
Nahita fahombiazana be ny Vetiver tamin'ny fampihenàna ny faharefoana sy ny fitazonana ny hantsana, izay afaka mampihena ny fihotsahan'ny tany sy ny tondradrano. Saripika tao amin'ny Canva Pro.
Tsy ela akory izay ireo mpianatra avy ao amin'ny ambaratonga faharoa ao Vessigny, any amin'ny morontsiraka atsimon'i Trinidad, no namboly vetiver tamina elanelana 13 metatra sy hazo fihinamboa 30 tao amin'ny kianjan'ny sekoly mba hanamafisana ny fahafaha-mizaka ny fiovàn'ny toetrandro.
Ireo fàka lavabe sy mafy ananan'ny vetiver, izay afaka miditra hatrany amin'ny 3 metatra ambanin'ny tany, dia manolotra ny iray amin'ireo vahaolana tena mitondra vokatsoa sy manaja tontolo iainana ho entina manalefaka ny sasany amin'ireo fiantraika ratsin'ny olan'ny toetrandro, izay atrehan'ireo firenena nosy madinika andalam-pandrosoana (SIDS) toa an'i Karaiba.
Ilay bozaka (anarana siantifikany ny hoe chrysopogon zizanioides) dia tena mety tsara ho an'ny toetrandro mafàna ao Karaiba ary nahavita naneho ny heriny tamin'ny fitazonana ireo hantsana, ny fifehezana ny fihotsahan'ny tany ary hatramin'ny fanarenana ny tany izay mety ho voaloton'ireo fako mpandoto tontolo iainana mihitsy aza. Vitan'izy io ihany koa ny manohitra ny haintany sy ny tondradrano, izay mahatonga azy ho safidy matanjaka ho entina manampy amin'ny fampihenana ireo vokadratsy ratsin'ny fiovàn'ny toetrandro, indrindra fa izay momba ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany.
Niarahana nametraka tamin'ny fanampian'ny ONG mpiaro tontolo iainana IAMovement sy ny Advisors Next Door – fikambanana mifantoka amin'ny fampandrosoana lovainjafy, ilay santatr'andraikitra fambolena dia ampahany tamin'ny fandaharanasa Inspire2Achieve (I2A), natsofoky ny orinasam-panjakana, National Gas Company (NGC), roa taona lasa izay, mba hikarohana ireo fomba izay mety hanampy hiarovana sy hitahirizana ny tontolo iainana voajanahary ny fanaovana azy mandritra ny fotoana maharitra eny anivon'ny vondrom-piarahamonina.
Hatreto aloha, nafantoka amin'ireo faritra ambanivohitra ny asa, dia ireo izay heverin'ny NGC ho toy ny “vondrom-piarahamoniny mitoka-monina”, izay nitondràna tsindrimpeo manokana ny firotsahana an-tsehatr'ireo tanora any anatin'ny adihevitra momba ireo lohahevitra toy ny lovainjafy, ny fandraharahàna ary ny teknôlôjia. Nianatra ny fomba tsara ho entina mamboly ireo mpianatra, satria ireo vondrom-piarahamonin'ny tantsaha manerana ny firenena, indrindra fa ireo izay manakaiky ny morontsiraka ihany koa, toa an'i Vessigny, dia mirona mankany amin'ny faharefoana ateraky ny vokadratsin'ny fiovàn'ny toetrandro, ary mandritra ireo trangana toetrandro tena henjana be, ilain'ireny vondrom-piarahamonina ireny ny mahafantatra ny fomba hiatrehana izany.
Araka ny tombana 2019 momba ny faharefoana sy ny fahafahan'i Trinidad&Tobago, ireo faritra toa an'i Vessigny dia nosokajiana ho toy ny faran'izay hatahorana indrindra manoloana ny fihotsahan'ny tany — vao mainka aza antony nilazan'ilay tale mpanatanteraky ny IAMovement, Kevan Kalapnath-Maharaj, fa tsapany ho zavadehibe ilay santatr'andraikitra mba hanomezana ny tanora “ireo fahalalàna sy ireo fitaovana ilain'izy ireo hiadiana amin'ny fiovàn'ny toetrandro ary hamerenana ny rindravoary.”
Nampian'i Kacey Brown, mpianatra iray nandray anjara tamin'ilay ezaka, fa “Ny hetsika natao androany dia nanome an-dry zareo fahalalàna momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ny paikady hanalefahana ny fiantraikan'ny toetrandro, fampifanarahana amin'ny toetrandro ary hatramin'ny endrika fandraharahàna amin'ireny lohahevitra ireny”. Nambaran'ireo mpianatra fa ilay ezaka dia nahomby tamin'ny “fandrisihana azy ireo “hitondra fanovàna sy hanentana ny hafa momba izay nianaran-dry zareo mba hahatratrarantsika, indray andro any, hoavy tsy misy loza voajanahary”.
Ny 13 Ôktôbra, andro iray taorian'ny nahavitàn'ireo mpianatra ny fambolena ireo vetiver sy hazo, no Andro Erantany ho Fampihenàna ny Ambana Fisian'ny Loza Voajanahary. Tena azo lazaina ho nety ny lohahevitra ho an'ny taona 2024, “Fanomezana ireo taranaka any aoriana ny fomba rehetra hananany hoavy mahazaka/miaritra,” indrindra fa hoe ireo voly vaovao dia tsy hampihena fotsiny ny mety ho fihotsahan'ny tany, fa handray anjara koa amin'ny fisorohana ny fandefasana entona karbôna, iray amin'ireo tena entona mpitondra hafanàna miteraka ny olan'ny toetrandro amin'izao fotoana izao.
