Famonoana variraraka nahafaty olona am-polony, mampitabataba ny fiarahamonina shinoa

Mponin'i Zhuhai manolotra voninkazo ho fahatsiarovana ireo 35 maty tamin'ny fanafihana fiara tamin'ny 11 Novambra 2024. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube BBC Shinoa .

Tsy ampy tapa-bolana akory dia efa nisy tifitra variraraka kisendrasendra telo niseho tany amin'ireo tanàna amorontsirak'i Shina. Voalaza fa avy amin'ny tsy fahafaham-po ara-tsosialy ireo fanafihana ireo, nitarika adihevitra momba ny fitomboan'ny fihenjanana ara-tsosialy ao Shina.

Raha jerena amin'ny fampiharana fepetram-piarovan'i Shina henjana dia henjana, anisan'izany ireo toeram-pisavana sy fakan-tsary fiarovana misy rafitra famantaran-tava, manontany tena ny olona raha mbola mahavita mitantana ny fitomboan'ny fanafihana kisendrasendra ateraky ny fitarainana tsy voavaha mandritra ny fitotonganan'ny toe-karena ny milina fanaraha-maso ara-tsosialy ao amin'ny fanjakana.

Tamin'ny 11 Novambra ny tranga voalohany teo ivelan'ny toeram-panatanjahantena iray tao Zhuhai, tanàna amorontsiraka atsimon'i Shina, izay nahitana fiara iray nandona vahoaka, nahafatesana olona 35 ary naharatrana 43. Lehilahy 62 taona ilay mpamily izay tezitra tamin'ny didim-pitsarana fizaram-pananana fisaraham-panambadiana, araka ny fampitam-baovaon'ny polisin'i Zhuhai.

Tamin'ny 16 Novambra ny tranga faharoa tao amin'ny sekoly arak'asa iray tao Wuxi, tanànan'i Shina atsinanana, izay nahitana mpianatra 21 taona nanindrona olona ka valo no maty ary 17 ny naratra.

Tamin'ny 19 Novambra ny tranga fahatelo — fiara iray nandona mpandeha an-tongotra ivelan'ny sekoly fanabeazana fototra tao Changde ao amin'ny faritanin'i Hunan:

Taorian'ny vono olona mahatsiravina tao Zhuhai sy ny fanindronan'antsy tao amin'ny sekolin'i Wuxi, tranga iray hafa indray ny “fifandona” (撞人事件) tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra iray tao Changde ny talata maraina. Mpianatra maro no naratra, tsy fantatra ny aina nafoy tamin’io fotoana io. (Mailo raha hijery)

Taorian'ny zava-nitranga tao Zhuhai, nofafan'ny governemanta Shinoa ny adihevitra rehetra mifandraika amin'izany tao amin'ny media sosialy. Nandritra izany fotoana izany ny Filoha Shinoa Xi Jinping nandrisika ny sazy henjana ho an'ilay mpanafika ary nanome toromarika ny governemanta isan-toerana ho fisorohana ny tranga toy izany mba hamaha ny disadisa ara-tsosialy sy ny fifanolanana alohan'ny hiitarany amin'ny hetsika mahery vaika.

Na izany aza, nisy famonoana kisendrasendra indray tao anatin'ny herinandro. Tamin'ity indray mitoraka ity, namela naoty anjotra ilay mpanafika nilaza fa nanao izany izy noho ny tsy rariny sy ny fanararaotana azy amin'ny asany ao amin'ny orinasa iasany:

当雪崩的时候,没有一片雪花是无辜的。所有人其实都是一个整体,一个人的不幸就是所有人的不幸… 对于厂里恶意拖欠我工资,不给我买保险,不给我加班费,罚我的款,不给我赔偿金。厂里的工人每天生死轮回两班倒或三班倒,一天工作16个小时,一个月没有一天休息… 我看到了工厂对工人无情的压榨与剥削。…我宁可死也不愿再被压榨与剥削,我希望以我的死推动劳动法的进步。还有学校恶意扣我毕业证,不让我毕业,…你们太欺负我了,所有的人都在欺负我,别以为我是老实人,有些账总要清算的,我要用生命去战斗,我将彻底洗刷我的耻辱,我要揭开暴露这个事情。

