta ao amin'ilay faritra taorian'ny nahalàny azy.

Ireo izay manana ahiahy kely

Ho an'ny vondrona iray misy ireo governemanta ao Amerika Latina, tsy hanova zavatra loatra, na ho i Kamala Harris no handresy na i Donald Trump. Mitazona fifandraisana tsara sy matotra ara-toekarena, diplaomatika amin'i Etazonia ireo firenena toa an'i Arzantina, Brezila, Shily, Costa Rica, ny Repoblika Dôminikàna, Panamà, Paragoay, Pero, ary Orogoay, ary amin'ny tranga sasany dia fiarahamiasa ara-tafika. Ankoatra ny Repoblika Dôminikàna sy Pero, dia somary mipetrapetraka ihany ireo zanaka ampielezana avy amin'ireny firenena ireny, ary, noho izany, tsy atahoran-dry zaeo hisy fiantraikany mivantana loatra amin'ny vahoakan-dry zareo any ivelany ny pôlitikan'i Trump. 

Na izany aza, mety hanamafy ihany ireo governemanta mpandrendri-bahoaka ao Amerika Latina ny fahalanian'i Trump indray. Izany no mety hitranga any Brezila, ny goavana indrindra ara-toekarena any amin'ny faritra, izay misy an'ilay filoha teo aloha, Jair Bolsonaro, mbola mikasa koa ny hiverina hitondra. Nifampizara fe-potoana nitondràna raha i Bolsonaro sy i Trump,  2019 hatramin'ny 2021 ary mpifanohana akaiky raha amin'ny resaka ideôlôjia. Fanontaniana goavana no apetraka: ahoana no mety ho fandrafetan'ireo fifamatorana manokan'i Trump amin'i Bolsonaro ny fiarahany miasa amin'i Luiz Inácio Lula da Silva, filoha amin'izao fotoana izao ao Brezila? Ho azy, Lula dia nilaza fa hijanona ho feno fifanajàna raha ny fifandraisany amin'ny fitondràn'i Trump, ary tsy hifototra amina hevi-draikitra ideôlôjika.

Ilay pôlitisiàna Libertariàna Javier Milei ao Arzantina no mety hahazo tombony betsaka indrindra. Pôlitika manakaiky kokoa ireo tombontsoan'ny Tandrefana sy ny Amerikana no nitondràn'i Milei ny pôlitika ivelan'i Arzantina, ary manana tambajotra-na mpiaramiasa iraisany amin'i Trump, isan'ireny ireo olona toa an'i Elon Musk. Na dia ny fanaovana fanambaràna sahisahy aza no mampahalaza an'i Milei, dia tsy niloa-bava izy nandritra ny fampielezankevitra amerikàna. Taorian'ny fifidianana, anefa, nisy antso iray naboraka ho an'ny daholobe namboraka fa naneho ny fankasitrahany an'i Trump i Milei, tamin'ny filazàna hoe, Ianao no filoha ankamamiako indrindra!”

Fotoana fohy taorian'ny nahalàny azy indray, nandeha nivahiny tany Mar-a-Lago i Milei mba hihaona tamin'i Trump sy Musk. Nandritra ny fihaonana, nanasa an'i Trump i Milei mba hanangana vovonana iray iraisan'ireo firenena afaka mba hitahirizana ny maripamantarana ny Tandrefana sy hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra. Lazain'ireo manampahaizana manokana fa katsahan'i Milei ny hanaitra ireo fampiasambolan'ny tsy miankina avy any Etazonia hiditra ao anatin'ny toekarena arzantina izay mitontongana, ary ny hampiasa ny dindon'i Etazonia amin'ny Tahirimbola Iraisampirenena (FMI) mba hahazoana fanohanana ara-bola vaovao ho an'ny fireneny.

Ireo izay ho voa mafy indrindra

Ny mahamaro an'isa ny Repoblikana, na ao amin'ny Loholona izany, na ao amin'ny Kaongresy, sy ireo mpiaradia avy any Florida ho amin'ireo toerana ambony, no manamarika ny fiverenan'ny filoha Trump ao amin'ny Trano Fotsy. Florida no mampiantrano ireo vondrom-piarahamonina maro miaina an-tsesitany avy any Kiobà, Nikaragoà ary Venezoelà izay misy fiantraikany lehibe amin'ny firehana pôlitika ary mazàna no miteraka olana iraisam-pirenena avy any amin'ny firenena niavian-dry zareo ho ao anatin'ny pôlitikan'ny ao an-toerana.

Rehefa nandositra ny fitondràna kaominista, Kiobàna niisa telo tapitrisa teo ho eo — nanome efa ho ny 30 isanjaton'ny vahoaka kiobàna — no nanorim-ponenana, indrindra fa tao Florida no sady nahazo hery ara-pôlitika.  Mampiavaka an-dry zareo ilay maha-vondrom-piarahamonina hispanika an-dry zareo, izay hatrizay dia  nifidy repoblikana. Marobe amin-dry zareo no manohana ireo sazy nampitomboina ho an'i Kiobà mba ho fomba hanerena ny fitondràna hikisaka mankany amin'ny demaokrasia. Rehefa nifandimby ny taona, marobe ireo repoblikàna manam-piaviana kiobàna no nitàna toerana ambony tao anatin'ny pôlitika anatiny sy nasiônaly. Nanampy an'io diaspôra kiobàna io ireo mpifindramonina avy any Nikaragoà sy Venezoelà izay nandositra toejavatra nitovitovy tamin'izany koa.

