Ao Tiorkia, herisetra, fisamborana ary fandrahonana fandroahana no nanamarika ny diaben'ireo vehivavy

Saripika an'i Arzu Geybullayeva.

Ny 25 Novambra no fanamarihana ny  Andro Erantany hanafoanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Raha nidina an-dalàmbe ireo vehivavy nanerana izao tontolo izao mba hankalaza ilay andro, seho mitovitovy amin'izany koa no hita tao Tiorkia.

Toy ny tany amin'ireo taona maro tany aloha, tsy niafina tamin'ny rehetra ireo fandraràna famoriam-bahoaka, ny fanakanan-dàlana, ary ny fahitàna pôlisy marobe sy ny herisetra aterak'izany. Araka ireo fitantaràna sasany, nisy teo amin'ny 200 teo ireo olona voasambotra. Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny famonoana vehivavy, ary tsy niavaka  tamin'izany ity taona ity. Araka ny nambaran'ny We Will Stop Femicide, vondrona iray ao an-toerana mandrakitra sy manaraka akaiky ny herisetra atao amin'ny vehivavy, hatreto dia mihoatra ny 400 ireo vehivavy maty nisy namono tamin'ny 2024. Tranonkala iray hafa antsoina hoe Anit Sayac (anarana tiorka ho an'ny “mpitily tsangambato”) no mitatitra isa 412 ho an'ny taona 2024.

Lazain'ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy fa ny firongatry ny famonoana vehivavy dia asan'ny antoko Rariny sy Fampandrosoana, sy hoe tsy araka ny tokony ho izy ny politikam-panjakana hanoherana ny fanararaotana no sady ianjadian'ny soatoavina ara-pinoana tafahoatra sy ireo fenitra efa lany andro izay mankatoa ny fanararaotana sy ny mpanararaotra. Ho an'ireo vehivavy ao amin'ny firenena, vao mainka nanaratsy be ny tontolon'ny tsimatimanota ny fanapahankevitry ny governemanta hisintaka tamin'ny fifanarahan'i Istanbul, na ohatra aza ny filoha Recep Tayyip Erdogan mandà hoe tsy izany no zava-misy.

Fifanarahan'i Istanbul

Nisintaka tsy ho ao anatin'ny Fifanarahan'i Istanbul  i Tiorkia — fifanarahana iray nosoniavin'ireo firenena mpikambana ao anatin'ny Filankevitr'i Eorôpa ho fisorohana ny herisetra sy fanararaotana an-tokantrano atao amin'ny vehivavy — noho izy antsoin'ny governemantan'ny antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) ho fifanarahana “ho fampanarahana fenitra ny fahapelahana.” Tamin'ny fotoana nisintahana tamin'ilay fifanarahana, marobe tamin'ireo mpanohana ny fitondràna no nirodorodo nanohana ilay fanapahankevitra, tamin'ny filazàna ilay fifanarahana ho “diso”, “tsy misy lanjany,” “ratsy.” Mandritra izany fotoana izany, nanome toky ireo vehivavy ny filoha Erdoğan fa ireo lalàna nasiônaly no hianteheran'ny fanjakana ho entina misoroka ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy. Kanefa, ireo isa voatatitra sy voarakitr'ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana dia milaza tantara iray hafa.

Araka ny nolazain'i Esin Izel Uysal, mpisolovavan'ny We Will Stop Femicides Platform tamin'ny DW, “Naka endrika iray vaovao ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Lasa feno habibiana kokoa ireo heloka, ary miha-tanora ireo niharam-boina sy ny mpanatanteraka izany.” Ny fifampikasohana amin'ny herisetra any an-tokantrano, ny fanafihana eny an'arabe, ary ny tsy fisian'ny fiovàna eny anivon'ireo andrim-panjakana dia mampiseho hatreto fa tena tsy voatàna ireo fanomezan-toky nataon'ireo manampahefana hoe hiaro sy hanakana ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy.

Mifanohitra amin'ny kabary pôlitika tao an-toerana, ny ben'ny tanànan'i Istambul, Ekrem İmamoğlu dia nanambara “drafitr'asa iray 360 degre,” tamin'ny 25 Novambra. Hita ao anatin'ilay drafitra, anoatry ny zavatra maro hafa, ny fanaovana izay haha-azo antoka ny eny an'arabe ho an'ireo vehivavy, ny fampidirana fandrisihana hananan'ireo vehivavy fahaleovantena ara-bola, ary ny fanavaozana ny pôlitika. Nanome toky ihany koa ingahy ben'ny tanàna fa hiverina ao anatin'ny Fifanarahan'i Istanbul.