Rehefa mitranga ny tambororon-dranomandry dia tsy misy ranomandry tsy manan-tsiny. Mifandray ny olona rehetra amin'ny ankapobeny; ny fahorian'ny olona iray, fahorian'ny olona rehetra… Nitana ny karamako am-pitaka ny orinasa, tsy nanao fiantohana ahy, tsy nandoa ny ora fanampiny niasako, nampandoa lamandy ahy, ary tsy nanome tambin-karama. Miasa mafy dia mafy manao ekipa roa na telo mifandimby ny mpiasa ao amin'ny ozinina, adiny 16 isan'andro, tsy misy andro fitsaharana ao anatin'ny iray volana… Hitako ny fampahoriana sy fanararaotana tsy misy farany atao amin'ny mpiasa ao amin'ny orinasa… Aleoko maty toy izay ampahoriana sy hararaotina indray, ary manantena aho fa hampisy lalàna momba ny asa ny fahafatesako. Misy ihany koa sekoly mihazona ny diplaomako an-kafetsena mba tsy hahazoako izany… Be loatra ny fampijalianareo ahy; nampijaly ahy daholo ianareo rehetra. Moa tsy hitanareo ho dombo ve aho, misy ny tranga sasany aleo mifampitady, hiady amin'ny fiainako aho, hosasako tanteraka ny henatro, hosokafako sy haharihariko ireo zavatra ireo.

Na dia henjana aza ny fanaraha-maso ara-tsosialy ataon'ny fanjakana, dia efa niseho matetika tany Shina ny vono olona kisendrasendra sy faobe. Nisy fanadihadiana akademika navoaka tamin'ny 2022 nanondro fa teo anelanelan'ny taona 2004 ka hatramin'ny taona 2017, nitranga tany Shina ny antsasaky ny trangam-panatsatohana antsy maneran-tany.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, rehefa nitotongana ny toe-karen‘i Shina, dia nitombo ny tahan‘ny fanafihana faobe. Satria tsy manana lasibatra manokana amin'ny fikasana hamono olona ireo mpanafika, nilaza ny heloka bevava toy izany ho “famaliana faty amin'ny fiarahamonina”(報復社會行為) ny ankamaroan'ny seha-baovao Shinoa . 

Tao amin'ny Weibo, sehatra media sosialy lehibe indrindra ao Shina, manontany ny maro raha afaka manakana amin'ny fomba mahomby ny heloka bevava ny governemanta Shinoa satria “tsy mitombina” sy famonoantena ilay hetsika. Nanoratra, ohatra, i Lao Dongyan, mpampianatra lalàna:

近期连续出现以极端暴力无差别攻击不特定多数人的犯罪行为。无论当事人有什么理由,这样的行为本质上等同于恐怖袭击,都绝对不可原谅,应当严厉打击并严加谴责。同时,此类事件也向我们提出了这样一个问题:当一个人抱着必死之心实施极端的反社会行为,刑罚的威慑对其不再有作用,此时应当采取什么样的有效措施来应对?

Nisesisesy ny herisetran-jiolahy tafahoatra nahitana fanafihana tsy an-kiato natao tamin’ny olon-tsotra. Na inona na inona antony omen'ny olona voakasik'izany, ny fihetsika toy izany, izay mitovy amin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro amin'ny ankapobeny, dia tsy azo ialana tsiny ary tokony ho toherina mafy sy hohelohina mafy. Mandritra izany fotoana izany, mampanontany tena koa amin'ny karazana fepetra mahomby tokony horaisina ny trangan-javatra toy izany rehefa misy olona iray manao fihetsika tafahoatra manohitra ny fiaraha-monina mamono ny ainy rehefa tsy mahomby amin'izy ireo intsony ny sazy manakana azy ireo.

