Samoana mpanao gazety manohitra ireo fameperana aroso ho ampiharina mandritra ny fivorian'ny Commonwealth

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 19 Sept)

CHOGM Samoa

Voalahatrra ho ny 21-26 Ôktôbra 2024 no hanaovana ny fivorian'ireo lehibena governemanta  ao anivon'ny Commonwealth ho an'ny taona 2024 (CHOGM) hatao any Apia, Samoa. Pikantsary avy amin'ny lahatsary video nalefa tao amin'ny tranonkalan'ny Commonwealth. Fampiasàna ara-drariny.

Kianin'ireo Samoàna mpanao gazety ho toy ny “didy jadona”  ireo taridàlana ho an'ny media napetraka hiatrehana ny fihaonan'ireo lehiben'ny governemanta avy amin'ny Commonwealth –  Commonwealth Heads of Government Meeting (CHOGM).

Ao anivon'ny Commonwealth izay ahitàna firenena mpikambana miisa 56, ny ankamaroany dia ireo izay nozanahan'ny Ampira Britanika tany aloha tany. Fanao isaky ny roa taona, i Samoa no hampiantrano ny CHOGM amin'ny Ôktobra, izay manamarika ny fotoana voalohany ampiandraiketana nosy madinika ao Pasifika ny fintantanana ny fihaonana.

Nampitondraina ny lohahevitra “Hoavy iray iraisana mijoro maharitra: Fanodinana ny harena iraisantsika,” katsahan'ny CHOGM amin'ity taona ity ny hampiroborobo ny fiarahamiasa ao anatin'ny fanovàna ny toekarena no sady miatrika ireo fanamby ateraky ny fiovàn'ny toetrandro. Tena ilaina mihitsy izany ho an'ireo firenena nosy madinika toa an'i Samoa izay faran'ny tena marefo tokoa manoloana ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina. Misy firenena nosy miisa 11 ao Pasifika mpikambana ao anivon'ny Commonwealth.

Nandritra ny fihaonana fampahafantarana momba ny fanomanana ny CHOGM, nambaran'ny governemanta fa famoaham-baovao roa eo ambany fifehezan'ny fanjakana sy iray avy any Nouvelle-Zélande ihany no manana ny fahazoandàlana manokana handrakotra ilay hetsika. Nambaran'ireo manampahefana ihany koa ny fepetra ho an'ireo mpanangona vaovao sy mpakasary handrakotra ny CHOGM. Noho ny famerana ny toerana sy ireo fenitry ny fiarovana, dia napetraka ireo fameperana ho an'ny media ao an-toerana sy avy any ivelany.

Naneho ny hadisoam-panantenanyi Lagi Keresoma, filohan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Samoa,  noho ny fidirana voafetra nomena ho an'ireo mpanao gazety.

Tena mandiso fanantenana raha governemanta iray izay milaza fa mino mafy ny demaokrasia, ny mangarahara ary ny fandraisana andraikitra, no lohalaharana amin'ny fanaovana teritery tahaka izany.

Ho valin'ny fanakianana, nohamafisin'ny soba-komitin'ny media sy fifandraisandavitry ny CHOGM Samoa “ireo fiheverana isankarazany momba ny fiarovana sy ny ara-pampitaovana” amin'ny fampiharana ireo fandrindràna ny media. Nampiany koa fa efa fanao mahazatra rehefa misy fihaonambe iraisampirenena ny fametrahana “media pools”.

Tsy zava-baovao ny zavatra andrasana amin'ireo mpanao gazety hoe hizara fitaovana araka ny tokony ho izy, ary mampiseho endri-javatra iray mahazatra ny tontolon'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao.

Ny tale jeneralin'ny ministeran'ny praiminisitra sy ny kabinetra dia nanamafy fa tsy manao afa-tsy ny mampihatra ireo taridàlana miainga avy amin'ny fenitra napetraky ny sekretaria-n'ny Commonwealth ny governemanta.

Ny Commonwealth no nanome ireo andinindininy sy fepetra izay mitantana ireo fanomanan'i Samoa… ireo no andinindininy sy fepetra ary tsy hafa isika ao anatin'ny fanomananatsika, mba hazava ny resaka amin'io sehatra io.

Fa ao anaty matoandahatsoratra iray, ny The Samoa Observer dia nampiaka-peo nanoloana ireo “politika jadona” ataon'ilay soba-komity.

Felaka tehamaina io, atao amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny demaokrasia ary ny fahalalahana maneho hevitra. Vazivazy ratsy sy andrana ataona governemanta iray tsy mandeha amin'ny laoniny mba hanakombonana ny vavan'ny media eto an-toerana sy any ivelany.

Tsy zavatra tsara velively ny fanakendàna ny media ary mbola ratsy lavitra aza ny fanandramana hifehy azy ireny.

Ny hanamarina io fihetsika io amin'ny fitanisàna hoe resaka fiarovana no anaovana izany, dia na ianao miandry ireo mpanao gazety hanempotra fanontaniana ireo solontenany, na filazana ny tsy fahampian'ny fepetra fiarovana manodidina ilay hetsika. Andrana atao ve io mba hanafenana eo imason'izao tontolo izao ny tsy fetezan'ny fanomanana?

Nampahatsiahiviny ireo manampahefana hoe tsy nampihatra karazana faneriterena nomanin'ny governemanta ireo firenena hafa.

Tsy nisy mihitsy fameperana ny fampitambaovao amin'ny fandrakofana ireo hetsika an-jorony, tsy nisy mihitsy faneriterena ireo mpakasary na mpilanja kamerà mba haka sary, ary tsy nisy mihitsy ny faneriterena natao tamin'ny media mba hanatona ireo solontena hanao antsafa na hamantatra izay votoaty azon'izy ireo raisina.

Nomarihany fa ny fihatsaràn'ny laharan'i Samoa ao anatin'ny Tondro Erantany 2024 momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety navoakan'ny Reporters Sans Frontieres dia tsy ahitàna taratra ny pôlitikan'ny governemanta momba ny asa fanaovana gazety raha ny resaka fandraisan'ny firenena ny CHOGM no resahana.

Seuseu Faalogo, mpanoratra, dia nanipika ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovao amin'ny fitakiana tamberin'andraikitra avy amin'ireo mpitarika.

Ny asan'ny media dia ny mampahafantatra ny olona momba ny asan'ireo mpitarika nofidiany ho amin'izany toerana izany. Izany no antony isitrahan-dry zareo ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, amin'ny maha-hery fahefatra andrin'ny demaokrasia azy. Mba hitakiana tamberin'andraikitra avy amin'ireo mpitarika; hilaza ny marina eo amin'ny fitondràna; ary hanamarina ny zava-misy, izany hoe ireo vaovao ampitaina amin'ny vahoaka.

Ny fameperana ny media tahaka izay nomanina dia mandeha zotra mifanohitra amin'ny lohahevitra nambaran'ny CHOGM hatao ao Samoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.