Ity no endri-javatra ratsy indrindra ho an'ireo fitondràna jadona ireo. Mety hiatrika tsindry tsy mitsaha-mitombo i Caracas, Havana, sy Managoà, miaraka amin'ilay Kiobàna-Amerikàna Marco Rubio voatendry ho sekreteram-panjakana manaraka eo. Tsy misy hafa amin'izany, ilay mpikambana ao amin'ny kaongresy, Mike Waltz,  voatendry ho mpanolotsaina amin'ny fiarovam-pirenena, no iray amin'ireo mpitsikera mafy indrindra an'ireny fitondràna ireny. Miaraka amin'ireo pôlitisiàna repoblikàna hafa avy ao Florida — toa an'ilay loholona Rick Scott, ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy Carlos Gimenez, Mario Diaz-Balart, Maria Elvira Salazar, Debbie Wasserman Schultz, ary ny loholona avy ao Texas, Ted Cruz — dia mety hahazo hery bebe kokoa ry zareo ao anatin'ny famolavolàna, avy ao anatin'ny antoko repoblikàna, ny pôlitikan'i Etazonia momba ireo firenena ao Amerika Latina.

Efa lasa miharihary sahady ny vokany mivantana. Ny Alatsinainy 18 Novambra 2024, ireo mpikambana avy ao amin'ny kaongresy dia nandàny lalàna iray mitondra anarana hoe BOLIVAR, mikendry ny hanasazy ireo olona sy fikambanana rehetra manana fifandraisana ara-barotra amin'ny fitondràn'i Nicolás Maduro ao Venezoelà. Ampahatsiahivin'io lalàna io ireo sazy efa misy amin'izao fotoana izao mihatra amin'ny governemanta kiobàna hatrany amin'ny taona 1990. Ankoatra izay, mety mbola ho tavela elabe ao anatin'ny lisitr'ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana i Kiobà, izay mametra ny fahafahany hifampiraharaha ara-barotra sy hahazo famatsiambola avy amin'ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany.

Ho an'ny maro dia ny tsy ampoizina no mibahan-toerana

Manana fifandraisana tsy dia tsara fototra amin'i Etazonia ireo firenena hafa toa an'i Bôlivia, Kôlômbia, Goatemalà, Honduras, ary Meksika. Ankoatra an'i Bôlivia, ireo firenena ireo no manana ny sasany amin'ireo diaspôrà lehibe indrindra ao Etazonia, ary ny toekaren-dry zareo dia mahazo tombony betsaka avy amin'ny vola alefan'ireo mpifindramonina mankany amin'ny fianakaviany any an-tanindrazana. Raha toa mihatra ny drafitra fampodiana nataon'ny filoha Trump, dia mety hisy fiantraikany goavana ara-toekarena sy ara-tsôsialy ho an'ireo firenena ireo izany.

Loharano iray hafa miteraka fisalasalàna amin'ny fifandraisan'ny roa tonta ny fironan'ny governemantany mankany amin'ny hery ankavia.  Mety ho sarotra ny fiarahana miasa amin'ireo governemanta ireo ho an'ny fitantànana iray tarihan'i Trump izay manilika an-karihary ny foto-pisainana sôsialista, ary mety samy hita amin'ny andaniny sy ankilany io fahatsapàna io. Manomboka hita ny marika fihenjanan'ny fifandraisana. Nandritra ny fivoriana G-20 natao tao Brezila, ny filoha kôlômbiàna toa hoe nilaza tamin'ny media fa i Trump sy ilay arzantina pôlitisiàna, Javier Milei, no endriky ny kazarana fasisma vaovao. Mety hisy fihenjanana maro hipongatra mandritra ny fotoam-pitondrana fanindroan'i Trump.

El Salvador, tranga tokamiavaka

Tranga iray mahaliana ny an'i El Salvador. Ny Salvadaoriàna no manome ny diaspôra lehibe indrindra ao Etazonia, indrindra fa any amin'ny morontsiraka andrefana. Nandritra ny fampielezankeviny, notondroin'i Trump io diaspôra io ho loharanon'ny hestik'ireo gang, niteraka kiana nivaivay natao an'i El Salvador sy ny filohany, Nayib Bukele.

Ny tena mahatonga ity fihetsiketsehana ity hahaliana manokana dia ny fitovitoviana misy amin'ireo mpitarika roa ireo. Itovian'i Trump sy Bukele ny fomba pôpilista ary ireo fomba firoso ara-tsôsialy sy ara-pôlitika tsy mahazatra. Na teo aza ny kiana nataon'i Trump, Bukele dia nisafidy valinteny voalanjalanja mba hisorohana ny fitomboan'ny fihenjanana. Bukele no voalohany tamin'ireo mpitarika erantany niarahaba an'i Trump tamin'ny nahavoafidy azy indray.

Fehiny, ho an'ireo mpitarika ao Amerika Latina, ny efatra taona ho avy dia mety hitondra fiovàna amin'ireo fifandraisan'i Etazonia sy Amerika Latina, raha ireo governemanta kosa manandrana ny hifandrindra, na ho tafavoaka velona amin'i Trump.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.