Tamin'ireo fanehoan-kevitra tamin'ny tarian'ny Profesora Lao, namerimberina ny zotra ofisialy amin'ny sazy henjana ny sasany, ny hafa kosa niantso ny fahalalahana maneho hevitra mba hahafahan'ny olona maneho ny fitarainany sy ny manampahefana mba hamahana ny hirifiriny ara-potoana. Misy ihany koa ny nanolo-kevitra fanavaozana ara-toekarena mba hampitomboana ny tahan'ny asa sy ny politikam-panavaozana, toy ny fiahiana ara-tsosialy sy ny lalàna momba ny asa, mba hanatsarana ny toetry ny asa. Raha fintinina dia mila mahita fanantenana ny amin’ny hoaviny ny olona.

Ao amin'ny X (Twitter taloha), @sbtuite2222, mahita fa ny fanavaozana ara-politika no loharanon'ny fanantenana:

Mirongatra ny heloka bevava fantatra amin'ny anarana hoe “valifaty ara-tsosialy”, ataon'ny olona mankahala ny fiarahamonina. Na firy na firy ny fakantsary fanaraha-maso fanampiny dia ho sarotra ny hampitsahatra ny heloka bevava toy izany. Ny fomba mahomby hisorohana ny trangan-javatra toy izany dia ny fananganana fiaraha-monina ahafahan'ireo ao anatin'ny fahasahiranana mahazo fanafana mahasahana ny fivelomana sy ny fanjakana tan-dalàna ihany koa — mba hananan'ny olona sakafo sy fahefana hanarenana ny fitarainany — fa handray fepetra toy izany ve ny governemanta shinoa?

Na izany aza, mifantoka amin'ny boky torolalana fanaraha-maso ara-tsosialy mahazatra araka ny efa nampoizina ny manampahefana Shinoa. Na dia fahita any Shina aza ny fanolorana mombamomba ny olona iray ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny rafitra fampindramam-bola ara-tsosialy, ao amin'ny Weibo, maro no nilaza fa manomboka mametraka ny mombamomba ny mponina amin'ny mombamomba ny mponina ho sokajy fanampiny, izany hoe, “4-tsy mahazo” (四無) sy “5-lamokany” (五失) ny sampana ifotony ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa.

Ny “4-tsy mahazo” dia ireo tsy manam-bady aman-janaka, asa sy fidiram-bola tsy tapaka, fifandraisana ara-piarahamonina mahazatra, ary fananana toy ny trano-tany sy fiara. Ny “5-lamokany” dia ireo izay “tsy nahomby” amin'ny fampiasam-bolany, ny fiainany, ny fifandraisany ary iharan'ny aretina ara-tsaina.

Nolazaina ireo sampan'antoko ireo mba hijery manokana ireo olona voasokajy ho “4-tsy mahazo” sy “5-lamokany” satria heverina ho tsy manana ho ariana intsony ireo, ka mety hanimba fiarahamonina.

Na izany aza, tsy hanamaivana ny tebiteby ara-tsosialy ny fepetra toy izany. Nanamarika ny mpisera media sosialy iray fa iharan'ny rafitra tsy ara-drariny ary mila fanampiana ireo vondrona sosialy roa ireo, fa tsy (tokony) ametahana marika sy fanaraha-maso bebe kokoa. Hoy izy:

Arahi-maso ireo dia ahoana, atao any am-ponja? Tsy nandika lalàna [ireo olona nopetahana ] [4-tsy manana/tsy mahazo] sy 5-lamokany, ary saika mila fanampiana ara-toekarena avokoa. Tsy manana rafi-piahiana ara-tsosialy midadasika ny Antoko Komonista Shinoa (AKS), koa ahoana no ahafahan'ireo olona sahirana ireo hiatrika fahasarotana? Mikiry manome vola ho an'ny governemanta eo an-toerana hatrany ny AKS mba hamahana ny olany ara-trosa, ary tsy mitsahatra mandrotsaka vola amin'ny rafi-pihazonana ny fitoniana, saingy tsy vonona ny handany vola hamahana ny tena olana! Moa ve tsy tokony ho fantatry ny AKS hoe inona no mahomby kokoa: fanaovana fefiloha sa mitari-drano?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.