Fihenàna goavan'ny fahalalahana maneho hevitra ao Ginea Bisao

Sarintanin'i Ginea Bisao. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube African Tigress

Ao anatin'ny tatitra 2024 navoakan'ny Reporters sans frontières (RSF) momba ny fahalalahana maneho hevitra, mitàna ny laharana faha-92 i Ginea Bisao raha faha-78 izy tamin'ny 2023. Fidinana nahatalanjona tao anatin'ny herintaona, mampiseho ny fiharatsian'ny toedraharaha ao amin'ny firenen'i Umaro Sissoco Embalo, eo amin'ny fitondràna nanomboka tamin'ny 2020.

Ao amin'io firenena ao Afrika andefana io, manana mponina mihoatra ny 2,2 tapitrisa, dia mijoro ho vavolombelona amin'ny fisian'ny tsindry pôlitika sy ny resaka kolikoly ary ny toedraharaha ara-bola tsizarizary ireo matianina amin'ny media.

Tsindry pôlitika

Araka ny fandalinana iray nataon'ny RSF, matetika ny pôlitika no mifehy ny media ao Afrika. Any Ginea Bisao, tsy afa-miala amin'io zavamisy io ireo mpanao gazety. Ny tatitra isantaona fanaon'ny Freedom House, mitondra ny lohateny hoe “Freedom in the world 2024” (Ny fahalalahana manerana izao tontolo izao ho an'ny taona 2024) dia manamafy io fanamarihana io:

(…)However, journalists regularly face harassment and intimidation, including pressure regarding their coverage from political figures and government officials. Journalists and media facilities have been the targets of violence.

In recent years, armed men—some dressed in military clothing—have repeatedly attacked the privately owned Radio Capital FM station, which is allied to the PAIGC, vandalizing its offices and destroying broadcasting equipment.

(…)Kanefa, tsy mitsahatra iharan'ny filàm-baniny sy ny fandemena ireo mpanao gazety, tafiditra amin'izany ny tsindry ataon'ireo mpisehatra pôlitika sy tomponandraikitra ao anatin'ny governemanta momba ny fandrakofana ataon-dry zareo. Lasibatry ny herisetra ireo mpanao gazety sy ny media. Tato anatin'ny taona vitsivitsy farany, misy olona mitam-piadiana, ny sasany misalotra fanamiana miaramila, nanafika im-betsaka ilay foiben-onjampeo tsy miankina Radio Capital FM, izay mpiara-dia amin'ny Antoko afrikàna ho an'ny fahaleovantenan'i Ginea sy  Cap-Vert (PAIGC), nanimba ny biraony sy namotika ireo fitaovany fanelezana ny onjampeo.

Tsy ireo media irery ihany no lasibatra: araka ny hita tamin'ny fanafihana tao an-tokantranony tamin'ny Febroary 2022, nahazo an'i Rui Landim, mpanao famakafakàna pôlitika mpanakiana an'i Umaro Sissoco Embalo. Voatanisa tao anaty lahatsoratra iray an'ny Guinée Signal, ambaran'i Rui Landim fa:

Ato an-tokantrano miaraka indrindra amin'ireo zanako aho. Ry zareo etsy ivelany eo am-pitifirana ny varavarana. Natsipin-dry zareo tao an'efitranon'ny zafikeliko vavy ny entona mandatsa-dranomaso…Nisisika ry zareo saingy tsy nahomby noho ny firotsahana an-tsehatra avy amin'ireo mpiray vodirindrina. Saingy misy ireo tatitra milaza fa mbola eny amin'ny manodidina ry zareo miandry ny fiverenan'ny “fahanginan'ny alina”. Misavoritaka sy mitomany ny ankizy.

Tsy ela fa vao tamin'ny 20 Novambra teo, ny mpanao gazety  Carabulai Cassama ao amin'ny Capital FM sy Turé da Silva no niharan'ny herisetra nataon'ny pôlisy. Vaovao nivoaka tao amin'ny X (Twitter taloha) nalefan'i Jair dos Santos, Bisaô-Gineàna mpisintona lakolosy.

Ginea-Bisao : nodarohan'ny pôlisy tamin'ny fomba feno habibiana ny mpanao gazety Carabulai Cassamá avy amin'ny Capital FM Radio, androany 20 Novambra, raha teo am-pandrakofana ny fiaretantory nataon'ireo mpianatra. Naiditra hôpitaly ary eo ambany fanarahamason'ny mpitsabo, nogiazana ny fitaovany, telefaona roa sy ny trépied iray. #Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety Zon'olombelona

pic.twitter.com/q9x9DzMVUx

— 🇬🇼𝓙𝓪𝓲𝓻 𝓭𝓸𝓼 𝓢𝓪𝓷𝓽𝓸𝓼🇬🇼🇸🇳🇬🇲🇬🇳 (@Hypercutt) 20 Novambra 2024

Ny vanim-potoanan'ny fifidianana no matetika fotoana mety tsara ho an'ireo mpisehatra pôlitika mba hampiharana, mivantana na ankolaka, io karazana tsindry io amin'ireo matianin'ny asa fanaovana gazety.

Faharefoana ara-bola

Ao amin'ilay firenena, tsy manana loharanom-bola sahaza ho azy ireo haino-vaky-jery mba ho entina miasa anaty fahalalahana tanteraka. Ny salan-karama ao amin'ny firenena dia 68 dôlara amerikàna, ary ny salan'ny karama isam-bolana ho an'ireo Bisaô-Gineàna mpanao gazety dia 53 dôlara amerikàna.