“Niasa tsy nahalàla vizana izahay ho fanohanana ireo vehivavy sy ankizy eto amin'ity tanàna ity, ary hotohizanay ny fanaovana izany.Ho laharam-pahamehanay hatrany ny vehivavy sy ny ankizy. Hijoro eo anilanareo izahay.  Tsy handeha irery velively ianareo,” hoy ny ben'ny tanàna, raha niteny tao Istanbul tamin'ny 25 Novambra.

Nialoha ny Andro Erantany Hiadiana amin'ny Herisetra mahazo ny Vehivavy, andiany maro tamina famonoana vehivavy no niainan'i Tiorkia. Tamin'ny Ôktôbra, vehivavy roa no maty nisy namono tao Istanbul. İkbal Uzuner sy Ayşenur Halil ka ny namono azy ireo dia i  Semih Çelik, 19 taona, izay namono tena ihany koa taorian'ny nanatanterahany ilay heloka. Çelik dia voalaza fa efa voaheloka tany aloha ary nanana aretin-tsaina. Izy koa dia nanana fifandraisana tamin'ireo vondrona “incel” maro (tokantena tsy araka ny sitrapony) ao Tiorkia, izay fantatra amin'ny fiantsoana lehilahy, amin'ny alàlan'ny tambajotra sôsialy, hanolana, hila vaniny, ary hamono vehivavy. Rojin Kabaiş, 21 taona, mpianatra teny amin'ny anjerimanontolo tsy hita nandritra ny 18 andro, no hita faty ihany koa.

Tamin'ny Ôktôbra ihany koa, zazakely roa taona no maty taorian'ny herinandro tsy nahatsiarovany tena rehefa avy nisy naolana tao amin'ny faritanin'i Tekirdağ. Raha niresaka tamin'ny mpanao gazety, ny filohan'ny fikambanan'ireo mpisolovava ao Tekirdağ, Egemen Gürcün, dia nilaza fa mitombo ny isan'ny fanararaotana ankizy tao amin'ilay faritany, “ raha nitanisa fangatahana mpisolovava nitontaly  283 ho ana raharaha fanararaotana ankizy tsy ampy taona avy amin'ny fikambanan'ireo mpisolovava, ho an'ny taona 2023 fotisny, raha fangatahana 172 hatreto ho an'ny taona 2024,” hoy ny tatitry ny tranonkalam-baovao Bianet.

Tamin'ny Septambra, polisy vavy 26 taona no maty novonoin'ny mpanao heloka bevava iray izay nanana vesatra fiampangàna niisa 26 be izao. Tamin'io volana io ihany, nampangorintsina ny firenena ilay vaovao momba ny nahitàna ny vatana nangatsiakan'i Narin Güran, 8 taona, tany akaikin'ny vohitra nonenany niaraka tamin'ny fianakaviany. Niteraka hetsipanoherana nanerana ny firenena ny fahafatesan'ilay zazavavikely ary antso ho fandraisana andraikitry ny fanjakana .

Ny fitambarany, 48  ireo vehivavy maty nisy namono tamin'ny Ôktôbra ary 34 tamin'ny Septambra. Mbola hozaraina ao amin'ny sehatra  We Will Stop Femicides ny angondrakitra ho an'ny Novambra.

