Voarara tany Rosia ilay hira mitondra ny lohateny hoe ‘Ampiteraho zaza 1000 aho’

 

Pikantsarin'ny lahatsary YouTube an'ilay lehiben'ny tarika Pornofilmy nandritra ny fihetsiketsehana tao Tbilisi, Zeorzia. Horonantsary tao amin'ny fantsona YouTube RusNewsPublicMedia. Azo ampiasaina.

Noraràn'ny Rosiana Roskomnadzor mpanara-maso ny sivana  ilay hiran'ny tarika Pornofilmy hoe “Miteraha zaza 1000 ho ahy”. Voarara tamin'ny herintaona ihany koa ny hira iray hafa nataon'ny tarika, “This Will Pass” (Hisinda izany).

Navoaka tamin'ny Martsa 2016 tao anatin'ny rakikira “Russian Dream. Part II” io hira “Rodi mne 1000 detey” (“Miteraha zaza 1000 ho ahy”) io. Toy izao ny tononkira ao anatiny:

Give birth to 1000 children for me. Give each of them a name — soldier. Our president will send them to die — to shoot in Donbas.

Miteraha zaza 1000 ho ahy. Omeo anarana  tsirairay izy ireo hoe – miaramila. Haniraka azy ireo ny filohantsika ho faty — hitifitra any Donbas.

Nilaza ny tetikasa Roskomsvoboda fa mety ho ny Biraon'ny Fampanoavana no nanapa-kevitra momba izany. Azon'io sampan-draharaha io atao ny manakana raha toa ka mahita porofo tsy fanajana andrim-panjakana, “vaovao sandoka” momba ny tafika Rosiana, antso hikorontam-bahoaka, ary fanitsakitsahana hafa izay tafiditra ao anatin'ireo lalàna famoretana vaovao niseho taorian'ny fananiham-bohitra nataon’ny Rosiana tany Okraina. Talohan'izay, tamin'ny volana oktobra tamin'ny herintaona,  nanjavona tao amin'ny sehatra fandefasana streaming Rosiana maro ny “Miteraha zaza 1000 ho ahy”, anisan'izany ny Yandex Music sy VKontakte, na dia tsy nisy aza ny fanapahan-kevitra ofisialy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana nivoaka momba izany.

Tamin'ny volana oktobra tamin'ny herintaona, nampidirin'ny Roskomnadzor tao amin'ny rejisitry ny torohay voarara ny hiran’ny Pornofilmy “ This Will Pass”, ary talohan'izay dia nisy hira hafa nataon'ny tarika, “ Kill the Beggars! (Vonoy ireo mpangataka!),” nampidirina tao amin'ny lisitry ny Minisiteran'ny Fitsarana ahitana ireo loharanom-pitaovana ekstremista. Fanampin'izany, tamin'ny harintaona, nosakanan'ny tambajotra sosialy VKontakte ny pejin'ny tarika tao Rosia noho ny fangatahan'ny Biraon'ny Fampanoavana.

Всё пройдёт, точно майские грозы
Чьи-то слёзы, два пальца у рта
Как мандат охуевшего единороса
Как допрос, как усмешка мента

Как лефортовские коридоры
Как Беслан, как Норд-Остовский газ
Федеральная свора бездушных майоров
Севастополь, Донецк и Луганск
Это точно пройдёт
Это точно пройдёт!
С пакетом мокрым на голове
С электрометками на руке
Моя Россия сидит в тюрьме
Но верь же мне, это пройдёт!
Какой же чёрный нам выпал век
А мне мерещится вдалеке
Живой надежды забытый свет
Так верь же мне, это точно пройдёт
Словно свастика русского мира
Как пожары в сибирских лесах
Срок для честных ребят из Пензы и Питера
Набитый детьми автозак!
Или с ящика врущая нечисть
228 и шмон в пять утра
Как ОМОНовец, храбро калечащий женщин
Как декабрь, январь и февраль
Это точно пройдёт
Это точно пройдёт!
С пакетом мокрым на голове
С электрометками на руке
Моя Россия сидит в тюрьме
Но верь же мне, это пройдёт!
Какой же чёрный нам выпал век
А мне мерещится вдалеке
Живой надежды забытый свет
Так верь же мне, это точно пройдёт
Всё пройдёт, всё проходит когда-то
Будет год, будет день, будет миг
В одиночестве в морге вчерашний диктатор
А теперь просто мёртвый старик
И с петель срежут двери в Лефортово
И Россия воспрянет от сна
Малайзийским, истерзанным, взорванным бортом
В твою ледяную избушку ворвётся весна
Это точно пройдёт!
С пакетом мокрым на голове
С электрометками на руке
Моя Россия сидит в тюрьме
Но верь же мне, это пройдёт!
Какой же чёрный нам выпал век
А мне мерещится вдалеке
Живой надежды забытый свет
Так верь же мне, это точно пройдёт

