
Pikantsarin'ny horonantsary “Nahafatesana olona maro ny andiana fanafihana Israeliana tany Libanona” tao amin'ny fantsona Guardian News YouTube. Sary nampiasaina araka ny tokony ho izy.
Tamin'ny daroka baomba feno habibiana tsy mbola fahita hatrizay no nisehoan'ny andiana daroka baomba an'habakabaka nataon'i Israely tany Libanona ka nahafatesana olona efa ho 500 tao anatin'ny 24 ora araka ny antontanisa nivoaka voalohany avy amin'ny minisiteran'ny fahasalamana Libaney. Tombanana mbola hiakatra ny isan'ny maty satria dia maherin'ny 1.600 no voalaza fa naratra, ary mbola maro no tsy hita popoka tao anatin'ny daroka baomba. Tao anatin’ny iray andro monja, dia efa ho ny antsasaky ny fitambaran’ireo namoy ny ainy tamin’ny ady naharitra 33 andro tamin’ny taona 2006 ny olona niharam-boina.
Manamarika ny iray amin'ireo andiro maizina indrindra teo amin'ny tantaran'i Libanona ity andro ity, noho ny faharavana sy ny krizy maha-olona nidona tamin'ny firenena. Namaly ny fanafihana an'habakabaka ny Hezbollah tamin'ny alalan'ny fandefasana tifitra balafomanga maromaro tamin'ireo lasibatra tany avaratr'i Isiraely, anisan'izany ny orinasa manamboatra fitaovam-piadiana sy ny seranam-piaramanidin'ny miaramila.
Nambaran'i Israely fa tifitra voakendry miisa 1.600 no natao nandritra ny tontolo andro, ary ny toerana misy ny Hezbollah no natao lasibatra. Niteraka ahiahy sy fisalasalana be ihany anefa ireo filazana ireo, indrindra noho ny fitovizana manahirana tamin'ny fanafihan'ny tafika nataon'i Israely tany Gaza teo aloha izay nanome antony mitovy amin'izany momba ny fanafihana natao tamin'ny toeram-pialokalofan'ny Firenena Mikambana, ny hopitaly ary ny fotodrafitrasa sivily, ka nitarika fiampangana iraisampirenena amin'ny famonoana olona sy ny heloka bevava an'ady. Efa nisy raharaha niampangan'i Afrika Atsimo an'i Israely tao amin'ny Fitsarana Iraisampirenena (CIJ), notohanan'ny firenena maro, miampanga an'i Israely ho nandika ny lalàna iraisampirenena momba ny maha-olona.
Nisioka toy izao i Ghada Majadli, mpamakafaka politika ao amin'ny Al Shabaka hoe:
1. Israel's attack on Lebanon is a textbook repetition of Gaza: labeling the entire population as ‘human shields’ to justify making them military targets without any factual basis, issuing evacuation orders to entire villages, to give a facade of legality to their assaults>>
— Ghada Majadli غادة مجادلة (@GMajadli) September 23, 2024
1. Zavatra miverimberina hita ao Gaza ny fanafihan'i Israely an'i Libanona: manasokajy ny mponina manontolo ho ‘olombelona ampinga’ mba hanamarinana ny fanaovana azy ireo ho lasibatra ara-miaramila tsy misy zavatra mari-pototra, manome baiko famindra-toerana ny tanàna iray manontolo, mba hilazana fa ara-dalàna ny fanafihana nataon'izy ireo> >
Fandisoana vaovao sy ny fanaovana ‘olombelona ampinga’
Ankoatra ny daroka baomba dia niparitaka nanerana ny media sosialy sy ny fantsona ofisialy ny andiana fandisoam-baovao, miezaka manamarina ny fanaovana lasibatra ny faritra sivily manerana an'i Libanona. Ny iray tamin'ireo fanazavana fototra ny hoe mampiasa tranon'olontsotra ny Hezbollah hanafenana ny fandefasana balafomanga ary mampiasa sivily izy ireo ho ampinga olombelona. Fandre matetika tao Gaza izany nandritra ny taona lasa ary nentina any Libanona amin'izao fotoana izao mba ho fialan-tsiny mampidi-doza hanaovana fanafihana an'habakabaka anjambany.
Naneho hevitra ilay mpitati-baovao manokan'ny Firenena Mikambana, Francesca Albanese:
Like the Palestinians, the Lebanese know that you are lying. Like the Palestininas, the Lebanese know that Israel's leadership is as unscrupulous as eager to expand its genocidal violence to the region in order to maintain power and advance its settler-colonial agenda. Like the… https://t.co/0e8rDEIugg
— Francesca Albanese, UN Special Rapporteur oPt (@FranceskAlbs) September 23, 2024
Tahaka ny Palestiniana, fantatry ny Libaney izao fa mpandainga ianareo. Tahaka ny Palestiniana, fantatry ny Libaney fa maty eritreritra ny mpitondra Israeliana ka maika ny hanitatra ny herisetra fandripahana olona any amin'ny faritra mba hitazomana ny fahefana sy hampandeha ny paikam-panjanahana. Toy ny…
Niparitaka an-tserasera ny sarimiaina nomerika, izay naseho ho “porofon’ny” fisian'i Hezbollah tany amin'ny faritra sivily, ary mitovy tanteraka amin'ireo lahatsary nampiasaina hanamarinana ny fandravana ny hopitaly Al Shifa ao Gaza. Nampiasaina hanamarinana ny faharavan'ny trano, hopitaly ary sekoly, ireo sarimiaina ireo, izay tsy nanaovana fanamarinana manokana, ka an-jatony no maty ary an'arivony no nafindra toerana vokatr'izany.