Vao haingana i Şebnem Gümüşçü, profesora “agrégé” amin'ny siansa pôltika ao amin'ny Middlebury College, no nanoratra lahatsoratra iray ho an'ny Wilson Center, ka tao anatin'izany no nilazàn'ny mpanoratra fa resaka pôlitika ilay olana. Ny lalàna, indrindra fa ilay Andininy faha-6284, izay ara-taratasy dia natao hisorohana izay rehetra endrika herisetra sy fanararaotana atao amin'ny vehivavy, dia tsy ampiharina, ary ny andraikitra dia an'ny fanjakana sy ireo andry ao aminy, hoy i Gümüşçü. ” Nanomboka tamin'ny  2012, an-jatony maro ireo vehivavy maty novonoin'ireo olona iarahany na olona hafa ao anatin'ny fianakaviany. Marobe ireo mitady fiarovana eny amin'ny manampahefana taorian'ny nametrahany fitarainana marobe teny amin'ny polisy. Misy ampahany ara-kolontsaina ihany amin'ny fisalasalàn'ireo manampahefana. Kanefa, ny antoko AKP eo amin'ny fitondràna, dia tsy nanandrana niatrika ireo singa ara-kolontsaina mba hisorohana ireo heloka bevava atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy. Fa kosa, tsy hoe fotsiny tsy vitan'ilay antoko sy Tayyip Erdoğan mpitarika azy ny namaha ilay olana, fa vao mainka nampitombo izany tamin'ny fomba samihafa. Nitàna anjara toerana lehibe tamin'io dingana io ny ideôlôjian'i Erdoğan sy ny fileferana ara-pôlitika manoloana ireo vondrona isankarazany mba hijanonana eo amin'ny fitondràna,” hoy i Gümüşçü.

Singa iray ny fitantaràna islamista mpifikitra amin'ny nentin-drazana, fa iray hafa koa ny faharefoan'ireo andrim-panjakana sy ireo fepetra natao ho fiarovana. Ireo fanambaràna ôfisialy koa dia manampy fanevatevàna amin'ny ratra. Tamin'ny 21 Novambra, ny minisitry ny atitany ao Tiorkia, Ali Yerlikaya, dia nanome tsiny ireo niharam-boina ho tomponandraikitra tamin'ny nahafatesan-dry zareo, tamin'ny filazana fa tsy nanaraka fitsipika izy ireny. Mor Cati, ONG iray sangany ao Tiorkia, miasa amin'ny fisorohana sy firaketana ny herisetra an-tokantrano, no namaly tanaty fanambaràna iray nanomezany tsiny ireo manampahefana noho ny tsy fisian'ny fiarovana avy amin'ny fanjakana sy ny rafitra fanohanana, izay matetika manery ireo vehivavy hitady ny vahaolany manokana, isan'izany ny fifandraisana, noho ny tahotra, amin'ireo izay nanao ny heloka, ary raha tsy manaiky izy ireo dia mety mbola hiharan'ny herisetra bebe kokoa.

“Ny fanambaràn'i Yerlikaya koa dia ohatra iray amin'ireo olana ateraky ny fomba fandraisana ny ady amin'ny herisetra manjo ny vehivavy ho toy ny olan'ny filaminam-bahoaka ao Tiorkia. Tsy afaka atao ny hiady amin'ny herisetra amin'ny alàlan'ny famoahana fotsiny fepetra fiarovana ho an'ny vehivavy nefa tsy misy asa sôsialy. Ampahatsiahivina indray fa tsy tokony ho ny fanomezana tsiny ireo vehivavy niharan'ny herisetra no ho andraikitry ny fanjakana, fa ny fametrahana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fiarovana ny vehivavy tsy hiharan'ny herisetra, ny fanasaziana ireo mpanao heloka, ary izany dia tokony hisy fiarahana miasa amin'ny ministeran'ny ankohonana sy ny tolotra sôsialy,” hoy ny vakin'ny tohin'ilay fanambaràn'i Mor Cati.

Fanagadràna

Raha efa navotsotra ny ankamaroan'ireo voasambotra nandritra ilay diabe tamin'ny 25 Novambra, raha kely indrindra mbola misy teratany vahiny telo voatazona any am-ponja mety hiatrika fandroahana. Azerbaijaney izy ireny ary pelaka mpikatroka; Ali Malikov sy Parvin Alakbarova. Samy niharan'ny fampijaliana sy fomba fitondra ratsy avokoa. Amin'izao fotoana izao ry zareo dia ao amin'ny toby Kocaeli fanagadràna mpifindramonina, iray amin'ireo toby maro famonjàna mpifindramonina izay anjakan'ny fanararaotana sy ny fampijaliana, araka ny tatitr'ireo mpanaramaso iraisampirenena. Ireo namana nanana vintana nitafa tamin'ireo mpikatroka dia milaza fa tena tsy manaja ny maha-olombelona raha ny fepetra itazonana azy roa ireo amin'izao fotoana izao, ary iharam-pampijaliana be  avy amin'ny pôlisy izy roa hatramin'ny nitànana an-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.