Hisinda ny zava-drehetra, toy ny oram-baratra Mey
Ranomason'olona, ​​rantsa-tanana roa eo imolotra
Toy ny didy avy amin'ny adalan'i Rosia Mitambatra
Toy ny fakana am-bavany, toy ny fitsikin’ny polisy

Toy ny lalantsara Lefortovo
Tahaka an'i Beslan, tahaka ny enton'i Nord-Ostov
Ekipa federalin’ny mazaoro tsy manam-panahy
Sevastopol, Donetsk ary Lugansk
Tena handalo izany
Tsy hisalasalana fa handalo izany!
Kitapo mando ambony lohanao
Herinaratra an-tanana
Any am-ponja i Rosiako
Fa minoa ahy fa ho hisinda izany!
Taonjato maizina inona tokoa izao
Tsinjoko vao lavitra
Nanadino ny mazava ny fanantenana velona,
Koa matokia ahy fa hisinda tanteraka izany
Toy ny swastika-n’ny tontolo Rosiana
Toy ny afon'ny alan'i Siberia
Fonjan’ny marina any Penza ka hatrany Saint-Pétersbourg
Saretin'akotry feno ankizy!
Na fanahy ratsy mivoaka amin'ny baoritra
228 ary fisavana amin'ny dimy maraina
Toy ny polisy misahana ny rotaka mandrasarasa vehivavy
Toy ny Desambra, Janoary ary Febroary
Tena hinoana fa hisinda izany
Tsy hisalasalana fa handalo izany!
Kitapo mando eo an-doha
Herinaratra eo an-tànana
Any am-ponja i Rosiako
Fa minoa ahy fa ho hisinda izany!
Taonjato maizina tokoa izao
Tsinjoko eny lavitra eny
Velona ny fanantenana, hadino ny fahazavana
Koa matokia ahy fa ho hisinda tokoa izany
Taonjato maizina inona tokoa izao
Tsinjoko avy lavitra
Nanadino ny mazava ny fanantenana velona,
Koa matokia ahy fa hisinda tanteraka izany
Hisinda ny zava-drehetra, hisinda ny zava-drehetra indray andro any
Hisy taona, hisy andro, hisy fotoana
Irery ao an-tranom-paty, jadon'ny omaly
Ary efa olon-ko faty izy izao
Ary ho tapaka ny savilin’ny varavarana mankany Lefortovo
Ary hifoha amin'ny torimaso i Rosia
Maleziana, ampijalijalina, mipoaka
Hipoitra anaty trano bongo misy ranomandry ny lohataona
Taonjato maizina inona tokoa izao
Tsinjoko avy lavitra
Nanadino ny mazava ny fanantenana velona,
Koa matokia ahy fa hisinda tanteraka izany

Manohitra ny ady ny tarika Pornofilmy ary nandao an'i Rosia taorian'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra natao an'i Okraina. Nikarakara andiana fampisehoana ho amin'ny asa fiantrana niaraka tamin'ny mpanao rap Face sy ny tarik'i Nervy ho fanohanana ireo Okrainiana tratran'ny ady. Tamin'ny Septambra 2023, nambaran'ny Minisiteran'ny Fitsarana Rosiana fa “mpitsikilo vahiny” ilay mpihira mpitarika ao amin'ny Pornofilmy, Vladimir Kotlyarov.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.