Kihon-dalana manokatra ny lalana mankany amin'ny fangaraharana ara-tontolo iainana ao Trinidad sy Tobago

Solontenan'ireo fiarahamonim-pirenena ao Trinidad sy Tobago miteny mba hanasoniavan'ny fireneny ny Fifanarahan'i Escazú mba hiantohana ny fahazoana vaovao sy ny fandraisan'ny vahoaka anjara amin'ny resaka tontolo iainana. Sary nahazoana alalana tamin'i Omar Mohammed. [nosoratana tamin'ny 27 janoary 2012]

Lahatsoratra nivoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois News. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty nifanaovany tamin'ny Global Voices.

Afa-mitrandraka malalaka ireo torohay (vaovao) tena ilaina amin'ny fiantraikan'ny tetikasa fampandrosoana amin'ny tontolo iainana sy ara-tsosialy eo amin'ny fiarahamoniny ny olom-pirenen'i Trinite sy Tobago ankehitriny.

Tohin'ny fandresena lehibe hisian'ny mangarahara ara-tontolo iainana azon'ny vondrona kiady Fishermen and Friends of the Sea (FFOS), izay nahomby tamin'ny fitoriana ara-pitsarana ny Fahefana misahana ny fitantanana ny tontolo iainana (EMA) izany mba hahazoana mijery malalaka ny valin'ny fanadihadiana ny fiantraika ara-tontolo iainana. EIA).

Nosoritsoritan‘ny tranokalan'ny EMA ny EIA ho “fandalinana iray mamaritra ny mety ho fiantraikan'ny tetikasa iray manokana amin'ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina.” Raha nanazava tamin'ny fitsarana ny antony iheveran-dry zareo fa tsy tokony ho hitan'ny besinimaro amin'ny fomba feno ny torohay naterak'ireo fanadihadiana ireo, dia nilaza ny EMA fa noferan'ny zon'ny mpamorona vondrona fahatelo ho 10 isanjaton'ny valim-panadihadiana amin'ny EIA ihany no azon-dry zareo zaraina amin'ireo antoko mitady kopia.

Nolavin'i Devan Rampersad, Mpitsara Avo, io foto-kevitra io ary nomeny didy manome vahana ny FFOS, nametaka ny filazan'ny EMA ho “tsy ara-pisainana, tsy mitombina ary tsy araka ny izy.”

Tapaka fa tsy afaka mandà amin'ny fahazoan'ny daholobe mijery manontolo EIA ny EMA, satria adidiny ny manamora ny fidirana amin'ny torohay ahafahany maneho hevitra mahomby sy mandray anjara adidy araka izay tandrifiny voalaza ao amin'ny Lalàna mifehy ny tontolo iainana. Namaritra ihany koa ny Mpitsara Rampersad fa tsy mifanaraka amin'ny fanao tsara indrindra eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny politika sy ny fomba fiasan'ny EMA.

Nosantarin'ity didim-pitsarana ity ny fahafahan'ny fiarahamonim-pirenena mandray anjara amin'ny dingan'ny fanapahan-kevitra amin'ny alàlan'ny fiarovana ny fampandrosoana lovainjafy sy ny fikatsahana ny tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina voafefin'ny asa indostrialy.

Nandritra ny fisintonan'ny Fitsarana Avo, niara-nanoratra taratasy ho an'ny Fitsarana Avo ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena miisa 16 manerana an'i Trinite sy Tobago manohana izay lazain'ny FFOS fa tsy maintsy tazonina ho tombontsoam-pirenena ny fahazoa-mamaky malalaka sy tsy voafefifefy ny EIA.

Nanatona ny sasany tamin'ireo vondrona nanoratra an-taratasy ny Cari-Bois News hahalala ny fihetseham-pony momba ny fandresena. Nilaza i Ryan Allard, sekreteran'ny vondrona ara-tontolo iainana Environment Tobago, fa faly tokoa ny fikambanany tamin'ny fahombiazana, ary nilaza hoe: “Tena ilaina amin'ny fampandrosoana lovainjafy eto Trinidad sy Tobago ny angon-drakitra sy ny torohay momba ny tontolo iainana .”

Manana fihetseham-po tahaka izany koa i Roma Price, mpitantana ny Fondation Toco,  ary nilaza fa “an-dalana ny fiovana”, ary nanoritsoritra ny didim-pitsarana ho fampahatsiahivana manandanja ny filohan'ny Filankevitry ny Tanànan'i Valencia, Eron Melville, fa tsy miady amin'ny ady efa tsapany fa hahatonga azy ho resy (mandrakizay) ny mpikatroka. “Hanome toky anay izany fa mila manohy amin'ny fanoherana ireo orinasa mampiasa an-tapitrisany dolara izahay rehefa tonga ao amin'ny fiarahamoninay ry zareo,” hoy izy nanampy.

Na izany aza anefa, raha nifandray an-telefônina tamin'i Gary Aboud, sekreteran'ny vondrona FFOS,  ny Cari-Bois News, dia nisy tendry mivalana ao anatin'ny feo fankalazana raha nampitandrina ny lafiny mangidy amin'ny fandresena izy. “Mampalahelo sy mahakivy fa tokony hoterena zahay hiaro ny zo fototra toy ny amin'ny fahazoan'ny daholobe torohay ho tombontsoam-bahoaka,” hoy izy.

Niainga tamin'ny zavamisy ny fahadisoam-panantenan'i Aboud fa maneho fiverenana amin'ny laoniny ny didim-pitsarana  fa tsy maneho fivoaran-draharaha mankany amin'ny mangarahara ara-tontolo iainana. Azon'ny besinimaro hovakiana hatrany ny EIA rehefa nanaovam-pangatahana talohan'ny taona 2018. Nanapa-kevitra ny hanova ity politika ity ny EMA, mametra ny fahazoa-mamaky ny 10 isanjaton'ny EIA ihany, araka ny fameran'ny zon'ny mpamorona. Niteraka fifanolanana tamin'ny FFOS izany, izay tsy nanaiky hihemotra, ary nametaka ny fameperana ho “ezaka hafa hampanginan'ny governemanta ny fiarahamonim-pirenena.”

Manam-panantenana ihany anefa, na izany aza, i Aboud fa mety hanamafy ireo ezaky fiarahamonim-pirenena ny fandresena azo amin'ny fiarovana ny mangarahara momba ny tontolo iainana. “Afa-mampiasa izany izahay ho hirika handrisihana ny governemanta ho amin'ny hevitry ny fahazoa-miditra amin'ny torohaim-bahoaka sy ny fandraisan'ny besinimaro anjara amin'ny dingam-panapahan-kevitra momba ny tontolo iainana mba hanasoniavany sy hankatoavany ny fifanarahan'i Escazú izay izahay no mpanelanelana sady mpandrafitra voalohany amin'izany,” hoy ny fanazavan'i Aboud.

Fifanaraham-paritra mahafaoka an'i Karaiba sy Amerika Latina ny Fifanarahan'i Escazú, sady fifanarahan'olombelona voalohany momba ny zon'olombelona miantoka amin'ny fahazoa-manakatra ny torohay, ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara sy ireo rariny mahazava-dehibe ny resaka tontolo iainana. Mbola tsy nanaiky ilay fifanarahana i Trinidad sy Tobago.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.