Ao anaty lahatsoratra iray momba ny tontolon'ny haino-vaky-jery, ny VOA Afrique dia milaza fa matetika ireo haino-vaky-jery no mitodika any amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena mba hanentsenana ny tetibolan-dry zareo:

Media organizations are preparing coverage proposals to present to international partners, particularly the United Nations Development Program (UNDP). These proposals often include requests for per diems to pay for transportation, food, lodging and communication for journalists.

Manolotra volavolam-pandrakofam-baovao amin'ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena ireo haino-vaky-jery, indrindra fa amin'ny  Programme des Nations Unies pour le développement (PNUD) – fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana. Matetika no hita any anatin'ireny sosokevitra ireny ny fangatahana tambin-karama isanandro ho an'ny resaka fitaterana, sakafo, toerana hipetrahana ary ny saram-pifandraisana ho an'ireo mpanao gazety.

Mbola ao anatin'io lahatsoratra io ihany, ny VOA Afrique dia manindry fa ao anatin'ny toejavatra tahaka izany, ho fanatanterahana ny asa dia mitodika ihany koa any amin'ireo mpisehatra pôlitika ny mpanao gazety mba hisitraka tombony sasantsasany:

As a result, many will either accept or turn to political candidates or parties for travel support, creating a relationship that compromises journalistic independence.

Vokatr'izany, marobe ireo hanaiky na hitodika any amin'ireo kandidà pôlitika na antoko mba hahazoana tohana amin'ny saran'ny dia, mamorona noho izany fifandrohizana manohintohina ny fahaleovantenan'ireo mpanao  gazety.

Efa iharan'ny fahasahiranana ara-toekarena, nanomboka tamin'ny Desambra 2022 dia atrehan'ireo haino-vaky-jery koa ny lalàna iray vaovao momba ny fitrandrahana ny haino-vaky-jery, izay manasazy azy ireo amin'ny fahazoana sy ny fanavaozana isantaona ny fahazoandàlany.

Ambaran'ny governemanta fa tsy maintsy mandoa 500 tapitrisa CFA (efa ho 8 hetsy dôlara amerikàna) raha tokony ho 7 tapitrisa  CFA (mihoatra ny 11 000 dôlara amerikàna) ireo fahitalavitra mba hahazoany fahazoandàlana hitrandraka. Ankoatra izay, ny fanavaozana ny fahazoandàlana dia lasa 125 tapitrisa CFA (mihoatra ny 200.000 dôlara amerikàna) raha 1 tapitrisa CFA (1 622 dôlara amerikàna). Ireo onjam-peo nasiônaly dia tsy maintsy mandoa 10 tapitrisa CFA (16 220 dôlara amerikàna) raha tokony ho 1,5 tapitrisa CFA (2 433 dôlara amerikàna) ho an'ny fahazoandàlany.

Ny tsy fahafahana mandoa ny vola tahàka izany dia mety hitondra any amin'ny fikatonan'ny onjampeo sy fahitalavitra, fa koa ny fampidirana am-ponja ireo tomponandraikitry ny haino-vaky-jery. Ao anatin'ny tatitra fanaony “Freedom in the world 2024” notanisaina ery ambony, tsindrian'ilay fikambanana fa:

(…)nonpayment of fees can incur harsh criminal penalties, including up to three years’ imprisonment for the station’s owner. In April 2022, the government ordered the closure of 79 radio stations for nonpayment of broadcast licensing fees. All but two of the stations resumed broadcasting later that month after civil society organizations helped them negotiate staggered payments to the government.

(…) mety hiafara amin'ny sazy henjana momba ny heloka bevava ny tsy fandoavana ireo tataon-ketra, isan'izany ny  fampidirana am-ponja mandritra ny telo taona ny tompon'ilay onjampeo. Tamin'ny Aprily 2022, didy fanakatonana onjampeo 72 no navoakan'ny governemanta noho ny tsy fandoavana ny sandan'ny fahazoandàlana. Ireo onjampeo rehetra, ankoatra ny roa, dia efa niverina nandefa ny fandaharany, volana iray taorian'ny nanampian'ny fiarahamonina sivily azy ireo tamin'ny fifampiraharahàna tamin'ny governemanta momba ny fomba fandoavam-bola tsikelikely.

Ao anatin'ny tondron'ny fahitàna ny kolikoly, navoakan'ny Transparency International tamin'ny 2023, amin'ireo firenena 180 dia eo amin'ny laharana faha-153 i Ginea Bisao. Asehon'io laharany io ny haavon'ny kolikoly ao amin'ilay firenena. Ny Freedom House, tao anatin'ny tatitra navoakany “Freedom in the world 2024” manampy hoe:

Corruption is pervasive, including among senior government figures. Both military and civilian officials have been accused of involvement in the illegal drug trade.

Hita na aiza na aiza ny kolikoly, hatrany amin'ireo tomponandraikitra ambony. Maro ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny tafika sy ny sivily no nampangaina ho voarohirohy tamina fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina.

Aretina maro no mamely an'i Ginea Bisao raha ilay firenena izay efa niomana ny hanao fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana tamin'ny 24 Novambra 2024, dia nanemotra azy ireny kosa noho ny antony ara-pôlitika sy ara-panjakàna, hoy ny lahatsoratra iray ao amin'ny Radio France Internationale (RFI).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.