Tena toa an'i Goiàna, ilay vaovao mpamokatra solika ao Karaiba, manantena ny hanana ny anjara-mofony sy hihinana izany koa raha lasa mpamatsy solika tsy dia mamoaka entona karbôna betsaka, ny NGC koa dia nanao hetsika ho lovainjafy. Toa mikasa ny hitady fomba ilay orinasa mba hahafahan'ny fitrandrahana sy famokarana solika ary ny fampandrosoana lovainjafy ho afaka hiaraka. Tao anatin'ny tatitra 2022 nataon'ilay orinasa momba ny fampandrosoana lovainjafy, ny filohan'ilay fikambanana tamin'izany fotoana izany, Mark Loquan, dia niantso azy io ho ” energy trilemma — filàna mampifandanja ireo laharam-pahamehana mifaninana amin'ny resaka fahavitantena ara-angovo, ny fahafahana mahazo izany ary ny faharetany.”
Orinasa maro hafa misehatra amin'ny angovo ao Trinidad&Tobago ihany koa no nampiditra ny tontolo iainana ho ao anatin'ny fanentanany momba ny anjara andraikitra ara-tsôsialin'ny orinasa. Eo ambanin'ny teny fanevany manokana momba ny fampandrosoana maharitra, ohatra, ilay orinasa maro rantsana Atlantic LNG dia nikarakara andiana fanabeazana ara-tontolo iainana. Niarahany niasa tamin'ny Fondes Amandes Community Reforestation Project (FACRP), ity firotsahana an-tsehatra voarindra ity dia nitondra ireo mpianatry ny ambaratonga fototra hanao fitsidihana teny an-kianja, ka teny no niainan-dry zareo mivantana ny fahalalàna ampiharina avy hatrany momba ny ilàna mitahiry maika sy miaro ny tontolo iainantsika. Hatrany amin'ny fahakelezan-dry zareo, araka izany, dia efa takatr'izy ireo ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny vokany, isan'izany ny fiantraikan'ny doro ala amin'ny hamaroam-piainana, sy ny fanampian'ny vetiver andraisany anjara amin'ny fampiraisana sy fanamafisana ny tany, fanakanana ny fihotsahan'ny tany ary ny tondradrano.
John Stollmeyer, Trinidadiàna mpahay momba ny tontolo iainana nandray anjara tamin'ireo dingana voalohany tamin'ilay tetikasa Atlantic/FARCP, dia nilaza tamin'ny Global Voices fa ny asa vita tamin'ny alàlan'ilay santatr'andraikitra dia tena nilaina sy nanan-danja be, ary vitan'ny FACRP ny nanao zavatra betsaka ho an'ny vondrom-piarahamonina niaraka tamin'ny fanohanan'ireo vondron'orinasa noraisiny. Nandritra izany fotoana izany, nanamafy anefa izy fa raha ny hafainganam-pandeha amin'izao fotoana izao izay itrandrahan'izao tontolo izao ny harena kely tavela ao anatin'ny Tany, tsy ho ampy hanova ny ho vokatry ny fiovàn'ny toetrandro efa mby an-koditra ny fandaharanasa tahaka itony. Enina amin'ireo fetra sivin'ny planeta no efa voadingana, hoy i Stollmeyer, ary “arakaraky ny maha-haingana ny fampiatoantsika io fitrandrahana io — tafiditra amin'izany ny fitrandrahana solika fandrehitra — no hahatsara vintana antsika tsy hiharam-panjavonana.”
Raha tsy maintsy miatrika ireo fiantraika miha-ratsy hatrany ateraky ny fiovàn'ny toetrandro ireo faritra marefo toa an'i Karaiba, mbola ankamantatra raha toa io ezaka hampifandanjàna ny “energy trilemma” io ka ho afaka tanterahana tokoa amin'ny fomba mahomby. Raha efa hatry ny ela no nampanantenaina ny fanitarana ny karazana ara-toekarena ho an'i Trinidad&Tobago izay niantehitra tamin'ny toekarena atosiky ny solika sy ny entona, mihisatra kosa ny fahatongavan‘ireo fomba hafa.
Etsy andaniny, ny NGC dia mahita ilay fandaharanasa ho toy ny fomba fiarahamiasa ifandrimbonana, mifototra amin'ny fanabeazana hitondrana vahaolana mifantoka amin'ny zavaboary manohana ny tontolo iainana ao Trinidad&Tobago ary ireo tanjona fiomanana amin'ny loza mahatsiravina. Ny fanekena fa “tena zavadehibe ny fanaovana hetsika avy hatrany amin'ny ady hanoherana ny fiovàn'ny toetrandro,” ny talen'ny fampandrosoana maharitra, Mario Singh, dia nanamarika fa izy io dia “mampivondrona ireo tanora mpitarika, mba handray anjara hitondra vahaolana manandanja, amin'ny fampiasana fitaovana toy ireo fomba firoso mifantoka amin'ny voary mba hisy miabo ny fiantraikan'ny toetrandro.”
Angamba raha toa afaka ny ho malaky kokoa ny hetsika erantany hialàna amin'ny solika fôsily, ary toa ireo vovonana toy ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovàn'ny Toetrandro (ny akaiky indrindra dia ilay COP29 natao tao Baku, Azerbaijan) ka mba hifantoka misimisy kokoa amin'ireo tolokevitra avy amin'ireo mpitarika isam-paritra toy ny an'ny praiminisitra ao Barbados, Mia Mottley ary “hiaky fa miaina anaty krizy ara-toetrandro isika, mihazakazaka mankany amina loza mahatsiravina raha tsy dieny izao dia mihetsika,” dia mety mba hisy fiantraikany be ireny hetsika ireny.