Fisavoritahana sy fifindran-toerana
Raha niraradraraka ny baomba tao Libanona, dia namoaka baiko hialàna haingana tamin'ny alalan'ny hafatra an-telefaona kisendrasendra sy ny fampielezam-peo ny tafika Israeliana, nampitandrina ireo sivily handao ny fonenany raha mitana fitaovam-piadiana Hezbollah izy ireo.
Niteraka fisavoritahana faobe sy fifindra-monina ireo fampitandremana tampotampoka ireo, narahana fanafihana an'habakabaka tsy an-kijanona. Olona an'arivony no nandositra ny fonenany, tsy fantatra izay ho aleha satria tsy nitsahatra ny daroka baomba teny an-dalana sy tany amin’ireo tanàna.
Southern highway – making our way to Beirut – Israeli air strikes along to highway pic.twitter.com/NY4W7mQHGj
— Zeina Khodr (@ZeinakhodrAljaz) September 23, 2024
Lalambe migodana any atsimo – mankany Beirota – fanafihana an'habakabaka Israeliana manerana ny lalambe
Nitombo ny fifandonana
Taorian'ny fanafihana mahery vaika tao Libanona nandritra ny herinandro no hita izany fitomboana izany , ary nofaritana ho fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenena ny sasany tamin’izany. Nampitombo ny herisetra ihany koa ny famonoana ny lehiben’ny kaomandy Hezbollah tao Beirota, ka sivily maromaro, anisan'izany ny ankizy, no maty tamin'ilay fanafihana. Namaly izany ny Hezbollah tamin'ny fikendrena ny tobin'ny fiaramanidina Israeliana Ramat David sy ny tranoben’ny indostrian'ny miaramila Rafael any avaratr'i Haifa.
Araka ny voalazan'ny Al Jazeera — izay nanana birao notafihana sy nakaton'ny tafika Israeliana tao Ramallah tamin'ny 22 Septambra 2024 — dia tombanana hiisa 7800 ny fanafihana nataon'i Israely tao Libanona teo anelanelan'ny 7 Oktobra 2023 sy 6 Septambra 2024, raha oharina tamin'ny fanafihana miisa 1800 nataon'i Hezbollah.
Manampy trotraka ny toe-draharaha ny fanambaràna mivaivay nataon'ireo manampahefana israeliana. Nilaza ny Minisitry ny Atitany Israeliana Moshe Arbel fa hitarina ny toerana hozanahana tsy ara-dalàna ao amin'ny faritra bodoina Cisjordanie, ary nilaza koa izy fa hisy ny fanafihana bebe kokoa avy amin'ny manampahefana ambony indrindra. Vao mainka mirongatra ny fanahiana fa hisy ny fifandonana midadasika kokoa ao amin'ny faritra noho ny teny mahery toy izany, ka tsy ahitana tanjona hamaranana ny herisetra.
Mila fandraisana andraikitra
Nahatonga ny fanjakana Israeliana hanao fanentanana ara-tafika mahery vaika, na any Libanona na Palestina ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra iraisam-pirenena manoloana ny zavatra ataon'i Israely any Palestina. Na dia eo aza ny porofo fa mitombo ny heloka bevava amin'ny ady, dia tsy nisy tsindry mavesatra natao tamin'i Israely mba hanaikeny ny fampitsaharana ady na hampiato ny fampitomboany herisetra. Io tsy fisian'ny tsindry mavesatra hampitony ny disadisa io no nahatonga ny maro hiahiahy fa hihamafy ny herisetra.
Nitombo ny antso fampitsaharana ady tsy misy hatak'andro, firenena maneran-tany maro no manentana an'i Israely hampiato ny hetsika ara-miaramila ary hamela ny fanampiana maha-olona ho tonga any amin'ireo sivily tra-boina ao Gaza, ary nanambara mazava ny Hezbollah fa hijanona ny fanafihana ataon'izy ireo raha vantany vao mitsahatra ny ady amin'i Gaza. Mbola hitohy anefa ny herisetra raha tsy misy ny lalana mazava mankany amin'ny fandraisana andraikitra.
Miharihary kokoa ny isan'ny olona maty tamin'ny daroka baomba nataon'i Israely raha mbola eo am-pisaonana ny maty i Libanona ary mbola eo am-piadiana hevitra momba ny amin'izay ho dingana manaraka ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Fianakaviana iray manontolo no ripaka, rava ny manodidina, ary miatrika tantara iray hafa mandravarava teo amin'ny tantaran'ny fijaliany ny firenena iray.